<-
->

Jer / Jr 17:1 The sin of Judah is written with a pen of iron, and with the point of a diamond: it is graven upon the table of their heart, and upon the horns of your altars; Ny fahotan' ny Joda dia voasoratra tamin' ny fanoratana sy tamin' ny diamondra fanoratana; voasoratra ao am-pony tahaka ny amin' ny vato fisaka sy eo amin' ny tandroky ny alitarany izany, Ny fahotan' i Jodà dia voasoratra tamin' ny vy fanoratana sy tamin' ny fantsika diamondra, voasokitra eo amin' ny takelaky ny fony izany, sy eo amin' ny tandroky ny otelinareo. Le péché de Juda est écrit avec un stylet de fer, avec une pointe de diamant il est gravé sur la tablette de leur coeur et aux cornes de leurs autels,
Jer / Jr 17:2 Whilst their children remember their altars and their groves by the green trees upon the high hills. Dia amin' izay hahatsiarovan' ny zanany ny alitarany sy ny Aserahany, akaikin' ny hazo maitso, ambonin' ny havoana andrandraina. Toy ny fahatsiarovany ny zanany, no fahatsiarovany ny oteliny aman' aserany, eny akaikin' ny hazo maitso sy eny amin' ny havoana manerinerina eny. car leurs fils se souviennent de leurs autels et de leurs pieux sacrés, près des arbres verts, sur les collines élevées.
Jer / Jr 17:3 O my mountain in the field, I will give thy substance and all thy treasures to the spoil, and thy high places for sin, throughout all thy borders. Ry tendrombohitro any an-tsaha, ny fanananao sy ny rakitrao rehetra dia hatolotro ho babo, eny, na dia ny fitoerana avonao koa aza noho ny fahotana tao anatin' ny faritaninao rehetra. Ry tendrombohitro izay any an-tany lemaka, hatolotro ho babo avokoa ny fanananao, ny rakitrao, ny fitoerana avo, noho ny fahotanao, teo amin' ny faritaninao rehetra. O ma montagne dans la plaine, ta richesse et tous tes trésors, je vais les livrer au pillage à cause du péché de tes hauts lieux sur tout ton territoire.
Jer / Jr 17:4 And thou, even thyself, shalt discontinue from thine heritage that I gave thee; and I will cause thee to serve thine enemies in the land which thou knowest not: for ye have kindled a fire in mine anger, which shall burn for ever. Ary avy amin' ny tenanao ihany no mahatonga ny hamoizanao ny lovanao izay nomeko anao; Ary hampanompoiko ny fahavalonao any amin' ny tany izay tsy fantatrao ianao; Fa narehitrareo ny afon' ny fahatezerako, izay hirehitra mandrakizay. Havelanao ho tany foana sady vokatry ny hadisoanao izany, ny lovako nomeko anao; hampanompoako ny fahavalonao any amin' ny tany tsy fantatrao hianao, satria narehitrareo ny afon' ny fahatezerako, ka mirehitra ho amin' ny mandrakizay. Tu devras te dessaisir de ton héritage que je t' avais donné; je te rendrai esclave de tes ennemis dans un pays que tu ne connais pas. Car le feu de ma colère que vous avez allumé brûlera pour toujours.
Jer / Jr 17:5 Thus saith the Lord; Cursed be the man that trusteth in man, and maketh flesh his arm, and whose heart departeth from the Lord. Izao no lazain' i Jehovah: ho voaozona izay olona matoky olona sy manao ny nofo ho sandriny, ka miala amin' i Jehovah ny fony. Izao no lazain' ny Tompo: Ho voaozona ny olona izay mitoky amin' olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin' ny Tompo ny fony! Ainsi parle Yahvé Maudit l' homme qui se confie en l' homme, qui fait de la chair son appui et dont le coeur s'écarte de Yahvé!
Jer / Jr 17:6 For he shall be like the heath in the desert, and shall not see when good cometh; but shall inhabit the parched places in the wilderness, in a salt land and not inhabited. Fa ho tahaka ny olona mahantra any an-tani-hay izy ka tsy mba hahita, na dia avy aza ny soa; Fa honina any amin' ny tany karankaina any an-efitra, dia any amin' ny tany sira izay tsy onenana. Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy, ary rahefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany; honina amin' ny tany karankaina any an' efitra, any amin' ny tany sira, tsy misy mponina! Il est comme un chardon dans la steppe il ne ressent rien quand arrive le bonheur, il se fixe aux lieux brûlés du désert, terre salée où nul n' habite.
Jer / Jr 17:7 Blessed is the man that trusteth in the Lord, and whose hope the Lord is. Hotahina izay olona matoky an' i Jehovah, dia izay manana an' i Jehovah ho tokiny. Hohasoavina ny olona mitoky amin' ny Tompo, sy manantena an' ny Tompo ho tokiny! Béni l' homme qui se confie en Yahvé et dont Yahvé est la foi.
Jer / Jr 17:8 For he shall be as a tree planted by the waters, and that spreadeth out her roots by the river, and shall not see when heat cometh, but her leaf shall be green; and shall not be careful in the year of drought, neither shall cease from yielding fruit. Fa ho toy ny hazo ambolena eo amoron-drano izy, izay mamaka eo anilan' ny rano mandeha, ka tsy hatahotra, na dia avy aza ny hainandro, sady ho maitso ny raviny, ka tsy hanahy izy, na dia mihantona aza ny andro, fa tsy hitsahatra ny famoany. Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano izy, mandatsaka ny fakany mankany amin' ny rano mandeha; tsy matahotra rahefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa. Il ressemble à un arbre planté au bord des eaux, qui tend ses racines vers le courant il ne redoute rien quand arrive la chaleur, son feuillage reste vert; dans une année de sécheresse il est sans inquiétude et ne cesse pas de porter du fruit.
Jer / Jr 17:9 The heart is deceitful above all things, and desperately wicked: who can know it? Ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina; Iza moa no mahafantatra ny aminy? Mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra ny fo, sady simba: iza no hahalala azy? Le coeur est rusé plus que tout, et pervers, qui peut le pénétrer?
Jer / Jr 17:10 I the Lord search the heart, I try the reins, even to give every man according to his ways, and according to the fruit of his doings. Izaho Jehovah no Mpandinika ny fo sy Mpamantatra ny voa, mba hanome ny olona rehetra araka ny alehany avy, dia araka ny vokatry ny asany Izaho Iaveh izay mandinika ny fo, sy mamantatra ny voa; ary ny hanaovako izany, dia mba hamaly ny olona araka ny làlany, sy araka ny vokatry ny asany. Moi, Yahvé, je scrute le coeur, je sonde les reins, pour rendre à chacun d' après sa conduite, selon le fruit de ses oeuvres.
Jer / Jr 17:11 As the partridge sitteth on eggs, and hatcheth them not; so he that getteth riches, and not by right, shall leave them in the midst of his days, and at his end shall be a fool. Toy ny tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, dia toy izany izay mahazo harena tsy amin' ny rariny: Handao azy amin' ny an-tenatenan' androny izany, ka ho adala no farany. Tsipoy mikotrika izay tsy atodiny, toy izany ny olona mahazo harena tsy an-drariny ; fa tsy maintsy mandao izany eny an-tenatenan' ny androny. ary ho adala foana no hiafarany Une perdrix couve ce qu' elle n' a pas pondu. Ainsi celui qui se fait des richesses injustes au milieu de ses jours elles l' abandonnent et en fin de compte il n' est qu' un insensé.
Jer / Jr 17:12 A glorious high throne from the beginning is the place of our sanctuary. Seza fiandrianana be voninahitra sady avo hatramin' ny voalohany ny fitoera-masintsika. Seza fiandrianana be voninahitra, fiamboniana mandrakizay, fitoeran' ny tranonay masina, Un trône glorieux, sublime dès l' origine, tel est notre lieu saint.
Jer / Jr 17:13 O Lord, the hope of Israel, all that forsake thee shall be ashamed, and they that depart from me shall be written in the earth, because they have forsaken the Lord, the fountain of living waters. Ry Jehovah, Fanantenan' ny Isiraely ô! Ho menatra izay rehetra mahafoy Anao, ary hosoratana amin' ny vovoka izay miala aminao, satria izy efa nahafoy an' i Jehovah, loharano velona. fanantenan' Israely, Iaveh ô, ho menatra izay rehetra mahafoy anao! Hosoratana amin' ny tany izay miala amiko, satria nandao ny lohan' ny rano velona, Iaveh, izy ireo. Espoir d' Israël, Yahvé, tous ceux qui t' abandonnent seront honteux, ceux qui se détournent de toi seront inscrits dans la terre, car ils ont abandonné la source d' eaux vives, Yahvé.
Jer / Jr 17:14 Heal me, O Lord, and I shall be healed; save me, and I shall be saved: for thou art my praise. Jehovah ô, sitrano aho, dia ho sitrana; Vonjeo aho, dia ho voavonjy; Fa Hianao no fiderako. Ry Iaveh ô, sitrano aho, dia ho sitrana; vonjeo aho, dia ho voavonjy; fa hianao no fiderako! Guéris-moi, Yahvé, et je serai guéri, sauve-moi et je serai sauvé, car tu es ma louange!
Jer / Jr 17:15 Behold, they say unto me, Where is the word of the Lord? let it come now. Indro, ireo dia manao amiko hoe: Aiza ny tenin' i Jehovah? Aoka ho tanteraka izany. Indreo ry zareo manao amiko hoe: Aiza izay tenin' ny Tompo? Aoka ho tonga izany! Les voici qui me disent Où est-elle, la parole de Yahvé? Qu' elle s' accomplisse donc!
Jer / Jr 17:16 As for me, I have not hastened from being a pastor to follow thee: neither have I desired the woeful day; thou knowest: that which came out of my lips was right before thee. Fa izaho tsy nihifikifika niala tsy ho mpiandry manaraka Anao; Ary ny andro hihavian' ny loza dia tsy nohaikaiko, eny, fantatrao izany; Izay efa nivoaka tamin' ny molotro dia miharihary eo anatrehanao. Ary izaho tsy mba nandà tsy ho mpiandry manaraka anao; tsy mba naniry ny andron' ny loza; fantatrao izany; ny naloaky ny vavako, dia efa teo anatrehan' ny tavanao. Pourtant je ne t' ai pas poussé au pire, je n' ai pas désiré le jour fatal, toi, tu le sais; ce qui sort de mes lèvres est à découvert devant toi.
Jer / Jr 17:17 Be not a terror unto me: thou art my hope in the day of evil. Enga anie ka tsy ho fampitahorana ahy Hianao! Aroko amin' ny andro fahoriana Hianao! Aoka tsy ho antom-pahaverezana ho ahy hianao; hianao no aroko amin' ny andro fahoriana. Ne sois pas pour moi une cause d' effroi, toi, mon refuge au jour du malheur.
Jer / Jr 17:18 Let them be confounded that persecute me, but let not me be confounded: let them be dismayed, but let not me be dismayed: bring upon them the day of evil, and destroy them with double destruction. Aoka ho menatra izay manenjika ahy, fa izaho kosa aoka tsy mba ho menatra; Aoka hivadi-po ireo, fa izaho kosa aoka tsy mba hivadi-po; Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary ny fahatorotoroana roa heny no anorotoroy azy. Ny mpanenjika ahy no aoka ho menatra; fa izaho aoka tsy ho menatra. Izy ireo no aoka hangovitra; fa izaho aoka tsy hangovitra. Ataovy tonga aminy ny andro fahoriana, ary torotoroy amin' ny fanimbana roa sosona izy. Qu' ils soient honteux, mes persécuteurs, et que je ne sois pas honteux, moi! Qu' ils soient effrayés, eux, et que je ne sois pas effrayé, moi! Fais venir sur eux le jour du malheur, brise-les, brise-les deux fois!
Jer / Jr 17:19 Thus said the Lord unto me; Go and stand in the gate of the children of the people, whereby the kings of Judah come in, and by the which they go out, and in all the gates of Jerusalem; Izao no nolazain' i Jehovah tamiko: Mandehana ka mitsangàna eo amin' ny vavahadim-bahoaka, dia ilay fandehanan' ny mpanjakan' ny Joda miditra sy mivoaka, ary eo amin' ny vavahady rehetra eto Jerosalema Izao no nolazain' ny Tompo tamiko: Mandehana hianao mitsangana eo ambavahadin' ny zanaky ny vahoaka, izay idirany sy ivoahan' ny mpanjakan' i Jodà; sy eo amin' ny vavahady rehetra ao Jerosalema; Ainsi m' a parlé Yahvé : Va te poster à la porte des Enfants du peuple, par où entrent et sortent les rois de Juda, et à toutes les portes de Jérusalem.
Jer / Jr 17:20 And say unto them, Hear ye the word of the Lord, ye kings of Judah, and all Judah, and all the inhabitants of Jerusalem, that enter in by these gates: ka lazao amin' ny olona hoe: Henoinareo ny tenin' i Jehovah ry mpanjakan' ny Joda sy ry Joda rehetra ary ianareo mponina rehetra eto Jerosalema, izay miditra amin' ireto vavahady ireto. ka lazao amin' izy ireo hoe: Mihainoa ny tenin' ny Tompo, hianareo mpanjakan' i Jodà sy hianareo Jodà rehetra, mbaminareo rehetra mponina ao Jerosalema, izay miditra amin' ireto vavahady ireto. Tu diras : Ecoutez la parole de Yahvé, vous, rois de Juda, et vous tous, Judéens et habitants de Jérusalem qui passez par ces portes.
Jer / Jr 17:21 Thus saith the Lord; Take heed to yourselves, and bear no burden on the sabbath day, nor bring it in by the gates of Jerusalem; Izao no lazain' i Jehovah: Tandremo ny fanahinareo, ka aza mitondrantana amin' ny andro Sabata, ary aza mampiditra entana: amin' ny vavahadin' i Jerosalema; Izao no lazain' ny Tompo: Tandremo ny fanahinareo; ka aza mitondra entana amin' ny andro sabata, ary aza mampiditra izany amin' ny vavahadin' i Jerosalema. Ainsi parle Yahvé : Soyez bien sur vos gardes et ne transportez pas de fardeau le jour du sabbat; n' en faites pas entrer par les portes de Jérusalem.
Jer / Jr 17:22 Neither carry forth a burden out of your houses on the sabbath day, neither do ye any work, but hallow ye the sabbath day, as I commanded your fathers. ary aza mitondra entana mivoaka avy amin' ny tranonareo amin' ny andro Sabata, na manao raharaha akory; fa hamasino ny andro Sabata araka izay efa nandidiako ny razanareo. Aza mamoaka entana avy ao an-tranonareo, amin' ny andro sabata, ary aza manao taozavatra akory; hamasino ny andro sabata, araka ny efa nandidiako ny razanareo. Ne faites sortir aucun fardeau de vos maisons le jour du sabbat et ne faites aucun travail. Sanctifiez le jour du sabbat comme je l' ai ordonné à vos pères.
Jer / Jr 17:23 But they obeyed not, neither inclined their ear, but made their neck stiff, that they might not hear, nor receive instruction. Nefa tsy nihevitra izy, na nanongilana ny sofiny, fa nanamafy ny hatony mba tsy hihaino na hino anatra. Nefa izy ireny tsy nihaino, na nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, mba tsy hihaino, sy tsy handray ny fampianarana. Eux n' ont pas écouté, ils n' ont pas prêté l' oreille; ils ont raidi leur nuque pour ne pas entendre et ne pas accueillir l' instruction.
Jer / Jr 17:24 And it shall come to pass, if ye diligently hearken unto me, saith the Lord, to bring in no burden through the gates of this city on the sabbath day, but hallow the sabbath day, to do no work therein; Ary raha mihaino Ahy tokoa ianareo hoy Jehovah, ka tsy mampiditra entana amin' ny vavahadin' ity tanàna ity amin' ny andro Sabata, ka tsy manao raharaha amin' izany, Raha mety mihaino ahy tsara hianareo, - teny marin' ny Tompo, ka tsy mampiditra entana, amin' ny vavahadin' ity tanàna ity, amin' ny andro sabata, ary mankamasina ny andro sabata, tsy manao na inona na inona amin' izany andro izany, Si vous m'écoutez bien oracle de Yahvé ne faites entrer, le jour du sabbat, aucun fardeau par les portes de cette ville; si vous sanctifiez le jour du sabbat en n' y faisant aucun travail,
Jer / Jr 17:25 Then shall there enter into the gates of this city kings and princes sitting upon the throne of David, riding in chariots and on horses, they, and their princes, the men of Judah, and the inhabitants of Jerusalem: and this city shall remain for ever. izay mpanjaka sy mpanapaka mipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' i Davida dia hiditra amin' ny vavahadin' ity tanàna ity mitaingina kalesy sy soavaly, dia izy sy ny mpanapaka sy ny Joda ary ny mponina eto Jerosalema, ka honenana mandrakizay ity tanàna ity. amin' izany dia hiditra amin' ny vavahadin' ity tanàna ity, ny mpanjaka sy ny mpanapaka, mipetraka eo amin' ny seza fiandrianan' i Davida, dia hiditra izy ireo mitaingina kalesa aman-tsoavaly, izy sy ny mpanapaka momba azy, mbamin' ny olona ao Jodà sy ny mponina ao Jerosalema; ary honenana mandrakizay ity tany ity. alors, par les portes de cette ville, des rois et des princes, siégeant sur le trône de David, feront leur entrée en équipage de chars et de chevaux, eux et leurs princes, les gens de Juda et les habitants de Jérusalem. Et cette ville restera habitée pour toujours.
Jer / Jr 17:26 And they shall come from the cities of Judah, and from the places about Jerusalem, and from the land of Benjamin, and from the plain, and from the mountains, and from the south, bringing burnt offerings, and sacrifices, and meat offerings, and incense, and bringing sacrifices of praise, unto the house of the Lord. Ary ho avy ny olona avy amin' ny tanànan' ny Joda sy ny manodidina an' i Jerosalema sy ny tanin' ny Benjamina sy ny tany lemaka amoron-tsiraka sy ny tany havoana ary ny tany atsimo ka hitondra fanatitra dorana sy fanatitra hafa alatsa-drà ary fanatitra hohanina sy ditin-kazo mani-pofona ary hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon' i Jehovah. Ho avy ny olona avy amin' ny tanànan' i Jodà, sy amin' ny manodidina any Jerosalema, sy avy amin' ny tanànan' i Benjamina, amin' ny Sefelà sy amin' ny tendrombohitra ary amin' ny negeba, hitondra sorona dorana aman-tsorona, fanatitra aman' emboka manitra, hitondra fanati-pisaorana ho ao an-tranon' ny Tompo. On viendra des villes de Juda et des environs de Jérusalem, du pays de Benjamin et du Bas-Pays, de la Montagne et du Négeb, offrir holocaustes, sacrifices, oblations et encens, offrir des actions de grâces dans le Temple de Yahvé.
Jer / Jr 17:27 But if ye will not hearken unto me to hallow the sabbath day, and not to bear a burden, even entering in at the gates of Jerusalem on the sabbath day; then will I kindle a fire in the gates thereof, and it shall devour the palaces of Jerusalem, and it shall not be quenched. Fa raha tsy mihaino Ahy kosa ianareo ka tsy manamasina ny andro Sabata, fa mitondra entana miditra amin' ny vavahadin' i Jerosalema ihany amin' ny andro Sabata, dia handrehitra afo tsy mety maty eo am-bavahadiny Aho handevonana ny tranobe eto Jerosalema. Fa raha tsy mihaino ahy hianareo, tsy mankamasina ny andro sabata, mitondra entana na iray ihany aza, raha miditra ny vavahadin' i Jerosalema amin' ny andro sabata, dia handrehitra afo eo ambavahadin' ny tanàna aho, handevona ireo lapa ao Jerosalema, ary tsy ho faty io afo io. Mais si vous ne m'écoutez pas pour sanctifier le jour du sabbat, pour ne porter aucun fardeau et ne pas entrer par les portes de Jérusalem le jour du sabbat, alors je mettrai le feu à ses portes : il dévorera les palais de Jérusalem et ne s'éteindra plus.

<-
->