<-
->

Ton 2:1 I am the rose of Sharon, and the lily of the valleys. Izaho dia voninkazo eny an-tanety ihany sy lilia eny an-dohasaha. Izaho, dia narsisa any Sarona, lisy eny an-dohasaha. - Je suis le narcisse de Saron, le lis des vallées.
Ton 2:2 As the lily among thorns, so is my love among the daughters. Toy ny lilia eo amin' ny tsilo, dia toy izany tompokovavy havako eo amin' ny zazavavy. Toy ny lisy eo afovoan' ny tsilo, ny malalako eo amin' ny zazavavy. - Comme le lis entre les chardons, telle ma bien-aimée entre les jeunes femmes.
Ton 2:3 As the apple tree among the trees of the wood, so is my beloved among the sons. I sat down under his shadow with great delight, and his fruit was sweet to my taste. Toy ny hazo poma amin' ny hazo any an' ala, dia toy izany ny malalako eo amin' ny zatovo. Mahafinaritra ahy indrindra ny mipetraka eo ambanin' ny alokalony, sady mamy ao am-bavako ny voany. Toy ny foto-paoma any afovoan' ny hazo any an' ala, ny malalako eo amin' ny zazalahy. Niriko ny hipetraka eo ambanin' ny alokalony, ary mamy ao am-bavako ny voany. - Comme le pommier parmi les arbres d' un verger, ainsi mon bien-aimé parmi les jeunes hommes. A son ombre désirée je me suis assise, et son fruit est doux à mon palais,
Ton 2:4 He brought me to the banqueting house, and his banner over me was love. Nentiny ho ao an-tranon-divay aho, ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana. Nampidiriny ao an-tranon-divainy aho, ary fitiavana no faneva atsangany ho ahy. Il m' a menée au cellier, et la bannière qu' il dresse sur moi, c' est l' amour.
Ton 2:5 Stay me with flagons, comfort me with apples: for I am sick of love. Hatanjaho amin' ampempam-boaloboka aho, ary velombelomy amin' ny poma aho, fa mararim-pitia. Tohano ampempam-boaloboka aho, hatanjaho amin' ny paoma aho, fa matim-pitia ny foko. Soutenez-moi avec des gâteaux de raisin, ranimez-moi avec des pommes, car je suis malade d' amour.
Ton 2:6 His left hand is under my head, and his right hand doth embrace me. Aoka ny tànany ankavia hanondana ahy, ary aoka ny tànany ankavanana hanohona ahy. Hanondana ahy anie ny tanany havia, ary hanohona ahy ny tanany ankavanana. Son bras gauche est sous ma tête et sa droite m'étreint.
Ton 2:7 I charge you, O ye daughters of Jerusalem, by the roes, and by the hinds of the field, that ye stir not up, nor awake my love, till he please. Mampianiana anareo amin' ny gazela na amin' ny dieravavy any an-tsaha aho, ry zanakavavin' i Jerosalema: Aza manaitra na mamoha ny fitiavana raha tsy efa sitrapony. Ry zanakavavin' i Jerosalema, izaho miangavy anareo indrindra, noho ny gazela aman-tserfavavy eny an-tsaha, aza fohazinareo, aza fohazinareo ny malalako, raha tsy efa sitrapony. - Je vous en conjure, filles de Jérusalem, par les gazelles, par les biches des champs, n'éveillez pas, ne réveillez pas mon amour, avant l' heure de son bon plaisir.
Ton 2:8 The voice of my beloved! behold, he cometh leaping upon the mountains, skipping upon the hills. Injay, ny feon' ilay malalako! Indro, tamy izy ka miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra ary mitsambitimbikina eny amin' ny havoana. Injay ny feon' ny malalako, indry tamy izy, miantsambotsambotra eny an-tendrombohitra; mitsambikina amin' ny havoana. J' entends mon bien-aimé. Voici qu' il arrive, sautant sur les montagnes, bondissant sur les collines.
Ton 2:9 My beloved is like a roe or a young hart: behold, he standeth behind our wall, he looketh forth at the windows, shewing himself through the lattice. Ny malalako dia tahaka ny gazela na ny diera tanora; Indro, mijanona eo ala-tranonay izy, mitsidika eo am-baravarankely, manarangarana eo amin' ny makarakara. Manahaka ny gazela ny malalako, sy ny zanaky ny serfavavy. Indro izy eo ivohon-drindrin-tranonay mijery eo am-baravarankely, mijery eo amin' ny makarakara. Mon bien-aimé est semblable à une gazelle, à un jeune faon. Voilà qu' il se tient derrière notre mur. Il guette par la fenêtre, il épie par le treillis.
Ton 2:10 My beloved spake, and said unto me, Rise up, my love, my fair one, and come away. Niteny ny malalako ka nanao tamiko hoe: Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary! Niteny ny malalako, ka nanao tamiko hoe: Mitsangana, ry malalako, ry tsara tarehiko, ka avia! Mon bien-aimé élève la voix, il me dit : " Lève-toi, ma bien-aimée, ma belle, viens.
Ton 2:11 For, lo, the winter is past, the rain is over and gone; Fa, indro, lasa ny ririnina, ritra tsy misy intsony ny ranonorana; Fa indro ny ririnina efa lasa; ny ranonorana efa nitsahatra tsy misy intsony. Car voilà l' hiver passé, c' en est fini des pluies, elles ont disparu.
Ton 2:12 The flowers appear on the earth; the time of the singing of birds is come, and the voice of the turtle is heard in our land; Miposaka eo amin' ny tany ny voninkazo; Tonga ny taona fanaovam-peo fifaliana, ary re atý amin' ny tanintsika ny feon' ny domohina. Ny voninkazo efa miposaka amin' ny tany; ny fotoana fihirana efa tonga. Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika; Sur notre terre les fleurs se montrent. La saison vient des gais refrains, le roucoulement de la tourterelle se fait entendre sur notre terre.
Ton 2:13 The fig tree putteth forth her green figs, and the vines with the tender grape give a good smell. Arise, my love, my fair one, and come away. Ny aviavy mahamanitra ny voany tanora, mamony ny voaloboka ka mamerovero tsara. Mitsangàna, ry tompokovavy havako, ry tsara tarehiko, ka andeha ary! efa mipoitra ny voan' aviavy vao mitsimoka, ny voaloboka mamony efa mamerovero; mifohaza, ry malalako, ry tsara tarehiko ka avia! Le figuier forme ses premiers fruits et les vignes en fleur exhalent leur parfum. Lève-toi, ma bien-aimée, ma belle, viens!
Ton 2:14 O my dove, that art in the clefts of the rock, in the secret places of the stairs, let me see thy countenance, let me hear thy voice; for sweet is thy voice, and thy countenance is comely. E, ry voromailalako ao amin' ny tsefatsefaky ny harambato, dia ao amin' ny fialokalofana amin' ny fiakarana mideza, aoka hahita ny endrikao sy handre ny feonao aho; Fa mamy ny feonao, sady mahafinaritra ny endrikao. Ry voromailalako izay mipetraka eo an-tsefatsefa-bato; eo amin' ny fialofan' ny rindrim-bato mideza, asehoy ahy ny endrikao, ampandreneso ahy ny feonao, fa mamy ny feonao, ary mahafinaritra ny endrikao. Ma colombe, cachée au creux des rochers, en des retraites escarpées, montre-moi ton visage, fais-moi entendre ta voix; car ta voix est douce et charmant ton visage. "
Ton 2:15 Take us the foxes, the little foxes, that spoil the vines: for our vines have tender grapes. Sambory ny amboahaolo, dia ireo amboahaolo madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; Fa efa mamony izao ny voalobotsika. Isambory ny fosa izahay ny fosa madinika izay manimba ny tanim-boaloboka; fa efa mamony ny voalobokay. Attrapez-nous les renards, les petits renards ravageurs de vignes, car nos vignes sont en fleur.
Ton 2:16 My beloved is mine, and I am his: he feedeth among the lilies. Ahy ny malalako, ary azy aho, dia ilay miandry ny ondriny eny amin' ny lilia. Ahy ny malalako, ary azy aho; miandry ny ondriny eny amin' ny lisy izy. Mon bien-aimé est à moi, et moi à lui. Il paît son troupeau parmi les lis.
Ton 2:17 Until the day break, and the shadows flee away, turn, my beloved, and be thou like a roe or a young hart upon the mountains of Bether. Mandra-pangatsiatsiaky ny andro, ka efa hilentika ny masoandro, mitodiha, ry ilay malalako, ary aoka ho tahaka ny gazela na ny diera tanora eny an-tendrombohitra be hantsana ianao. Alohan' ny hangatsiatsiahan' ny andro, sy hahalasanan' ny aloka mba miverena... Ry malalako, aoka hianao hanahaka ny gazela na ny zanaky ny serfavavy eny an-tendrombohitra voatsefatsefaka. Avant que souffle la brise du jour et que s' enfuient les ombres, reviens...! Sois semblable, mon bien-aimé, à une gazelle, à un jeune faon, sur les montagnes de Bétèr.

<-
->