<-
->

Ezr / Esd 3:1 And when the seventh month was come, and the children of Israel were in the cities, the people gathered themselves together as one man to Jerusalem. Ary nony tonga ny volana fahafito, rehefa tafapetraka teny amin' ny tanànany avy ny Zanak' Isiraely, dia nivory tany Jerosalema toy ny olona iray izy. Nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin' ny tanànany avy ny zanak' Israely, dia nivory tany Jerosalema, toy ny olona iray ihany, ny vahoaka. Quand arriva le septième mois les Israélites étant ainsi dans leurs villes tout le peuple se rassembla comme un seul homme à Jérusalem.
Ezr / Esd 3:2 Then stood up Jeshua the son of Jozadak, and his brethren the priests, and Zerubbabel the son of Shealtiel, and his brethren, and builded the altar of the God of Israel, to offer burnt offerings thereon, as it is written in the law of Moses the man of God. Dia nitsangana Jesoa, zanak' i Jozadaka, sy ny mpisorona rahalahiny ary Zerobabela, zanak' i Sealtiela, sy ny rahalahiny ka nanorina ny alitaran' Andriamanitry ny Isiraely hanaterana fanatitra dorana eo amboniny, araka izay voasoratra ao amin' ny lalàn' i Mosesy, lehilahin' Andriamanitra. Ary nitsangana Josoe, zanak' i Josedeka, mbamin' ny mpisorona rahalahiny sy Zorobabela, zanak' i Salatiela, mbamin' ny rahalahiny, ka nanorina ny otelin' Andriamanitr' Israely, hanaterana sorona, araka ny voasoratra ao amin' ny lalàn' i Moizy, olon' Andriamanitra. Josué, fils de Yoçadaq, avec ses frères les prêtres, et Zorobabel, fils de Shéaltiel, avec ses frères, se mirent à rebâtir l' autel du Dieu d' Israël, pour y offrir des holocaustes, comme il est écrit dans la Loi de Moïse, l' homme de Dieu.
Ezr / Esd 3:3 And they set the altar upon his bases; for fear was upon them because of the people of those countries: and they offered burnt offerings thereon unto the Lord, even burnt offerings morning and evening. Dia naoriny teo amin' ilay efa niorenany ihany ny alitara, satria natahotra ny tompon-tany izy, ary nanatitra fanatitra dorana teo amboniny ho an' i Jehovah izy, dia ny fanatitra dorana marain-tsy hariva. Naoriny teo amin' ilay niorenany taloha ihany ny otely fa raiki-tahotra mafy teo anatrehan' ny vahoakan' ny tany izy ireo, ka nanatitra sorona dorana ho an' ny Tompo teo, dia ny sorona dorana marain-tsy hariva izany. On rétablit l' autel en son site malgré la crainte où l' on était des peuples des pays et l' on y offrit des holocaustes à Yahvé, holocaustes du matin et du soir;
Ezr / Esd 3:4 They kept also the feast of tabernacles, as it is written, and offered the daily burnt offerings by number, according to the custom, as the duty of every day required; Ary nitandrina ny andro firavoravoana fitoerana ao amin' ny trano rantsan-kazo koa izy, araka ny voasoratra, sy ny amin' ny fanatitra dorana isan' andro araka ny isany avy, tahaka ny fanao, araka izay voatendry hatao isan' andro avy. Nanao fetin' ny Tabernakla, araka ny voasoratra koa izy, ka nanatitra ny sorona dorana isan' andro isan' andro, araka ny isany voadidin' ny lalàna hatao isan' andro. on célébra la fête des Tentes, comme il est écrit, avec autant d' holocaustes quotidiens qu' il est fixé pour chaque jour;
Ezr / Esd 3:5 And afterward offered the continual burnt offering, both of the new moons, and of all the set feasts of the Lord that were consecrated, and of every one that willingly offered a freewill offering unto the Lord. Ary rehefa afaka izany, dia nanatitra ny fanatitra dorana mandrakariva izy sy ilay fanao amin' ny voaloham-bolana sy amin' ny fotoam-pivavahana nohamasinina rehetra izay voatendrin' i Jehovah ary ny avy amin' izay rehetra nanatitra fanati-tsitrapo ho an' i Jehovah. Manaraka izany, nateriny ny sorona dorana tsy tapaka, ny sorona dorana fanao amin' ny voalohan' ny volana sy amin' ny fety rehetra voatokana ho an' ny Tompo, ary ny avy amin' izay rehetra manatitra fanatitra an-tsitra-po ho an' ny Tompo. puis, outre l' holocauste perpétuel, on offrit ceux prévus pour les sabbats, néoménies et toutes solennités consacrées à Yahvé, plus ceux que chacun voulait offrir par dévotion à Yahvé.
Ezr / Esd 3:6 From the first day of the seventh month began they to offer burnt offerings unto the Lord. But the foundation of the temple of the Lord was not yet laid. Tamin' ny andro voalohany tamin' ny volana fahafito no niantomboka nanatitra fanatitra dorana ho an' i Jehovah izy. Nefa tsy mbola natao ny fanorenan' ny tempolin' i Jehovah. Hatramin' ny andro voalohan' ny volana fahafito, dia efa nanomboka ny manatitra sorona dorana ho an' ny Tompo izy ireo; ny fototry ny tempolin' ny Tompo anefa dia mbola tsy nalatsaka. Dès le premier jour du septième mois, on commença à offrir des holocaustes à Yahvé, bien que les fondations du sanctuaire de Yahvé ne fussent pas encore posées.
Ezr / Esd 3:7 They gave money also unto the masons, and to the carpenters; and meat, and drink, and oil, unto them of Zidon, and to them of Tyre, to bring cedar trees from Lebanon to the sea of Joppa, according to the grant that they had of Cyrus king of Persia. Ary nomeny vola ny mpipai-bato sy ny mpandrafitra, ary ny any Tyro sy ny any Sidona dia nomeny zavatra hohanina sy hosotroina sy diloilo mba hitondrany hazo sedera avy any Libanona hatramin' ny ranomasina any Jopa, araka ny teny efa azony tamin' i Kyrosy, mpanjakan' i Persia. Nomem-bola ny mpipai-bato amam-pandrafitra: nomen-kanina amam-pisotro sy diloilo koa ny Sidoniana sy ny Tiriana, mba hitondrany ny hazo sedera avy any Libàna amin' ny ranomasina, hatreo Jope, araka ny fanomezan-dàlana azo tamin' i Sirosa mpanjakan' i Persa. Puis on donna de l' argent aux tailleurs de pierre et aux charpentiers; aux Sidoniens et aux Tyriens on remit vivres, boissons et huile, pour qu' ils acheminent par mer jusqu'à Jaffa du bois de cèdre en provenance du Liban, selon l' autorisation accordée par Cyrus, roi de Perse.
Ezr / Esd 3:8 Now in the second year of their coming unto the house of God at Jerusalem, in the second month, began Zerubbabel the son of Shealtiel, and Jeshua the son of Jozadak, and the remnant of their brethren the priests and the Levites, and all they that were come out of the captivity unto Jerusalem; and appointed the Levites, from twenty years old and upward, to set forward the work of the house of the Lord. Ary tamin' ny volana faharoa tamin' ny taona faharoa taorian' ny nahatongavany tany amin' ny tranon' Andriamanitra tany Jerosalema dia niantomboka Zerobabela, zanak' i Sealtiela, sy Jesoa, zanak' i Jozadaka, mbamin' ny rahalahiny sisa, dia ny mpisorona sy ny Levita ary izay rehetra tonga tany Jerosalema avy tany amin' ny fahababoana, ka nanendry ny Levita izay hatramin' ny roa-polo taona no ho miakatra izy ho tonian' ny asa amin' ny tranon' i Jehovah. Tamin' ny taona faharoa nahatongavany teo amin' ny tranon' Andriamanitra tao Jerosalema, tamin' ny volana faharoa, dia nanomboka ny asa Zorobabela zanak' i Salatiela, Josoe zanak' i Josedeka, mbamin' ireo rahalahiny sisa, ny mpisorona sy ny levita, ary izay rehetra tao Jerosalema, avy any amin' ny fahababoana, ka nanendry ny levita hatramin' ny roapolo taona no ho miakatra izy, hitarika ny asa amin' ny tranon' ny Tompo. C' est la seconde année de leur arrivée au Temple de Dieu à Jérusalem, le deuxième mois, que Zorobabel, fils de Shéaltiel, et Josué, fils de Yoçadaq, avec le reste de leurs frères, les prêtres, les lévites et tous les gens rentrés de captivité à Jérusalem, commencèrent l' ouvrage, et ils confièrent aux lévites de vingt ans et au-dessus la direction des travaux du Temple de Yahvé.
Ezr / Esd 3:9 Then stood Jeshua with his sons and his brethren, Kadmiel and his sons, the sons of Judah, together, to set forward the workmen in the house of God: the sons of Henadad, with their sons and their brethren the Levites. Dia niara-nitsangana Jesoa sy ny zanany ary ny rahalahiny, ary Kadmiela sy ny zanany, zanak' i Joda, ho tonian' ny mpiasa tamin' ny tranon' Andriamanitra, ary ny zanak' i Henadada koa mbamin' ny zanany sy ny Levita rahalahiny. Dia indray nivonona ny levita: Josoe mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny, Kedmiela, mbamin' ireo zanany, zanak' i Jodà, hitarika an' izay niasa nanao ny asa momba ny tranon' Andriamanitra; torak' izany koa ny taranak' i Henadada, mbamin' ny zanany sy ny rahalahiny; samy levita avokoa izy. Josué, ses fils et ses frères, Qadmiel et ses fils, les fils de Hodavya, se mirent donc d' un seul coeur à diriger les travailleurs du chantier, au Temple de Dieu.
Ezr / Esd 3:10 And when the builders laid the foundation of the temple of the Lord, they set the priests in their apparel with trumpets, and the Levites the sons of Asaph with cymbals, to praise the Lord, after the ordinance of David king of Israel. Ary rehefa naorin' ny mpiasa ny tempolin' i Jehovah, dia nasainy hidera an' i Jehovah ny mpisorona, sady niakanjo ny akanjony sy nitondra trompetra, ary ny Levita, zanak' i Asafa, kosa nitondra kipantsona, araka ny nandidian' i Davida, mpanjakan' ny Isiraely. Nony nandatsaka ny fototry ny tempolin' ny Tompo ny mpiasa, dia nasaina nanatrika teo ny mpisorona nanao fanamiana sy nitondra trompetra, mbamin' ny levita, taranak' i Asafa, nitondra kipantsona, hidera an' ny Tompo, araka ny voadidin' i Davida, mpanjakan' Israely. Quand les bâtisseurs eurent posé les fondations du sanctuaire de Yahvé, les prêtres en costume, avec des trompettes, ainsi que les lévites, fils d' Asaph, avec des cymbales, se présentèrent pour louer Yahvé, selon les prescriptions de David, roi d' Israël;
Ezr / Esd 3:11 And they sang together by course in praising and giving thanks unto the Lord; because he is good, for his mercy endureth for ever toward Israel. And all the people shouted with a great shout, when they praised the Lord, because the foundation of the house of the Lord was laid. Dia nanao hira nifamalivaly nidera sy nisaotra an' i Jehovah izy, fa tsara Izy, fa mandrakizay ny famindram-pony amin' ny Isiraely. Dia nihoby mafy ny olona rehetra, raha nidera an' i Jehovah, satria vita ny fanorenan' ny tranon' i Jehovah. Dia nanao hira fiderana an' ny Tompo ireo: Fa tsara fo izy, ary maharitra mandrakizay ny famindram-pony amin' Israely. Ny vahoaka rehetra koa, indray nihoby an-kafaliana ho fiderana an' ny Tompo, fa nandatsaka ny fototry ny tranon' ny Tompo izy ireo. ils chantèrent à Yahvé louange et action de grâces : "Car il est bon, car éternel est son amour" pour Israël. Et le peuple tout entier poussait de grandes clameurs en louant Yahvé, parce que le Temple de Yahvé avait ses fondations.
Ezr / Esd 3:12 But many of the priests and Levites and chief of the fathers, who were ancient men, that had seen the first house, when the foundation of this house was laid before their eyes, wept with a loud voice; and many shouted aloud for joy: Nefa maro ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan' ny fianakaviana, dia ny antitra izay efa nahita ny trano voalohany, no nitomany mafy dia mafy, nony naorina teo imasony izany trano izany; nefa maro kosa no nanandratra ny feony nihoby sy nifaly; Tamin' ny nandatsahana ny fototr' izany trano izany teo imason' izy ireo anefa dia maro tamin' ny mpisorona sy ny levita mbamin' ny loham-pianakaviana efa antitra, izay nahita ilay trano taloha no nitomany nigogogogo. Betsaka koa no nanandra-peo nihoby sy nifaly, Cependant, maints prêtres, maints lévites et chefs de famille, déjà âgés et qui avaient vu le premier Temple, pleuraient très fort tandis qu' on posait les fondations sous leurs yeux, mais beaucoup d' autres élevaient la voix en joyeuses clameurs.
Ezr / Esd 3:13 So that the people could not discern the noise of the shout of joy from the noise of the weeping of the people: for the people shouted with a loud shout, and the noise was heard afar off. ka dia tsy fantatry ny olona izay fifaliana na izay fitomaniana noho izany horakoraka be izany, fa nihoby mafy ny olona, ka re lavitra ny horakoraka. hany ka tsy hain' ny vahoaka navahana izay hobin-kafaliana sy izay feo fitomanian' ny vahoaka, fa samy niantsoantso tamin' ny feo mafy dia mafy ny vahoaka, ka re lavitra ny horakoraka. Et nul ne pouvait distinguer le bruit des clameurs joyeuses du bruit des lamentations du peuple; car le peuple poussait d' immenses clameurs dont l'éclat se faisait entendre très loin.

<-
->