<-
->

Job / Jb 5:1 Call now, if there be any that will answer thee; and to which of the saints wilt thou turn? Miantsoa ange! moa misy hamaly anao va? Ary iza amin' ireo masina no hotodihinao? Miantsoa hoe, raha misy olona hamaly anao! Iza amin' ireo masina no hitodihanao? Appelle maintenant! Est-ce qu' on te répondra ? Auquel des saints t' adresseras-tu ?
Job / Jb 5:2 For wrath killeth the foolish man, and envy slayeth the silly one. Fa ny adala dia vonoin' ny fahasosorana, ary ny kely saina dia matin' ny fialonana. Ny adala levona amin' ny hatezerany ary ny foka maty amin' ny fisafoahany. En vérité, le dépit fait mourir l' insensé et la jalousie fait périr le sot.
Job / Jb 5:3 I have seen the foolish taking root: but suddenly I cursed his habitation. Izaho nahita olona adala mamaka, nefa vetivety Indray dia tsy maintsy nanozona ny fonenany aho; Efa nahita ny adala namaka nisandrahaka aho, kanjo vetivety foana dia nanozona ny fonenany. Moi, j' ai vu un insensé prendre racine, et soudain j' ai maudit sa demeure :
Job / Jb 5:4 His children are far from safety, and they are crushed in the gate, neither is there any to deliver them. Lavitra ny famonjena ny zanany Ka torotoro eo am-bavahady, nefa tsy manan-kamonjy; Tsy misy famonjena ho an' ny zanany; montsanina eo am-bavahady ireny, nefa tsy manan-kamonjy; " Que ses fils soient privés de tout salut, accablés à la Porte sans défenseur.
Job / Jb 5:5 Whose harvest the hungry eateth up, and taketh it even out of the thorns, and the robber swalloweth up their substance. Ny vokatry ny taniny dia lanin' ny noana, eny, alainy na dia voafefy tsilo aza; ary ny fandrika mitanatana vava hahazo ny fananany Ny variny vokatra, dia lanin' ny lehilahy noana, mihoatra ny fefy tsilohery izy, dia mandroba azy; ny hareny koa, areboky ny lehilahy mangetaheta. Que sa moisson nourrisse des affamés, car Dieu la lui ôte d' entre les crocs, et des hommes altérés en convoitent les biens. "
Job / Jb 5:6 Although affliction cometh not forth of the dust, neither doth trouble spring out of the ground; Fa tsy mivoaka avy amin' ny vovoka ny alahelo, ary tsy mitrebona avy amin' ny tany ny fahoriana, Fa tsy mivoaka avy amin' ny vovoka ny fahoriana, ary tsy mitsimoka avy amin' ny tany ny fijaliana, Non, la misère ne sourd pas de terre, la peine ne germe pas du sol.
Job / Jb 5:7 Yet man is born unto trouble, as the sparks fly upward. Nefa teraka ho amin' ny fahoriana ny olombelona, dia tahaka ny fanidin' ny kilalaon' afo miakatra no ho teraka mba hozoim-pahoriana ny olona, toy ny zanaky ny varatra mba hiakatra fanidina. Mais l' homme est né pour la souffrance comme les étincelles s' envolent vers le haut.
Job / Jb 5:8 I would seek unto God, and unto God would I commit my cause: Fa raha toa ahy kosa dia hitady an' Andriamanitra aho, ary Andriamanitra ihany no hotolorako ny teniko, Raha izaho hianao, Andriamanitra no hotodihiko, any aminy no handefasako ny fivavahako. Quant à moi, j' aurais recours à Dieu, à lui j' exposerais ma cause.
Job / Jb 5:9 Which doeth great things and unsearchable; marvellous things without number: Dia Izay manao zava-dehibe tsy takatry ny saina sy zava-mahagaga tsy hita isa, Manao zava-dehibe tsy takatry ny saina izy, zava-mahagaga tsy tambo isaina. Il est l' auteur d' oeuvres grandioses et insondables, de merveilles qu' on ne peut compter.
Job / Jb 5:10 Who giveth rain upon the earth, and sendeth waters upon the fields: Dia Izay mampilatsaka ranonorana etý ambonin' ny tany ary mampandeha rano eny amin' ny saha, Izy no mandatsaka ranonorana amin' ny tany, mandefa ny rano ho eny amin' ny saha, Il répand la pluie sur la terre, envoie les eaux sur les campagnes.
Job / Jb 5:11 To set up on high those that be low; that those which mourn may be exalted to safety. Ka apetrany amin' ny avo Izay ambany, ary asandrany ho amin' ny fahafinaretana ny miory, manandratra izay voaetry, ary ny tra-pahoriana mahita hasambarana indray. S' il veut relever les humiliés, pousser les affligés au comble du bonheur,
Job / Jb 5:12 He disappointeth the devices of the crafty, so that their hands cannot perform their enterprise. Dia Izay mahafoana ny hevitry ny fetsy, ka tsy hahefan' ny tànany na inona na inona hahasoa ny tenany; Manafoana ny tetik' adin' ny mpamadika izy, ka tsy mahatanteraka ny teti-dratsiny ny tànan' ireny. il déjoue les desseins des gens habiles, incapables de mener à bien leurs intrigues.
Job / Jb 5:13 He taketh the wise in their own craftiness: and the counsel of the froward is carried headlong. Ny fahafetsen' ny hendry ihany no entiny misambotra azy, ary ny saina ataon' ny mpiolakolaka dia rava; Maningotra ny fetsy amin' ny hafetseny izy, ary mandrava ny tetik' adin' ny fetsy ratsy, Il prend les sages au piège de leurs habiletés, rend stupides les conseillers retors.
Job / Jb 5:14 They meet with darkness in the day time, and grope in the noonday as in the night. Na dia amin' ny antoandro aza dia tafatsarapaka ao amin' ny maizina ireny ka miraparapa amin' ny mitataovovonana tahaka ny amin' ny alina; ka tojo ny aizina amin' ny antoandro izy ireny ary miraparapa toy ny amin' ny alina, amin' ny mitatao vovonana indrindra. En plein jour ils se heurtent aux ténèbres, ils tâtonnent à midi comme dans la nuit.
Job / Jb 5:15 But he saveth the poor from the sword, from their mouth, and from the hand of the mighty. Fa vonjeny kosa ny malahelo tsy ho voan' ny sabatry ny vavany; Eny, vonjeny tsy ho azon' ny tanan' ny mahery izy. Hataon' Andriamanitra afaka amin' ny sabatry ny lelan' ireny ny malahelo, sy amin' ny tanan' ny mahery. Il arrache de leur gueule l' homme ruiné et le pauvre des mains du puissant.
Job / Jb 5:16 So the poor hath hope, and iniquity stoppeth her mouth. Dia misy fanantenana ho an' ny reraka; fa ny faharatsiana kosa mihombom-bava Ka mody amin' ny mahantra ny fanantenana, ary ny faharatsiana kosa mikombom-bava. Alors le faible renaît à l' espoir et l' injustice doit fermer la bouche.
Job / Jb 5:17 Behold, happy is the man whom God correcteth: therefore despise not thou the chastening of the Almighty: Indro, sambatra ny zanak' olombelona izay anarin' Andriamanitra, koa aza atao ho zavatra kely ny famaizan' ny Tsitoha; Sambatra ny olona faizin' Andriamanitra! ka aza atao tsy ho zavatra ny fanitsian' ny Tsitoha. Oui, heureux l' homme que Dieu corrige! Aussi, ne méprise pas la leçon de Shaddaï!
Job / Jb 5:18 For he maketh sore, and bindeth up: he woundeth, and his hands make whole. Fa sady mandratra Izy no mamehy; Manorotoro Izy, ary ny tànany ihany no manasitrana. Fa mandratra izy, ary mamehy ny ratra; mikapoka izy, ary manasitrana amin' ny tànany. Lui, qui blesse, puis panse la plaie, qui meurtrit, puis guérit de sa main,
Job / Jb 5:19 He shall deliver thee in six troubles: yea, in seven there shall no evil touch thee. Amin' ny fahoriana enina dia hamonjy anao Izy; Eny, amin' ny fito aza dia tsy hisy loza hihatra aminao. Inenina izy hanafaka anao amin' ny fahoriana; ary amin' ny fanimpitony, dia tsy hahazo anao ny loza. six fois de l' angoisse il te délivrera, et une septième le mal t'épargnera.
Job / Jb 5:20 In famine he shall redeem thee from death: and in war from the power of the sword. Raha avy ny mosary, dia hiaro anao amin' ny fahafatesana Izy; Ary raha avy ny ady, dia hiaro anao tsy ho voan' ny sabatra Izy; Amin' ny mosary, harovany amin' ny fahafatesana hianao; amin' ny ady, harovany tsy ho voan' ny sabatra hianao. Dans une famine, il te sauvera de la mort; à la guerre, des atteintes de l'épée.
Job / Jb 5:21 Thou shalt be hid from the scourge of the tongue: neither shalt thou be afraid of destruction when it cometh. Hampiereny tsy ho voan' ny kapo-bava ianao, ary tsy hatahotra, raha avy ny fandringanana; Ho voaaro amin' ny kotopian' ny lela hianao, ary tsy hatahotra rahefa avy ny fandringanana. Tu seras à l' abri du fouet de la langue, sans crainte à l' approche du pillage.
Job / Jb 5:22 At destruction and famine thou shalt laugh: neither shalt thou be afraid of the beasts of the earth. Ny fandringanana sy ny mosary dia hihomehezanao; ary tsy hatahoranao ny bibi-dia; Hihomehezanao ny mosary amam-pandringanana; tsy hatahotra ny biby dia amin' ny tany. Tu riras du pillage et de la famine et tu ne craindras pas les bêtes sauvages.
Job / Jb 5:23 For thou shalt be in league with the stones of the field: and the beasts of the field shall be at peace with thee. Fa vita fanekena amin' ny vato any an-tsaha aza ianao; Ary ny bibi-dia hihavana aminao; Fa ho vita fanekena aminao ny vato eny an-tsaha; ary hihavana aminao ny biby dia amin' ny tany. Tu auras un pacte avec les pierres des champs, les bêtes sauvages seront en paix avec toi.
Job / Jb 5:24 And thou shalt know that thy tabernacle shall be in peace; and thou shalt visit thy habitation, and shalt not sin. Ary ho hitanao fa ny fiadanana no lainao; Ary raha mizaha ny kijanao ianao, dia ho hitanao fa tsy misy very ny ao; Fa hahita ny fiadanana manjaka eo an-dainao hianao; ary hitsidika ny tanim-bilonao hianao, ka tsy hisy diso tsy ao. Tu trouveras ta tente prospère, ton bercail au complet quand tu le visiteras.
Job / Jb 5:25 Thou shalt know also that thy seed shall be great, and thine offspring as the grass of the earth. Ary ho hitanao koa fa maro ny zanakao, ary ny terakao ho tahaka ny ahitra amin' ny tany; Ho hitanao ny taranakao mitombo, ary ny solofonao mihamaro, hoatra ny ahitra any an-tsaha. Tu verras ta postérité s' accroître, tes rejetons pousser comme l' herbe des champs.
Job / Jb 5:26 Thou shalt come to thy grave in a full age, like as a shock of corn cometh in in his season. Haharitra ianao ambara-piditrao any am-pasana, raha mbola henjana, dia tahaka ny amboaram-bary akarina amin' ny fotoana. Efa tratra antitra tsara hianao vao hiditra any am-pasana, toy ny amboaram-bary akarina amin' ny fotoany. Tu entreras dans la tombe bien mûr, comme on entasse la meule en son temps.
Job / Jb 5:27 Lo this, we have searched it, so it is; hear it, and know thou it for thy good. Izany ary no izy, fa efa nandinika azy izahay; Hevero ary izany, ka fantaro tsara. Izany no voadinikay, izany no marina. Henoy izy, ary ataovy soa ho anao. Voilà ce que nous avons observé : c' est ainsi! A toi d'écouter et d' en faire ton profit.

<-
->