<-
->

Eze / Ez 46:1 Thus saith the Lord GOD; The gate of the inner court that looketh toward the east shall be shut the six working days; but on the sabbath it shall be opened, and in the day of the new moon it shall be opened. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Ny vavahadin' ny kianja anatiny izay manatrika ny atsinanana dia harindrina mandritra ny henemana fanaovan-draharaha; fa amin' ny Sabata sy amin' ny andro voaloham-bolana kosa no hivoha izy. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Hikatona ny alo-baravarana amin' ny kianja anatiny mitodika miatsinanana, amin' ny andro enina azo iasana; fa hivoha kosa izy amin' ny andro sabata; hivoha koa izy amin' ny andro voalohan' ny volana. Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Le porche du parvis intérieur, qui fait face à l' orient, sera fermé les six jours ouvrables, mais le jour du sabbat, on l' ouvrira, ainsi que le jour de la néoménie,
Eze / Ez 46:2 And the prince shall enter by the way of the porch of that gate without, and shall stand by the post of the gate, and the priests shall prepare his burnt offering and his peace offerings, and he shall worship at the threshold of the gate: then he shall go forth; but the gate shall not be shut until the evening. Dia hiditra avy any ivelany amin' ny lalana mankamin' ny lavarangan' ny vavahady ny mpanjaka ka hijanona eo anilan' ny tolam-bavahady, ary ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany dia haterin' ny mpisorona, ary ny mpanjaka hiankohoka eo amin' ny tokonam-bavahady, dia hivoaka izy; ary tsy hirindrina ny vavahady, raha tsy efa hariva ny andro. Ny mpanjaka hiditra avy any ivelany, ho any amin' ny efitrano fidirana ao amin' ny alo-baravarana, ka hijanona eo anilan' ny tolàn' ny alo-baravarana; ireo mpisorona kosa, hanatitra ny sorona dorany sy ny sorona fisaorany. Hiankohoka eo amin' ny tokonan' ny alo-baravarana izy, dia hivoaka; ary ny alo-baravarana tsy hakatona mandra-paharivan' ny andro. et le prince entrera par le vestibule du porche extérieur et se tiendra debout contre les montants du porche. Alors les prêtres offriront son holocauste et son sacrifice de communion. Il se prosternera sur le seuil du porche jusqu' au soir.
Eze / Ez 46:3 Likewise the people of the land shall worship at the door of this gate before the Lord in the sabbaths and in the new moons. Ary ny vahoaka koa hiankohoka eo anatrehan' i Jehovah eo am-bavahady amin' ny Sabata sy amin' ny andro voaloham-bolana. Ny vahoakan' ny tany hiakohoka eo anoloan' izany alo-baravarana izany, eo anatrehan' ny Tompo amin' ny sabata sy ny voalohan' ny volana. Le peuple du pays se prosternera à l' entrée de ce porche, les sabbats et les jours de néoménie, en face de Yahvé.
Eze / Ez 46:4 And the burnt offering that the prince shall offer unto the Lord in the sabbath day shall be six lambs without blemish, and a ram without blemish. Ary ny fanatitra dorana izay haterin' ny mpanjaka ho an' i Jehovah amin' ny andro Sabata dia zanak' ondry enina tsy misy kilema sy ondrilahy iray tsy misy kilema koa. Ny sorona dorana, haterin' ny mpanapaka ho an' ny Tompo amin' ny andro sabata, dia zanak' ondry, tsy misy kilema, enina, sy ondralahy iray tsy misy kilema. L' holocauste que le prince offrira à Yahvé au jour du sabbat, sera de six agneaux sans défaut et d' un bélier sans défaut,
Eze / Ez 46:5 And the meat offering shall be an ephah for a ram, and the meat offering for the lambs as he shall be able to give, and an hin of oil to an ephah. Ary ny fanatitra hohanina fanampin' ilay ondrilahy iray dia iray efaha, ary ny fanatitra hohanina fanampin' ireo zanak' ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo iray hina isan' efaha. Ary ny hatao fanatitra, dia lafarina iray efah momba ny ondralahy: ny hatao fanolorana momba ny zanak' ondry, dia izay hafoiny, miaraka amin' ny diloilo iray hina, isaky ny iray efah. avec une oblation d' une mesure par bélier et, pour les agneaux, une offrande laissée à sa discrétion, ainsi que de l' huile, un setier par mesure.
Eze / Ez 46:6 And in the day of the new moon it shall be a young bullock without blemish, and six lambs, and a ram: they shall be without blemish. ary amin' ny andro voaloham-bolana dia vantotr' ombilahy iray tsy misy kilema sy zanak' ondry enina ary ondrilahy iray; samy tsy hisy kilema ireo. Ny hateriny amin' ny andro voalohan' ny volana kosa dia vantotr' ombalahy iray tsy misy kilema, zanak' ondry enina sy ondralahy iray tsy misy kilema. Au jour de la néoménie, ce sera un jeune taureau sans défaut, six agneaux et un bélier sans défaut.
Eze / Ez 46:7 And he shall prepare a meat offering, an ephah for a bullock, and an ephah for a ram, and for the lambs according as his hand shall attain unto, and an hin of oil to an ephah. Ary hanatitra fanatitra hohanina izy, dia iray efaha isam-bantotr' ombilahy sy iray efaha isan-ondrilahy koa; ary ny amin' ny zanak' ondry dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia iray hina isan' efaha. Hanome fanatitra iray efah isan' ny ondralahy iray; ary ny amin' ny zanak' ondry dia izay azony afoy miaraka amin' ny diloilo iray hina isaky ny iray efah. Il fera oblation d' une mesure pour le taureau et d' une mesure pour le bélier, et, pour les agneaux, ce qu' il voudra, ainsi que l' huile, un setier par mesure.
Eze / Ez 46:8 And when the prince shall enter, he shall go in by the way of the porch of that gate, and he shall go forth by the way thereof. Ary raha miditra ny mpanjaka, dia amin' ny lalana mankamin' ny lavarangan' ny vavahady no hidirany ary amin' ny lalana nalehany ihany koa no hivoahany. Raha miditra ny mpanapaka, dia hihazo eo amin' ny efitrano fidirana amin' ny alo-baravarana, ary amin' io làlana io ihany koa no hivoahany. Lorsque le prince entrera, c' est par le vestibule du porche qu' il entrera, et c' est par là qu' il sortira.
Eze / Ez 46:9 But when the people of the land shall come before the Lord in the solemn feasts, he that entereth in by the way of the north gate to worship shall go out by the way of the south gate; and he that entereth by the way of the south gate shall go forth by the way of the north gate: he shall not return by the way of the gate whereby he came in, but shall go forth over against it. Fa raha ny vahoaka kosa no miditra ho eo anatrehan' i Jehovah amin' ny fotoam-pivavahana, dia izay miditra amin' ny vavahady avaratra hiankohoka dia hivoaka amin' ny vavahady atsimo kosa; ary izay miditra amin' ny vavahady atsimo dia hivoaka amin' ny vavahady avaratra kosa: tsy hiverina amin' ilay vavahady nidirany izy, fa amin' izay tandrifiny ihany no hivoahany Raha miditra ho eo anatrehan' ny Tompo ny vahoakan' ny tany amin' ny fety lehibe, izay miditra amin' ny alo-baravarana avaratra, hiankohoka, dia hivoaka amin' ny varavarana atsimo; ary izay miditra amin' ny alo-baravarana atsimo, hivoaka amin' ny alo-baravarana avaratra; tsy hiverina amin' izay alo-baravarana nidirany izy, fa amin' izay tandrifiny no hivoahany. Lorsque le peuple du pays viendra devant Yahvé aux assemblées, ceux qui sont entrés par le porche septentrional, pour se prosterner, sortiront par le porche méridional, et ceux qui sont entrés par le porche méridional sortiront par le porche septentrional. Nul ne s' en retournera par le porche par lequel il est entré : il sortira en face.
Eze / Ez 46:10 And the prince in the midst of them, when they go in, shall go in; and when they go forth, shall go forth. Ary ny mpanjaka dia hiara-miditra amin' ireo, ary raha mivoaka ireo, dia hiara-mivoaka aminy. Ny mpanapaka koa hiditra miaraka amin' izy ireo, sy hivoaka toy ny hivoahan' izy ireo. Le prince se tiendra au milieu d' eux; il entrera comme eux et sortira comme eux.
Eze / Ez 46:11 And in the feasts and in the solemnities the meat offering shall be an ephah to a bullock, and an ephah to a ram, and to the lambs as he is able to give, and an hin of oil to an ephah. Ary amin' ny andro firavoravoana sy ny fotoam-pivavahana dia iray efaha no ho fanatitra hohanina isam-bantotr' ombilahy iray, ary iray efaha isan-ondrilahy iray, ary ny amin' ny zanak' ondry, dia araka izay tiany, ary ny diloilo dia eran' ny hina isan-efaha. Amin' ny fety amam-pety lehibe, ny fanatitra dia iray efah isan-ombalahy iray sy iray efah isan' ondralahy iray, ary izay afoin' ny mpanapaka ihany kosa momba ny zanak' ondry, miaraka amin' ny diloilo iray hina isaky ny iray efah. Aux jours de fête et d' assemblée, l' oblation sera d' une mesure par taureau, d' une mesure par bélier, pour les agneaux, à sa discrétion, et de l' huile, un setier par mesure.
Eze / Ez 46:12 Now when the prince shall prepare a voluntary burnt offering or peace offerings voluntarily unto the Lord, one shall then open him the gate that looketh toward the east, and he shall prepare his burnt offering and his peace offerings, as he did on the sabbath day: then he shall go forth; and after his going forth one shall shut the gate. Ary raha ny mpanjaka no manatitra fanatitra dorana na fanati-pihavanana ho fanatitra sitrapo ho an' i Jehovah, dia hovohana ho azy ny vavahady manatrika ny atsinanana, dia hateriny ny fanatitra dorany sy ny fanati-pihavanany, tahaka izay àtaony amin' ny Sabata; ary rehefa tafavoaka izy, dia harindrina ny vavahady. Raha hanatitra fanatitra an-tsitra-po ny mpanapaka, na sorona dorana na sorona fisaorana izany, dia fanatitra an-tsitra-po ho an' ny Tompo, dia hamohàna ny alo-baravarana mitodika miatsinanana izy. Dia hanatitra ny sorona dorany na ny sorona fisaorany izy, toy ny fanaony amin' ny andro sabata, dia hivoaka izy, dia harindrina ny vavahady, rahefa tafavoaka izy. Lorsque le prince offrira un holocauste volontaire ou un sacrifice de communion volontaire à Yahvé, on lui ouvrira le porche qui fait face à l' orient, et il offrira son holocauste et son sacrifice de communion comme il le fait au jour du sabbat, puis il sortira et on fermera le porche dès qu' il sera sorti.
Eze / Ez 46:13 Thou shalt daily prepare a burnt offering unto the Lord of a lamb of the first year without blemish: thou shalt prepare it every morning. Ary zanak' ondry anankiray iray taona tsy misy kilema no haterinao isan' andro ho fanatitra dorana ho an' i Jehovah; isa-maraina no hanateranao azy. Hanatitra zanak' ondry iray, efa iray taona, tsy misy kilema hianao, ho sorona dorana isa-maraina ho an' ny Tompo; isa-maraina no hanateranao izany. Il offrira chaque jour en holocauste à Yahvé un agneau d' un an, sans défaut : il l' offrira chaque matin.
Eze / Ez 46:14 And thou shalt prepare a meat offering for it every morning, the sixth part of an ephah, and the third part of an hin of oil, to temper with the fine flour; a meat offering continually by a perpetual ordinance unto the Lord. Ary hanatitra fanatitra hohanina ho fanampiny isa-maraina ianao, dia ampahenin' ny efaha sy diloilo ampahatelon' ny hina handemana ny koba tsara toto; fanatitra hohanina ho an' i Jehovah izany: lalàna tsy miova mandrakizay izany. Hanatitra koa isa-maraina miaraka amin' izay, fanatitra, dia ampahefan' ny efah, sy diloilo am-pahatelon' ny hina, handemana ny lafarina tsara indrindra ho fanolorana ho an' ny Tompo: lalàna maharitra mandrakizay izany. Il offrira aussi, chaque matin, en oblation, un sixième de mesure et de l' huile, un tiers de setier, pour pétrir la farine. C' est l' oblation à Yahvé, décret perpétuel, fixé pour toujours.
Eze / Ez 46:15 Thus shall they prepare the lamb, and the meat offering, and the oil, every morning for a continual burnt offering. Ary toy izany no anatero ny zanak' ondry sy ny fanatitra hohanina ary ny diloilo isa-maraina ho fanatitra mandrakariva. Haterina isa-maraina ny zanak' ondry sy ny fanatitra miaraka amin' ny diloilo; izany no sorona dorana tsy tapaka. On offrira l' agneau, l' oblation et l' huile, chaque matin, à perpétuité.
Eze / Ez 46:16 Thus saith the Lord GOD; If the prince give a gift unto any of his sons, the inheritance thereof shall be his sons'; it shall be their possession by inheritance. Izao no lazain' i Jehovah Tompo: Raha manome zavatra ho an' ny anankiray amin' ny zanany ny mpanjaka, dia ho lovan' ny zanany izany; eny, ho zara-lovany izany. Izao no lazain' ny Tompo Iaveh: Raha ny iray amin' ny zanany no toloran' ny mpanapaka fanomezana, dia ho lovan' ny zanany izany fanomezana izany; ho zara lovany no hananany an' izany. Ainsi parle le Seigneur Yahvé. Si le prince fait à l' un de ses fils un don sur son héritage, ce don appartiendra à ses fils, ce sera leur propriété héréditaire.
Eze / Ez 46:17 But if he give a gift of his inheritance to one of his servants, then it shall be his to the year of liberty; after it shall return to the prince: but his inheritance shall be his sons' for them. Fa raha manome zavatra avy amin' ny lovany ho an' ny anankiray amin' ny mpanompony kosa izy, dia ho azy mandra-pahatongan' ny taona fanafahana ihany izany; dia hiverina ho amin' ny mpanjaka indray izany ka ho lova ho an' ny zanany ihany. Fa raha ny iray amin' ny mpanompony kosa no tolorany fanomezana avy amin' ny lovany, dia ho an' ny mpanompo ihany izany fanomezana izany, mandra-pahatongan' ny taona fahafahana; fa rahefa afaka izany, dia hiverina amin' ny mpanapaka indray izany, ka ny zanany ihany no hanana ny lovany. Mais s' il fait un don sur son héritage à l' un de ses serviteurs, il appartiendra à celui-ci jusqu'à l' année de son affranchissement, puis il reviendra au prince. C' est à ses fils seulement que restera son héritage.
Eze / Ez 46:18 Moreover the prince shall not take of the people' s inheritance by oppression, to thrust them out of their possession; but he shall give his sons inheritance out of his own possession: that my people be not scattered every man from his possession. Ary tsy haka amin' ny lovan' ny vahoaka hampiala azy amin' ny zara-taniny izy; fa homeny lova avy amin' ny fananany ihany ny zanany, mba tsy hielezan' ny oloko hiala amin' ny zara-taniny. Tsy haka ny lovan' ny olona amin' ny fandroahana azy an-keriny hiala amin' ny zara taniny ny mpanapaka; fa ny taniny ihany no hanomezany lova ho an-janany, mba tsy ho voaroaka ny vahoakako samy hiala amin' ny taniny avy. Le prince ne prendra rien sur l' héritage du peuple, le dépouillant de ce qui lui appartient; c' est avec ce qui lui appartient à lui qu' il constituera l' héritage de ses fils, afin que nul de mon peuple ne soit privé de ce qui lui appartient.
Eze / Ez 46:19 After he brought me through the entry, which was at the side of the gate, into the holy chambers of the priests, which looked toward the north: and, behold, there was a place on the two sides westward. Dia nentiny niditra tamin' ny fidirana eo anilan' ny vavahady aho ho ao amin' ireo efi-trano masin' ny mpisorona, izay manatrika ny avaratra; ary, indro, nisy fitoerana teo amin' ny faran' ny andrefana. Nentiny aho nihazo tamin' ny fidirana eo anilan' ny alo-baravarana ho ao amin' ireo efitrano masina natokana ho an' ny mpisorona, dia ireo efitrano mitodika mianavaratra; ary indro, nisy fitoerana teo amin' ny farany anantiny, amin' ny ilany andrefana. Il m' emmena, par l' entrée qui est à côté du porche, aux chambres du Saint réservées aux prêtres, face au nord. Et voici qu' il y avait là un espace, au fond, vers l' occident.
Eze / Ez 46:20 Then said he unto me, This is the place where the priests shall boil the trespass offering and the sin offering, where they shall bake the meat offering; that they bear them not out into the utter court, to sanctify the people. Dia hoy izy tamiko: Io no fitoerana fahandroan' ny mpisorona ny fanati-panonerana sy ny fanatitra noho ny ota sy hanendasany ny fanatitra hohanina, mba tsy hitondrany azy mivoaka lò any amin' ny kianja ivelany hanamasina ny olona. Ka hoy izy tamiko: Eto no fandrahoan' ny mpisorona ny sorona natolotra noho ny fahadisoana sy ny ota, sy hanendasany ny fanatitra, mba tsy hitondrany azy ho any amin' ny kianja ivelany, hanamasina ny vahoaka. Il me dit : " Voici l' endroit où les prêtres feront cuire les victimes des sacrifices pour le péché et des sacrifices de réparation, où ils feront cuire l' oblation, sans qu' ils aient à les porter vers le parvis extérieur, au risque de sanctifier le peuple. "
Eze / Ez 46:21 Then he brought me forth into the utter court, and caused me to pass by the four corners of the court; and, behold, in every corner of the court there was a court. Dia nentiny nivoaka ho any amin' ny kianja ivelany aho ka nampiteteziny ny zorony efatra amin' ny kianja; ary, indro, ao amin' ny isan-joron' ny kianja dia nisy kianja hafa koa. Dia nentiny nivoaka ho ao amin' ny kianja ivelany aho, ka nentiny mankao amin' ny zorony efatra amin' ny kianja, ary indro isaky ny zoron' ny kianja, nisy tokotany. Puis il m' emmena au parvis extérieur et me fit passer près des quatre angles du parvis; il y avait une cour à chaque angle du parvis;
Eze / Ez 46:22 In the four corners of the court there were courts joined of forty cubits long and thirty broad: these four corners were of one measure. Teny amin' ny zorony efatra amin' ny kianja dia nisy kianja nofefena, efa-polo hazizo avy ny lavany, ary telo-polo avy ny sakany; mitovy ohatra ireo an-jorony efatra ireo. Tokotany voafefy no teo amin' ny zorony efatra amin' ny kianja, efapolo hakiho ny lavany, ary telopolo ny sakany; ireo tokotany amin' ny zorony efatra ireo, dia mitovy refy. soit, aux quatre angles du parvis, quatre petites cours longues de quarante coudées, larges de trente, ayant toutes les quatre les mêmes dimensions.
Eze / Ez 46:23 And there was a row of building round about in them, round about them four, and it was made with boiling places under the rows round about. Ary nisy rafitra teo anatiny manodidina azy, dia manodidina ireo efatra ireo, izay nisy fahandroana ambanin' izany rafitra manodidina izany. Misy fefy manodidina azy efatra ary misy fatana fandrahoana natao teo am-pototr' ireo fefy manodidina. Un mur les entourait toutes les quatre, et des foyers étaient construits en bas du mur, tout autour.
Eze / Ez 46:24 Then said he unto me, These are the places of them that boil, where the ministers of the house shall boil the sacrifice of the people. Dia hoy izy tamiko: Ireto no tranon' ny mpahandro, izay fahandroan' ny mpanao fanompoam-pivavahana eto an-trano ny fanatitra halatsa-drà aterin' ny olona. Ary hoy izy tamiko: Ireto no trano fandrahoana handrahoan' ny mpanompon' ny trano ny hena avy amin' ny sorona nataon' ny vahoaka. Il me dit : " Ce sont les fours où les serviteurs du Temple feront cuire les sacrifices du peuple. "

<-
->