<-
->

Neh / Ne 3:32 And between the going up of the corner unto the sheep gate repaired the goldsmiths and the merchants. Ary ny teo anelanelan' ny trano ambony teo an-jorony sy ny vavahadin' ondry no namboarin' ny mpanefy volamena sy ny mpandranto. Ary rehefa ren' i Sanbala fa nataonay ny manda, dia tezitra sady sosotra loatra izy ka nihomehy ny Jiosy, dia niteny teo anatrehan' ny namany sy ny miaramilan' i Samaria hoe: Inona no ataon' ireo Jiosy osa ireo? Hahaleo tena va ireo? Hahavono zavatra hatao fanatitra va ireo? Hahatsangana indray andro va ireo ? Hahatsangana ny vato avy amin' ny lavenona miavosa va ireo? Ary Tobia Amonita dia teo anilan' i Sanbala ka niteny hoe: Na dia amboa-haolo aza miakatra eo amin' izay atsangany, dia haharava ny manda vato ataony. Mihainoa, ry Andriamanitray ô, fa atao tsinontsinona izahay; koa atsingereno ho eo an-dohany ihany ny latsa ataony, ary aoka ho babo any amin' ny tany izay ahababoany izy. Aza manarona ny helony, ary aza vonoina tsy ho eo anatrehanao ny fahotany; fa efa nampahatezitra Anao teo anatrehan' ireo mandrafitra izy. Ka dia narafitray ihany ny manda ka tafakambana avokoa hatramin' ny antsasany miakatra; fa nazoto niasa ny olona. Ary ny mpanefy volamena sy ny mpivarotra nanamboatra ny eo anelanelan' ny trano ambony eo anjorony sy ny vavahadin' ny Ondry. Et entre la salle haute de l' Angle et la porte des Brebis, les orfèvres et les commerçants réparèrent.