<-
->

1Tt / 1Tan 4:1 The sons of Judah; Pharez, Hezron, and Carmi, and Hur, and Shobal. Ny zanakalahin' i Joda dia Fareza sy Hezrona sy Karmy sy Hora ary Sobala. Zanakalahin' i Jodà: Faresa, Hesrona, Karmì, Hora sy Sobala. Fils de Juda : Péreç, Heçrôn, Karmi, Hur, Shobal.
1Tt / 1Tan 4:2 And Reaiah the son of Shobal begat Jahath; and Jahath begat Ahumai, and Lahad. These are the families of the Zorathites. Ary Reaia, zanakalahin' i Sobala, niteraka an' i Jahata; ary Jahata niteraka an' i Ahomay sy Lahada. Ireo no fokon' ny Zoraita. Raià zanakalahin' i Sobala, niteraka an' i Jahata; Jahata niteraka an' i Akamaia sy Lahada. Ireo no fokon' ny Sareana. Reaya, fils de Shobal, engendra Yahat, et Yahat engendra Ahumaï et Lahad. Ce sont les clans Çoréatites.
1Tt / 1Tan 4:3 And these were of the father of Etam; Jezreel, and Ishma, and Idbash: and the name of their sister was Hazelelponi: Ary izao no avy amin' ny rain' i Etama: Jezirela sy Jisma ary Jidbasy, ary Hazelelpony no anaran' ny anabaviny, Izao avy no avy amin' ny rain' i Etama: Jezrahela, Jesema, sy Jedebosa, ary Asalelfoni no anaran' ny anabavin' ireo. Voici Abi-Étam, Yizréel, Yishma et Yidbash, dont la soeur s' appelait Haçlelponi.
1Tt / 1Tan 4:4 And Penuel the father of Gedor, and Ezer the father of Hushah. These are the sons of Hur, the firstborn of Ephratah, the father of Bethlehem. ary Penoela, rain' i Gedora, sy Ezera, rain' i Hosa. Ireo no zanak' i Hora, lahimatoan' i Efrata, razamben' ny any Betlehema. Fanoela no rain' i Gedora, ary Ezera no rain' i Hosa. Ireo no zanakalahin' i Hora, lahimatoan' i Efratà, rain' i Betleema. Penuel était père de Gedor, Ézer père de Husha. Tels sont les fils de Hur, premier-né d'Éphrata, père de Bethléem.
1Tt / 1Tan 4:5 And Ashur the father of Tekoa had two wives, Helah and Naarah. Ary Asora, razamben' ny any Tekoa, namporafy, dia Hela sy Nara. Nanambady roa Asora, rain' i Tekoe, dia Halaà sy Naarà, Ashehur, père de Teqoa, eut deux femmes : Héléa et Naara.
1Tt / 1Tan 4:6 And Naarah bare him Ahuzam, and Hepher, and Temeni, and Haahashtari. These were the sons of Naarah. Ary Nara niteraka an' i Ahozama sy Hafera sy Temeny ary Hahastary. Ireo no zanakalahin' i Nara. ka ny naterak' i Naarà taminy dia Oozama, Hefera, Temanì ary Ahastarì: ireo no zanakalahin' i Naarà. Naara lui enfanta Ahuzam, Hépher, les Timnites et les Ahashtarites. Tels sont les fils de Naara.
1Tt / 1Tan 4:7 And the sons of Helah were, Zereth, and Jezoar, and Ethnan. Ary ny zanakalahin' i Hela dia Zareta sy Jizara ary Etnana. Ny zanakalahin' i Halaà dia Sereta, Isaara sy Etnàna. Fils de Héléa : Çéret, Çohar, Etnân.
1Tt / 1Tan 4:8 And Coz begat Anub, and Zobebah, and the families of Aharhel the son of Harum. Ary Hakoza niteraka an' i Anoba sy Zobeba ary ny fokon' i Aharela, zanakalahin' i Haroma. Kaosa niteraka an' i Anoba sy Sobobà, ary ny fokon' i Aharehela, zanakalahin' i Aroma. Qoç engendra Anub, Haççobéba et les clans d' Aharhel, fils de Harum.
1Tt / 1Tan 4:9 And Jabez was more honourable than his brethren: and his mother called his name Jabez, saying, Because I bare him with sorrow. Ary Jabeza dia nalaza noho ny rahalahiny; ary ny reniny nanao ny anarany hoe Jabeza, fa hoy izy: Ory aho, raha niteraka azy. Nomena haja noho ny rahalahiny Jabesa ary nataon-dreniny hoe Jabesa ny anarany, fa hoy izy: nijaly aho no niteraka azy. Yabeç l' emporta sur ses frères. Sa mère lui donna le nom de Yabeç en disant : " J' ai enfanté dans la détresse. "
1Tt / 1Tan 4:10 And Jabez called on the God of Israel, saying, Oh that thou wouldest bless me indeed, and enlarge my coast, and that thine hand might be with me, and that thou wouldest keep me from evil, that it may not grieve me! And God granted him that which he requested. Ary Jabeza niantso an' Andriamanitry ny Isiraely hoe: Enga anie ka hotahinao tokoa aho, ka hohalalahinao ny fari-taniko, ary ho amiko ny tananao, ka harovanao amin' ny ratsy aho, mba tsy hampahory ahy izany. Ary dia nomen' Andriamanitra azy ny nangatahiny. Niantso an' Andriamanitr' Israely Jabesa nanao hoe: Raha mitahy ahy hianao, ka halalahinao ny faritaniko, ary momba ahy ny tànanao, sy arovanao amin' ny loza aho mba tsy ho zoim-pahoriana... Ary nomen' Andriamanitra azy izay nangatahiny. Yabeç invoqua le Dieu d' Israël : " Si vraiment tu me bénis, dit-il, tu accroîtras mon territoire, ta main sera avec moi, tu feras s'éloigner le malheur et ma détresse prendra fin. " Dieu lui accorda ce qu' il avait demandé.
1Tt / 1Tan 4:11 And Chelub the brother of Shuah begat Mehir, which was the father of Eshton. Ary Keloba, rahalahin' i Soha, niteraka an' i Mehira, rain' i Estona; Keloba rahalahin' i Soà niteraka an' i Mahira, rain' i Estona; Kelub, frère de Shuha, engendra Mehir; c' est le père d' Eshtôn.
1Tt / 1Tan 4:12 And Eshton begat Bethrapha, and Paseah, and Tehinnah the father of Irnahash. These are the men of Rechah. ary Estona niteraka an' i Betirafa sy Pasea ary Tehina, rain' Ir-nahasa. Ireo dia mponina tao Reka. Estona niteraka ny fokon-dRafah, Fesè sy Tehinnà, rain' ny tanàna Naasa. Ireo no olona ao Rekah. Eshtôn engendra Bet-Rapha, Paséah, Tehinna, père de Ir-Nahash. Tels sont les hommes de Rékab.
1Tt / 1Tan 4:13 And the sons of Kenaz; Othniel, and Seraiah: and the sons of Othniel; Hathath. Ary ny zanakalahin' i Kenaza dia Otniela sy Seraia; ary ny zanakalahin' i Otniela dia Hatata. Zanakalahin' i Seneza: Othoniela, Saraià. Zanakalahin' i Othoniela: Hatata sy Maonatì. Fils de Qenaz : Otniel et Seraya. Fils de Otniel : Hatat et Meonotaï;
1Tt / 1Tan 4:14 And Meonothai begat Ophrah: and Seraiah begat Joab, the father of the valley of Charashim; for they were craftsmen. Ary Meonotahy niteraka an' i Ofra; ary Seraia niteraka an' i Joaba, razamben' ny ao an-dohasahan' ny mpiasa; fa mpiasa ireo. Maonatì niteraka an' i Ofrà; Saraià niteraka an' i Joaba, rain' ny ao an-dohasahan' i Karaskima, fa mpiasa izy ireo. Meonotaï engendra Ophra. Seraya engendra Yoab père de Gé-Harashim. Ils étaient en effet artisans.
1Tt / 1Tan 4:15 And the sons of Caleb the son of Jephunneh; Iru, Elah, and Naam: and the sons of Elah, even Kenaz. Ary ny zanakalahin' i Kaleba, zanakalahin' i Jefone, dia Iro sy Elaha sy Nama; ary ny zanakalahin' i Elaha dia Kenaza. Zanakalahin' i Kaleba, zanak' i Jefone: Hira, Elà, ary Nahama. Zanakalahin' i Elà: Seneza. Fils de Caleb fils de Yephunné : Ir, Éla et Naam. Fils d'Éla : Qenaz.
1Tt / 1Tan 4:16 And the sons of Jehaleleel; Ziph, and Ziphah, Tiria, and Asareel. Ary ny zanakalahin' i Jehalalila dia Zifa sy Zifaha sy Tiria ary Asarela. Zanakalahin' i Jaleleela: Zifa, Zifà, Tirià ary Asraela. Fils de Yehalléléel : Ziph, Zipha, Tirya, Asaréel.
1Tt / 1Tan 4:17 And the sons of Ezra were, Jether, and Mered, and Epher, and Jalon: and she bare Miriam, and Shammai, and Ishbah the father of Eshtemoa. Ary ny zanakalahin' i Ezra dia Jatera sy Mareda sy Efera ary Jalona; ary izy niteraka an' i Miriama sy Samay ary Jisba, razamben' ny any Estemoa. Zanakalahin' i Esrà: Jetera, Mereda, Efera, ary Jalòna. Ilay Ejipsiana novinadin' i Mereda, niteraka an' i Mariama sy Sammaì ary Jesbà, rain' i Estamao. Fils de Ezra : Yéter, Méred, Épher, Yalôn. Puis elle conçut Miryam, Shammaï et Yishba père d' Eshtemoa,
1Tt / 1Tan 4:18 And his wife Jehudijah bare Jered the father of Gedor, and Heber the father of Socho, and Jekuthiel the father of Zanoah. And these are the sons of Bithiah the daughter of Pharaoh, which Mered took. Ary Jehodia vadiny niteraka an' i Jareda, razamben' ny any Gedora, sy Hebera, razamben' ny any Soko, ary Jakotiela, razamben' ny any Zanoa. Ireo no zanakalahin' i Bitia, zanakavavin' i Farao, izay novadin' i Mareda. Ilay vehivavy jody vadiny anankiray, niteraka an' i Jareda, rain' i Gedora, sy Hebera, rain' i Sokao, ary Ikotiela, rain' i Zanoe. Ireo no zanakalahin' i Betià, zanakavavin' i Faraona, nalain' i Mereda ho vady. dont la femme judéenne enfanta Yéred père de Gedor, Héber père de Soko et Yequtiel père de Zanoah. Tels sont les fils de Bitya, la fille du Pharaon qu' avait épousée Méred.
1Tt / 1Tan 4:19 And the sons of his wife Hodiah the sister of Naham, the father of Keilah the Garmite, and Eshtemoa the Maachathite. Ary ny zanakalahin' i Hodia vadiny, izay anabavin' i Nahama, dia ny razamben' ny an' i Keila Garmita sy Estemoa Makatita. Zanakalahin' ny vadin' i Odaià, anabavin' i Nahama: ny rain' i Keilà, ilay Garmiana, sy ny rain' i Estamao, ilay Makatiana. Fils de la femme de Hodiyya, soeur de Naham père de Qéïla le Garmite et d' Eshtemoa le Maakatite.
1Tt / 1Tan 4:20 And the sons of Shimon were, Amnon, and Rinnah, Benhanan, and Tilon. And the sons of Ishi were, Zoheth, and Benzoheth. Ary ny zanakalahin' i Simona dia Amnona sy Rina sy Ben-hanana ary Tilona. Ary ny zanakalahin' i Jisy dia Zoheta sy Ben-zoheta. Zanakalahin' i Simona: Amnona, Rinnà, Ben-Hanàna ary Tilòna. Zanakalahin' i Jesì: Zoheta sy Ben-Zoheta. Fils de Shimôn : Amnôn, Rinna, Ben-Hanân, Tilôn. Fils de Yishéï : Zohet et Ben-Zohet.
1Tt / 1Tan 4:21 The sons of Shelah the son of Judah were, Er the father of Lecah, and Laadah the father of Mareshah, and the families of the house of them that wrought fine linen, of the house of Ashbea, Ary ny zanakalahin' i Sela, zanak' i Joda, dia Era, rain' i Leka, sy Lada, rain' i Maresa, sy ny fokon' ny mpanao rongony fotsy madinika amin' ny ankohonan' i Asbea; Zanakalahin' i Selà, zanak' i Jodà: Hera rain' i Lekà; Laadà rain' i Maresà, sy ny fianakaviana amin' ny fokon' ny mpanao biso sy amin' ny fokon' i Askebea, Fils de Shéla, fils de Juda : Er père de Léka, Lada père de Maresha et les clans des producteurs de byssus à Bet-Ashbéa.
1Tt / 1Tan 4:22 And Jokim, and the men of Chozeba, and Joash, and Saraph, who had the dominion in Moab, and Jashubilehem. And these are ancient things. ary Jokima sy ny mponina tao Kozeba ary Joasy sy Sarafa, izay samy nanapaka tany Moaba, ary Jasobi-lehema. Ary efa ela izany zavatra izany. sy Jokima ary ny olona ao Kozebà sy Joasa sy Sarafa izay samy nanapaka tany Moaba, sy Jaskobi-Lekema. Zavatra efa ela izany. Yoqim, les hommes de Kozeba, Yoash et Saraph qui allèrent se marier en Moab avant de revenir à Bethléem. Ces événements sont anciens.
1Tt / 1Tan 4:23 These were the potters, and those that dwelt among plants and hedges: there they dwelt with the king for his work. Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gadera; tany no nitoerany tamin' ny mpanjaka hanao ny asany. Ireo no mpanefy vilany sy mponina tany Netaima sy Gederà, nonina teo anilan' ny mpanjaka izy, dia niasa ho azy. Ce sont eux qui étaient potiers et habitaient Netayim et Gedéra. Ils demeuraient là avec le roi, attachés à son atelier.
1Tt / 1Tan 4:24 The sons of Simeon were, Nemuel, and Jamin, Jarib, Zerah, and Shaul: Ny zanakalahin' i Simeona dia Nemoela sy Jamina sy Jariba sy Zera ary Saoly, Zanakalahin' i Simeona: Namoela, Jamina, Jariba, Zarà, Saola, Seloma zanany, Fils de Siméon : Nemuel, Yamîn, Yarib, Zérah, Shaûl.
1Tt / 1Tan 4:25 Shallum his son, Mibsam his son, Mishma his son. dia Saloma no zanakalahin' i Saoly, Mibsama no zanakalahin' i Saloma, Misma no zanakalahin' i Mibsama. Mapsama zanany, Masmà zanany. Son fils Shallum, son fils Mibsam, son fils Mishma.
1Tt / 1Tan 4:26 And the sons of Mishma; Hamuel his son, Zacchur his son, Shimei his son. Ary ny zanakalahin' i Misma dia Hamoela, ary Zakora no zanakalahin' i Hamoela, Simey no zanakalahin' i Zakora. Zanakalahin' i Masmà: Hamoela zanany, Zakora zanany, Semeì zanany. Fils de Mishma : Hammuel son fils, Zakkur son fils, Shiméï son fils.
1Tt / 1Tan 4:27 And Shimei had sixteen sons and six daughters: but his brethren had not many children, neither did all their family multiply, like to the children of Judah. Ary Simey nanan-janaka enina ambin' ny folo lahy sy enim-bavy; fa ny rahalahiny tsy nanan-janaka maro, sady tsy nihamaro tahaka ny taranak' i Joda ny fokony rehetra. Semeì nanan-janaka enina ambin' ny folo lahy sy enim-bavy; nanan-janaka lahy maro ny rahalahiny, ary tsy nitombo toy ny zanak' i Jodà ny fianakaviany rehetra. Shiméï eut seize fils et six filles, mais ses frères n' eurent pas beaucoup d' enfants et l' ensemble de leurs clans ne se développa pas autant que les fils de Juda.
1Tt / 1Tan 4:28 And they dwelt at Beersheba, and Moladah, and Hazarshual, Ary izy nonina tao Beri-sheba sy Molada sy Hazara-soala Ny nonenan' izy ireo dia tao Bersabea, tao Moladì, tao Hasar-Soala, Ils habitèrent Bersabée, Molada et Haçar-Shual,
1Tt / 1Tan 4:29 And at Bilhah, and at Ezem, and at Tolad, sy Bila sy Ezema sy Tolada tao Balì, tao Asoma, tao Tolada, Bilha, Éçém et Tolad,
1Tt / 1Tan 4:30 And at Bethuel, and at Hormah, and at Ziklag, sy Betoela sy Horma sy Ziklaga tao Batoela, tao Hormì, tao Sikelega, Bétuel, Horma et Çiqlag,
1Tt / 1Tan 4:31 And at Bethmarcaboth, and Hazarsusim, and at Bethbirei, and at Shaaraim. These were their cities unto the reign of David. sy Beti-markabota sy Hazora-sosima sy Beti-biry ary Saraima. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan' i Davida. Ireo no tanàna nonenany mandra-panjakan' i Davida. tao Beta-Markabota, tao Hasar-Sosima, tao Beta-Beraì ary tao Saarima: ireo no tanànany aman-jana-bohiny, hatramin' ny andro nanjakan' i Davida. Bet-Markabot, Haçar-Susim, Bet-Biréï, Shaarayim. Telles furent leurs villes jusqu' au règne de David.
1Tt / 1Tan 4:32 And their villages were, Etam, and Ain, Rimmon, and Tochen, and Ashan, five cities: Ary ny zana-bohiny dia Etama sy Aina sy Rimona sy Tokena ary Asana, tanana dimy ireo, Azy ireo koa Etama, Aena, Remmona, Tokena sy Asana, tanàna dimy, Ils eurent pour villages : Étam, Ayîn, Rimmôn, Tokèn et Ashân, cinq villes,
1Tt / 1Tan 4:33 And all their villages that were round about the same cities, unto Baal. These were their habitations, and their genealogy. ary ny zana-bohiny rehetra koa izay manodina izany tanàna izany hatrany Bala. Ireo no fonenany sady nanana fitantaram-pirazanana manokana izy. mbamin' ny zanabohiny rehetra izay tao amin' ny manodidina an' ireo tanàna ireo, hatrany Baala. Ireo no fonenany, sy ny taratasy tetiaram-pirazanan' izy ireo. et tous les villages qui entouraient ces villes jusqu'à Baalat. C' est là qu' ils demeurèrent et qu' ils furent enregistrés :
1Tt / 1Tan 4:34 And Meshobab, and Jamlech, and Joshah, the son of Amaziah, Ary Mesobaba sy Jamleka sy Josa, zanak' i Amazia, Mosobaba, Jemleka, Josì, zanakalahin' i Amasiasa, Meshobab, Yamlek, Yosha fils d' Amaçya,
1Tt / 1Tan 4:35 And Joel, and Jehu the son of Josibiah, the son of Seraiah, the son of Asiel, ary Joela sy Jeho, zanak' i Josibia, zanak' i Seraia, zanak' i Asiela, Joela, Jehò, zanak' i Josabiasa, zanak' i Saraiasa, zanak' i Asiela, Yoèl, Yéhu fils de Yoshibya, fils de Seraya, fils d' Asiel,
1Tt / 1Tan 4:36 And Elioenai, and Jaakobah, and Jeshohaiah, and Asaiah, and Adiel, and Jesimiel, and Benaiah, ary Elioenay sy Jakoba sy Jesohaia sy Asaia sy Adiela sy Jesimiela sy Benaia Elioenaì, Jakoba, Isohaià, Asaià, Adiela, Ismiela, Banaia, Élyoénaï, Yaaqoba, Yeshohaya, Asaya, Adiel, Yesimiel, Benaya,
1Tt / 1Tan 4:37 And Ziza the son of Shiphi, the son of Allon, the son of Jedaiah, the son of Shimri, the son of Shemaiah; sy Ziza, zanak' i Sify, zanak' i Alona, zanak' i Jedaia, zanak' i Simry, zanak' i Semaia; Zizà, zanak' i Sefeì, zanak' i Alòna, zanak' i Idaià, zanak' i Semrì, zanak' i Samaià. Ziza, Ben-Shiphéï, Ben-Allôn, Ben-Yedaya, Ben-Shimri, Ben-Shemaya.
1Tt / 1Tan 4:38 These mentioned by their names were princes in their families: and the house of their fathers increased greatly. ireo voalaza anarana ireo dia samy lohany tamin' ny fotony avy; ary efa nihamaro indrindra ny fianakaviany. Ireo lehilahy voatonona amin' ny anarany ireo, dia samy filohany amin' ny fianakaviany avy; nitombo fatratra ny fokom-pianakaviany, Ces hommes, recensés nominativement, étaient princes dans leurs clans, et leurs familles s' accrurent énormément.
1Tt / 1Tan 4:39 And they went to the entrance of Gedor, even unto the east side of the valley, to seek pasture for their flocks. Ary nankany amin' ny fidirana ho any Gedora izy, dia hatramin' ny ilany atsinanana amin' ny lohasaha, hitady ahitra ho an' ny ondriny aman' osiny. ka nankany amin' ny hadilalan' i Gadora izy, hatrany amin' ny ilany atsinanana amin' ny lohasaha, mba hitady tany fiandrasam-biby ho an' ny biby fiompiny. Ils allèrent du col de Gérar jusqu'à l' orient de la vallée, cherchant pâture pour leur petit bétail.
1Tt / 1Tan 4:40 And they found fat pasture and good, and the land was wide, and quiet, and peaceable; for they of Ham had dwelt there of old. Ary nahita ahitra maitso sady tsara izy, ary malalaka ny tany sady nandry fahizay; nefa ny taranak' i Hama no nonina tany taloha. Dia nahita tany fiandrasam-biby lonaka sy tsara izy, tany malalaka, mandry fahizay sy miadana; taranak' i Khama ny mponina tao fahataloha. Ils trouvèrent de bons et gras pâturages, le pays était vaste, tranquille et pacifié. Des Chamites en effet y habitaient auparavant.
1Tt / 1Tan 4:41 And these written by name came in the days of Hezekiah king of Judah, and smote their tents, and the habitations that were found there, and destroyed them utterly unto this day, and dwelt in their rooms: because there was pasture there for their flocks. Ary ireo voasoratra anarana ireo dia tonga tao tamin' ny andron' i Hezekia, mpanjakan' ny Joda, ka namely ny lay sy ny fonenana hitany tao sy nandringana azy rehetra mandraka ankehitriny, dia nonina nisolo azy; fa nisy ahitra ho an' ny ondriny aman' osiny tany. Tamin' ny andron' i Ezekiasa, mpanjakan' i Jodà, no nahatongavan' ireo olona voasoratra anarana ireo. Noravany ny lain' izy ireo mbamin' ny Maonita hitany tao, ka nony efa nataony anatema mandrak' androany, dia izy ireo no nisolo toerana azy, nonina teo, satria nisy ahitra ho an' ny biby fiompiny tao. Les Siméonites, inscrits nominativement, arrivèrent au temps d'Ézéchias, roi de Juda; ils conquirent leurs tentes et les abris qui se trouvaient là. Ils les vouèrent à un anathème qui dure encore de nos jours et ils s'établirent à leur place, car il y avait là des pâturages pour leur petit bétail.
1Tt / 1Tan 4:42 And some of them, even of the sons of Simeon, five hundred men, went to mount Seir, having for their captains Pelatiah, and Neariah, and Rephaiah, and Uzziel, the sons of Ishi. Ary nisy lehilahy dimam-jato tamin' ny taranak' i Simeona nankany amin' ny tendrombohitra Seira ka nanana an' i Peletia sy Nearia sy Refaia ary Oziela, zanakalahin' i Jisy, ho mpifehy azy. Nisy taranak' i Simeona koa, diman-jato lahy no isany, nankany amin' ny tendrombohitra Seira. Faltiasa, Naariasa, Rafaiasa, ary Oziela, zanak' i Jesì, no filohan' ireo. Certains d' entre eux, appartenant aux fils de Siméon, gagnèrent la montagne de Séïr : cinq cents hommes ayant à leur tête Pelatya, Nearya, Rephaya, Uzziel, les fils de Yishéï.
1Tt / 1Tan 4:43 And they smote the rest of the Amalekites that were escaped, and dwelt there unto this day. Ary namely ny sisa afaka tamin' ny Amalekita izy, ka dia monina ao mandraka androany. nandresy ny Amalesita sisa afa-nandositra izy ireo dia niorom-ponenana teo mandrak' androany. Ils battirent le reste des réchappés d' Amaleq et demeurèrent là jusqu'à nos jours.

<-
->