<-
->

Fah 7:1 Izaho koa dia olombelona mety maty toy ny hafa rehetra, ary avy amin' ilay voalohan-dahy natao tamin' ny tany. Je suis, moi aussi, un homme mortel, pareil à tous, un descendant du premier être formé de la terre. J' ai été modelé en chair dans le ventre d' une mère,
Fah 7:2 Ny amin' ny nofoko dia tao an-kibon' ineny no niforonako, nihamafy tamin' ny ra, mandritra ny folo volana, avy amin' ny faharian' ny lehilahy mandritra ny fialan-tsasatra amin' ny torimaso. où, pendant dix mois, dans le sang j' ai pris consistance, à partir d' une semence d' homme et du plaisir, compagnon du sommeil.
Fah 7:3 Izaho koa raha vao teraka dia niaina tamin' ny rivotra iaraha-manana amin' ny betsaka, latsaka tamin' ny tany itoviana, ary tomany toy ny an' ny hafa rehetra ihany koa, no feo voalohany nalefako. A ma naissance, moi aussi j' ai aspiré l' air commun, je suis tombé sur la terre qui nous reçoit tous pareillement, et des pleurs, comme pour tous, furent mon premier cri.
Fah 7:4 Nobiazina tanaty lamban-jaza sy tamim-pitandremana tsy hita isa aho. J' ai été élevé dans les langes et parmi les soucis.
Fah 7:5 Tsy nisy mpanjaka nanam-piandoham-piainana hafa noho izany. Aucun roi ne connut d' autre début d' existence
Fah 7:6 Fa fomba tokana ihany, amin' ny olona rehetra, no idirana sy ialana amin' ny fiainana. même façon pour tous d' entrer dans la vie et pareille façon d' en sortir.
Fah 7:7 Noho izany, nivavaka aho, ka nomena ahy ny fahiratan-tsaina; niantso aho, ka tonga tamiko ny fanahin' ny fahendrena. C' est pourquoi j' ai prié, et l' intelligence m' a été donnée, j' ai invoqué, et l' esprit de Sagesse m' est venu.
Fah 7:8 Naleoko izany, toy izay tehim-panjakana aman-tsatro-boninahitra; ary nataoko tsy misy vidiny ny harena, miolotra amin' izany. Je l' ai préférée aux sceptres et aux trônes et j' ai tenu pour rien la richesse en comparaison d' elle.
Fah 7:9 Tsy nampitoviko taminy, ny vato sarobidy indrindra; fa fasika kely ihany ny volamena rehetra amin' izao tontolo izao miolotra aminy, ary tsy maintsy atao ho fotaka ihany ny volafotsy mitaha aminy. Je ne lui ai pas égalé la pierre la plus précieuse; car tout l' or, au regard d' elle, n' est qu' un peu de sable, à côté d' elle, l' argent compte pour de la boue.
Fah 7:10 Tiako noho ny fahasalamana aman-katsaran-tarehy izy, naleoko manana azy, toy izay manana ny fahazavana, satria tsy mba maty na oviana na oviana ny fanilony. Plus que santé et beauté je l' ai aimée et j' ai préféré l' avoir plutôt que la lumière, car son éclat ne connaît point de repos.
Fah 7:11 Tonga tamiko miaraka aminy, ny soa rehetra; ary harena tsy hita lany no eo an-tànany. Mais avec elle me sont venus tous les biens et, par ses mains, une incalculable richesse.
Fah 7:12 Ka dia nifaly tamin' izany soa rehetra izany aho, fa entin' ny fahendrena miaraka aminy ireny; tsy nahalala anefa aho fa izy no loharanon' ireny. De tous ces biens je me suis réjoui, parce que c' est la Sagesse qui les amène; j' ignorais pourtant qu' elle en fût la mère.
Fah 7:13 Ny manaraka azy tsy nataoko an-kifonofono, ary ambarako ny hafa tsy amim-pialonana; ka tsy afeniko ny rakitra ao aminy. Ce que j' ai appris sans faute, je le communiquerai sans envie, je ne cacherai pas sa richesse.
Fah 7:14 Fa rakitra tsy manam-paharitana ho an' ny olombelona izy; manana anjara amin' ny fihavanana amin' Andriamanitra izay mampiasa azy, fa ny toetra tsara avy amin' ny fianarana dia mampahita sitraka aminy. Car elle est pour les hommes un trésor inépuisable, ceux qui l' acquièrent s' attirent l' amitié de Dieu, recommandés par les dons qui viennent de l' instruction.
Fah 7:15 Homen' Andriamanitra ahy anie, ny hiteny momba azy, araka ny faniriako, sy ny hahita hevitra mendrika ny fanomezana noraisiko. Fa izy no mitarika ny fahendrena, sy mitari-dàlana ny hendry. Que Dieu me donne d' en parler à son gré et de concevoir des pensées dignes des dons reçus, parce qu' il est lui-même et le guide de la Sagesse et le directeur des sages;
Fah 7:16 Eo an-tànany isika, dia isika sy ny tenintsika, mbamin' ny fahiratan-tsaina amam-pahaiza-manao. nous sommes en effet dans sa main, et nous et nos paroles, et toute intelligence et tout savoir pratique.
Fah 7:17 Izy no nahazoako fahalalana marina ny zavatra, nampahafantariny ahy ny firafitr' izao tontolo izao mbamin' ny toetra manokana ananan' ny foto-javatra avy, C' est lui qui m' a donné une connaissance infaillible des êtres, pour connaître la structure du monde et l' activité des éléments,
Fah 7:18 Ny fiandohany amam-piafarany, ary ny elanelan' ny fotoana, ny fitsingerenan' ny masoandro ara-potoana, ny fifadimbiasan' ny andro, le commencement, la fin et le milieu des temps, les alternances des solstices et les changements des saisons,
Fah 7:19 ny fitsingerenan' ny taona amam-pitoeran' ny kintana, les cycles de l' année et les positions des astres,
Fah 7:20 ny fomban' ny biby amam-pahaizan' ny tsy manan-tsaina, ny herin' ny fanahy amam-pisainan' ny olombelona, ny karazan-java-maniry samihafa mbamin' ny hasin' ny fakany. la nature des animaux et les instincts des bêtes sauvages, le pouvoir des esprits et les pensées des hommes, les variétés de plantes et les vertus des racines.
Fah 7:21 Ny zava-miafina sy ny miharihary dia nianarako ho hay avokoa; fa ny fahendrena mpamorona ny zava-drehetra no nampianatra ahy izany. Tout ce qui est caché et visible, je l' ai connu; car c' est l' ouvrière de toutes choses qui m' a instruit, la Sagesse!
Fah 7:22 Fa ao aminy dia misy fanahy manan-tsaina, masina, tokana, maro asa, tsy miharo vatana, mavitrika, maninteraka, tsy misy loto, tsy mety diso, tsy mety mijaly, tia ny tsara, mahira-tsaina, tsy mahalala sampona, manao soa, En elle est, en effet, un esprit intelligent, saint, unique, multiple, subtil, mobile, pénétrant, sans souillure, clair, impassible, ami du bien, prompt,
Fah 7:23 tsara fo ho an' ny olombelona, tsy manam-piovana, matoky, miadana, mahefa ny zavatra rehetra, mitandrina ny zavatra rehetra, maninteraka ny fanahy rehetra, ny manan-tsaina, ny madio, ary ny faran' izay maranitra indrindra. irrésistible, bienfaisant, ami des hommes, ferme, sûr, sans souci, qui peut tout, surveille tout, pénètre à travers tous les esprits, les intelligents, les purs, les plus subtils.
Fah 7:24 Fa kinga noho ny fihetsehana rehetra ny fahendrena, maninteraka sy misisika amin' ny zavatra rehetra izy, noho ny hadiovany. Car plus que tout mouvement la Sagesse est mobile; elle traverse et pénètre tout à cause de sa pureté.
Fah 7:25 Fofon' ain' ny herin' Andriamanitra izy, zavatra avy amin' ny voninahitry ny Tsitoha irery ihany, ka tsy azon-java-maloto kely akory ilatsahana. Elle est en effet un effluve de la puissance de Dieu, une émanation toute pure de la gloire du Tout-Puissant; aussi rien de souillé ne s' introduit en elle.
Fah 7:26 Famirapiratan' ny fahazavana mandrakizay izy, fitaratry ny fahefan' Andriamanitra tsy misy pentina, ary endriky ny hatsaram-pony. Car elle est un reflet de la lumière éternelle, un miroir sans tache de l' activité de Dieu, une image de sa bonté.
Fah 7:27 Tokana izy dia mahefa ny zavatra rehetra, tsy miova izy, dia manavao ny zavatra rehetra, mirotsaka amin' ny fanahy izay masina rehetra amin' ny taona mifandimby, ka mahatonga azy ho sakaizan' Andriamanitra sy ho mpaminany. Bien qu'étant seule, elle peut tout, demeurant en elle-même, elle renouvelle l' univers et, d'âge en âge passant en des âmes saintes, elle en fait des amis de Dieu et des prophètes;
Fah 7:28 Fa tsy misy tian' Andriamanitra afa-tsy izay miara-monina amin' ny fahendrena. car Dieu n' aime que celui qui habite avec la Sagesse.
Fah 7:29 Satria tsara tarehy noho ny masoandro izy, sy noho ny filantoan' ny kintana. Raha ampitahaina amin' ny mazava, mbola ihoarany; Elle est, en effet, plus belle que le soleil, elle surpasse toutes les constellations, comparée à la lumière, elle l' emporte;
Fah 7:30 satria ny mazava, dimbiasan' ny alina; fa ny ratsy kosa tsy mba maharesy ny fahendrena. car celle-ci fait place à la nuit, mais contre la Sagesse le mal ne prévaut pas.

<-
->