<-
->

Gen / Jen 9:1 And God blessed Noah and his sons, and said unto them, Be fruitful, and multiply, and replenish the earth. Ary Andriamanitra nitso-drano an' i Noa sy ny zanany hoe; Maroa fara sy mihabetsaha ary mamenoa ny tany. Dia nitso-drano an' i Noe sy ny zanany lahy Andriamanitra, ka nanao taminy hoe: Miteraha maro, mihabetsaha ary mamenoa ny tany. Dieu bénit Noé et ses fils et il leur dit : Soyez féconds, multipliez, emplissez la terre.
Gen / Jen 9:2 And the fear of you and the dread of you shall be upon every beast of the earth, and upon every fowl of the air, upon all that moveth upon the earth, and upon all the fishes of the sea; into your hand are they delivered. Ary ny tahotra sy horohoro anareo hahazo ny bibi-dia rehetra sy ny voro-manidina rehetra; ireny mbamin' izay rehetra mandady na mikisaka amin' ny tany sy ny hazandrano rehetra ao amin' ny ranomasina dia efa natolotra eo an-tananareo. Hatahotra anareo sy himalo avokoa ny bibin' ny tany rehetra, ny vorona eny amin' ny habakabaka rehetra, ny zava-mihetsiketsika rehetra ambonin' ny tany, mbamin' ny hazandrano rehetra anaty ranomasina; efa natolotra eo an-tànanareo ireny. Soyez la crainte et l' effroi de tous les animaux de la terre et de tous les oiseaux du ciel, comme de tout ce dont la terre fourmille et de tous les poissons de la mer : ils sont livrés entre vos mains.
Gen / Jen 9:3 Every moving thing that liveth shall be meat for you; even as the green herb have I given you all things. Ny biby mihetsiketsika rehetra izay miaina dia ho fihinana ho anareo; dia efa nomeko anareo toy ny zava-maitso izy rehetra. Ho fihinana ho anareo avokoa rahefa mety ho zava-mihetsiketsika sy manana aina; fa omeko anareo daholo izany rehetra izany, toy ny efa nanomezako anareo ny zava-maitso. Tout ce qui se meut et possède la vie vous servira de nourriture, je vous donne tout cela au même titre que la verdure des plantes.
Gen / Jen 9:4 But flesh with the life thereof, which is the blood thereof, shall ye not eat. Kanefa ny nofo izay mbola misy aina dia ny ràny no aza haninareo. Kanefa ny nofo aza haninareo miaraka amin' ny aina, izany hoe ny rany. Seulement, vous ne mangerez pas la chair avec son âme, c' est-à-dire le sang.
Gen / Jen 9:5 And surely your blood of your lives will I require; at the hand of every beast will I require it, and at the hand of man; at the hand of every man' s brother will I require the life of man. Fa ny ranareo kosa dia hadiniko, satria ainareo izany; eo amin' ny tanan' ny manan' aina rehetra no hanadinako azy; ary eo amin' ny tanan' ny olona, dia eo amin' ny tanan' ny olona avy, no hanadinako ny ain' ny olona. Ary ny ranareo dia hasaiko hampamoaka noho ny ainareo, hampamoahiko izany avokoa ny biby rehetra; ny tànan' olombelona, ny tànan' olombelona izay mpirahalahy no hampamoahiko ny ain' ny olombelona. Mais je demanderai compte du sang de chacun de vous. J' en demanderai compte à tous les animaux et à l' homme, aux hommes entre eux, je demanderai compte de l'âme de l' homme.
Gen / Jen 9:6 Whoso sheddeth man' s blood, by man shall his blood be shed: for in the image of God made he man. Izay mandatsaka ny ran' olona, dia mba halatsak' olona kosa ny ràny, satria tahaka ny endrik' Andriamanitra no nanaovany ny olona. Ka na zovy na zovy handatsaka ran' olona, dia mba halatsak' olona koa ny rany, satria nataon' Andriamanitra mitovy tarehy aminy ny olombelona. Qui verse le sang de l' homme, par l' homme aura son sang versé. Car à l' image de Dieu l' homme a été fait.
Gen / Jen 9:7 And you, be ye fruitful, and multiply; bring forth abundantly in the earth, and multiply therein. Koa ny aminareo, dia maroa fara sy mihabetsaha; miteraha be eny ambonin' ny tany sy mihabetsaha eny. Ka dia miteraha maro hianareo, mihabetsaha hianareo, mieleza eran' ny tany, ka mihabetsaha eny. Pour vous, soyez féconds, multipliez, pullulez sur la terre et la dominez.
Gen / Jen 9:8 And God spake unto Noah, and to his sons with him, saying, Ary Andriamanitra niteny tamin' i Noa sy tamin' ny zanany, izay niaraka taminy, ka nanao hoe: Hoy koa Andriamanitra tamin' i Noe sy ny zanany niaraka taminy: Dieu parla ainsi à Noé et à ses fils :
Gen / Jen 9:9 And I, behold, I establish my covenant with you, and with your seed after you; Indro, Izaho efa manorina ny fanekeko aminareo sy amin' ny taranakareo mandimby anareo Ary izaho kosa dia hanao fanekem-pihavanana aminareo sy amin' ny taranaka mandimby anareo, Voici que j'établis mon alliance avec vous et avec vos descendants après vous,
Gen / Jen 9:10 And with every living creature that is with you, of the fowl, of the cattle, and of every beast of the earth with you; from all that go out of the ark, to every beast of the earth. sy amin' ny zava-manan' aina rehetra eo aminareo, na ny vorona, na ny biby fiompy, na ny bibi-dia rehetra eo aminareo: izay rehetra nivoaka avy tao anatin' ny sambo-fiara, dia ny biby samy hafa rehetra. amin' ny zava-manana aina rehetra izay eo aminareo, na vorona, na biby fiompy, sy ny bibin' ny tany rehetra, hatramin' izay nivoaka avy tao an-tsambo fiara ka hatramin' ny biby rehetra ambonin' ny tany. et avec tous les êtres animés qui sont avec vous : oiseaux, bestiaux, toutes bêtes sauvages avec vous, bref tout ce qui est sorti de l' arche, tous les animaux de la terre.
Gen / Jen 9:11 And I will establish my covenant with you, neither shall all flesh be cut off any more by the waters of a flood; neither shall there any more be a flood to destroy the earth. Dia aoriko ny fanekeko aminareo, ka tsy haringako amin' ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano hanimba ny tany intsony. Manao fanekem-pihavanana aminareo aho: tsy hisy levon' ny safo-drano intsony ny nofo rehetra, ary tsy hisy safo-drano handringana ny tany intsony. J'établis mon alliance avec vous : tout ce qui est ne sera plus détruit par les eaux du déluge, il n' y aura plus de déluge pour ravager la terre.
Gen / Jen 9:12 And God said, This is the token of the covenant which I make between me and you and every living creature that is with you, for perpetual generations: Ary hoy Andriamanitra: Izao no famantarana ny fanekena izay ataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin' ny zava-manan' aina rehetra eo aminareo hatramin' ny taranaka fara mandimby: Dia hoy Andriamanitra: Ity no famantaran' ny fanekena nataoko ho amiko sy ho aminareo mbamin' ny zava-manana aina rehetra izay ao aminareo, amin' ny taranaka ho avy rehetra: Et Dieu dit : Voici le signe de l' alliance que j' institue entre moi et vous et tous les êtres vivants qui sont avec vous, pour les générations à venir :
Gen / Jen 9:13 I do set my bow in the cloud, and it shall be for a token of a covenant between me and the earth. Ny avako efa napetrako eo amin' ny rahona ho famantarana ny fanekena ho amiko sy ho amin' ny tany. Nataoko eo amin' ny rahona ny avako, ka ho tonga famantaran' ny fanekena amiko sy amin' ny tany. je mets mon arc dans la nuée et il deviendra un signe d' alliance entre moi et la terre.
Gen / Jen 9:14 And it shall come to pass, when I bring a cloud over the earth, that the bow shall be seen in the cloud: Ary raha mampiangona rahona eo ambonin' ny tany Aho, ka hita eo amin' ny rahona ny avana, Ka rahefa hampiangona rahona ambonin' ny tany aho, dia hiseho eo amin' ny rahona ny avana. Lorsque j' assemblerai les nuées sur la terre et que l' arc apparaîtra dans la nuée,
Gen / Jen 9:15 And I will remember my covenant, which is between me and you and every living creature of all flesh; and the waters shall no more become a flood to destroy all flesh. dia hotsarovako ny fanekeko izay ho amiko sy ho aminareo mbamin' ny zava-manan' aina, dia ny nofo rehetra; ary tsy hisy safo-drano, handringana ny nofo rehetra intsony. Ka hotsarovako ny fanekena misy amiko sy aminareo mbamin' ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ka dia tsy hisy rano hanjary safo-drano mandringana ny nofo rehetra intsony. je me souviendrai de l' alliance qu' il y a entre moi et vous et tous les êtres vivants, en somme toute chair, et les eaux ne deviendront plus un déluge pour détruire toute chair.
Gen / Jen 9:16 And the bow shall be in the cloud; and I will look upon it, that I may remember the everlasting covenant between God and every living creature of all flesh that is upon the earth. Ary ho eo amin' ny rahona ny avana; ary hitsinjo azy Aho hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay izay ho amin' Andriamanitra sy ho amin' ny zava-manan' aina rehetra, dia ny nofo rehetra ambonin' ny tany. Ho eo amin' ny rahona ny avana, ka ny fijerena azy dia hahatsiarovako ny fanekena mandrakizay amin' Andriamanitra sy amin' ny zava-manana aina rehetra, ny nofo rehetra, ambonin' ny tany. Quand l' arc sera dans la nuée, je le verrai et me souviendrai de l' alliance éternelle qu' il y a entre Dieu et tous les êtres vivants, en somme toute chair qui est sur la terre.
Gen / Jen 9:17 And God said unto Noah, This is the token of the covenant, which I have established between me and all flesh that is upon the earth. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Noa: Izany no famantarana ny fanekena izay naoriko ho amiko sy ho amin' ny nofo rehetra ambonin' ny tany. Ary hoy Andriamanitra tamin' i Noe: Inona àry no famantaran' ny fanekena naoriko amiko sy amin' ny nofo rehetra ambonin' ny tany. Dieu dit à Noé : Tel est le signe de l' alliance que j'établis entre moi et toute chair qui est sur la terre.
Gen / Jen 9:18 And the sons of Noah, that went forth of the ark, were Shem, and Ham, and Japheth: and Ham is the father of Canaan. Ary ny zanakalahin' i Noa izay izay nivoaka avy tamin' ny sambo-fiara dia Sema sy Hama ary Jafeta; ary i Hama no rain' i Kanana. Ny zanak' i Noe nivoaka tao an-tsambo fiara dia Sema sy Kama ary Jafeta; ary Kama no rain' i Kanaana. Les fils de Noé qui sortirent de l' arche étaient Sem, Cham et Japhet; Cham est le père de Canaan.
Gen / Jen 9:19 These are the three sons of Noah: and of them was the whole earth overspread. Ireo telo lahy ireo no zanak' i Noa; ary avy tamin' ireo no nielezan' ny olona tambonin' ny tany rehetra. Izy telo lahy ireo no zanak' i Noe, ary avy amin' izy ireo ny olo-monina amin' ny tany rehetra. Ces trois-là étaient les fils de Noé et à partir d' eux se fit le peuplement de toute la terre.
Gen / Jen 9:20 And Noah began to be an husbandman, and he planted a vineyard: Ary vao tonga mpiasa tany Noa ka nanao tanim-boaloboka. Mpiasa tany Noe, ka nanomboka namboly voaloboka izy. Noé, le cultivateur, commença de planter la vigne.
Gen / Jen 9:21 And he drank of the wine, and was drunken; and he was uncovered within his tent. Ary nisotro tamin' ny divay izy ka mamo; dia nanary lamba izy ka nitanjaka tao anatin' ny lainy. Nony nisotro divay dia mamo sy niboridana nanary lamba tao an-dainy izy. Ayant bu du vin, il fut enivré et se dénuda à l' intérieur de sa tente.
Gen / Jen 9:22 And Ham, the father of Canaan, saw the nakedness of his father, and told his two brethren without. Ary hitan' i Hama, rain' i Kanana ny fitanjahan' ny rainy, dia nambarany tamin' ny rahalahiny roa lahy teo ivelany. Nahita ny fitanjahan-drainy Kama, rain' i Kanaana, ka lasa nivoaka nilaza izany tamin' izy roa lahy rahalahiny. Cham, père de Canaan, vit la nudité de son père et avertit ses deux frères au-dehors.
Gen / Jen 9:23 And Shem and Japheth took a garment, and laid it upon both their shoulders, and went backward, and covered the nakedness of their father; and their faces were backward, and they saw not their father' s nakedness. Ary nalain' i Sema sy Jafeta ny lamba ka nentin' izy mirahalahy teo an-tsorony, dia nanao dia mianotra izy ka nandrakotra ny fitanjahan' ny rainy; ary ny tavany tsy nanatrika, ka dia tsy hitany ny fitanjahan' ny rainy. Fa noraisin' i Sema sy Jafeta kosa ny lamba, nasampiny tamin' ny sorony, dia nanao dia mianotra izy, ka nandrakotra ny fitanjahan-drainy. Mais Sem et Japhet prirent le manteau, le mirent tous deux sur leur épaule et, marchant à reculons, couvrirent la nudité de leur père; leurs visages étaient tournés en arrière et ils ne virent pas la nudité de leur père.
Gen / Jen 9:24 And Noah awoke from his wine, and knew what his younger son had done unto him. Dia nahatsiaro Noa, rehefa afaka ny hamamoany, ka nahafantatra izay efa nataon' ny zanany faralahy taminy. Niamboho ny tavan' izy ireo, ka tsy nahita izay fitanjahan-drainy. Nony nahatsiaro tamin' ny hamamoany Noe dia nahare izay nataon-janany farahaly taminy, Lorsque Noé se réveilla de son ivresse, il apprit ce qui lui avait fait son fils le plus jeune.
Gen / Jen 9:25 And he said, Cursed be Canaan; a servant of servants shall he be unto his brethren. Dia hoy izy: Ho voaozona anie Kanana; Ho tena andevon' ny rahalahiny izy. ka hoy izy: Ho voaozona anie Kanaana, Ho andevon' ny andevo izy, amin' ny rahalahiny. Et il dit : Maudit soit Canaan ! Qu' il soit pour ses frères le dernier des esclaves !
Gen / Jen 9:26 And he said, Blessed be the Lord God of Shem; and Canaan shall be his servant. Ary hoy koa izy: Isaorana anie Jehovah, Andriamanitr' i Sema; Ary aoka Kanana ho andevony. Hoy indray izy: Isaorana anie Iaveh Andriamanitr' i Sema, Ary aoka ho andevony Kanaana. Il dit aussi : Béni soit Yahvé, le Dieu de Sem, et que Canaan soit son esclave !
Gen / Jen 9:27 God shall enlarge Japheth, and he shall dwell in the tents of Shem; and Canaan shall be his servant. Hataon' Andriamanitra malalaka anie Jafeta; Ary aoka honina ao an-dain' i Sema izy; Ary aoka Kanana ho andevony. Hataon' Andriamanitra malalaka anie Jafeta. Aoka izy honina ao an-dain' i Sema. Ary aoka ho andevony Kanaana. Que Dieu mette Japhet au large, qu' il habite dans les tentes de Sem, et que Canaan soit son esclave !
Gen / Jen 9:28 And Noah lived after the flood three hundred and fifty years. Ary ny andro niainan' i Noa taorian' ny safo-drano dia dimam-polo amby telon-jato taona. Mbola velona dimam-polo sy telon-jato taona Noe taorian' ny safo-drano. Après le déluge, Noé vécut trois cent cinquante ans.
Gen / Jen 9:29 And all the days of Noah were nine hundred and fifty years: and he died. Ary ny andro rehetra niainan' i Noa dia dimam-polo amby sivin-jato taona; dia maty izy. Ary dimam-polo sy sivin-jato taona ny andro rehetra niainan' i Noe, dia maty izy. Toute la durée de la vie de Noé fut de neuf cent cinquante ans, puis il mourut.

<-
->