<-
->

Gen / Jen 45:1 Then Joseph could not refrain himself before all them that stood by him; and he cried, Cause every man to go out from me. And there stood no man with him, while Joseph made himself known unto his brethren. Ary Josefa tsy nahatsindry ny fangorakoraky ny fony intsony teo anatrehan' izay rehetra teo aminy; dia niantso izy ka nanao hoe: Avoahy ny olona rehetra hiala eto amiko. Ary dia tsy nisy olona na dia iray aza nijanona teo amin' i Josefa, raha nanao izay hahafantaran' ny rahalahiny azy izy. Dia tsy nahatsindry fo intsony Josefa teo anatrehan' izay rehetra teo, ka niantso hoe: Avoahy avokoa ny olona rehetra! Ary tsy nisy olona tafajanona intsony teo aminy, raha nitònona anarana tamin' ireo rahalahiny izy. Alors Joseph ne put se contenir devant tous les gens de sa suite et il s'écria : Faites sortir tout le monde d' auprès de moi; et personne ne resta auprès de lui pendant que Joseph se faisait connaître à ses frères,
Gen / Jen 45:2 And he wept aloud: and the Egyptians and the house of Pharaoh heard. Dia nitomany mafy izy, ka ren' ny Egyptiana, ary ren' ny tao an-tranon' i Farao koa. Nanandra-peo izy nitomany ka ren' ny Ejipsiana sy ren' ny tao an-tranon' i Faraona. mais il pleura tout haut et tous les Égyptiens entendirent, et la nouvelle parvint au palais de Pharaon.
Gen / Jen 45:3 And Joseph said unto his brethren, I am Joseph; doth my father yet live? And his brethren could not answer him; for they were troubled at his presence. Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny: Izaho no Josefa; mbola velona ihany va ikaky? Ary tsy nahavaly azy ny rahalahiny; fa toran-kovitra teo anatrehany ireo. Hoy Josefa tamin' ny rahalahiny: Izaho no Josefa. Mbola velona ihany va ikaky? Fa tsy nahateny tsy nahavolana ireto rahalahiny, fa very saina loatra teo anatrehany. Joseph dit à ses frères : Je suis Joseph ! Mon père vit-il encore ? et ses frères ne purent lui répondre, car ils étaient bouleversés de le voir.
Gen / Jen 45:4 And Joseph said unto his brethren, Come near to me, I pray you. And they came near. And he said, I am Joseph your brother, whom ye sold into Egypt. Ary hoy Josefa tamin' ny rahalahiny: Avia, manatòna ahy ianareo. Dia nanatona ireo. Ary hoy Josefa: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Egypta. Ary Josefa nanao tamin' ny rahalahiny hoe: Manatòna eto amiko hianareo, dia nanatona izy, ka hoy izy: Izaho no Josefa rahalahinareo, ilay namidinareo ho atý Ejipta. Alors Joseph dit à ses frères : Approchez-vous de moi ! et ils s' approchèrent. Il dit : Je suis Joseph, votre frère, que vous avez vendu en Égypte.
Gen / Jen 45:5 Now therefore be not grieved, nor angry with yourselves, that ye sold me hither: for God did send me before you to preserve life. Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin' ny tenanareo noho ny nivarotanareo ahy ho atý; fa hamonjy aina no nampandehanan' Andriamanitra ahy hialoha anareo atý. Ary ankehitriny, aza malahelo na tezitra amin' ny tenanareo, noho ny nivarotanareo ahy ho atý, fa hamonjy aina anareo no nampandehanan' Andriamanitra ahy hialoha anareo. Mais maintenant ne soyez pas chagrins et ne vous fâchez pas de m' avoir vendu ici, car c' est pour préserver vos vies que Dieu m' a envoyé en avant de vous.
Gen / Jen 45:6 For these two years hath the famine been in the land: and yet there are five years, in the which there shall neither be earing nor harvest. Fa roa taona izao no efa nisian' ny mosary teto amin' ny tany; ary mbola misy dimy taona koa, izay tsy hisy hiasan-tany na hijinjana. Fa efa roa taona izao no nisian' ny mosary amin' ity tany ity; ary mbola dimy taona koa no tsy hiasan-tany, na hijinjàna. Voici, en effet, deux ans que la famine est installée dans le pays et il y aura encore cinq années sans labour ni moisson.
Gen / Jen 45:7 And God sent me before you to preserve you a posterity in the earth, and to save your lives by a great deliverance. Ary Andriamanitra efa nampandeha ahy hialoha anareo, mba tsy hahalany taranaka anareo amin' ny tany, fa hamelona anareo amin' ny famonjena lehibe. Ka nampandehanin' Andriamanitra aho hialoha anareo tsy ho lany tamingana amin' ny tany sy hampaharitra anareo ho amin' ny fanavotana lehibe. Dieu m' a envoyé en avant de vous pour assurer la permanence de votre race dans le pays et sauver vos vies pour une grande délivrance.
Gen / Jen 45:8 So now it was not you that sent me hither, but God: and he hath made me a father to Pharaoh, and lord of all his house, and a ruler throughout all the land of Egypt. Ary amin' izany, tsy ianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra; ary Izy nanao ahy ho rain' i Farao, sy ho tompon' ny ao an-tranony rehetra, ary ho mpanapaka ny tany Egypta rehetra. Koa amin' izany, tsy hianareo no nampandeha ahy ho atý, fa Andriamanitra. Izy no nanangana ahy ho rain' i Faraona sy ho tompon' ny tranony rehetra ary ho mpanapaka ny tany Ejipta manontolo. Ainsi, ce n' est pas vous qui m' avez envoyé ici, c' est Dieu, et il m' a établi comme père pour Pharaon, comme maître sur toute sa maison, comme gouverneur dans tout le pays d'Égypte.
Gen / Jen 45:9 Haste ye, and go up to my father, and say unto him, Thus saith thy son Joseph, God hath made me lord of all Egypt: come down unto me, tarry not: Andeha miakatra faingana ianareo ho any amin' ikaky, ka lazao aminy hoe: Izao no tenin' i Josefa zanakao: Efa nataon' Andriamanitra ho tompon' i Egypta rehetra aho; ka midìna hankatý amiko, fa aza mijanona; Koa miakara faingana hianareo any amin' ikaky ka lazao aminy hoe: Izao no teny nataon' i Josefa zanakao: Natsangan' Andriamanitra ho tompon' i Ejipta manontolo aho, ka midìna ho aty amiko hianao ary aza ela. Remontez vite chez mon père et dites-lui : Ainsi parle ton fils Joseph : Dieu m' a établi maître sur toute l'Égypte. Descends auprès de moi sans tarder.
Gen / Jen 45:10 And thou shalt dwell in the land of Goshen, and thou shalt be near unto me, thou, and thy children, and thy children' s children, and thy flocks, and thy herds, and all that thou hast: dia honina eo amin' ny tany Gosena ianao, ka ho eo akaikiko ianao sy ny zanakao sy ny zafinao ary ny ondry aman' osinao sy ny ombinao mbamin' izay rehetra anananao. Fa honina eo amin' ny tany Gesena hianao, dia samy ho eo akaikiko avokoa hianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ny ondrinao sy ny ombinao ary ny fanananao rehetra. Tu habiteras dans le pays de Goshèn et tu seras près de moi, toi-même, tes enfants, tes petits-enfants, ton petit et ton gros bétail, et tout ce qui t' appartient.
Gen / Jen 45:11 And there will I nourish thee; for yet there are five years of famine; lest thou, and thy household, and all that thou hast, come to poverty. Dia hamelona anao eo aho (fa mbola haharitra dimy taona ny mosary), fandrao ho lany harena ianao sy ny ankohonanao ary izay rehetra anananao. Ary hamelona anao eo aho, fa mbola haharitra dimy taona ny mosary, mba tsy ho voan' ny fahoriana hianao sy ny ankohonanao ary ny anananao rehetra. Là, je pourvoirai à ton entretien, car la famine durera encore cinq années, pour que tu ne sois pas dans l' indigence, toi, ta famille et tout ce qui est à toi.
Gen / Jen 45:12 And, behold, your eyes see, and the eyes of my brother Benjamin, that it is my mouth that speaketh unto you. Ary, indro, hitan' ny masonareo sy ny mason' i Benjamina rahalahiko izao fa ny vavako no miteny aminareo. Indro mahita maso hianareo izao, mahita maso koa Benjamina rahalahiko, fa ny vavako no miteny aminareo. Vous voyez de vos propres yeux et mon frère Benjamin voit que c' est ma bouche qui vous parle.
Gen / Jen 45:13 And ye shall tell my father of all my glory in Egypt, and of all that ye have seen; and ye shall haste and bring down my father hither. Dia hambaranareo amin' ikaky ny voninahitro rehetra atý Egypta sy izay rehetra efa hitanareo; koa mandehana faingana ianareo, ka ento midina atý ikaky. Koa tantarao amin' ikaky ny voninahitro rehetra aty Ejipta sy izay rehetra efa hitanareo; ary ataovy izay hidinan' ikaky faingana ho aty. Racontez à mon père toute la gloire que j' ai en Égypte et tout ce que vous avez vu, et hâtez-vous de faire descendre ici mon père.
Gen / Jen 45:14 And he fell upon his brother Benjamin' s neck, and wept; and Benjamin wept upon his neck. Dia namihina ny vozon' i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany; ary Benjamina koa dia mba nitomany teo amin' ny vozony. Dia namihina ny vozon' i Benjamina rahalahiny izy ka nitomany, ary Benjamina nitomany teo amin' ny vozony. Alors il se jeta au cou de son frère Benjamin et pleura. Benjamin aussi pleura à son cou.
Gen / Jen 45:15 Moreover he kissed all his brethren, and wept upon them: and after that his brethren talked with him. Ary dia nanoroka ny rahalahiny rehetra izy ka nitomany teo am-pamihinany azy; ary rehefa afaka izany, dia niresaka taminy ireo rahalahiny. Ary nanoroka ireo rahalahiny rehetra koa izy, ka nitomany teo am-pamihinana azy. Izay vao niresaka taminy ireto rahalahiny. Puis il couvrit tous ses frères de baisers et pleura en les embrassant. Après quoi, ses frères s' entretinrent avec lui.
Gen / Jen 45:16 And the fame thereof was heard in Pharaoh' s house, saying, Joseph' s brethren are come: and it pleased Pharaoh well, and his servants. Ary re tao an-tranon' i Farao ny teny hoe: Tonga ny rahalahin' i Josefa; dia sitrak' i Farao sy ny mpanompony izany. Niely ny teny tao an-tranon' i Faraona fa hoe: tonga ny rahalahin' i Josefa, ary samy faly amin' izany Faraona sy ny mpanompony. La nouvelle parvint au palais de Pharaon que les frères de Joseph étaient venus, et Pharaon comme ses officiers virent cela d' un bon oeil.
Gen / Jen 45:17 And Pharaoh said unto Joseph, Say unto thy brethren, This do ye; lade your beasts, and go, get you unto the land of Canaan; Ary hoy Farao tamin' i Josefa: Lazao amin' ny rahalahinao: Izao no ataovy: ataingeno ny entana ho entin' ny bibinareo, ka mankanesa any amin' ny tany Kanana; Dia hoy Faraona tamin' i Josefa: Lazao amin' ny rahalahinao hoe: Izao no hataonareo: Ataingeno ny entana ho entin' ny bibinareo, ka mankanesa any amin' ny tany Kanaana. Pharaon parla ainsi à Joseph : Dis à tes frères : Faites ceci : chargez vos bêtes et allez-vous-en au pays de Canaan.
Gen / Jen 45:18 And take your father and your households, and come unto me: and I will give you the good of the land of Egypt, and ye shall eat the fat of the land. ary alao ny rainareo sy ny ankohonanareo, ka mankanesa atý amiko; ary dia homeko anareo ny tsara eto amin' ny tany Egypta, ka hihinana ny matavy eto amin' ny tany ianareo. Dia makà ny rainareo sy ny ankohonanareo, ary miverena aty amiko. Fa homeko ny tsara indrindra amin' ny tany Ejipta hianareo, ary hihinana ny menaky ny tany. Prenez votre père et vos familles et revenez vers moi; je vous donnerai le meilleur de la terre d'Égypte et vous vous nourrirez de la graisse du pays.
Gen / Jen 45:19 Now thou art commanded, this do ye; take you wagons out of the land of Egypt for your little ones, and for your wives, and bring your father, and come. Ary ankehitriny efa nomena teny ianao, ka izao no ataovy: makà sariety amin' ny tany Egypta hitondranareo ny vady aman-janakareo, ary ento ny rainareo, ka mankanesa atý. Omeko fahefana hianao hilaza aminy hoe: Izao no hataonareo: Makà sarety amin' ny tany Ejipta hitondranareo ny vady aman-janakareo, alao ny rainareo dia mankanesa atý. Pour toi, donne-leur cet ordre : Agissez ainsi : emmenez du pays d'Égypte des chariots pour vos petits enfants et vos femmes, prenez votre père et venez.
Gen / Jen 45:20 Also regard not your stuff; for the good of all the land of Egypt is your' s. Aza malahelo ny amin' ny fanakareo; fa anareo izay tsara eto amin' ny tany Egypta rehetra. Aza apitrapitra amin' alahelo ny masonareo hijery ny zavatra ilaozanareo, fa izay tsara indrindra atý amin' ny tany Ejipta manontolo no hatolotro anareo hanarananareo fo. N' ayez pas un regard de regret pour ce que vous laisserez, car ce qu' il y a de meilleur dans toute l'Égypte sera pour vous.
Gen / Jen 45:21 And the children of Israel did so: and Joseph gave them wagons, according to the commandment of Pharaoh, and gave them provision for the way. Ary nataon' ny zanak' Isiraely izany, ka dia nomen' i Josefa sariety izy, araka ny tenin' i Farao; ary nomeny vatsy koa ho entiny eny an-dalana izy. Dia nataon' ny zanak' Israely izany. Nomen' i Josefa sarety izy, araka ny teny azony tamin' i Faraona, ary vatsy koa hohaniny eny an-dàlana. Ainsi firent les fils d' Israël. Joseph leur procura des chariots selon l' ordre de Pharaon, et les munit de provisions de route.
Gen / Jen 45:22 To all of them he gave each man changes of raiment; but to Benjamin he gave three hundred pieces of silver, and five changes of raiment. Ary izy rehetra samy nomeny akanjo indray miova avy; fa Benjamina kosa nomeny sekely volafotsy telon-jato sy akanjo indimy miova. Izy rehetra nomeny akanjo indray miova avy; Benjamina nomeny volafotsy telon-jato farantsa sy akanjo indimy miova. A chacun d' eux il donna un habit de fête, mais à Benjamin il donna trois cents sicles d' argent et cinq habits de fête.
Gen / Jen 45:23 And to his father he sent after this manner; ten asses laden with the good things of Egypt, and ten she asses laden with corn and bread and meat for his father by the way. Ary izao kosa no nampitondrainy ho an-drainy: borikilahy folo nitondra zava-tsoa avy tany Egypta, sy borikivavy folo nitondra vary sy mofo, ary vatsy ho an' ny rainy ho entiny eny an-dalana. Ary rainy kosa nampitondrany ampondralahy folo, nitondra tamin' izay vokatr' i Ejipta tsara indrindra; ampondravavy folo, nitondra vary sy mofo ary hanina ho an-drainy eny an-dàlana. De la même manière, il envoya à son père dix ânes chargés des meilleurs produits d'Égypte et dix ânesses portant du blé, du pain et des vivres pour le voyage de son père.
Gen / Jen 45:24 So he sent his brethren away, and they departed: and he said unto them, See that ye fall not out by the way. Dia nampandehaniny ny rahalahiny, ka lasa nandeha izy ireo; ary hoy Josefa taminy: Aza mifanditra eny an-dalana ianareo. Dia nalefany ny rahalahiny ka niainga izy ireo, ary hoy izy tamin' izy ireo: Aza mifanditra eny an-dàlana hianareo. Puis il congédia ses frères qui partirent, non sans qu' il leur eût dit : Ne vous excitez pas en chemin !
Gen / Jen 45:25 And they went up out of Egypt, and came into the land of Canaan unto Jacob their father, Dia niakatra avy tany Egypta izy ireo ka tonga tany amin' i Jakoba rainy tany amin' ny tany Kanana. Nony tafakatra avy any Ejipta izy ireo dia tonga tany amin' i Jakoba rainy, any amin' ny tany Kanaana. Ils remontèrent donc d'Égypte et arrivèrent au pays de Canaan, chez leur père Jacob.
Gen / Jen 45:26 And told him, saying, Joseph is yet alive, and he is governor over all the land of Egypt. And Jacob' s heart fainted, for he believed them not. Dia nilaza taminy izy ka nanao hoe: Mbola velona ihany Josefa, ary izy no mpanapaka ny tany Egypta rehetra, kanefa nangatsiaka ihany ny fon' i Jakoba, fa tsy nino azy izy. Hoy izy taminy: Mbola velona Josefa, ary izy aza no manapaka ny tany Ejipta. Fa tsy nihontsina akory ny fon' i Jakoba, satria tsy nino azy ireo izy. Ils lui annoncèrent : Joseph est encore vivant, c' est même lui qui gouverne tout le pays d'Égypte ! Mais son coeur resta inerte, car il ne les crut pas.
Gen / Jen 45:27 And they told him all the words of Joseph, which he had said unto them: and when he saw the wagons which Joseph had sent to carry him, the spirit of Jacob their father revived: Dia nolazain' izy ireo ny teny rehetra izay efa nolazain' i Josefa taminy: ary rehefa hitany ny sariety izay efa nampitondrain' i Josefa hitondrana azy, dia izay vao velona indray ny fanahin' i Jakoba rainy Koa nambaran' izy ireo azy ny teny rehetra nolazain' i Josefa hitondrana azy, dia velombelona terý ny fanahin' i Jakoba rainy. Cependant, quand ils lui eurent répété toutes les paroles que Joseph leur avait dites, quand il vit les chariots que Joseph avait envoyés pour le prendre, alors l' esprit de Jacob, leur père, se ranima.
Gen / Jen 45:28 And Israel said, It is enough; Joseph my son is yet alive: I will go and see him before I die. Ary hoy Isiraely: Aoka ary, fa mbola velona ihany Josefa zanako; handeha aho ka hahita azy, dieny tsy mbola maty aho. Ka hoy Israely: Aoka, fa mbola velona Josefa zanako, ka handeha aho hahita azy dieny mbola tsy maty. Et Israël dit : Cela suffit ! Joseph, mon fils, est encore vivant ! Que j' aille le voir avant que je ne meure ! Départ de Jacob pour l'Égypte.

<-
->