<-
->

Tb 3:1 Velon-tsento Tobia tamin' izay ka rafitra nivavaka tamin-dranomaso, nanao hoe: L'âme désolée, je soupirai, je pleurai, et je commençai cette prière de lamentation
Tb 3:2 Marina hianao, ry Tompo, marina avokoa ny fitsaranao, antra sy hitsiny aman-drariny, ny lalànao rehetra. Tu es juste, Seigneur, et toutes tes oeuvres sont justes. Toutes tes voies sont grâce et vérité, et tu es le Juge du monde.
Tb 3:3 Koa ankehitriny, ry Tompo, tsarovy aho, aza valianao ny ratsy nataoko, ary aza tsahivinao ao amin' ny fahatsiarovanao, ny fahotako sy ny an' ny razako. Et maintenant, toi, Seigneur, souviens-toi de moi, regarde-moi. Ne me punis pas pour mes péchés, ni pour mes ignorances, ni pour celles de mes pères. Car nous avons péché devant toi
Tb 3:4 Fa tsy nankatò ny didinao izahay, ka natolotra ho amin' ny fandrobana, ho amin' ny fahababoana, ho amin' ny fahafatesana sy ho amin' ny fihomehezana ary ho amin' ny fandatsana eo amin' ny firenena rehetra nanelezanao anay. et violé tes commandements; et tu nous as livrés au pillage, à la captivité et à la mort, à la fable, à la risée et au blâme de tous les peuples où tu nous as dispersés.
Tb 3:5 Ary izao, ry Tompo ô, lehibe ny famaizanao, satria tsy nitandrina ny didinao tamin' ny nataonay izahay, sy tsy nandeha tamim-pahatsorana teo anatrehanao. Et maintenant, tous tes décrets sont vrais, quand tu me traites selon mes fautes et celles de mes pères. Car nous n' avons pas obéi à tes ordres, ni marché en vérité devant toi.
Tb 3:6 Koa amin' izao, ry Tompo ô, ataovy izay sitra-ponao amiko, ary tapaho ny horaisina amim-piadanana ny fanahiko fa izao tsara lavitra amiko ny maty noho ny velona. Et maintenant, traite-moi comme il te plaira, daigne me retirer la vie je veux être délivré de la terre et redevenir terre. Car la mort vaut mieux pour moi que la vie. J' ai subi des outrages sans raison, et j' ai une immense douleur! Seigneur, j' attends que ta décision me délivre de cette épreuve. Laisse-moi partir au séjour éternel, ne détourne pas ta face de moi, Seigneur. Car mieux vaut mourir que passer ma vie en face d' un mal inexorable, et je ne veux plus m' entendre outrager.
Tb 3:7 Tamin' izay andro izay ihany koa, tany Ekbatana, tanànan' ny Meda, dia nandre ny fanebahan' ny iray amin' ny ankizivavin-drainy azy, Sarà zanakavavin-dRagoela. Le même jour, il advint que Sarra, fille de Ragouèl, habitant d' Ecbatane en Médie, entendit aussi les insultes d' une servante de son père.
Tb 3:8 Fa lehilahy fito no efa samy namoahana azy ho vadiny, nefa nisy demony anankiray atao hoe Asmodea namono an' ireo, raha vao nandeha taminy izy. Il faut savoir qu' elle avait été donnée sept fois en mariage, et qu' Asmodée, le pire des démons, avait tué ses maris l' un après l' autre, avant qu' ils se soient unis à elle comme de bons époux. Et la servante de dire : "Oui, c' est toi qui tues tes maris! En voilà déjà sept à qui tu as été donnée, et tu n' as pas eu de chance une seule fois!
Tb 3:9 Ka raha niteny an' ilay ankizivavy iny izy, noho izay hadisoany anankiray izay, dia izao no navalin' io azy: Aza hahitanay zanakalahy na zanakavavy eto an-tany hianao na oviana na oviana, ry ilay mpamono vadinao; Si tes maris sont morts, ce n' est pas une raison pour nous châtier! Va donc les rejoindre, qu' on ne voie jamais de toi ni garçon ni fille!"
Tb 3:10 tadiavinao hovonoina aho toy ny namonoanao azy fitolahy vadinao. Raha nandre izany teny izany Sarà dia niakatra tany amin' ny efi-tranon' ny tranony ambony rihana, ka nijanona tao hateloana, tsy nihinana na nisotro; Ce jour-là, elle eut du chagrin, elle sanglota, elle monta dans la chambre de son père, avec le dessein de se pendre. Puis, à la réflexion, elle pensa : "Et si l' on blâmait mon père? On lui dira : Tu n' avais qu' une fille chérie, et, de malheur, elle s' est pendue! Je ne veux pas affliger la vieillesse de mon père jusqu' au séjour des morts. Je ferais mieux de ne pas me pendre, et de supplier le Seigneur de me faire mourir, afin que je n' entende plus d' insultes pendant ma vie."
Tb 3:11 fa naharitra nivavaka sy nitaraina tamin' Andriamanitra tamin-dranomaso mba hanafaka azy amin' izany fahafaham-baraka izany. A l' instant, elle étendit les bras du côté de la fenêtre, elle pria ainsi Tu es béni, Dieu de miséricorde! Que ton Nom soit béni dans les siècles, et que toutes tes oeuvres te bénissent dans l'éternité!
Tb 3:12 Tamin' ny andro fahatelo dia notaperiny ny fivavahany, ka nisaotra ny Tompo izy, nanao hoe: Et maintenant, je lève mon visage et je tourne les yeux vers toi.
Tb 3:13 Isaorana anie ny anaranao, ry Andriamanitry ny razanay ô, fa na dia eo am-pahatezeranao aza dia mamindra fo hianao, ary amin' ny andron' ny fahoriana dia mamela heloka an' izay miantso anao. Que ta parole me délivre de la terre, je ne veux plus m' entendre outrager!
Tb 3:14 Koa any aminao no itodihan' ny tavako, ry Tompo ô, Tu le sais, toi, Seigneur, je suis restée pure, aucun homme ne m' a touchée,
Tb 3:15 afaho amin' izao fatoram-pahafaham-baraka izao aho, fa raha tsy izany, dia esory amin' ity tany ity aho. je n' ai pas déshonoré mon nom, ni celui de mon père, sur ma terre d' exil. Je suis la fille unique de mon père, il n' a pas d' autre enfant pour héritier, il n' a pas de frère auprès de lui, il ne lui reste aucun parent, à qui je doive me réserver. J' ai perdu déjà sept maris, pourquoi devrai-je vivre encore? S' il te déplaît de me faire mourir, regarde-moi avec pitié, je ne veux plus m' entendre outrager!
Tb 3:16 Fantatrao, ry Tompo, fa tsy mba naniry izay vady aho, ary niaro ny fanahiko tamin' ny filan-dratsy rehetra. Cette fois-ci, leur prière, à l' un et à l' autre, fut agréée devant la Gloire de Dieu,
Tb 3:17 Tsy mba nankany amin' izay lalao fijilajilana foana aho, na oviana na oviana, na mba nifanatona tamin' izay lehilahy hafahafa fitondran-tena foana. et Raphaèl fut envoyé pour les guérir tous les deux. Il devait enlever les taches blanches des yeux de Tobit, pour qu' il voie de ses yeux la lumière de Dieu; et il devait donner Sarra, fille de Ragouèl, en épouse à Tobie, fils de Tobit, et la dégager d' Asmodée, le pire des démons. Car c' est à Tobie qu' elle revenait de droit, avant tous les autres prétendants. A ce moment-là, Tobit rentrait de la cour dans la maison; et Sarra, fille de Ragouèl, de son côté, était en train de descendre de la chambre.
Tb 3:18 Tsy mba fanarahana ny filan' ny nofoko, fa noho ny fahatahorana anao no hany nanekeko hanam-bady.
Tb 3:19 Asa na izaho no tsy mendrika ho azy ireo, na izy ireo no tsy mendrika ho ahy, fa angamba notehirizinao ho vadin' olon-kafa aho.
Tb 3:20 Tsy azon' olombelona fantarina ny fisainanao.
Tb 3:21 Kanefa na zovy na zovy mivavaka aminao, dia mino tsy am-pisalasalana izy, fa matoa zahan-toetra ny fiainany dia hovaliam-boninahitra, raha tra-pahoriana aza ny tenany dia ho afaka, ary raha iharam-pamaizana izy dia hety hahazo famindram-po avy aminao.
Tb 3:22 Satria tsy mifaly amin' ny fahavoazany hianao, fa andro tony no ampanarahinao ny tafio-drivotra; fifaliana no atondrakao manaraka ny tany aman-dranomaso.
Tb 3:23 Isaorana amin' ny taona rehetra anie ny anaranao, ry Andriamanitr' Israely ô!
Tb 3:24 Indray voahaino teo anatrehan' ny voninahitr' ilay Andriamanitra ambony indrindra ireo fitalahoana roa ireo.
Tb 3:25 Ny anjely masin' ny Tompo, Rafaela, no voairaka hanasitrana an' i Tobia sy Sarà, fa ny vavak' izy ireo dia indray notononina teo anatrehan' ny Tompo.

<-
->