<-
->

Jer / Jr 19:1 Thus saith the Lord, Go and get a potter' s earthen bottle, and take of the ancients of the people, and of the ancients of the priests; Izao no lazain' i Jehovah: Andeha mividy tavoara tanimanga, ary makà anti-panahy amin' ny vahoaka sy anti-panahy amin' ny mpisorona, Izao no voalazan' ny Tompo: Mandehàna mividy siny tany ho anao; ary ento hiaraka aminao, Alors Yahvé dit à Jérémie : Va t' acheter une cruche de potier. Prends avec toi des anciens du peuple et des anciens des prêtres.
Jer / Jr 19:2 And go forth unto the valley of the son of Hinnom, which is by the entry of the east gate, and proclaim there the words that I shall tell thee, dia mivoaha ho any amin' ny Lohasahan' ny taranak' i Hinoma, izay eo anoloan' ny vavahady Harsota, ary torio eo ny teny izay holazaiko aminao, ny loholona amin' ny vahoaka, sy ny loholona amin' ny mpisorona, dia mivoaha ho any amin' ny lohasahan' i Ben-Hinoma izay ao amin' ny fidiran' ny vavahadin' ny Fanefem-bilany, ka torio eo ny teny holazaiko aminao. Sors en direction de la vallée de Ben-Hinnom qui est à l' entrée de la porte des Tessons. Là, tu proclameras les paroles que je te dirai.
Jer / Jr 19:3 And say, Hear ye the word of the Lord, O kings of Judah, and inhabitants of Jerusalem; Thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; Behold, I will bring evil upon this place, the which whosoever heareth, his ears shall tingle. ka ataovy hoe: Mihainoa ny tenin' i Jehovah, ry mpanjakan' ny Joda sy ry mponina ato Jerosalema! Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hahatonga loza amin' ity tanàna ity Aho izay mandre izany, dia hangintsingintsina ny sofiny Ataovy hoe: Mihainoa ny tenin' ny Tompo hianareo, mpanjakan' i Jodà sy mponina ao Jerosalema. Izao no tenin' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Indro hoentiko ho amin' ity fitoerana ity ny loza hampangintsingintsina ny sofin' izay mandre azy: Tu diras : Ecoutez la parole de Yahvé, rois de Juda et habitants de Jérusalem. Ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël : Voici que j' amène un malheur sur ce lieu. Les oreilles en tinteront à quiconque l' apprendra!
Jer / Jr 19:4 Because they have forsaken me, and have estranged this place, and have burned incense in it unto other gods, whom neither they nor their fathers have known, nor the kings of Judah, and have filled this place with the blood of innocents; satria efa nahafoy Ahy izy ka nahatonga ity tanàna ity ho hafahafa, fa nandoro ditin-kazo manitra tato ho an' andriamani-kafa, izay tsy fantany, na fantatry ny razany, na ny mpanjakan' ny Joda, sady efa nameno ran' ny marina ity tanàna ity satria izy ireo efa nahafoy ahy, sy nanova fenitra ity fitoerana ity, fa nanatitra emboka manitra teto, ho an' ny andriamani-kafa, izay tsy fantany akory, na izy, na ny razany, na ny mpanjakan' i Jodà; sady efa nameno ran' ny tsy manan-tsiny, an' ity tanàna ity. Car ils m' ont abandonné, ils ont rendu ce lieu méconnaissable, ils y ont offert l' encens à des dieux étrangers que n' avaient connus ni eux, ni leurs pères, ni les rois de Juda. Ils ont rempli ce lieu du sang des innocents.
Jer / Jr 19:5 They have built also the high places of Baal, to burn their sons with fire for burnt offerings unto Baal, which I commanded not, nor spake it, neither came it into my mind: ary nanorina ny fitoerana avo ho an' i Bala handoroany ny zanany ho fanatitra dorana ho an' i Bala, izay tsy nandidiako, na nolazaiko, na tao an-tsaiko akory aza. Nanorina ireo fitoerana avo ho an' i Baala izy, handoroany ny zanany amin' ny afo ho sorona dorana ho an' i Baala. Zavatra tsy nandidiako na nolazaiko akory anefa izany; na mba niditra tao an-tsaiko velively. Car ils ont construit des hauts lieux de Baal, pour consumer au feu leurs fils, en holocauste à Baal; cela je ne l' avais jamais ordonné, je n' en avais jamais parlé, je n' y avais jamais songé!
Jer / Jr 19:6 Therefore, behold, the days come, saith the Lord, that this place shall no more be called Tophet, nor The valley of the son of Hinnom, but The valley of slaughter. Koa, indro, avy ny andro, hoy Jehovah, izay tsy hanaovana ity fitoerana ity intsony hoe Tofeta, na Lohasahan' ny taranak' i Hinoma, fa Lohasaha Famonoana kosa. Noho izany indro tamy ny andro, - teny marin' ny Tompo, tsy hiantsoana ity fitoerana ity intsony hoe: Tofeta na lohasahan' i Ben-Hinoma fa hoe lohasaha famonoana kosa. Aussi voici venir des jours oracle de Yahvé où l' on n' appellera plus ce lieu Tophèt ni vallée de Ben-Hinnom, mais bien vallée du Carnage.
Jer / Jr 19:7 And I will make void the counsel of Judah and Jerusalem in this place; and I will cause them to fall by the sword before their enemies, and by the hands of them that seek their lives: and their carcases will I give to be meat for the fowls of the heaven, and for the beasts of the earth. Ary hofoanako amin' ity tanàna ity ny fisainan' ny Joda sy Jerosalema, ka hataoko lavon-tsabatra eo anoloan' ny fahavalony sy amin' ny tànan' izay mitady ny ainy izy; ary ny fatiny dia homeko ho fihinan' ny voro-manidina sy ny bibi-dia. Hofoanako amin' ity toerana ity ny fisainan' i Jodà sy Jerosalema; hataoko lavon-tsabatra eo anoloan' ny fahavalony izy, sy amin' ny tànan' ireo nitady ny ainy; ary ny fatiny homeko hohanin' ny voromanidina sy ny bibin' ny tany. Je viderai de bon sens Juda et Jérusalem, à cause de ce lieu; je les ferai tomber sous l'épée devant leurs ennemis, par la main de ceux qui en veulent à leur vie; je donnerai leurs cadavres en pâture aux oiseaux du ciel et aux bêtes de la terre.
Jer / Jr 19:8 And I will make this city desolate, and an hissing; every one that passeth thereby shall be astonished and hiss because of all the plagues thereof. Ary ity tanàna ity dia hataoko ho figagana sy ho zavatra mampisitrisitra, ka izay rehetra mandalo azy dia ho gaga sady hisitrisitra noho ny loza rehetra efa namelezana azy. Ary ity tanàna ity dia ataoko zavatra figagana sy fihomehezana; ka na iza na iza handalo akaiky azy, hitolagaga sady hihomehy noho ny fahamanganana rehetra mahazo azy. Je ferai de cette ville un objet de stupeur et de dérision, tout passant en restera stupéfait et sifflera devant tant de blessures.
Jer / Jr 19:9 And I will cause them to eat the flesh of their sons and the flesh of their daughters, and they shall eat every one the flesh of his friend in the siege and straitness, wherewith their enemies, and they that seek their lives, shall straiten them. Ary hampihinaniko ny nofon' ny zananilahy sy ny nofon' ny zananivavy izy, ary samy hihinana ny nofon' ny namany avy izy eo amin' ny fahirano sy ny fahaterena, izay haneren' ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy. Hataoko mihinana ny nofon' ny zanany lahy sy ny nofon' ny zanany vavy izy; ary samy hihinana ny nofon' ny namany avy; fa latsaka an-katerana amam-pahoriana mafy izy azon' ny afitsoky ny fahavalony sy izay mitady ny ainy azy. Je leur ferai manger la chair de leurs fils et celle de leurs filles : ils s' entre-dévoreront dans l' angoisse et la détresse où les réduiront leurs ennemis et ceux qui en veulent à leur vie.
Jer / Jr 19:10 Then shalt thou break the bottle in the sight of the men that go with thee, Dia torotoroy eo imason' ny olona izay miaraka aminao ilay tavoara, Rahefa izany, montsany eo imason' ireo olona tafaraka aminao ny siny, Tu briseras cette cruche sous les yeux des gens qui t' auront accompagné
Jer / Jr 19:11 And shalt say unto them, Thus saith the Lord of hosts; Even so will I break this people and this city, as one breaketh a potter' s vessel, that cannot be made whole again: and they shall bury them in Tophet, till there be no place to bury. ka ataovy aminy hoe: Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro: Toy izao no hanorotoroako ity firenena sy ity tanàna ity, dia toy ny famakin' ny mpanefy tanimanga ny vilany tany, ka tsy azo atambatra intsony; ary any Tofeta aza no handevenany noho ny tsi-fisian-tany hafa handevenana. ka lazao aminy hoe: Izao no tenin' ny Tompon' ny tafika: Homontsaniko ity firenena sy ity tanàna ity, toy ny fanamontsanana ny vilanin' ny mpanefy, izay tsy azo atambatra intsony; ka any Tofeta no handevenana noho ny tsy fisian' ny tany handevenana. et tu leur diras : Ainsi parle Yahvé Sabaot : Je vais briser ce peuple et cette ville comme on brise le vase du potier, qui ne peut plus être réparé. On enterrera à Tophèt faute de place pour enterrer.
Jer / Jr 19:12 Thus will I do unto this place, saith the Lord, and to the inhabitants thereof, and even make this city as Tophet: Dia toy izany no hataoko amin' ity tanàna ity sy amin' izay mponina ato, ka dia hatao tahaka an' i Tofeta ity tanàna ity, hoy Jehovah. Izany no hataoko amin' ity firenena ity, - teny marin' ny Tompo, - sy amin' ny mponina ao aminy, rahefa hataoko tahaka an' i Tofeta ity tanàna ity. Ainsi ferai-je pour ce lieu oracle de Yahvé et pour ses habitants, en rendant cette ville semblable à Tophèt.
Jer / Jr 19:13 And the houses of Jerusalem, and the houses of the kings of Judah, shall be defiled as the place of Tophet, because of all the houses upon whose roofs they have burned incense unto all the host of heaven, and have poured out drink offerings unto other gods. Ary ny tranon' i Jerosalema sy ny tranon' ny mpanjakan' ny Joda dia ho tonga maloto tahaka an' i Tofeta, dia ny trano rehetra izay nandoroany ditin-kazo manitra teo an-tampony ho an' izay rehetra eny amin' ny lanitra sy nanidinany fanatitra aidina ho an' izay andriamani-kafa. Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon' ny mpanjakan' i Jodà, ho tonga sahala amin' ity fitoeran' i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an' ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidinana fanatitra araraka ho an' andriamani-kafa. Les maisons de Jérusalem et celles des rois de Juda seront impures, tel ce lieu de Tophèt : toutes ces maisons sur le toit desquelles ils ont offert de l' encens à toute l' armée du ciel et versé des libations aux dieux étrangers!
Jer / Jr 19:14 Then came Jeremiah from Tophet, whither the Lord had sent him to prophesy; and he stood in the court of the Lord' s house; and said to all the people, Ary Jeremia dia tonga avy tany Tofeta, izay nanirahan' i Jehovah azy haminany, ka nitsangana teo amin' ny kianjan' ny tranon' i Jehovah izy, dia nanao tamin' ny vahoaka rehetra hoe: Tonga avy any Tofeta, izay nanirahan' ny Tompo haminaniany Jeremia, ka dia nitsangana teo an-kianjan' ny tranon' ny Tompo ary nilaza tamin' ny vahoaka rehetra hoe: Jérémie revint de Tophèt où Yahvé l' avait envoyé prophétiser, il se posta dans le parvis du Temple de Yahvé et dit à tout le peuple
Jer / Jr 19:15 Thus saith the Lord of hosts, the God of Israel; Behold, I will bring upon this city and upon all her towns all the evil that I have pronounced against it, because they have hardened their necks, that they might not hear my words. Izao no lazain' i Jehovah, Tompon' ny maro, Andriamanitry ny Isiraely: Indro, hataoko mihatra amin' ity tanàna ity sy amin' ny zana-bohiny rehetra ny loza rehetra izay nolazaiko hatao aminy noho ny nanamafiany ny hatony tsy hihainoany ny teniko. Izao no lazain' ny Tompon' ny tafika, Andriamanitr' Israely: Indro hataoko mihatra amin' ity taranaka ity, sy amin' ny tanàna rehetra momba azy, ny loza rehetra nolazaiko hamelezana azy, noho izy ireo nanamafy ny hatony tsy hihainoany ny teniko. "Ainsi parle Yahvé Sabaot, le Dieu d' Israël : Voici, je vais amener sur cette ville, et toutes ses voisines, tous les malheurs dont je l' ai menacée, car ils ont raidi leur nuque pour ne pas écouter mes paroles."

<-
->