<-
->

Isa / Iz 51:1 Hearken to me, ye that follow after righteousness, ye that seek the Lord: look unto the rock whence ye are hewn, and to the hole of the pit whence ye are digged. Mihanoa Ahy, ianareo izay miezaka mitady fahamarinana, dia izay mitady an' i Jehovah: Tsarovy ny vatolampy izay nakana anareo sy ny ati-lavaka izay nihadiana anareo. Mihainoa ahy, hianareo izay manaraka ny marina, izay mitady an' ny Tompo. Diniho ny vatolampy nanendahana anareo; sy ny tany fihadiam-bato nangalana anareo. Écoutez-moi, vous qui êtes en quête de justice, vous qui cherchez Yahvé. Regardez le rocher d' où l' on vous a taillés et la fosse d' où l' on vous a tirés.
Isa / Iz 51:2 Look unto Abraham your father, and unto Sarah that bare you: for I called him alone, and blessed him, and increased him. Eny, tsarovy Abrahama rainareo sy Saraha, izay niteraka anareo; fa fony mbola tokana izy, dia nantsoiko sy notahiko ary nohamaroiko. Diniho Abrahama rainareo; sy Sarà, izay niteraka anareo; fa fony izy mbola tokana no nantsoiko izy, dia notahiko sy nohamaroiko. Regardez Abraham votre père et Sara qui vous a enfantés. Il était seul quand je l' ai appelé, mais je l' ai béni et multiplié.
Isa / Iz 51:3 For the Lord shall comfort Zion: he will comfort all her waste places; and he will make her wilderness like Eden, and her desert like the garden of the Lord; joy and gladness shall be found therein, thanksgiving, and the voice of melody. Fa Jehovah mampionona an' i Ziona; Eny, mampionona izay rava rehetra ao Izy Ka manao ny efitra ao ho tahaka an' i Edena. Ary ny tany foana ao ho tahaka ny sahan' i Jehovah; Hafaliana sy haravoana no hita ao mbamin' ny fisaorana sy ny feo fiderana. Satria efa nampionona an' i Siona Iaveh, ka nampiononiny ny rava rehetra teo; novany ho tahaka an' i Edena ny efitra teo; ary ho zaridainan' ny Tompo ny tany foana tao. Fifaliana amam-piravoravoana no ho hita ao, mbamin' ny hira fisaorana amam-peo mozika. Oui, Yahvé a pitié de Sion, il a pitié de toutes ses ruines; il va faire de son désert un Éden et de sa steppe un jardin de Yahvé; on y trouvera la joie et l' allégresse, l' action de grâces et le son de la musique.
Isa / Iz 51:4 Hearken unto me, my people; and give ear unto me, O my nation: for a law shall proceed from me, and I will make my judgment to rest for a light of the people. Mihainea Ahy, ry vahoakako, ary atongilano amiko ny sofinareo, ry oloko; fa hisy lalàna hivoaka avy amiko, ary ny fitsipiko dia hampitoeriko ho fanazavana ny firenena. Mihainoa ny feoko, ry vahoakako, manongilàna sofina, ry fireneko! fa hamoaka lalàna aho, ary hanorina ny didiko ho fanazavana ny firenena. Écoute-moi bien, mon peuple, ô ma nation, tends l' oreille vers moi. Car une loi va sortir de moi, et je ferai de mon droit la lumière des peuples.
Isa / Iz 51:5 My righteousness is near; my salvation is gone forth, and mine arms shall judge the people; the isles shall wait upon me, and on mine arm shall they trust. Akaiky ny fahamarinako, efa nivoaka ny famonjeko, ary ny sandriko no hitsara ny firenena; izaho no hantenain' ny nosy, ary ny sandriko no andrasany. Akaiky ny fahamarinako; efa hiseho ny famonjeko: ary hitsara ny firenena ny sandriko; manantena ahy ny nosy, ary matoky ny sandriko izy. Soudain ma justice approche, mon salut paraît, mon bras va punir les peuples. Les îles mettront en moi leur espoir et compteront sur mon bras.
Isa / Iz 51:6 Lift up your eyes to the heavens, and look upon the earth beneath: for the heavens shall vanish away like smoke, and the earth shall wax old like a garment, and they that dwell therein shall die in like manner: but my salvation shall be for ever, and my righteousness shall not be abolished. Andrandrao ho amin' ny lanitra ny masonareo, ary jereo ny tany ambany; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka, ary tany ho tahaky ny lamba mangarahara, ary ny mponina ao dia ho faty tampoka; fa ny famonjena kosa haharitra mandrakizay, ary ny fahamarinako tsy mba ho rava. Andrandrao ho amin' ny lanitra ny masonareo, dia ampidino ho amin' ny tany ny fijerinareo; fa ny lanitra ho levona tahaka ny setroka; ary ny tany hanjary vorotra, hoatra ny fitafiana; ny mponina eo aminy ho levona torak' izany koa; fa ny famonjeko kosa haharitra mandrakizay; ary ny fahamarinako tsy mba ho levona. Levez les yeux vers le ciel, regardez en bas vers la terre; oui, les cieux se dissiperont comme la fumée, la terre s' usera comme un vêtement et ses habitants mourront comme de la vermine. Mais mon salut sera éternel et ma justice demeurera intacte.
Isa / Iz 51:7 Hearken unto me, ye that know righteousness, the people in whose heart is my law; fear ye not the reproach of men, neither be ye afraid of their revilings. Mihainoa ahy, ianareo izay mahalala ny fahamarinana, dia ianao, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao; aza matahotra ny latsa ataon' ny zanak' olombelona, na manahy noho ny faharatsiany. Mihainoa ahy, hianareo mahalala ny fahamarinana, ry firenena izay manana ny lalàko ao am-ponao. Aza matahotra izay latsan' olombelona; na mivadi-po amin' izay fanaratsian' izy ireo. Écoutez-moi, vous qui connaissez la justice, peuple qui mets ma loi dans ton coeur. Ne craignez pas les injures des hommes, ne vous laissez pas effrayer par leurs outrages.
Isa / Iz 51:8 For the moth shall eat them up like a garment, and the worm shall eat them like wool: but my righteousness shall be for ever, and my salvation from generation to generation. Fa ny kalalao hihinana azy tahaka ny fihinan-damba, ary lolo fotsy hihinana azy tahaka ny fihinam-bolon' ondry; fa ny fahamarinako haharitra mandrakizay, ary famonjena hihatra amin' ny taranaka fara-mandimby. Fa ho lanin' ny kalalao, hoatra ny fitafiana izy ireo, ary hokotehin' ny tsindoha, hoatra ny volon' ondry. Fa ny fahamarinako kosa haharitra mandrakizay; ary ny famonjeko hihatra amin' ny taona rehetra. Car la teigne les rongera comme un vêtement, et les mites les dévoreront comme de la laine. Mais ma justice subsistera éternellement et mon salut de génération en génération.
Isa / Iz 51:9 Awake, awake, put on strength, O arm of the Lord; awake, as in the ancient days, in the generations of old. Art thou not it that hath cut Rahab, and wounded the dragon? Mifohaza, mifohaza, ry sandrin' i Jehovah, mitafia hery! Mifohaza tahaka ny tamin' ny andro fahiny! dia tamin' ny taranaka lasa ela. Tsy Hianao va Ilay nitetitetika an-dRahaba sy nitomboka ny dragona? Mifohaza, mifohaza hianao, mitafia hery, ry sandrin' ny Tompo! Mifohaza toy ny tamin' ny andro taloha, tahaka ny tamin' ny taona fahiny. Tsy hianao va no nitetika an-dRahaba ho potipotika, sy nitomboka ilay dragona ho gorobaka? Éveille-toi, éveille-toi! revêts-toi de force, bras de Yahvé. Éveille-toi comme aux jours d' autrefois, des générations de jadis. N' est-ce pas toi qui as fendu Rahab, transpercé le Dragon ?
Isa / Iz 51:10 Art thou not it which hath dried the sea, the waters of the great deep; that hath made the depths of the sea a way for the ransomed to pass over? Tsy Hianao va Ilay nahamaina ny ranomasina, dia ny rano ao amin' ny lalina indrindra, ka nanao ny ranomasina lalina ho lalana halehan' ny navotana? Tsy hianao va no nahamaina ny ranomasina, dia ny rano tao amin' ny hantsam-be. Ka nanao ny fanambanin' ny ranomasina ho làlana nalehan' ny navotana? N' est-ce pas toi qui as desséché la mer, les eaux du Grand Abîme ? qui as fait du fond de la mer un chemin, pour que passent les rachetés ?
Isa / Iz 51:11 Therefore the redeemed of the Lord shall return, and come with singing unto Zion; and everlasting joy shall be upon their head: they shall obtain gladness and joy; and sorrow and mourning shall flee away. Eny, ny navotan' i Jehovah hiverina ka hankany Ziona amin' ny fihobiana, ary ny fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana mandrakizay no ho eny an-dohany; hahazo fifaliana faharavoravoana izy, ka dia handositra ny alahelo sy ny fisentoana. Koa hiverina ny navotan' ny Tompo; dia hiditra ao Siona amin' ny hobim-pifaliana; firavoravoana mandrakizay no ho fehilohany; ho henika azy ny fifaliana amam-piravoravoana; Lasa nandositra ny sento amam-pahoriana. - Ceux que Yahvé a libérés reviendront, ils arriveront à Sion criant de joie, portant avec eux une joie éternelle; la joie et l' allégresse les accompagneront, la douleur et les plaintes cesseront.
Isa / Iz 51:12 I, even I, am he that comforteth you: who art thou, that thou shouldest be afraid of a man that shall die, and of the son of man which shall be made as grass; Izaho dia Izaho no mpampionona anareo, koa nahoana ianao no dia matahotra ny zanak' olombelona mety maty sy ny zanak' olona hatao tahaka ny ahitra Izaho dia izaho no mampionona anareo; fa iza moa hianao no dia matahotra olombelona mety maty, zanak' olombelona mihelina hoatra ny ahitra; C' est moi, je suis celui qui vous console; qui es-tu pour craindre l' homme mortel, le fils d' homme voué au sort de l' herbe ?
Isa / Iz 51:13 And forgettest the Lord thy maker, that hath stretched forth the heavens, and laid the foundations of the earth; and hast feared continually every day because of the fury of the oppressor, as if he were ready to destroy? and where is the fury of the oppressor? ka manadino an' i Jehovah, Mpanao anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany, sady matahotra lalandava mandritra ny andro ianao noho ny fahatezeran' ny mpampahory, raha mikendry hamono izy? Fa aiza intsony izay fahatezeran' ny mpampahory? ka dia manadino an' ny Tompo, Mpahary anao, izay namelatra ny lanitra sy nanorina ny tany; mangovitra tsy an-kijanona, tontolo andro, eo anatrehan' ny fisafoaky ny mpanapaka masiaka rahefa mioman-kandrava anao izy. Ary aiza izao, izay fisafoaky ny mpanapaka masiaka? Tu oublies Yahvé, ton créateur, qui a tendu les cieux et fondé la terre, et tu ne cesses de trembler tout le jour devant la fureur de l' oppresseur, lorsqu' il se met à détruire. Où donc est la fureur de l' oppresseur ?
Isa / Iz 51:14 The captive exile hasteneth that he may be loosed, and that he should not die in the pit, nor that his bread should fail. Izay mitanondrika dia ho afaka faingana; Tsy ho faty havarina ao an-davaka izy ary tsy ho diso hanina. Vetivety foana, dia ho voavaha izay mitanondrika; tsy ho faty ao an-davaka izy; ary tsy ho diso hanina. Le désespéré va bientôt être libéré, il ne mourra pas dans la basse-fosse, il ne manquera plus de pain.
Isa / Iz 51:15 But I am the Lord thy God, that divided the sea, whose waves roared: The Lord of hosts is his name. Fa Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Jehovah, Tompon' ny maro, no anarako. Izaho dia Iaveh Andriamanitrao, izay mampanonja ny ranomasina, ka dia mirohondrohona ny onjany; Iavehn' ny tafika no anarany. Je suis Yahvé ton Dieu, qui brasse la mer pour faire mugir ses flots, dont le nom est Yahvé Sabaot.
Isa / Iz 51:16 And I have put my words in thy mouth, and I have covered thee in the shadow of mine hand, that I may plant the heavens, and lay the foundations of the earth, and say unto Zion, Thou art my people. Ary nataoko eo am-bavanao ny teniko, ary ao amin' ny aloky ny tanako no nanaronako anao, hanao ny lanitra sy hanorina ny tany Aho ary hanao an' i Ziona hoe: Oloko ianao. Nataoko tao am-bavanao ny teniko, ary noalofako tamin' ny aloky ny tànako hianao, mba hamboly lanitra sy hanorina tany, ary hilaza amin' i Siona hoe: Vahoakako hianao! J' ai mis mes paroles en ta bouche, à l' ombre de ma main je t' ai caché, pour tendre les cieux et pour fonder la terre, pour dire à Sion : " Tu es mon peuple. "
Isa / Iz 51:17 Awake, awake, stand up, O Jerusalem, which hast drunk at the hand of the Lord the cup of his fury; thou hast drunken the dregs of the cup of trembling, and wrung them out. Mifohaza, mifohaza, mitsangana, ry Jerosalema ô, izay efa nisotro ny kapoaky ny fahatezerana avy tamin' ny tànan' i Jehovah; eny, ny kapoaka gobilia mampiraikiraiky dia efa nisotroanao, ka notrohinao mbamin' ny faikany. Mifohaza, mifohaza, miarena hianao, ry Jerosalema, izay efa nisotro ny kapoaky ny hatezerana, avy amin' ny tanan' ny Tompo; izay efa nisotro sy nandany ny kapoaka mahajenjina! Réveille-toi, réveille-toi, debout! Jérusalem. Toi qui as bu de la main de Yahvé la coupe de sa colère. C' est un calice, une coupe de vertige que tu as bue, que tu as vidée.
Isa / Iz 51:18 There is none to guide her among all the sons whom she hath brought forth; neither is there any that taketh her by the hand of all the sons that she hath brought up. Tsy misy mitondra azy ny zananilahy rehetra izay naterany; ary tsy misy mitantana azy ny zananilahy rehetra izay notezainy. Tsy nisy nitari-dàlana azy, na iray aza, ny zanany naterany rehetra. Tsy nisy nitantana azy, na iray aza, ny zanaka notezainy rehetra. Personne ne la guide, aucun des fils qu' elle a enfantés; personne ne lui prend la main, aucun des fils qu' elle a élevés.
Isa / Iz 51:19 These two things are come unto thee; who shall be sorry for thee? desolation, and destruction, and the famine, and the sword: by whom shall I comfort thee? Izao zavatra roa Izao no hanjo anao (Iza no hanony ny alahelonao?): Fandravana sy fandringanana ary mosary sy sabatra, koa hataoko ahoana no fampionona anao? Loza roa no namely anao: - iza moa no hanao teny mangoraka anao? - Dia ny fandravana amam-pandringanana, ny mosary sy ny sabatra, - hataoko ahoana no fampionona anao? - Ce double malheur qui t' est arrivé, qui t' en plaindra ? Le pillage et la ruine, la famine et l'épée, qui t' en consolera ?
Isa / Iz 51:20 Thy sons have fainted, they lie at the head of all the streets, as a wild bull in a net: they are full of the fury of the Lord, the rebuke of thy God. Ny zanakao-lahy efa reraka, ka miapokapoka eny an-joron-dalambe rehetra eny izy, tahaka ny diera ao anatin' ny fandrika harato eny, tahaka ny olona rakotry ny fahatezeran' i Jehovah sy ny teny mafy ataon' Andriamanitrao. Ny zanakao lahy efa reraka ka miapokapoka eny an-joron-dàlana rehetra eny, mova tsy ny antilopa voan' ny fandrika harato, jenjin' ny hatezeran' ny Tompo sy ny fandrahonan' ny Andriamanitrao. Tes fils gisent sans force au coin de toutes les rues, comme l' antilope prise au filet, ivres de la fureur de Yahvé, de la menace de ton Dieu.
Isa / Iz 51:21 Therefore hear now this, thou afflicted, and drunken, but not with wine: Koa mihainoa izao, ianao ry ilay ory sady mamo tsy amin-divay: Koa mihainoa izao, ry kala fadiranovana, jenjina, fa tsy amin-divay! C' est pourquoi, écoute ceci, malheureuse, ivre, mais non de vin :
Isa / Iz 51:22 Thus saith thy Lord the Lord, and thy God that pleadeth the cause of his people, Behold, I have taken out of thine hand the cup of trembling, even the dregs of the cup of my fury; thou shalt no more drink it again: Izao no lazain' i Jehovah Tomponao, dia Andriamanitrao, Izay mandaha-teny ho an' ny olony: Indro, esoriko eny an-tananao ny kapoaka mampiraikiraiky, dia ny kapoaka gobilian' ny fahatezerako; Tsy hisotroanao intsony iny, Izao no lazain' ny Tompo Tomponao sy Andriamanitrao izay miaro ny vahoakany: Indro efa nesoriko teny an-tànanao, ny kapoaka mahajenjina, ny kapoaky ny fahatezerako; tsy hisotro izany intsony hianao, izao sisa izao. Ainsi parle ton Seigneur Yahvé, ton Dieu, défenseur de ton peuple : Voici que je te retire de la main la coupe de vertige, le calice, la coupe de ma fureur. Tu n' y boiras plus jamais.
Isa / Iz 51:23 But I will put it into the hand of them that afflict thee; which have said to thy soul, Bow down, that we may go over: and thou hast laid thy body as the ground, and as the street, to them that went over. Fa hataoko eo an-tànan' izay mampahory anao kosa, dia izay efa nilaza taminao hoe: Miankohofa mba hohitsahinay, ka dia nataonao ho tahaka ny tany ny tenanao sy ho tahaka ny lalambe ho an' izay mandeha eo. Hataoko eo an-tanan' ny mpanenjika anao izany, dia amin-dry zareo nanao taminao hoe: Miondreha handehananay! Dia ny lamosinao no nataony toy ny tany, sy toy ny lalambe ho an' ny mpandeha! Je la mettrai dans la main de tes tortionnaires, de ceux qui te disaient : A terre! que nous passions! et tu faisais de ton dos un passage, un chemin pour qu' ils y passent.

<-
->