<-
->

Jdt 12:1 Dia ao amin' ilay nisy ny rakiny no nasain' i Holoferina nampandrosoina Jodita, hipetraka ao ary tenany no nandahatra izay homena azy avy amin' ny sakafony. Il la fit ensuite introduire là où était disposée sa vaisselle d' argent, lui fit servir de ses mets et lui donna à boire de son vin.
Jdt 12:2 Fa hoy Jodita: Tsy azoko atao izao ny mihinana ny zavatra nasainao omena ahy, fandrao ho traty ny ota aho, fa ny zavatra efa nentiko ho ahy ihany no hohaniko Mais Judith : "Je me garderai bien d' en manger de peur que, pour moi, il n' y ait là une occasion de faute. Ce que j' ai apporté avec moi me suffira"
Jdt 12:3 Ka inona no hataonay ho anao, hoy Holoferina taminy, raha lany ny hanina nentinao? "Et si tes provisions viennent à manquer, comment pourrons-nous t' en procurer de semblables? Reprit Holopherne. Parmi nous il n' y a personne de ta race"
Jdt 12:4 Tompokolahy, hoy Jodita, mianiana amin' ny ainao aho, fa tsy hahalany ireto vatsy rehetra ireto ny ankizivavinao, alohan' ny hanatanterahan' Andriamanitra amin' ny tànako, ny hevitra voakasako. Dia nampidirin' ireo mpanompony tao amin' ny lay voalazany, ravehivavy. "Vis en paix, Monseigneur! Moi, ta servante, je n' aurai pas consommé toutes mes provisions que le Seigneur n' ait accompli par moi ses desseins!"
Jdt 12:5 Nony niditra tao izy, dia nangata-dàlana mba hahazo mivoaka amin' ny alina alohan' ny vaky masoandro, hivavaka sy hiantso ny Tompo. Les aides de camp d' Holopherne la conduisirent alors à sa tente où elle dormit jusqu' au milieu de la nuit. Quand approcha la veille de l' aurore, elle se leva.
Jdt 12:6 Ka nandidy ireo mpanompony Holoferina hamela azy hivoaka sy hiditra araka izay tiany, mandritra ny hateloana, mba hivavaka amin' ny Andriamaniny. Elle avait fait dire à Holopherne : "Que Monseigneur veuille bien ordonner de laisser sortir sa servante pour la prière",
Jdt 12:7 Koa nivoaka isan' alina izy, nankao amin' ny lohasahan' i Betolia sy nandro teo amin' ny loharano anankiray. de sorte qu' Holopherne avait prescrit à ses gardes de ne pas l' en empêcher. Elle demeura trois jours dans le camp. Elle sortait de nuit vers le ravin de Béthulie et se lavait à la source où se trouvait le poste de garde.
Jdt 12:8 Nony niakatra avy any izy, dia nivavaka tamin' ny Tompo, Andriamanitr' Israely mba hitarika ny diany ho amin' ny famonjena ny vahoakany. En remontant elle priait le Seigneur Dieu d' Israël de diriger son entreprise en vue du relèvement des fils de son peuple.
Jdt 12:9 Rahefa izay dia niditra ao an-dainy izy, dia nitoetra ho madio ao, mandra-pisakafony amin' ny hariva. Une fois purifiée, elle revenait et se tenait dans sa tente jusqu' au moment où, le soir, on lui apportait sa nourriture.
Jdt 12:10 Tamin' ny andro fahefatra, nanao fanasana ho an' ireo mpanompony Holoferina, ka nilaza tamin' i Vagao eonokany hoe: Mandehana taomy io Jody vavy io hanaiky an-tsitra-po ny hiara-mipetraka amiko, Le quatrième jour, Holopherne donna un banquet auquel il invita seulement ses officiers, non compris ceux des services.
Jdt 12:11 fa fahafaham-baraka ho an' ny lehilahy amin' ny Asiriana raha vehivavy no hamazivavy azy sy handao azy tsy naneky ny faniriany. Il dit à Bagoas, l' eunuque préposé à ses affaires : "Va donc persuader cette fille des Hébreux qui est chez toi de venir avec nous pour manger et boire en notre compagnie.
Jdt 12:12 Dia niditra tao amin' i Jodita Vagao, ka nilaza taminy hoe: Aoka ny zazavavy soa, tsy hatahotra ny hankany anilan' ny tompoko, homem-boninahitra eo anatrehany, ary hiara-mihinana aminy ary hisotro divay amin-kafaliana. Ce serait une honte pour nous de laisser partir une telle femme sans avoir eu commerce avec elle. Si nous ne réussissons pas à la décider, on rira bien de nous."
Jdt 12:13 Z' inona moa aho, hoy ny navalin' i Jodita, no handà ny tompoko? Bagoas sortit donc de chez Holopherne et entra chez Judith. "Cette jeune beauté daignerait-elle venir sans tarder en présence de mon maître? Dit-il. Elle sera à la place d' honneur en face de lui, boira avec nous un vin joyeux, et deviendra aujourd' hui même comme l' une des filles des Assyriens qui se tiennent dans le palais de Nabuchodonosor"
Jdt 12:14 Izay soa sy lavorary eo imasony dia hataoko avokoa, ary izay rehetra tiany indrindra no tsara indrindra ho ahy koa, amin' ny andro rehetra iainako. "Qui suis-je donc, répondit Judith, pour m' opposer à Monseigneur? Tout ce qui sera agréable à ses yeux je le ferai avec empressement, et ce sera pour moi un sujet de joie jusqu' au jour de ma mort!"
Jdt 12:15 Dia nitsangana izy, ary rahefa niravahany avokoa ny fihaingoany rehetra, dia niditra sy nankeo anatrehan' i Holoferina izy. Elle se leva, se para de ses vêtements et de tous ses atours féminins. Sa servante la précéda et étendit par terre vis-à-vis d' Holopherne la toison que Bagoas avait donnée à Judith pour son usage journalier, afin qu' elle pût s' y étendre pour manger.
Jdt 12:16 Niontana ny fon' i Holoferina, fa main' ny fitsiriritana azy. Judith entra et s' installa. Le coeur d' Holopherne en fut tout ravi et son esprit troublé. Il était saisi d' un désir intense de s' unir à elle, car depuis le jour où il l' avait vue il guettait un moment favorable pour la séduire.
Jdt 12:17 Hoy Holoferina taminy: Misotora ary mihinàna an-kafaliana, fa nahita fitia eo imasoko hianao. Il lui dit : "Bois donc! Partage notre joie"
Jdt 12:18 Ary hoy Jodita: Hisotro aho, tompoko, fa ity no andro nahazoan' ny fanahiko voninahitra indrindra, mihoatra noho ny tamin' ny andro rehetra niainako. "Je bois volontiers, seigneur, car depuis ma naissance je n' ai jamais tant apprécié la vie qu' aujourd' hui!"
Jdt 12:19 Ny efa nomanin' ny ankizivaviny no noraisiny dia nihinana sy nisotro teo anatrehany izy. Elle prit ce que lui avait préparé sa servante, puis mangea et but en face de lui.
Jdt 12:20 Nentanin-kafaliana noho ny aminy loatra Holoferina ka nisotro divay tsy anerany; tsy mbola nisy andro nisotroany be toy izany hatrizay niainany. Holopherne était sous son charme, aussi but-il une telle quantité de vin qu' en aucun jour de sa vie il n' en avait tant absorbé.

<-
->