<-
->

Lev 24:1 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Ary niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 24:2 Command the children of Israel, that they bring unto thee pure oil olive beaten for the light, to cause the lamps to burn continually. Mandidia ny Zanak' Isiraely hitondra aminao diloilon' oliva tsara voavely hatao fanazavana, hampirehetana jiro mandrakariva. Omeo didy ny zanak' Israely hanatitra aminao diloilo madio avy amin' ny oliva voatoto, hamelomana ny jiro lalandava. Ordonne aux Israélites de t' apporter de l' huile d' olives broyées pour le candélabre, et d' y faire monter une flamme permanente.
Lev 24:3 Without the vail of the testimony, in the tabernacle of the congregation, shall Aaron order it from the evening unto the morning before the Lord continually: it shall be a statute for ever in your generations. Eo ivelan' ny efitra lamba izay manakona ny Vavolombelona, dia eo amin' ny trano-lay fihaonana, no handaharan' i Arona azy, hatramin' ny hariva ka hatramin' ny maraina, eo anatrehan' i Jehovah mandrakariva; ho lalàna mandrakizay amin' ny taranakareo hatramin' ny fara mandimby izany. Aarona no hamboatra azy, eo ivelan' ny efitra lamba, anoloan' ny vavolombelona, ao an-trano lay fihaonana, mba hirehetany lalandava eo anatrehan' ny Tompo, hatramin' ny hariva ka hatramin' ny maraina. Lalàna tsy tapaka ho an' ny taranakareo izany. C' est devant le rideau du Témoignage, dans la Tente du Rendez-vous, qu' Aaron disposera cette flamme. Elle sera là devant Yahvé du soir au matin, en permanence. Ceci est un décret perpétuel pour vos descendants :
Lev 24:4 He shall order the lamps upon the pure candlestick before the Lord continually. Eo amin' ny fanaovan-jiro volamena tsara no handaharany ny lela fanaovan-jiro mandrakariva eo anatrehan' i Jehovah. Halahany eo amin' ny fanaovan-jiro volamena madio ny lalampy ho eo anatrehan' ny Tompo lalandava. Aaron disposera les lampes sur le candélabre pur, devant Yahvé, en permanence.
Lev 24:5 And thou shalt take fine flour, and bake twelve cakes thereof: two tenth deals shall be in one cake. Ary makà koba tsara toto, ka endaso ho mofo roa ambin' ny folo; roa ampahafolon' ny efaha no hatao mofo iray. Haka lafarina tsara indrindra hianao ka handrahoanao mofomamy roa ambin' ny folo, samy ho roa ampahafolon' ny efah avy ny mofomamy. Tu prendras de la fleur de farine et tu en feras cuire douze gâteaux, chacun de deux dixièmes.
Lev 24:6 And thou shalt set them in two rows, six on a row, upon the pure table before the Lord. Ary mandahara ireo eo ambonin' ny latabatra tsara eo anatrehan' i Jehovah, ka ataovy roa toerana, dia enina avy no iray toerana. Hapetrakao mifanongoa amin' ny antontany roa ireo, enina isan-antontany, eo ambonin' ny latabatra volamena madio, eo anatrehan' ny Tompo. Puis tu les placeras en deux rangées de six sur la table pure qui est devant Yahvé.
Lev 24:7 And thou shalt put pure frankincense upon each row, that it may be on the bread for a memorial, even an offering made by fire unto the Lord. Ary asio ditin-kazo mani-pofona madio ny isan-toerana, ka aoka ho eo amin' ny mofo izany ho fanati-pahatsiarovana, dia fanatitra atao amin' ny afo ho an' i Jehovah. Hasianao emboka madio eo ambonin' ny isan' antontany avy, ho fahatsiarovana, eo ambin' ny mofo atolotra amin' ny afo ho an' ny Tompo. Sur chaque rangée tu déposeras de l' encens pur. Ce sera l' aliment offert en mémorial, un mets pour Yahvé.
Lev 24:8 Every sabbath he shall set it in order before the Lord continually, being taken from the children of Israel by an everlasting covenant. Isan-tSabata no handaharany ireo mandrakariva eo anatrehan' i Jehovah; ho avy amin' ny Zanak' Isiraely izany, dia fanekena mandrakizay. Halahatra tsy tapaka isan' andro sabata ireo mofo ireo avy amin' ny zanak' Israely, eo anatrehan' ny Tompo: fanekem-pihavanana maharitra lalandava izany. C' est chaque jour de sabbat qu' en permanence on les disposera devant Yahvé. Les Israélites les fourniront à titre d' alliance perpétuelle ;
Lev 24:9 And it shall be Aaron' s and his sons'; and they shall eat it in the holy place: for it is most holy unto him of the offerings of the Lord made by fire by a perpetual statute. Ary ho an' i Arona sy ny zanany izany ka hohaniny eo amin' izay fitoerana masina; fa masina dia masina ho an' ny mpisorona izany avy amin' ny fanatitra atao amin' ny afo: lalàna mandrakizay izany. Ho anjaran' i Aarona sy ny zanany, ireo; ary eo amin' izay toerana masina no hihinanany azy, satria zava-masina dia masina ho azy ireo izany amin' ny fanatitra atao amin' ny afo ho an' ny Tompo. Lalàna maharitra lalandava izany. ils appartiendront à Aaron et à ses fils, qui les mangeront en un lieu sacré, car c' est pour lui une part très sainte des mets de Yahvé. C' est une loi perpétuelle.
Lev 24:10 And the son of an Israelitish woman, whose father was an Egyptian, went out among the children of Israel: and this son of the Israelitish woman and a man of Israel strove together in the camp; Ary nisy lehilahy anankiray nivoaka nankeo amin' ny Zanak' Isiraely, vehivavy Isiraelita no reniny, fa lehilahy Egyptiana no rainy; ary niady teo an-toby io zanaky ny vehivavy Isiraelita io sy ny lehilahy Isiraelita anankiray. Nisy zanakalahin' ny vehivavy Israelita anankiray, nefa zanaky ny lehilahy Ejipsiana, nankeo afovoan' ny zanak' Israely: ary nifampila kisa teo an-toby ny zanakalahin' ilay vehivavy Israelita sy ny lehilahy anankiray amin' Israely. Le fils d' une Israélite, mais dont le père était Égyptien, sortit de sa maison et, se trouvant au milieu des Israélites, il se prit de querelle dans le camp avec un homme qui était israélite.
Lev 24:11 And the Israelitish woman' s son blasphemed the name of the Lord, and cursed. And they brought him unto Moses: (and his mother' s name was Shelomith, the daughter of Dibri, of the tribe of Dan:) Ary niteny ratsy ny Anarana ilay zanaky ny vehivavy Isiraelita ka nanozona dia nentina tany amin' i Mosesy izy (Sebomita no anaran-dreniny, zanakavavin' i Dibry avy tamin' ny firenen' i Dana izy); Ny zanakalahin' ny vehivavy Israelita nanevateva ny Anarana masina sady nanozona; ary ny anaran-dreniny dia Salomita, zanak' i Dabrì, avy amin' ny fokon' i Dana; Or le fils de l' Israélite blasphéma le Nom et le maudit. On le conduisit alors à Moïse le nom de la mère était Shelomit, fille de Dibri, de la tribu de Dan.
Lev 24:12 And they put him in ward, that the mind of the Lord might be shewed them. ary nambenany izy, mandra-paha-fantany izay ho didin' i Jehovah. ka nambenan' ny olona izy mandra-pilaza amin' izy ireo ny tenin' ny Tompo. On le mit sous bonne garde pour n' en décider que sur l' ordre de Yahvé.
Lev 24:13 And the Lord spake unto Moses, saying, Ary Jehovah niteny tamin' i Mosesy ka nanao hoe: Dia niteny tamin' i Moizy Iaveh nanao hoe: Yahvé parla à Moïse et dit :
Lev 24:14 Bring forth him that hath cursed without the camp; and let all that heard him lay their hands upon his head, and let all the congregation stone him. Avoahy ho eny ivelan' ny toby ilay nanozona, ary aoka izay rehetra nandre azy hametraka ny tànany amin' ny lohany, ary aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy. Asaovy mivoaka ny toby ilay mpanevateva, ka aoka hametra-tànana eo ambonin' ny lohany izay rehetra nandre azy, dia aoka ny fiangonana rehetra hitora-bato azy. Fais sortir du camp celui qui a prononcé la malédiction. Tous ceux qui l' ont entendu poseront leurs mains sur sa tête et toute la communauté le lapidera.
Lev 24:15 And thou shalt speak unto the children of Israel, saying, Whosoever curseth his God shall bear his sin. Ary mitenena amin' ny Zanak' Isiraely hoe: Na iza na iza no mamingavinga an' Andriamaniny dia ho meloka, Ary hiteny amin' ny zanak' Israely hianao hanao hoe: Izay rehetra manozona ny Andriamaniny, dia hilonjy ny helony; Puis tu parleras ainsi aux Israélites : Tout homme qui maudit son Dieu portera le poids de son péché.
Lev 24:16 And he that blasphemeth the name of the Lord, he shall surely be put to death, and all the congregation shall certainly stone him: as well the stranger, as he that is born in the land, when he blasphemeth the name of the Lord, shall be put to death. Fa izay miteny ratsy ny anaran' i Jehovah dia hatao maty mihitsy; hitora-bato azy tokoa ny fiangonana rehetra; na vahiny na tompon-tany, raha miteny ratsy ny Anarana, dia hatao maty izy. ary izay manevateva ny anaran' ny Tompo, dia hohelohin-ko faty, ka hitora-bato azy ny fiangonana rehetra. Na vahiny, na tompon-tany, rahefa manevateva ny Anarana masina dia ho faty. Qui blasphème le nom de Yahvé devra mourir, toute la communauté le lapidera. Qu' il soit étranger ou citoyen, il mourra s' il blasphème le Nom.
Lev 24:17 And he that killeth any man shall surely be put to death. Ary izay mahafaty olona dia hatao maty tokoa. Izay mamono mahafaty olona, dia hovonoin-ko faty. Si un homme frappe un être humain, quel qu' il soit, il devra mourir.
Lev 24:18 And he that killeth a beast shall make it good; beast for beast. Fa izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy: biby solon' ny biby. Izay mamono mahafaty biby fiompy, dia hanonitra hoatra azy: aina solon' ny aina. Qui frappe un animal en doit donner la compensation : vie pour vie.
Lev 24:19 And if a man cause a blemish in his neighbour; as he hath done, so shall it be done to him; Ary raha misy obona manakilema ny namany, dia toy izay nataony no hatao aminy kosa: Izay mandratra ny namany, dia hasiana toraky ny nataony: Si un homme blesse un compatriote, comme il a fait on lui fera :
Lev 24:20 Breach for breach, eye for eye, tooth for tooth: as he hath caused a blemish in a man, so shall it be done to him again. tapaka solon' ny tapaka, maso solon' ny maso, nify solon' ny nify; tahaka ny kilema nataony tamin' ny olona no hatao aminy kosa. tapaka efain-tapaka, maso efai-maso, nify efai-nify, izay ratra nafitsony ny namany dia mba afitsoka azy koa. fracture pour fracture, oeil pour oeil, dent pour dent. Tel le dommage que l' on inflige à un homme, tel celui que l' on subit :
Lev 24:21 And he that killeth a beast, he shall restore it: and he that killeth a man, he shall be put to death. Ary izay mahafaty biby fiompy dia hanonitra azy; fa izay mahafaty olona kosa dia hatao maty. Izay mahafaty biby fiompy hanonitra hoatra azy; fa izay mahafaty olona kosa, dia hatao maty koa. qui frappe un animal en doit donner compensation et qui frappe un homme doit mourir.
Lev 24:22 Ye shall have one manner of law, as well for the stranger, as for one of your own country: for I am the Lord your God. Fitsipika iray no hitondrana anareo, na vahiny na tompon-tany; fa Izaho no Jehovah Andriamanitrareo. Hofehezin' izany lalàna iray izany avokoa hianareo na vahiny na tompon-tany, fa izaho no Iaveh Andriamanitrareo. La sentence sera chez vous la même, qu' il s' agisse d' un citoyen ou d' un étranger, car je suis Yahvé votre Dieu.
Lev 24:23 And Moses spake to the children of Israel, that they should bring forth him that had cursed out of the camp, and stone him with stones. And the children of Israel did as the Lord commanded Moses. Ary Mosesy niteny tamin' ny Zanak' Isiraely, dia navoakany teny ivelan' ny toby ilay nanozona ka notorahany vato. Ary ny Zanak' Isiraely dia nanao araka izay efa nandidian' i Jehovah an' i Mosesy. Nony voalazan' i Moizy tamin' ny zanak' Israely izany, dia navoakan' izy ireo ilay mpanevateva, ka notorahany vato. Notanterahin' ny zanak' Israely ny didy nomen' ny Tompo an' i Moizy. Moïse ayant ainsi parlé aux Israélites, ils firent sortir du camp celui qui avait prononcé la malédiction et ils le lapidèrent. Ils accomplirent ainsi ce que Yahvé avait ordonné à Moïse.

<-
->