<-
->

Jdt 16:1 Tamin' izay Jodita dia nihira izao hira izao tamin' ny Tompo: Mankalazà ny Tompo, amin' ny fidoboky ny amponga, Mihirà ny Tompo amin' ny kipantsona; Miraisa feo hanaovana hira vaovao ho voninahiny, ankalazao sy hobio ny anarany. Entonnez un chant à mon Dieu sur les tambourins, chantez le Seigneur avec les cymbales, mêlez pour lui le psaume au cantique, exaltez et invoquez son nom!
Jdt 16:2 Ny Tompo manapitra ny ady; Tompo no anarany! Niorin-toby eo afovoan' ny vahoakany izy, mba hamonjy antsika amin' ny tanan' ny fahavalontsika rehetra. Car le Seigneur est un Dieu briseur de guerres; il a établi son camp au milieu de son peuple, pour m' arracher de la main de mes adversaires.
Jdt 16:3 Tonga Asora avy amin' ireo tendrombohitra, avy any amin' ny lafin-tany Avaratra nomban' ny miaramilany alinalina: nahatohana ny riana ny hamaroany, ary naharakotra ny lohasaha ny soavaliny. Assur descendit des montagnes du septentrion, il vint avec les myriades de son armée. Leur multitude obstruait les torrents, leurs chevaux couvraient les collines.
Jdt 16:4 Nanampo handevona ny faritaniko tamin' ny afo izy, sy hamono ireo zatovolahiko amin' ny sabatra, hifaoka ny zanako ho babo, ary ny virjiny zanako ho sambo-belona. Ils parlaient d' embraser mon pays, de passer mes adolescents au fil de l'épée, de jeter à terre mes nourrissons, de livrer au butin mes enfants et mes jeunes filles au rapt.
Jdt 16:5 Kanjo ny fahafaham-baraka no natolotry ny Tompo tsy toha azy, natolony ho eo an-tanam-behivavy izy, ka resiny. Mais le Seigneur Tout-Puissant le leur interdit par la main d' une femme.
Jdt 16:6 Tsy mba tovolahy mamely no nandavo ny maheriny, tsy mba ny zanaky ny mahery no namely azy, tsy ny lehilahy rangavina no niady taminy, fa Jodita ihany, zanakavavin' i Merari, no nampitsingidina azy, tamin' ny hatsaran-tarehiny. Car leur héros n' est pas tombé devant des jeunes gens, ce ne sont pas des fils de titans qui l' ont frappé, ni de fiers géants qui l' ont attaqué, mais c' est Judith, fille de Merari, qui l' a désarmé par la beauté de son visage.
Jdt 16:7 Napetrany ny akanjom-pitondran-tena aminy, niramatra ny fitafiany fanao amin' ny fety izy, mba ho fandresan' ny zanak' Israely. Elle avait déposé son vêtement de deuil pour le réconfort des affligés d' Israël, elle avait oint son visage de parfums,
Jdt 16:8 Notsotsorihany diloilo manitra ny tavany, naolanolany tsara teo ambany lamba fehiloha ny volon-dohany. Akanjo vaovao no nentiny hamandrihany azy. elle avait emprisonné sa chevelure sous un turban, elle avait mis une robe de lin pour le séduire.
Jdt 16:9 Ny famirapiratry ny kapany nahajamba ny mason' itsy, ny hatsaran-tarehiny nahababo ny fony, notapahiny tamin' ny sabatra ny lohany. Sa sandale ravit son regard, sa beauté captiva son âme... et le cimeterre lui trancha le cou!
Jdt 16:10 Ny Persa nangovitra tamin' ny faheream-panahiny; ary ny Meda, tamin' izato hasahiany. Les Perses frémirent de son audace et les Mèdes furent confondus de sa hardiesse.
Jdt 16:11 Finaonaonana indray no nanakoako tao an-tobin' ny Asiriana; nony nitranga ny nomba ahy, efa trotraka sy main' ny hetaheta. Alors mes humbles crièrent, et eux prirent peur, mes faibles hurlèrent, et eux furent saisis d' effroi; ils enflèrent leur voix, et eux reculèrent.
Jdt 16:12 Zanakalahin' ny vantotr' olona no nitomboka azy sy namono azy efa toy ny ankizy mandositra; ka maty an' ady teo anatrehan' ny tavan' ny Tompo Andriamanitro izy ireo. Des enfants de femmelettes les tuèrent, ils les transpercèrent comme des fils de déserteurs. Ils périrent dans la bataille de mon Seigneur!
Jdt 16:13 Miventesa hira ho an' ny Tompo. Ry Tompo ambony indrindra, lehibe hianao, ry Tompo, ary fatratra amin' ny fahefanao hianao, ary tsy misy mahahoatra anao! Je veux chanter à mon Dieu un cantique nouveau. Seigneur, tu es grand, tu es glorieux, admirable dans ta force, invincible.
Jdt 16:14 Aoka anie hanompo anao avokoa ny harin-tananao, fa niteny hianao, dia vita ny zavatra rehetra, naniraka ny fanahinao hianao, dia hary ny zavatra rehetra ary tsy misy mahatohitra ny feonao. Que toute ta création te serve! Car tu as dit et les êtres furent, tu envoyas ton souffle et ils furent construits, et personne ne peut résister à ta voix.
Jdt 16:15 Ny tendrombohitra mbamin' ny rano mihovitrovitra hatrany am-potony, ny vato miempo toy ny savoka eo anoloan' ny tavanao; Les montagnes crouleraient-elles pour se mêler aux flots, les rochers fondraient-ils comme la cire devant ta face, qu'à ceux qui te craignent tu serais encore propice.
Jdt 16:16 fa izay matahotra anao kosa anefa, dia lehibe eo anatrehanao, amin' ny zavatra rehetra. Certes, c' est peu de chose qu' un sacrifice d' agréable odeur, et moins encore la graisse qui t' est brûlée en holocauste; mais qui craint le Seigneur est grand toujours.
Jdt 16:17 Loza ho an' ny firenena mitsangan-kamely ny vahoakako! Fa ny Tompo, ny tsy toha no hamaly izay ataony, hanadina azy izy amin' ny andro fitsarana. Hatolony amin' ny afo aman-kankana ny nofon' ireny, mba ho may sy hahatsiaro mangirifiry mandrakizay. Malheur aux nations qui se dressent contre ma race! Le Seigneur Tout-Puissant les châtiera au jour du jugement. Il enverra le feu et les vers dans leurs chairs et ils pleureront de douleur éternellement.
Jdt 16:18 Taorian' izany fandresena izany, nankany Jerosalema avokoa ny vahoaka, mba hitsaoka ny Tompo, ka vantany vao nidio izy ireo, dia nanatitra ny sorona dorana rehetra sy nanefa ny voadiny amam-bava nataony avy. Quand ils furent arrivés à Jérusalem, tous se prosternèrent devant Dieu et, une fois le peuple purifié, ils offrirent leurs holocaustes, leurs oblations volontaires et leurs dons.
Jdt 16:19 Jodita kosa nanatitra ny fiadian' i Holoferina rehetra, nomen' ny vahoaka azy, mbamin' ny elom-pandriana nalainy teo amin' ny farafara, ho anatema fanadinoana. Judith voua à Dieu, en anathème, tout le mobilier d' Holopherne donné par le peuple et la draperie qu' elle avait elle-même enlevée de son lit.
Jdt 16:20 Nanao fifalian-dehibe teo anoloan' ny fitoerana masina ny vahoaka rehetra, ary naharitra telo volana no nifaliana tamin' izany fandresena izany, niaraka tamin' i Jodita. La population se livra à l' allégresse devant le Temple, à Jérusalem, trois mois durant, et Judith resta avec eux.
Jdt 16:21 Nony tapitra izany andro fety izany, samy nody ho any an-tranony avy ny olona; nomem-boninahitra tao Betolia, Jodita, ary nahazo laza lehibe eran' ny tanin' Israely izy. Ny herim-po nampombainy fahadiovana, ka tsy nahalala lahy intsony izy, tamin' ny andro sisa niainany, taorian' ny nahafatesan' i Manasesa vadiny. Ce temps écoulé, chacun revint chez soi. Judith regagna Béthulie et y demeura dans son domaine. De son vivant elle devint célèbre dans tout le pays.
Jdt 16:22 Ny herim-po nampombainy fahadiovana, ka tsy nahalala lahy intsony izy, tamin' ny andro sisa niainany, taorian' ny nahafatesan' i Manasesa vadiny. Beaucoup la demandèrent en mariage, mais elle ne connut point d' homme tous les jours de sa vie depuis que son mari Manassé était mort et avait été réuni à son peuple.
Jdt 16:23 Nony efa dimy amby zato taona no andro nitoerany tao an-tranon' ny vadiny, ary efa novotsorany ilay ankizivaviny, dia maty izy, ka nalevina tao Betolia, tao amin' ny vadiny, Son renom croissait de plus en plus tandis qu' elle avançait en âge dans la maison de son mari. Elle atteignit 105 ans. Elle affranchit sa servante, puis mourut à Béthulie et fut ensevelie dans la caverne où reposait son mari Manassé.
Jdt 16:24 ary nitomany azy hafitoana ny vahoaka rehetra. La maison d' Israël célébra son deuil durant sept jours. Avant de mourir elle avait réparti ses biens dans la parenté de son mari Manassé et dans la sienne propre.
Jdt 16:25 Tsy nisy olona nanabataba an' Israely, tamin' ny andro rehetra niainany, sy taona maro taorian' ny nahafatesany. Nataon' ny Hebrio ho anisan' ny andro masina, ny andro fety naorina ho fahatsiarovana io fandresena io, ka ankalazain' ny Jody hatramin' izany andro izany, ka mandrak' androany. Plus personne n' inquiéta les Israélites du temps de Judith ni longtemps encore après sa mort.

<-
->