<-
->

Hos / Os 1:1 The word of the Lord that came unto Hosea, the son of Beeri, in the days of Uzziah, Jotham, Ahaz, and Hezekiah, kings of Judah, and in the days of Jeroboam the son of Joash, king of Israel. Ny tenin' i Jehovah, izay tonga tamin' i Hosea, zanak' i Bery, tamin' ny andro nanjakan' i Ozia sy Jotama sy Ahaza ary Hezekia, mpanjakan' ny Joda, sy tamin' ny andron' i Jeroboama, zanak' i Joasy, mpanjakan' ny Isiraely. Tenin' ny Tompo, tonga tamin' i Osea, zanak' i Beerì, tamin' ny andron' i Oziasa sy Joatama sy Akaza ary Ezekiasa, mpanjakan' i Jodà, sy tamin' ny andron' i Jeroboama, zanak' i Joasa, mpanjakan' Israely. Parole de Yahvé qui fut adressée à Osée, fils de Beéri, au temps d' Ozias, de Yotam, d' Achaz et d'Ézéchias, rois de Juda, et au temps de Jéroboam, fils de Joas, roi d' Israël.
Hos / Os 1:2 The beginning of the word of the Lord by Hosea. And the Lord said to Hosea, Go, take unto thee a wife of whoredoms and children of whoredoms: for the land hath committed great whoredom, departing from the Lord. Tamin' ny niandohan' ny nitenenan' i Jehovah tamin' i Hosea dia hoy Jehovah taminy: Andeha ianao maka vady izay efa tena janga sy zanaky ny fijangajangana; fa fatra-pijangajanga miala amin' i Jehovah ny tany. Tamin' ny niandohan' ny nitenenan' ny Tompo tamin' i Osea, izao no nolazain' ny Tompo tamin' i Osea: Mandehàna hianao, makà vady tena janga, aman-janaky ny fijangajangana, satria tsy misy ataon' ny tany hafa-tsy ny misaraka amam-bady amin' ny fandaozana an' ny Tompo. Commencement de ce que Yahvé a dit par Osée. Yahvé dit à Osée : " Va, prends une femme se livrant à la prostitution et des enfants de prostitution, car le pays ne fait que se prostituer en se détournant de Yahvé. "
Hos / Os 1:3 So he went and took Gomer the daughter of Diblaim; which conceived, and bare him a son. Dia lasa izy naka an' i Gomera, zanakavavin' i Diblaima; ary dia nanan' anaka ravehivavy ka nitera-dahy taminy. Dia nandeha izy, naka an' i Gomera, zanakavavin' i Debelaïma, ary nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy taminy. Il alla donc prendre Gomer, fille de Diblayim, qui conçut et lui enfanta un fils.
Hos / Os 1:4 And the Lord said unto him, Call his name Jezreel; for yet a little while, and I will avenge the blood of Jezreel upon the house of Jehu, and will cause to cease the kingdom of the house of Israel. Ary hoy Jehovah taminy: Ataovy Jezirela no anarany; fa vetivety dia hovaliako ny taranak' i Jeho noho ny rà nalatsaka tao Jezirela, ary hatsahatro ny fanjakan' ny taranak' Isiraely. Ary hoy Iaveh taminy: Ataovy hoe Jezrahely ny anarany, fa andro vitsy sisa, dia hovaliako ny taranak' i Jeho noho ny ra nalatsaka tao Jezrahely, ary hotaperiko ny fanjakan' ny taranak' Israely. Yahvé lui dit : " Appelle-le du nom de Yizréel, car encore un peu de temps, et je châtierai la maison de Jéhu pour le sang versé à Yizréel, et je mettrai fin à la royauté de la maison d' Israël.
Hos / Os 1:5 And it shall come to pass at that day, that I will break the bow of Israel, in the valley of Jezreel. Ary amin' izany andro izany dia hotapahiko ao amin' ny tany lemaka Jezirela ny tsipìkan' Isiraely. Amin' izany andro izany, hotapahiko, eo amin' ny tanilemaka Jezrahely, ny tsipìkan' Israely. Il adviendra, en ce jour-là, que je briserai l' arc d' Israël dans la vallée de Yizréel. "
Hos / Os 1:6 And she conceived again, and bare a daughter. And God said unto him, Call her name Loruhamah: for I will no more have mercy upon the house of Israel; but I will utterly take them away. Ary nanan' anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy. Dia hoy Jehovah taminy: Ataovy Lò-rohama no anarany; fa tsy hamindra fo amin' ny taranak' Isiraely intsony Aho, eny, tsy havelako mihitsy ny helony. Ary nanana anaka indray ravehivavy ka nitera-bavy, dia hoy Iaveh tamin' i Osea: Ataovy hoe Lo-Rokhama no anarany, fa tsy hiantra intsony ny taranak' Israely aho ka hamela heloka azy. Elle conçut encore et enfanta une fille. Yahvé lui dit : " Appelle-la du nom de Lo-Ruhamah, car désormais je n' aurai plus pitié de la maison d' Israël pour lui pardonner encore.
Hos / Os 1:7 But I will have mercy upon the house of Judah, and will save them by the Lord their God, and will not save them by bow, nor by sword, nor by battle, by horses, nor by horsemen. Fa ny taranak' i Joda no hamindrako fo, ary Izaho Jehovah Andriamaniny no hamonjy azy, nefa tsy amin' ny tsipìka, na amin' ny sabatra, na amin' ny ady, na amin' ny soavaly, na amin' ny mpitaingin-tsoavaly. Fa ny taranak' i Jodà no hiantrako; ary Iaveh Andriamaniny no hamonjeko azy ireo; fa tsy amin' ny tsipìka, na amin' ny sabatra, na amin' ny ady, na amin' ny soavaly, na amin' ny mpitaingin-tsoavaly no hamonjeko azy. Mais de la maison de Juda j' aurai pitié et je les sauverai par Yahvé leur Dieu. Je ne les sauverai ni par l' arc, ni par l'épée, ni par la guerre, ni par les chevaux, ni par les cavaliers. "
Hos / Os 1:8 Now when she had weaned Loruhamah, she conceived, and bare a son. Ary rehefa notazana Lò-rohama, dia nanan' anaka indray reniny ka nitera-dahy. Nony notazany Lo-Rokhama, dia nanana anaka indray ravehivay, ka nitera-dahy. Elle sevra Lo-Ruhamah, conçut encore et enfanta un fils.
Hos / Os 1:9 Then said God, Call his name Loammi: for ye are not my people, and I will not be your God. Dia hoy Jehovah: Ataovy Lò-amy no anarany; fa ianareo tsy oloko, ary Izaho tsy ho Andriamanitrareo. Dia hoy Iaveh tamin' i Osea: Ataovy hoe Lô-Ammì no anarany, fa hianareo tsy vahoakako, ary izaho tsy ho Andriamanitrareo. Yahvé dit : " Appelle-le du nom de Lo-Ammi, car vous n'êtes pas mon peuple, et moi je n' existe pas pour vous. "
Hos / Os 1:10 Yet the number of the children of Israel shall be as the sand of the sea, which cannot be measured nor numbered; and it shall come to pass, that in the place where it was said unto them, Ye are not my people, there it shall be said unto them, Ye are the sons of the living God.
Hos / Os 1:11 Then shall the children of Judah and the children of Israel be gathered together, and appoint themselves one head, and they shall come up out of the land: for great shall be the day of Jezreel.

<-
->