<-
->

Fah 15:1 Fa hianao, ry Andriamanitray ô, no tsara fo, mahatoky, mahari-po, ka mitondra ny zavatra rehetra amim-pamindram-po. Mais toi, notre Dieu, tu es bon et vrai, lent à la colère et gouvernant l' univers avec miséricorde.
Fah 15:2 Na dia manota aza izahay, dia anao ihany; mahalala ny fahefanao; tsy te-hanota anefa izahay, satria fantatray fa isaina amin' ireo anao izahay. Si nous péchons, nous sommes à toi, car nous connaissons ton pouvoir, mais nous ne pécherons pas, sachant que nous sommes comptés pour tiens.
Fah 15:3 Ny mahalala anao dia fahamarinana lavorary, ary ny mahalala ny fahefanao, no fototry ny tsy fetezana ho faty. Te connaître, en effet, est la justice intégrale, et savoir quel est ton pouvoir est la racine de l' immortalité.
Fah 15:4 Tsy voasodoka izahay na tamin' ny zavatra noforonin' ny mpahay zavatra mamohehatra na tamin' ny endri-javatra voafotetaky ny loko samihafa volo, zava-poana nataon' ny mpanoso-doko; Non, les inventions humaines d' un art pervers ne nous ont pas égarés, ni le travail stérile des peintres, ces figures barbouillées de couleurs disparates,
Fah 15:5 ny fijery azy manetsika ny filan-dratsin' ny adala, izay mety ho raiki-pitia amin' ny endri-javatra tsy misy aina. dont la vue éveille la passion chez les insensés et leur fait désirer la forme inanimée d' une image morte.
Fah 15:6 Fa efa raiki-po amin' ny ratsy izy ireo, ka tandrifin' ny fanantenana toy izany na izy manao, na ireo tia sy mivavaka amin' izany. Amants du mal et dignes de tels espoirs, et ceux qui les font, et ceux qui les désirent, et ceux qui les adorent!
Fah 15:7 Satria indro misy mpanefy vilany anankiray, mikezaka mandity tanimanga malemy: samy fasian-javatra ampiasaintsika avokoa aloha no ataony, ka tanimanga iray ihany no namoronany fasian-javatra fanao amin' ny zavatra misy hajany, ka tsy avahany akory na hatao inona na hatao inona avy izany: fa ny mpanefy vilany ihany no hanapaka izany. Voici donc un potier qui laborieusement pétrit une terre molle et modèle chaque objet pour notre usage. De la même argile il a modelé les vases destinés à de nobles emplois et ceux qui auront un sort contraire, tous pareillement; mais dans chacun des deux groupes, quel sera l' usage de chacun, c' est celui qui travaille l' argile qui en est juge.
Fah 15:8 Manaraka izany, asa fanoherana ny fivavahana no ataony, fa ilay tanimanga ihany no amoronany andriamanitra tsy izy, dia izy izay natao tamin' ny tany fahiny, sy mbola hiverina faingana amin' ny tany nangalana azy, rahefa avy izay hitakiana aminy ny fanahy nampindramina azy. Puis peine bien mal employée! de la même argile il modèle une divinité vaine, lui qui, depuis peu né de la terre, retournera sous peu à la terre dont il fut pris, quand on lui redemandera l'âme qui lui a été prêtée.
Fah 15:9 Samy tsy ahiny akory anefa, na ny heriny mihalany, na ny hafohin' ny andro iainany; fa maninana an' ireo manefy volamena sy volafotsy izy; maka tahaka an' ireo mpanefy varahina izy, ary hataony ho voninahiny, ny manao endri-javatra manodoka. Cependant il ne se soucie pas de ce qu' il doit mourir et qu' il a une vie brève, mais il rivalise avec les orfèvres et les fondeurs d' argent, il imite ceux qui coulent le bronze, il met sa gloire à modeler du faux.
Fah 15:10 Manahaka ny lavenona ny fony, ambany noho ny tany ny fanantenany; ary latsa-danja noho ny tanimanga ny ainy. Cendres, que son coeur! plus vil que la terre, son espoir! plus misérable que l' argile, sa vie!
Fah 15:11 Satria izy tsy nahalala ilay nanao azy, izay nampiditra fanahy miasa ao aminy, sy nametraka fofon' aina taminy. Car il a méconnu Celui qui l' a modelé, qui lui a insufflé une âme agissante et inspiré un souffle vital;
Fah 15:12 Nataon' izy io ho filalaovana ny fisiantsika; ary ho tsena fivoriana hitadiavana tombom-barotra ny fiainantsika; fa tsy maintsy manao izay rehetra mety hihariana, hoy izy, na dia amin' ny heloka aza. Mais il a estimé que notre vie est un jeu d' enfant, et notre existence une foire à profits "Il faut gagner, dit-il, par tous les moyens, même mauvais."
Fah 15:13 Satria fantany tsara fa izay meloka indrindra amin' izy rehetra, dia izy izay sady manao fasian-javatra malia no namorona sampy koa amin' ny tany iray ihany. Oui, plus que tout autre, celui-là sait qu' il pèche, lui qui, d' une matière terreuse, fabrique des vases fragiles et des statues d' idoles.
Fah 15:14 Kanefa samy adala dia adala avokoa, ary latsa-danja noho ny fanahin-jaza aza, ireo fahavalon' ny vahoakanao, izay manindry azy amin' ny fahoriana. Mais ils sont tous très insensés et plus infortunés que l'âme d' un petit enfant, ces ennemis de ton peuple qui l' ont opprimé;
Fah 15:15 Satria nataon' izy ireo ho andriamanitra avokoa ny sampin' ny firenena, izay tsy afa-mampiasa ny masony hijery na ny vavorony hiaina rivotra, na ny sofiny hihaino, na ny rantsan-tanany hitsapa, ary tsy afa-mamindra ny tongony. en effet, ils ont tenu aussi pour dieux toutes les idoles des nations, qui n' ont ni l' usage des yeux pour voir, ni de narines pour aspirer l' air, ni d' oreilles pour entendre, ni de doigts aux mains pour palper, et dont les pieds ne servent à rien pour marcher.
Fah 15:16 Olombelona no nanao azy ireny; izay nampindramina fofon' aina no namorona azy. Tsy misy olombelona mahavita andriamanitra mitovy amin' ny tenany akory. Car c' est un homme qui les a faites, un être au souffle d' emprunt qui les a modelées; nul homme, en effet, n' est capable de modeler un dieu qui lui soit semblable;
Fah 15:17 Satria noho izy mety maty dia zavatra tsy manan' aina ihany no mety vitan' ny tànany mankahala ny fivavahana. Ambony noho ireo zavatra ivavahany izy, fa izy manan' aina ahay; ary ireo tsy nanana na oviana na oviana. mortel, c' est une chose morte qu' il produit de ses mains impies. Il vaut mieux, certes, que les objets qu' il adore lui du moins aura vécu, eux jamais!
Fah 15:18 Anaovan' izy ireo fombam-pivavahana izay biby maharikoriko indrindra, sy ratsy amin' ny biby rehetra raha ny hadalana no hitsarana azy, ka tsy misy soa kely akory ao aminy mety hampitia azy toy ny endriky ny biby hafa; Et ils adorent même les bêtes les plus odieuses; car en fait de stupidité, elles sont pires que les autres.
Fah 15:19 ka mihataka amin' ny fiderana amam-pisaorana an' Andriamanitra. Et pour autant qu' on puisse éprouver du désir à la vue d' animaux, rien de beau ne s' y trouve, ils échappent à l'éloge de Dieu et à sa bénédiction.

<-
->