<-
->

Ezr / Esd 8:1 These are now the chief of their fathers, and this is the genealogy of them that went up with me from Babylon, in the reign of Artaxerxes the king. Ary izao no lohan' ny fianakaviana sy filazana ny firazanan' ny olona izay niara-niakatra tamiko avy tany Babylona tamin' ny nanjakan' i Artaksersesy mpanjaka: Izao no loham-pianakaviana sy filazana ny firazanany, dia ireo niara-niakatra tamiko avy any Babilona, tamin' ny andro nanjakan' i Artakserksesa mpanjaka. Voici, avec leur généalogie, les chefs de famille qui partirent avec moi de Babylone sous le règne du roi Artaxerxès.
Ezr / Esd 8:2 Of the sons of Phinehas; Gershom: of the sons of Ithamar; Daniel: of the sons of David; Hattush. Gersoma, avy tamin' ny taranak' i Finehasa; Daniela, avy tamin' ny taranak' Itamara; Hatosy, avy tamin' ny taranak' i Davida; Tamin' ny taranak' i Finea, Gersoma; tamin' ny taranak' Itamara, Daniela; tamin' ny taranak' i Davida, Hatosa, Des fils de Pinhas : Gershom; des fils d' Itamar : Daniyyel; des fils de David : Hattush,
Ezr / Esd 8:3 Of the sons of Shechaniah, of the sons of Pharosh; Zechariah: and with him were reckoned by genealogy of the males an hundred and fifty. Zakaria, avy tamin' ny taranak' i Sekania (avy tamin' ny zanak' i Parosy), mbamin' ny namany dimam-Polo amby zato lahy voasoratra araka ny firazanany; izay avy amin' ny taranak' i Sekeniasa; tamin' ny taranak' i Farosa, Zakaria, mbamin' ireo dimampolo amby zato lahy, voasoratra ao amin' ny bokim-pianakaviana izay niaraka taminy. fils de Shekanya; des fils de Paréosh : Zekarya, avec qui furent enregistrés 150 mâles;
Ezr / Esd 8:4 Of the sons of Pahathmoab; Elihoenai the son of Zerahiah, and with him two hundred males. Elihoenay, zanak' i Zerahia, avy tamin' ny taranak' i Pahata-moaba, mbamin' ny namany roan-jato lahy; Tamin' ny taranak' i Falata-Moaba, Elioenaì, zanak' i Zarehiasa mbamin' ireo roan-jato lahy izay niaraka taminy; des fils de Pahat-Moab : Elyehoénaï, fils de Zerahya, et avec lui 200 mâles;
Ezr / Esd 8:5 Of the sons of Shechaniah; the son of Jahaziel, and with him three hundred males. ny zanak' i Jahaziela, avy tamin' ny taranak' i Sekania, mbamin' ny namany telon-jato lahy; tamin' ny taranak' i Sekeniasa, taranak' i Ezekiela, mbamin' ireo telon-jato lahy izay niaraka taminy; des fils de Zattu : Shekanya, fils de Yahaziel, et avec lui 300 mâles;
Ezr / Esd 8:6 Of the sons also of Adin; Ebed the son of Jonathan, and with him fifty males. Ebeda, zanak' i Jonatana, avy tamin' ny taranak' i Adina, mbamin' ny namany dimam-polo lahy; tamin' ny taranak' i Adàna, Hebeda zanak' i Jonatàna, mbamin' ireo dimampolo lahy izay niaraka taminy; des fils de Adîn : Ebed, fils de Yonatân, et avec lui 50 mâles;
Ezr / Esd 8:7 And of the sons of Elam; Jeshaiah the son of Athaliah, and with him seventy males. Jesaia, zanak' i Atalia, avy tamin' ny taranak' i Elama, mbamin' ny namany fito-polo lahy; tamin' ny taranak' i Alama, Izaia, zanak' i Ataliasa mbamin' ireo enimpolo lahy izay niaraka taminy; des fils de Elam : Yeshaya, fils d' Atalya, et avec lui 70 mâles;
Ezr / Esd 8:8 And of the sons of Shephatiah; Zebadiah the son of Michael, and with him fourscore males. Zebadia, zanak' i Mikaela, avy tamin' ny taranak' i Sefatia, mbamin' ny namany valo-polo lahy; tamin' ny taranak' i Safatiasa, Zebediasa zanak' i Mikaela, mbamin' ireo valopolo lahy izay niaraka taminy; des fils de Shephatya : Zebadya, fils de Mikaèl, et avec lui 80
Ezr / Esd 8:9 Of the sons of Joab; Obadiah the son of Jehiel, and with him two hundred and eighteen males. Obadia, zanak' i Jehiela, avy tamin' ny taranak' i Joaba, mbamin' ny namany valo ambin' ny folo amby roan-jato lahy; tamin' ny taranak' i Joaba, Abediasa zanak' i Jehiela mbamin' ireo valo ambin' ny folo amby zato lahy izay niaraka taminy; des fils de Yoab : Obadya, fils de Yehiel, et avec lui 218 mâles;
Ezr / Esd 8:10 And of the sons of Shelomith; the son of Josiphiah, and with him an hundred and threescore males. ny zanak' i Josifia, avy tamin' ny taranak' i Selomita, mbamin' ny namany enim-polo amby zato lahy; tamin' ny taranak' i Selomita, zanak' i Josefiasa mbamin' ireo enimpolo amby zato lahy izay niaraka taminy; des fils de Bani : Shelomit, fils de Yosiphya, et avec lui 160 mâles;
Ezr / Esd 8:11 And of the sons of Bebai; Zechariah the son of Bebai, and with him twenty and eight males. Zakaria, zanak' i Bebay, avy tamin' ny taranak' i Bebay, mbamin' ny namany valo amby roa-polo lahy, tamin' ny taranak' i Bebaì, Zakaria zanak' i Bebaì mbamin' ireo valo amby roapolo lahy izay niaraka taminy; des fils de Bébaï : Zekarya, fils de Bébaï, et avec lui 28 mâles;
Ezr / Esd 8:12 And of the sons of Azgad; Johanan the son of Hakkatan, and with him an hundred and ten males. Johanana, zanak' i Hakatana, avy tamin' ny taranak' i Azgada, mbamin' ny namany folo amby zato lahy; tamin' ny taranak' i Azgada, Johanàna zanak' i Eksetana mbamin' ireo folo amby zato lahy niaraka taminy; des fils de Azgad : Yohanân, fils de Haqqatân, et avec lui 110 mâles;
Ezr / Esd 8:13 And of the last sons of Adonikam, whose names are these, Eliphelet, Jeiel, and Shemaiah, and with them threescore males. ary ny avy tamin' ny taranak' i Adonikama, zandriny taoriana ireo, ary izao no anarany: Elifeleta sy Jeiela sy Semaia mbamin' ny namany enim-polo lahy, tamin' ny taranak' i Adonikama, dia farany ireo, ka izao no anarany: Elifeleta, Jehiela, ary Semaiasa, mbamin' ireo enimpolo lahy niaraka taminy; des fils d' Adoniqam : les cadets dont voici les noms Eliphélèt, Yeïel et Shemaya, et avec eux 60 mâles;
Ezr / Esd 8:14 Of the sons also of Bigvai; Uthai, and Zabbud, and with them seventy males. Otahy sy Zaboda, avy tamin' ny taranak' i Bigvay, mbamin' ny namany fito-polo lahy. tamin' ny taranak' i Begoaì, Otaì sy Zakora, mbamin' ireo fitopolo lahy niaraka taminy. et des fils de Bigvaï : Utaï, fils de Zabud, et avec lui 70 mâles.
Ezr / Esd 8:15 And I gathered them together to the river that runneth to Ahava; and there abode we in tents three days: and I viewed the people, and the priests, and found there none of the sons of Levi. Ary novoriko teo amoron' ny ony mankany Ahava izy, ka nilasy teo hateloana izahay; ary nony nandinika ny olona sy ny mpisorona aho, dia nahita fa tsy nisy taranak' i Levy teo na dia iray akory aza. Novoriko teo amoron' ny ony mankany Ahavà izy ireo, dia nilasy teo hateloana izahay. Nony nandinika ity vahoaka mbamin' ireo mpisorona aho, dia tsy nahita ny taranak' i Levì teo na dia iray aza. Je les rassemblai près de la rivière qui coule vers Ahava. Nous campâmes là trois jours. J' y remarquai des laïcs et des prêtres, mais n' y trouvai aucun lévite.
Ezr / Esd 8:16 Then sent I for Eliezer, for Ariel, for Shemaiah, and for Elnathan, and for Jarib, and for Elnathan, and for Nathan, and for Zechariah, and for Meshullam, chief men; also for Joiarib, and for Elnathan, men of understanding. Ka dia nirahiko Eliezera sy Ariela sy Semaia sy Elnatana sy Jariba sy Elnatana sy Natana sy Zakaria sy Mesolama (samy loholona ireo) ary Joariba sy Elnatana (samy mpampianatra ireo). Dia nasaiko nantsoina ny loholona, Eliezera, Ariela, Semeiasa, Elnatàna, Jariba; Elnatàna anankiray, Natàna, Zakaria ary Mosolama, mbamin' ireo mpampianatra: Joiariba sy Elnatàna. Alors je dépêchai Eliézer, Ariel, Shemaya, Elnatân, Yarib, Elnatân, Natân, Zekarya et Meshullam, hommes judicieux,
Ezr / Esd 8:17 And I sent them with commandment unto Iddo the chief at the place Casiphia, and I told them what they should say unto Iddo, and to his brethren the Nethinims, at the place Casiphia, that they should bring unto us ministers for the house of our God. Ary nampitondraiko teny ho any amin' Ido, loholona any Kasifia, ireo, ka nambarako azy izay teny holazainy amin' Ido sy ny Netinima rahalahiny any Kasifia, mba ho entiny any aminay izay ho mpanao fanompoam-pivavahana ao an-tranon' Andriamanitray. Nirahiko ho any amin' i Edao loholona, ao amin' ny fitoerana atao hoe Kasfià izy ireo; dia nofahanako teny hambara amin' i Edao, mbamin' ireo Natieana rahalahiny any amin' ny fitoerana atao hoe Kasfià izy, mba hitondrany mankaty aminay izay ho mpandraharaha ao amin' ny tranon' Andriamanitray et les mandatai auprès d' Iddo, chef en la localité de Kasiphya; je mis en leur bouche les paroles qu' ils devaient adresser à Iddo et à ses frères, fixés dans la localité de Kasiphya : nous fournir des servants pour le Temple de notre Dieu.
Ezr / Esd 8:18 And by the good hand of our God upon us they brought us a man of understanding, of the sons of Mahli, the son of Levi, the son of Israel; and Sherebiah, with his sons and his brethren, eighteen; Ary araka ny soa nataon' ny tànan' Andriamanitray taminay no nitondrany olon-kendry anankiray ho any aminay avy tamin' ny taranak' i Maly, zanak' i Levy, zanak' Isiraely, ary Serebia, sy ny zanany mbamin' ny rahalahiny, valo ambin' ny folo lahy, Ary satria nomba anay ny tanàna manambin' Andriamanitray, dia nentin' izy ireo nankaty aminay, ity lehilahy manan-tsaina anankiray avy amin' ny taranak' i Moholì, zanak' i Levì, zanak' Israely, dia Sarabiasa mbamin' ireo zanany aman-drahalahiny valo ambin' ny folo lahy; Or, grâce à la main bienveillante de notre Dieu, qui était sur nous, ils nous fournirent un homme avisé, des fils de Mahli, fils de Lévi, fils d' Israël, Shérébya, avec ses fils et frères : dix-huit hommes;
Ezr / Esd 8:19 And Hashabiah, and with him Jeshaiah of the sons of Merari, his brethren and their sons, twenty; ary Hasabia sy Jesaia, avy tamin' ny taranak' i Merary, mbamin' ny rahalahiny ary ny zanany roa-polo lahy; Hasabiasa ary Izaia koa miaraka aminy, avy amin' ny taranak' i Merarì, mbamin' ireo rahalahiny sy zanany roapolo lahy; plus Hashabya et avec lui son frère Yeshaya, des fils de Merari, ainsi que leurs fils : vingt hommes.
Ezr / Esd 8:20 Also of the Nethinims, whom David and the princes had appointed for the service of the Levites, two hundred and twenty Nethinims: all of them were expressed by name. ary avy tamin' ny Netinima, izay notendren' i Davida sy ny mpanapaka hanompo ny Levita, dia roa-polo amby roan-jato lahy; notononina anarana avokoa ireo. ary ny avy amin' ny Natieana izay nomen' i Davida sy ny loholona hanompo ny levita, Natieana roapolo sy roan-jato samy voatendry amin' ny anarany. Et parmi les "donnés" que David et les chefs avaient procurés aux lévites pour les servir : 220 "donnés." Tous furent enregistrés nommément.
Ezr / Esd 8:21 Then I proclaimed a fast there, at the river of Ahava, that we might afflict ourselves before our God, to seek of him a right way for us, and for our little ones, and for all our substance. Dia niantso andro fifadian-kanina aho teo amoron' ny ony Ahava hampahorianay tena eo anatrehan' Andriamanitray, mba hangataka Azy hahalavorary ny dianay sy ny an' ny vady aman-janakay ary ny biby fiompinay rehetra. Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron' ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan' Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra. Je proclamai là, près de la rivière d' Ahava, un jeûne : il s' agissait de nous humilier devant notre Dieu et de lui demander un heureux voyage pour nous, les personnes à notre charge et tous nos biens.
Ezr / Esd 8:22 For I was ashamed to require of the king a band of soldiers and horsemen to help us against the enemy in the way: because we had spoken unto the king, saying, The hand of our God is upon all them for good that seek him; but his power and his wrath is against all them that forsake him. Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila sy mpitaingin-tsoavaly amin' ny mpanjaka hiaro anay amin' ny fahavalonay eny an-dalana, satria efa niteny tamin' ny mpanjaka izahay ka nanao hoe: Sy tànan' Andriamanitray mahasoa izay rehetra mitady Azy; fa ny heriny sy ny fahatezerany kosa mamely izay rehetra mahafoy Azy. Fa nahamenatra ahy ny hangataka miaramila manatitra amam-pitaingin-tsoavaly, tamin' ny mpanjaka, hiaro anay amin' ny fahavalo eny an-dàlana, noho izahay efa niteny tamin' ny mpanjaka nanao hoe: Momba an' izay rehetra mitady azy ny tànan' Andriamanitra, hahasoa azy ireo, fa mahatratra an' izay rehetra mahafoy azy kosa ny heriny sy ny fahatezerany. Car j' aurais eu honte de réclamer au roi une troupe et des cavaliers pour nous protéger de l' ennemi pendant la route; nous avions au contraire déclaré au roi : "La main de notre Dieu s'étend favorablement sur tous ceux qui le cherchent; mais sa puissance et sa colère sont sur tous ceux qui l' abandonnent."
Ezr / Esd 8:23 So we fasted and besought our God for this: and he was intreated of us. Ary nifady hanina izahay ka nangataka izany tamin' Andriamanitray, dia nihaino anay Izy. Noho izany nifady hanina izahay sy nangataka tamin' Andriamanitray, ary nihaino anay izy. Nous jeûnâmes donc, invoquant notre Dieu à cette intention, et il nous exauça.
Ezr / Esd 8:24 Then I separated twelve of the chief of the priests, Sherebiah, Hashabiah, and ten of their brethren with them, Ary nanokana roa ambin' ny folo lahy tamin' ny lohan' ny mpisorona aho, dia Serebia sy Hasabia ary rahalahiny folo lahy ho namany, Dia nifidy lohan' ny mpisorona roa ambin' ny folo lahy aho; dia Sarabiasa sy Hasabiasa, mbamin' ny folo lahy tamin' ireo rahalahiny; Je choisis douze des chefs des prêtres, en plus de Shérébya et Hashabya et avec eux dix de leurs frères;
Ezr / Esd 8:25 And weighed unto them the silver, and the gold, and the vessels, even the offering of the house of our God, which the king, and his counsellors, and his lords, and all Israel there present, had offered: ka nolanjaiko ny volafotsy sy ny volamena horaisiny mbamin' ny fanaka, dia ny fanatitra ho ao an-tranon' Andriamanitray, izay efa naterin' ny mpanjaka sy ireo mpanolotsainy sy ireo mpanapaka ary ny Isiraely rehetra izay vory teo; ka nolanjaiko teo anatrehan' izy ireo, ny volafotsy, ny volamena sy ny fanaka, zavatra naterin' ny mpanjaka sy ny mpanolo-tsainy aman-dehibe ary ny olon-drehetra amin' Israely vory teo, natokany ho an' ny tranon' Andriamanitra, je leur pesai l' argent, l' or et les ustensiles, les offrandes que le roi, ses conseillers, ses grands et tous les Israélites se trouvant là avaient faites pour le Temple de notre Dieu.
Ezr / Esd 8:26 I even weighed unto their hand six hundred and fifty talents of silver, and silver vessels an hundred talents, and of gold an hundred talents; eny, nolanjaiko hatolotra azy ny talenta volafotsy dimam-polo amby enin-jato sy fanaka volafotsy, lanjan' ny talenta zato, ary talenta volamena zato dia nolanjaiko sady nataoko eo an-tànany, talenta volafotsy dimampolo sy enin-jato, fanaka volafotsy lanjan-talenta zato, talenta volamena zato; Je pesai donc et remis en leurs mains 650 talents d' argent, cent ustensiles d' argent de deux talents, cent talents d' or,
Ezr / Esd 8:27 Also twenty basons of gold, of a thousand drams; and two vessels of fine copper, precious as gold. sy kapoaka volamena misarona roa-polo, lanjan' ny darika arivo, ary fanaka varahina roa manganohano, tsara toy ny volamena. kopy volamena roapolo, lanjan-darìka arivo; ary kapoaka varahina manganohano roa, sarobidy toy ny volamena. vingt coupes d' or de mille dariques et deux vases d' un beau cuivre brillant, qui étaient précieux comme de l' or.
Ezr / Esd 8:28 And I said unto them, Ye are holy unto the Lord; the vessels are holy also; and the silver and the gold are a freewill offering unto the Lord God of your fathers. Ary hoy izaho taminy: Hianareo dia masina ho an' i Jehovah, sady masina koa ny fanaka; ary ny volafotsy sy ny volamena dia fanati-tsitrapo ho an' i Jehovah, Andriamanitry ny razanareo. Ary izao no nolazaiko tamin' izy ireo: Masina eo anatrehan' ny Tompo hianareo, ary ireo fanaka ireo dia zavatra masina; izany volafotsy amana volamena izany, dia fanatitra an-tsitra-po ho an' ny Tompo, Andriamanitry ny razanareo. Je leur déclarai : "Vous êtes consacrés à Yahvé; ces ustensiles sont sacrés; cet argent et cet or sont voués à Yahvé, le Dieu de vos pères.
Ezr / Esd 8:29 Watch ye, and keep them, until ye weigh them before the chief of the priests and the Levites, and chief of the fathers of Israel, at Jerusalem, in the chambers of the house of the Lord. Koa miambena ianareo, ka tandremo ireny mandra-pandanianareo azy indray eo anatrehan' ny lohan' ny mpisorona sy ny Levita ary ny lohan' ny fianakaviana amin' ny Isiraely any Jerosalema, dia amin' ny efi-trano ao an-tranon' i Jehovah. Koa ambeno amim-pitandremana ireo, mandra-pandanjanareo azy eo anatrehan' ny lohan' ny mpisorona sy ny levita, sy eo anatrehan' ny loham-pianakavian' Israely, any Jerosalema, amin' ny efi-trano eo an-tranon' ny Tompo. Veillez-y et gardez-les jusqu'à ce que vous puissiez les peser devant les chefs des prêtres et des lévites et les chefs de familles d' Israël, à Jérusalem, dans les salles du Temple de Yahvé."
Ezr / Esd 8:30 So took the priests and the Levites the weight of the silver, and the gold, and the vessels, to bring them to Jerusalem unto the house of our God. Dia noraisin' ny mpisorona sy ny Levita izany volafotsy sy volamena ary fanaka voalanja izany mba ho entiny ho any Jerosalema ho ao an-tranon' Andriamanitray. Dia noraisin' ireo mpisorona sy levita ny volafotsy amana volamena sy fanaka araka ny lanjany, hoentina ho any Jerosalema, ao an-tranon' Andriamanitsika. Prêtres et lévites prirent alors en charge l' argent, l' or et les ustensiles ainsi pesés pour les transporter à Jérusalem, au Temple de notre Dieu.
Ezr / Esd 8:31 Then we departed from the river of Ahava on the twelfth day of the first month, to go unto Jerusalem: and the hand of our God was upon us, and he delivered us from the hand of the enemy, and of such as lay in wait by the way. Dia niala teo amin' ny ony Ahava izahay tamin' ny andro faharoa ambin' ny folo tamin' ny volana voalohany mba hankany Jerosalema; ary ny tànan' Andriamanitray nomba anay, ka Izy no namonjy anay tamin' ny tanan' ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dalana. Niala teo amin' ny ony Ahavà, tamin' ny andro faharoa ambin' ny folon' ny volana voalohany izahay, ho any Jerosalema. Nomba anay ny tànan' Andriamanitray, ka namonjy anay tamin' ny tànan' ny fahavalo sy ny mpanotrika teny an-dàlana. Le douze du premier mois, nous quittâmes la rivière d' Ahava pour aller à Jérusalem : la main de notre Dieu était sur nous, et, sur la route, il nous protégea des attaques des ennemis et des pillards.
Ezr / Esd 8:32 And we came to Jerusalem, and abode there three days. Ary nony tonga tany Jerosalema izahay, dia nijanona hateloana aloha. Nony tonga tany Jerosalema izahay, dia niala sasatra hateloana. Nous arrivâmes à Jérusalem et y restâmes trois jours au repos.
Ezr / Esd 8:33 Now on the fourth day was the silver and the gold and the vessels weighed in the house of our God by the hand of Meremoth the son of Uriah the priest; and with him was Eleazar the son of Phinehas; and with them was Jozabad the son of Jeshua, and Noadiah the son of Binnui, Levites; Ary tamin' ny andro fahefatra no nandanjana ny volafotsy sy ny volamena ary ny fanaka ho eo an-tànan' i Meremota, zanak' i Oria mpisorona, tao an-tranon' Andriamanitray; ary teo aminy koa Eleazara, zanak' i Finehasa; ary teo amin' izy roa lahy koa Jozabada, zanak' i Jesoa, sy Noadia, zanak' i Binoy; Levita izy roa lahy ireo; Tamin' ny andro fahaefatra dia nolanjaina tao an-tranon' Andriamanitray ny volafotsy sy volamena mbamin' ny fanaka, ho eo an-tànan' i Merimota, zanak' i Oria, mpisorona; teo aminy koa Eleazara, zanak' i Finea; ary teo amin' izy ireo koa, Jozabada zanak' i Josoe, sy Noadiasa zanak' i Benoì. Le quatrième jour, l' argent, l' or et les ustensiles furent pesés dans le Temple de notre Dieu et remis entre les mains du prêtre Merémot, fils d' Uriyya, avec qui était Eléazar, fils de Pinhas; auprès d' eux se tenaient les lévites Yozabad, fils de Josué, et Noadya, fils de Binnuï.
Ezr / Esd 8:34 By number and by weight of every one: and all the weight was written at that time. an-isany sy an-danjany izany rehetra izany; ary voasoratra tamin' izany andro izany ny lanjany rehetra. Dia araka ny isany aman-danjany avokoa izy, ka nalatsaka an-tsoratra tamin' izany andro izany ny tontalin' ny lanjany. Nombre et poids, tout y était. On enregistra le poids total. En ce temps-là,
Ezr / Esd 8:35 Also the children of those that had been carried away, which were come out of the captivity, offered burnt offerings unto the God of Israel, twelve bullocks for all Israel, ninety and six rams, seventy and seven lambs, twelve he goats for a sin offering: all this was a burnt offering unto the Lord. Ary ny olona izay niverina avy tamin' ny fahababoana dia nanatitra fanatitra dorana ho an' Andriamanitry ny Isiraely, dia vantotr' ombilahy roa ambin' ny folo ho an' ny Isiraely rehetra sy ondrilahy enina amby sivifolo sy zanak' ondry fito amby fito-polo ary osilahy roa ambin' ny folo ho fanatitra noho ny ota: fanatitra dorana ho an' i Jehovah ireo rehetra ireo. Ary nanatitra sorona dorana ho an' Andriamanitr' Israely ny olona avy any amin' ny tany nahavoasesi-tany azy, dia ny zanaky ny fahababoana, ombalahy roa ambin' ny folo ho an' Israely rehetra, ondralahy enina amby sivifolo, zanak' ondry fito amby fitopolo, osilahy roa ambin' ny folo, noho ny ota: natao sorona dorana ho an' ny Tompo izany rehetra izany. ceux qui revenaient de captivité, les exilés, offrirent des holocaustes au Dieu d' Israël : douze taureaux pour tout Israël, 96 béliers, 72 agneaux, douze boucs pour le péché : le tout en holocauste à Yahvé.
Ezr / Esd 8:36 And they delivered the king' s commissions unto the king' s lieutenants, and to the governors on this side the river: and they furthered the people, and the house of God. Ary ny didin' ny mpanjaka dia natolony tamin' ny solo-mpanjaka sy ny mpanapaka tamin' ny etý an-dafin' ny ony etý; ary izy ireo nampandroso ny olona sy ny tranon' Andriamanitra. Dia natolotr' izy ireo ny governora lehiben' ny mpanjaka mbamin' ny governora any an-dafin' ny ony, ny didin' ny mpanjaka, ka dia niaro ny vahoaka sy ny tranon' Andriamanitra ireo. Et l' on remit les ordonnances du roi aux satrapes royaux et aux gouverneurs de Transeuphratène, lesquels vinrent en aide au peuple et au Temple de Dieu.

<-
->