<-
->

2M 2:1 Hita tao amin' ny fitehirizan-taratasim-panjakana, ny nandidian' i Jeremia an' ireo nasesi-tany, haka ny afo masina araka ny voalaza, sy ny namporisihan' ny mpaminany an' ireo voasesi-tany, On trouve dans les documents que le prophète Jérémie donna aux déportés l' ordre de prendre du feu, comme on l' a indiqué,
2M 2:2 tamin' ny nanolorany azy ny bokin' ny lalàna anankiray mba tsy hanadino ny didin' ny Tompo sy tsy hirebireby saina amin' ny fahitana ny sampy volamena sy volafotsy mbamin' ny ravaka itafian' ireny. et comment, leur ayant donné la Loi, le prophète recommanda à ceux qu' on emmenait de ne pas oublier les préceptes du Seigneur et de ne pas s'égarer dans leurs pensées en voyant des statues d' or et d' argent et les ornements dont elles étaient revêtues.
2M 2:3 Anisan' ny teny toy izany nolazainy tamin' izy ireny, dia ny namporisika azy tsy hampanalavitra ny fony na oviana na oviana ny lalàna. Entre autres conseils analogues, il leur adressa celui de ne pas laisser la Loi s'éloigner de leur coeur.
2M 2:4 Hita tao anatin' izany taratasy izany koa, ny nampitondran' ny mpaminany niaraka taminy, ny tabernakla, sy ny fiara, araka ny didy azony tamin' Andriamanitra, sy ny nankanesany amin' ny tendrombohitra nanihin' i Moizy sy nitazanany ny lovan' Andriamanitra. Il y avait dans cet écrit qu' averti par un oracle, le prophète se fit accompagner par la tente et l' arche, lorsqu' il se rendit à la montagne où Moïse, étant monté, contempla l' héritage de Dieu.
2M 2:5 Nony mby teo, nahita trano mitarehin-johy Jeremia, ka napetrany tao ny tabernakla sy ny fiara mbamin' ny otely fandoran-java-manitra, dia notampenany ny vavan' io. Arrivé là, Jérémie trouva une habitation en forme de grotte et il y introduisit la tente, l' arche, l' autel des parfums, puis il en obstrua l' entrée.
2M 2:6 Ary ny sasany tamin' ireo namany niverina hanisy marika famantarana ny làlana, nefa tsy nahazo nahita an' io. Quelques-uns de ses compagnons, étant venus ensuite pour marquer le chemin par des signes, ne purent le retrouver.
2M 2:7 Fantatr' i Jeremia izany, ka nomeny tsiny ireo: Tsy maintsy miafina hatrany hatrany izany fitoerana izany, hoy izy taminy, mandra-pahatongan' ny hamorian' Andriamanitra ny vahoakany, sy hamindrany fo aminy. Ce qu' apprenant, Jérémie leur fit des reproches : "Ce lieu sera inconnu, dit-il, jusqu'à ce que Dieu ait opéré le rassemblement de son peuple et lui ait fait miséricorde.
2M 2:8 Amin' izay vao hambaran' ny Tompo ireo zava-masina ireo, sady hiseho ny voninahitry ny Tompo, mbamin' ny rahona, toy ny nisehoany tamin' ny andron' i Moizy, sy fony Salomona nanao fivavahana mba ho voahasina amim-boninahitra ny tempoly. Alors le Seigneur manifestera de nouveau ces objets, la gloire du Seigneur apparaîtra ainsi que la Nuée, comme elle se montra au temps de Moïse et quand Salomon pria pour que le saint lieu fût glorieusement consacré."
2M 2:9 Voatantara ao koa fa izany mpanjaka manana ny fahendrena izany, dia nanatitra ny soron' ny fitokanana amam-pahavitan' ny fitoerana masina. On racontait en outre comment, doué du don de sagesse, celui-ci offrit le sacrifice de la dédicace et de l' achèvement du sanctuaire.
2M 2:10 Ary toy ny nivavahan' i Moizy tamin' ny Tompo, ka nilatsaka avy any an-danitra ny afo sy nandevona ny sorona; toy izany koa nivavaka Salomona, dia nilatsaka ny afo avy any an-danitra nandevona ny sorona. De même que Moïse avait prié le Seigneur et fait descendre le feu du ciel qui consuma le sacrifice, ainsi Salomon pria et le feu venu d' en haut dévora les holocaustes.
2M 2:11 Hoy Moizy: Satria tsy mba nohanina ny sorona noho ny ota, dia nolevonin' ny afo. Moïse avait dit : "Parce qu' il n' a pas été mangé, le sacrifice pour le péché a été consumé."
2M 2:12 Ary toy izany no nankalazain' i Salomona ny fitokanana nandritra ny havaloana. Salomon célébra pareillement les huit jours de fête.
2M 2:13 Koa dia samy hita voatantara ireo zavatra ireo àry, na amin' ny taratasy fitahiry na amin' ny taratasy fitadidian' i Nehemia; hita ao koa ny nanorenan' i Nehemia fitahirizam-boky, sy nanangonany tao ny boky momba ny mpanjaka, ny mpaminany, sy ny an' i Davida, mbamin' ny taratasin' ny mpanjakan' i Persa, momba ny fanomezan' izy ireo. Outre ces mêmes faits, il était encore raconté dans ces écrits et dans les Mémoires de Néhémie comment ce dernier, fondant une bibliothèque, y réunit les livres qui concernaient les rois, les écrits des prophètes et de David, et les lettres des rois au sujet des offrandes.
2M 2:14 Toy izany koa Jodasa nanangona ny boky rehetra niely patrana nandritra ny ady niadiantsika, ka eo an-tànanay izany izao. Judas pareillement a rassemblé tous les livres dispersés à cause de la guerre qu' on nous a faite, et ils sont entre nos mains.
2M 2:15 Ka raha misy ilanareo amin' izany, maniraha olona hitondra azy ho atý aminareo. Si donc vous en avez besoin, envoyez-nous des gens qui vous en rapporteront.
2M 2:16 Koa amin' izany rahefa hankalaza ny fetin' ny fanadiovana izahay dia mampitondra ity taratasy ity ho atý aminareo; mety tokoa ny hankalazanareo izany andro izany. Puisque nous sommes sur le point de célébrer la purification, nous vous en écrivons. Vous ferez bien par conséquent d' en célébrer les jours.
2M 2:17 Andriamanitra izay efa namonjy ny vahoakany rehetra, sy efa namerina ho azy rehetra ny lova, ny fanjakana, ny fisoronana, ny fanamasinana, Le Dieu qui a sauvé tout son peuple et qui a conféré à tous l' héritage, la royauté, le sacerdoce et la sanctification,
2M 2:18 araka ny voalazany tamin' ny lalàna, dia antenaintsika fa hamindra fo amintsika vetivety foana sy hamory antsika avy amin' ny tany rehetra ambanin' ny lanitra, ho ao amin' ny fitoerana masina; comme il l' avait promis par la Loi, ce Dieu, certes, nous l' espérons, aura bientôt pitié de nous et, des régions qui sont sous le ciel, il nous rassemblera dans le saint lieu, car il nous a arrachés à de grands maux et il l' a purifié.
2M 2:19 satria ny tenantsika efa nesoriny tamin' ny loza lehibe, ary ny tempoly efa nodioviny. L' histoire de Judas Maccabée et de ses frères, la purification du très grand sanctuaire, la dédicace de l' autel,
2M 2:20 Ny tantaran' i Jodasa Makabeo sy ireo rahalahiny, ny nanadiovana ny tempoly mendrika hohajaina sy ny nitokanana ny otely, les guerres contre Antiochus Epiphane et son fils Eupator,
2M 2:21 ary koa, ny ady tamin' i Antiokosa Epifana sy Eopatora zanany, et les manifestations célestes produites en faveur des braves qui luttèrent généreusement pour le Judaïsme, de telle sorte que malgré leur petit nombre ils pillèrent toute la contrée et mirent en fuite les hordes barbares,
2M 2:22 ny fanampiana malaza avy amin' ny lanitra an' ireo niady tamim-boninahitra hiaro ny fivavahan' ny Jody, fa na dia vitsy isa aza izy ireo dia azony indray ny tany manontolo, nataony vaky nandositra ireo barbarianina sesehena; recouvrèrent le sanctuaire fameux dans tout l' univers, délivrèrent la ville, rétablirent les lois menacées d' abolition, le Seigneur leur ayant été propice avec toute sa mansuétude,
2M 2:23 voaveriny ny fitoerana masina malaza eran' izao tontolo izao, voaoriny indray ny lalàna notadiavin' ny sasany hofoanana, fa nomba azy ny fitahiana rehetra avy amin' ny Tompo: tout cela ayant été exposé en cinq livres par Jason de Cyrène, nous essaierons de le résumer en un seul ouvrage.
2M 2:24 boky dimy no nitantaran' i Jasona avy any Sirena an' izany rehetra izany; fa boky iray kosa no handramanay hanafohezana azy. Considérant le flot des chiffres et la difficulté qu'éprouvent ceux qui veulent entrer dans les détours des récits de l' histoire, à cause de l' abondance de la matière,
2M 2:25 Satria nodinihanay ny habetsahan' ny isa ao aminy sy ny fahasahiranana mahazo an' izay te hamaky hatrany ny filazan' ny tantara, noho ny habetsahan' ny zavatra lazaina ao. nous avons eu le souci d' offrir de l' agrément à ceux qui se contentent d' une simple lecture, de la commodité à ceux qui aiment à confier les faits à leur mémoire, de l' avantage à tous indistinctement.
2M 2:26 Koa nikendry mafy izahay, mba hanjary mahafinaritra ny raharaha ho an' izay hianina amin' ny famakiana fotsiny, mora ho an' izay te handatsaka amin' ny fitadidiana ny zava-niseho, ary mahasoa ho an' ny be sy ny maro tsy ankanavaka. Pour nous qui avons assumé le pénible labeur de ce résumé, c' est là non une tâche aisée, mais une affaire de sueurs et de veilles,
2M 2:27 Ho anay izay niandraikitra izany asa fanafohezana izany, tsy dia zavatra mora fa asa nilam-pitsembohana sy fiaretan-tory izany. non moins difficile que celle de l' ordonnateur d' un festin qui cherche à procurer la satisfaction des autres. De la même façon, pour rendre service à nombre de gens, nous supporterons agréablement ce pénible labeur,
2M 2:28 Tsy latsaka noho ny an' izay mandahatra ny fanasana ary mitady hanasoa ny hafa ny hasarotany; kanefa mba ho mendrika ny hankasitrahan' ny maro anay, dia hizaka an-kafaliana izany asa mavesatra izany. laissant à l'écrivain le soin d'être complet sur chaque événement pour nous efforcer de suivre les contours d' un simple précis.
2M 2:29 Ka ny filazana marina ny zavatra tantaraina tsirairay avy, dia avelanay ho anjaran' ny mpamorona ny tantara, fa ny fitsipika momba ny ventin-teny no hikelezanay aina harahina kosa. De même en effet que l' architecte d' une maison neuve doit s' occuper de toute la structure, tandis que celui qui se charge de la décorer de peintures à l' encaustique doit rechercher ce qui est approprié à l' ornementation, ainsi, pensé-je, en est-il pour nous.
2M 2:30 Ny mahazo ny rafitra rehetra momba ny trano, dia adidin' ny tompo-mariky ny trano vao atao avokoa, fa ny mihevitra ny momba ny fampihaingoana azy kosa no tsy maintsy imasoan' izay miandraikitra ny handravaka sy naoso-doko azy; ary torak' izany indrindra no anay izao, araka ny hevitro. Pénétrer dans les questions et en faire le tour pour en examiner avec curiosité tout le détail appartient à celui qui compose l' histoire,
2M 2:31 Anjaran' ny manao ny tantara ny mamotopototra izay lazainy, ny milaza ny antonanton' ny zavatra rehetra, ny misahirana amin' ny momba ny andinidininy madinika indrindra aza; mais, à celui qui fait une adaptation, il faut concéder qu' il recherche la concision de l' exposé et renonce à une histoire exhaustive.
2M 2:32 fa izay tsy mikendry afatsy ny hanoratra ny fotopotony kosa, dia tokony homen-dàlana mba tsy hanampò afatsy ny handahatra amin' ny teny fohy; fa tsy mba ny filazana feno ny zava-niseho no imasoany. Commençons donc ici notre relation sans rien ajouter à ce qui a été dit, car il serait sot d'être diffus avant d' entamer l' histoire et concis dans l' histoire elle-même.
2M 2:33 Hatombokay amin' izao ary ny fitantaranay, fa tsy hampianay intsony izay voalaza izay, fa hadalana raha alohan' ny hilazana ny tantara, lava teny; nefa amin' ny tena tantara, fohy teny.

<-
->