<-
->

Job / Jb 33:1 Wherefore, Job, I pray thee, hear my speeches, and hearken to all my words. Kanefa, masìna ianao, ry Joba; mihainoa ny alahatro, ary mandrenesa ny teniko rehetra. Koa ankehitriny, ry Joba, henoy teniko, mampandria sofina amin' izay rehetra halahatro. Mais veuille, Job, écouter mes dires, tends l' oreille à toutes mes paroles.
Job / Jb 33:2 Behold, now I have opened my mouth, my tongue hath spoken in my mouth. Indro, fa efa niloa-bava aho, Miteny ato am-bavako ny lelako. Indro aho miloa-bava, mamoron-teny ato am-bavako ny lelako, Voici que j' ouvre la bouche et ma langue articule des mots sur mon palais.
Job / Jb 33:3 My words shall be of the uprightness of my heart: and my lips shall utter knowledge clearly. Ny hitsim-poko no hiseho amin' ny teniko; Ary ny fahalalan' ny molotro no holazaina tsy hasiana fitaka. hivoaka avy amin' ny fo mahitsy ny teniko, ny marina tsy misy fitaka no hotononin' ny molotro. Mon coeur délivrera des paroles de science, mes lèvres s' exprimeront avec sincérité.
Job / Jb 33:4 The spirit of God hath made me, and the breath of the Almighty hath given me life. Ny Fanahin' Andriamanitra no efa nanao ahy, ary ny fofonain' ny Tsitoha no mamelona ahy. Ny Fanahin' Andriamanitra nahary ahy; ny fofon' ain' ny Tsitoha no manome ahy ny aina. C' est l' esprit de Dieu qui m' a fait, le souffle de Shaddaï qui m' anima.
Job / Jb 33:5 If thou canst answer me, set thy words in order before me, stand up. Raha hainao, valio ary aho, miomàna ianao, ka miatreha tsara. Raha hainao atao, valio aho hoe: Alaharo izay porofonao eo anatrehako, miarena amin-kasahiana. Si tu le peux, réponds-moi! Tiens-toi prêt devant moi, prends position!
Job / Jb 33:6 Behold, I am according to thy wish in God' s stead: I also am formed out of the clay. Indro, izaho koa mba an' Andriamanitra: tahaka anao ihany; Eny, izaho koa mba nosombinana avy tamin' ny tanimanga. Eo anatrehan' Andriamanitra dia mitovy aminao aho, fa natao tamin' ny fotaka tahaka anao koa aho. Vois, pour Dieu, je suis ton égal, comme toi, d' argile je suis pétri.
Job / Jb 33:7 Behold, my terror shall not make thee afraid, neither shall my hand be heavy upon thee. Indro, ny fampahatahorako tsy dia hampahatahotra anao, ary ny vesatra avy amiko tsy dia hitambesatra aminao. Ka ny tahotra ahy tsy hampiraika anao; ary ny lanjan' ny fahalehibeazako tsy hitambesatra aminao. Aussi ma terreur ne t' effraiera point, ma main ne pèsera pas sur toi.
Job / Jb 33:8 Surely thou hast spoken in mine hearing, and I have heard the voice of thy words, saying, Efa nilaza teo anatrehako mihitsy ianao, ary efa reko ihany ny feon' ny teninao hoe: Eny, efa nilaza teo amin' ny sofiko hianao, sady reko tsara ny feon' ny teninao hoe: Comment as-tu pu dire à mes oreilles car --j' ai entendu le son de tes paroles
Job / Jb 33:9 I am clean without transgression, I am innocent; neither is there iniquity in me. Madio tsy manam-pahadisoana aho, ary tsy manan-tsiny aman-keloka; Madio afaka amin' ny fahotana rehetra aho, tsy manan-tsiny aho, tsy misy haratsiana ato amiko: "Je suis pur, sans transgression; je suis intact, sans faute.
Job / Jb 33:10 Behold, he findeth occasions against me, he counteth me for his enemy, He! mitady izay handrafiany ahy Andriamanitra, ary ataony fahavalony aho; kanefa manao izay hahitany antony ankahalany ahy Andriamanitra, ka ataony toy ny fahavalony aho. Mais il invente des prétextes contre moi et il me considère comme son ennemi.
Job / Jb 33:11 He putteth my feet in the stocks, he marketh all my paths. Mampiditra ny tongotro eo amin' ny boloky hazo Izy ary mitsikilo ny diako rehetra. Nataony am-boloky hazo ny tongotro; tsikiloiny avokoa ny diako rehetra. Il met mes pieds dans les ceps et surveille tous mes sentiers?"
Job / Jb 33:12 Behold, in this thou art not just: I will answer thee, that God is greater than man. He! izany no tsy mahamarina anao, hoy izaho; Fa Andriamanitra dia lehibe loatra ka tsy leon' ny zanak' olombelona. Ny valy hataoko aminao, dia tsy marina ny anao amin' izany; fa lehibe noho ny olombelona Andriamanitra. Or, en cela, je t' en réponds, tu as eu tort, car Dieu dépasse l' homme.
Job / Jb 33:13 Why dost thou strive against him? for he giveth not account of any of his matters. Koa nahoana no manome tsiny Azy ianao noho ny tsy nampisehoany izay antony amin' ny ataony? Ka nahoana no mifandritra aminy, noho izy tsy mamoaka izay ataony na amin' iza na amin' iza? Pourquoi lui chercher querelle parce qu' il ne te répond pas mot pour mot?
Job / Jb 33:14 For God speaketh once, yea twice, yet man perceiveth it not. Kanefa misy fanao iray itenenan' Andriamanitra, eny, fanao roa aza, nefa tsy tandreman' ny olona izany, Miteny ihany anefa Andriamanitra, mbetika toy izao, mbetika toy izao, saingy tsy tandreman' ny olona izany. Dieu parle d' une façon et puis d' une autre, sans qu' on prête attention.
Job / Jb 33:15 In a dream, in a vision of the night, when deep sleep falleth upon men, in slumberings upon the bed; Dia ny nofy sy ny tsindrimandry amin' ny alina, raha sondrian-tory ny olona ka renoka eo am-pandriana, Miteny amin' ny nofy, na amin' ny fahitana amin' ny alina izy, raha ilay sondrian-tory mafy iny ny olona; ka matory eo am-pandriany. Par des songes, par des visions nocturnes, quand une torpeur s' abat sur les humains et qu' ils sont endormis sur leur couche,
Job / Jb 33:16 Then he openeth the ears of men, and sealeth their instruction, Dia manokatra ny sofin' ny olona Izy ka manisy tombo-kase ny fananarany azy, Amin' izany no anokafany ny sofin' ny olona, ka ny fananarany dia ataony voatombokase ao, alors il parle à leurs oreilles, il les épouvante par des apparitions,
Job / Jb 33:17 That he may withdraw man from his purpose, and hide pride from man. Mba hampiala ny olona amin' ny fanaony, sy hampifady azy ny fireharehana. mba hampialany ny olona amin' ny asany tsy mety sy hanesorany azy amin' ny avonavony, pour détourner l' homme de ses oeuvres et mettre fin à son orgueil.
Job / Jb 33:18 He keepeth back his soul from the pit, and his life from perishing by the sword. Miaro ny fanahiny tsy ho any an-davaka Izy, ary ny ainy mba tsy ho voan' ny fiadiana. mba hamonjeny ny fanahiny amin' ny fahafatesana sy ny ainy tsy ho voan' ny zana-tsipika. Il préserve ainsi son âme de la fosse, sa vie du passage par le Canal.
Job / Jb 33:19 He is chastened also with pain upon his bed, and the multitude of his bones with strong pain: Anarina amin' ny fanaintainana eo ampandriany koa izy sy amin' ny fikotrankotran' ny taolany lalandava; Ny fijaliana koa no fananarana ny olombelona eo am-pandriany raha mampikotrana ny taolany ny ady lalandava. Il le corrige aussi sur son grabat par la souffrance, quand ses os tremblent sans arrêt,
Job / Jb 33:20 So that his life abhorreth bread, and his soul dainty meat. Ary ny ainy marikorikon-kanina, eny, na dia ny hanim-py aza tsy tian' ny fanahiny. Boboky ny mofo izy amin' izany, ny nahandro fy, tsy tiany mainty. quand sa vie prend en dégoût la nourriture et son appétit les friandises;
Job / Jb 33:21 His flesh is consumed away, that it cannot be seen; and his bones that were not seen stick out. Mihena ny nofony ka tsy hita, ary mitranitrany ny taolany izay tsy hita teo; Ny nofony mihena hita amaso; ny taolany izay tsy hita teo dia mitranitrany: quand sa chair se consume à vue d' oeil et que se dénudent les os qui étaient cachés;
Job / Jb 33:22 Yea, his soul draweth near unto the grave, and his life to the destroyers. Dia manakaiky ny lavaka ny fanahiny, ary ny ainy manatona ny mpaka aina. Mandroso manatona ny lavaka izy, ny ainy efa azon' ny halozan' ny fahafatesana. quand son âme approche de la fosse et sa vie du séjour des morts.
Job / Jb 33:23 If there be a messenger with him, an interpreter, one among a thousand, to shew unto man his uprightness: Raha misy Anjely ho Mpanalalana ho azy, iray amin' ny arivo, hanoro izay tokony halehan' ny olona, Raha mahita ho mpanalalana anefa izy, anjely iray amin' ny arivo izay hampahalala ny olombelona ny tsy maintsy ataony, Alors s' il se trouve près de lui un Ange, un Médiateur pris entre mille, qui rappelle à l' homme son devoir,
Job / Jb 33:24 Then he is gracious unto him, and saith, Deliver him from going down to the pit: I have found a ransom. Ary hamindra fo aminy ka nanao hoe: Vonjeo izy mba tsy hidina any an-davaka, fa efa nahita avotra Aho, dia hamindra fo aminy Andriamanitra, ka hanao amin' ny anjely hoe: Afaho tsy hidina any an-davaka izy, fa efa nahita ny avotry ny ainy aho. le prenne en pitié et déclare "Exempte-le de descendre dans la fosse j' ai trouvé la rançon pour sa vie",
Job / Jb 33:25 His flesh shall be fresher than a child' s: he shall return to the days of his youth: Dia ho tsara noho ny an' ny tanora ny nofony, hody ho toy ny tamin' ny andro nahatanorany izy; Amin' izay ny nofony dia mandina noho ny an' ny tanora kely, fa miverina amin' ny andron' ny fahatanorany izy. sa chair retrouve une fraîcheur juvénile, il revient aux jours de son adolescence.
Job / Jb 33:26 He shall pray unto God, and he will be favourable unto him: and he shall see his face with joy: for he will render unto man his righteousness. Hivavaka amin' Andriamanitra izy ka hankasitrahany ary hahita ny havany amin' ny hafaliana, fa hampodiny amin' ny zanak' olombelona ny fahamarinany. Mivavaka amin' Andriamanitra izy, ary Andriamanitra manambina azy; mibanjina ny tavany amim-piravoravoana izy, ary ny Tsitoha mamerina aminy ny fahamarinany. Il prie Dieu qui lui rend sa faveur, il vient le voir dans l' allégresse. Il annonce à autrui sa justification
Job / Jb 33:27 He looketh upon men, and if any say, I have sinned, and perverted that which was right, and it profited me not; Dia hihira izy hilaza amin' ny olona hoe: Efa nanota aho, fa nanao ny rariny ho heloka, kanefa tsy novaliana araka ny nataoko; Mihira izy eo amin' ny olona, manao hoe: Efa nanota aho, nandika ny rariny, kanefa tsy novalian' Andriamanitra araka ny heloko. et fait entendre devant les hommes ce cantique "J' avais péché et perverti le droit Dieu ne m' a pas traité selon ma faute.
Job / Jb 33:28 He will deliver his soul from going into the pit, and his life shall see the light. Fa navotany ny fanahiko mba tsy hivarina any an-davaka, ary mifaly ny aiko amin' ny fahitana ny mazava. Notsimbininy tsy hidina any an-davaka ny fanahiko; ary mivelatra eo amin' ny hazavana ny aiko. Il a exempté mon âme de passer par la fosse et fait jouir ma vie de la lumière."
Job / Jb 33:29 Lo, all these things worketh God oftentimes with man, Indro, izany rehetra izany no ataon' Andriamanitra indroa amin' ny olona, eny, intelo aza, Izany, ataon' Andriamanitra daholo izany rehetra izany, indroa, intelo, ho an' ny olombelona, Voilà tout ce que fait Dieu, deux fois, trois fois pour l' homme,
Job / Jb 33:30 To bring back his soul from the pit, to be enlightened with the light of the living. Mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka, mba hihazavany amin' ny fahazavan' aina. mba hampiverina azy avy amin' ny fahafatesana, sy hanazava azy amin' ny fahazavan' ny velona. afin d' arracher son âme à la fosse et de faire briller sur lui la lumière des vivants.
Job / Jb 33:31 Mark well, O Job, hearken unto me: hold thy peace, and I will speak. Tandremo, ry Joba, ka mihainoa ahy; Mangina kely aloha ianao, fa izaho mbola hiteny. Mitandrema, ry Joba, ka mihainoa ahy, mangina ihany hitenenako. Sois attentif, Job, écoute-moi bien tais-toi, j' ai encore à parler.
Job / Jb 33:32 If thou hast anything to say, answer me: speak, for I desire to justify thee. Raha manan-kavaly ianao, dia mamalia ahy ihany; Mitenena, fa ta-hanamarina anao aho; Raha manan-kalahatra hianao, valio aho; mitenena, fa satriko mahita anao ho marina. Si tu as quelque chose à dire, réplique-moi, parle, car je veux te donner raison.
Job / Jb 33:33 If not, hearken unto me: hold thy peace, and I shall teach thee wisdom. Fa raha tsy manan-kavaly ianao, dia mihainoa ahy kosa; Mangina tsara, fa hampianariko fahendrena ianao. Raha tsy manan-kalahatra kosa, mihainoa ahy; mangina fa hampianariko fahendrena hianao. Sinon, écoute-moi fais silence, et je t' enseignerai la sagesse.

<-
->