<-
->

Fah 4:1 Aleo ny momba, manan-katsaram-panahy: fa maharitra mandrakizay ny fahatsiarovana azy, satria fantatr' Andriamanitra sy ny olombelona izy. Mieux vaut ne pas avoir d' enfants et posséder la vertu, car l' immortalité s' attache à sa mémoire, elle est en effet connue de Dieu et des hommes.
Fah 4:2 Raha eo imaso izy, alain' ny olona tahaka; rahefa tsy eo intsony malahelo azy ny olona; voasatro-boninahitra any amin' ny mandrakizay izy, fa nahazo fandresena tamin' ny ady tsy mahaloto. Présente, on l' imite, absente, on la regrette; dans l'éternité, ceinte de la couronne, elle triomphe, pour avoir vaincu dans une lutte dont les prix sont sans tache.
Fah 4:3 Fa ny taranaka maron' ny ratsy fanahy kosa tsy vanon-ko inona; zazasary no fototra ihaviany, ka tsy ho latsaka lalina ny fakany; ary tsy ho fanorenana mahatoky no hiorenany. Mais la nombreuse postérité des impies ne profitera pas; issue de rejetons bâtards, elle ne poussera pas de racines profondes, elle n'établira pas de base solide.
Fah 4:4 Na ho maro sampana maitso vetivety aza izy, noho izy tsy miorina mafy amin' ny tany, dia ho voahozongozon' ny rivotra izy ary ho voaongotry ny ranonoram-baratra mahery. Même si pour un temps elle monte en branches, mal affermie, elle sera ébranlée par le vent, déracinée par la violence des vents;
Fah 4:5 Ny sampany, ho folaka an-dantony; ny voany tsy vanon-ko inona, fa maisatra tsy fihinana, ary tsy azo atao na inona na inona. ses rameaux seront brisés avant d'être formés, leur fruit sera sans profit, n'étant pas mûr pour être mangé, impropre à tout usage.
Fah 4:6 Satria ny zaza teraka avy amin' ny torimaso maloto dia vavolombelon' ny helo-drainy aman-dreniny raha avy izay hamotorana an' ireo. Car les enfants nés de sommeils coupables témoignent, lors de leur examen, de la perversité des parents.
Fah 4:7 Ny marina kosa na maty alohan' ny fotoana aza, mahita fitsaharana. Le juste, même s' il meurt avant l'âge, trouve le repos.
Fah 4:8 Ny fahanterana manan-kaja, tsy dia izay avy amin' ny andro lava iainana, na izay lanjaina araka ny hamaroan' ny taona. La vieillesse honorable n' est pas celle que donnent de longs jours, elle ne se mesure pas au nombre des années;
Fah 4:9 Fa ny fahamalinana no solon' ny volo fotsy ho an' ny olombelona; ary ny toe-piainana tsy misy tsiny no taonan' ny fahanterana. c' est cheveux blancs pour les hommes que l' intelligence, c' est un âge avancé qu' une vie sans tache.
Fah 4:10 Noho izy nahafaly an' Andriamanitra dia tiany, ary raha niara-belona tamin' ny mpanota izy dia voafindra. Devenu agréable à Dieu, il a été aimé, et, comme il vivait parmi des pécheurs, il a été transféré.
Fah 4:11 Nesorina izy, fandrao simban' ny hasomparana ny sainy, na ovan' ny hafetsen-dratsy ny fanahiny. Il a été enlevé, de peur que la malice n' altère son jugement ou que la fourberie ne séduise son âme;
Fah 4:12 Fa mahatakona ny soa, ny fanangolena avy amin' ny haratsiam-panahy, ary manimba ny saina tsotra ny fandrebireben' ny fitongilanan-dratsy. car la fascination du mal obscurcit le bien et le tourbillon de la convoitise gâte un esprit sans malice.
Fah 4:13 Anatin' ny andro vitsy no nahatongavany amin' ny fahalavorariana, ka làlan-davitra no afany. Devenu parfait en peu de temps, il a fourni une longue carrière.
Fah 4:14 Fa nankasitrahan' ny Tompo ny fanahiny, ka izany no nanafainganany ny nanesorany azy teto amin' ny fahamarinana. Son âme était agréable au Seigneur, aussi est-il sorti en hâte du milieu de la perversité. Les foules voient cela sans comprendre, et il ne leur vient pas à la pensée
Fah 4:15 Mahita izany ny vahoaka ka tsy mahalala izay antony, fa tsy mandatsaka an-tsainy izy ny hoe ny fahasoavana amam-pamindram-pon' Andriamanitra momba ny olom-pinidiny ary miahy ny olo-masiny izy. que la grâce et la miséricorde sont pour ses élus et sa visite pour ses saints.
Fah 4:16 Ny marina maty anefa manameloka ny ratsy fanahy mbola velona; ary ny fahatongavan' ny tanora faingana amin' ny fahalavorariana manameloka ny olona tsy marina tratra antitra. Le juste qui meurt condamne les impies qui vivent, et la jeunesse vite consommée, la longue vieillesse de l' injuste.
Fah 4:17 Hahita ny fiafaran' ny hendry izy ireo, fa tsy ho fantany ny hevitr' Andriamanitra ny aminy, na ny antony nampandrian' ny Tompo fahizay azy. Ils voient la fin du sage, sans comprendre les desseins du Seigneur sur lui, ni pourquoi il l' a mis en sûreté;
Fah 4:18 Hahita izy ireo, ka hihomehy, fa mba hihomehezan' ny Tompo kosa izy, ils voient et méprisent, mais le Seigneur se rira d' eux.
Fah 4:19 ary rahefa izany dia hanjary faty tsy misy hajany izy dia ho anisan' ny maty ho afa-baraka mandrakizay. Ny Tompo hanorotoro azy, ary hataony tsy manan-kalahatra izy, dia havariny; hozongozoniny amin' ny fanorenany, ho ringana avokoa hatramin' ny farany, ho azom-pahoriana izy, ary ho faty ny fahatsiarovana azy. Après cela ils deviendront un cadavre méprisé, un objet d' outrage parmi les morts à jamais. Car il les brisera, précipités, muets, la tête la première. Il les ébranlera de leurs fondements, ils seront complètement dévastés, en proie à la douleur, et leur mémoire périra.
Fah 4:20 Ho tonga izy amim-pivadiham-po noho ny fieritreretany ny fahotany, ary hitsangana eo anatrehany ny helony hiampanga azy. Et quand s'établira le compte de leurs péchés, ils viendront pleins d' effroi; et leurs forfaits les accuseront en face.

<-
->