<-
->

Mar / Mk 5:1 And they came over unto the other side of the sea, into the country of the Gadarenes. Ary tonga teny am-pitan' ny ranomasina tao amin' ny tanin' ny Gerasena izy ireo. Nony tafita ny ranomasina izy ireo dia tonga tao amin' ny tanin' ny Geraseny; Ils arrivèrent sur l' autre rive de la mer, au pays des Géraséniens.
Mar / Mk 5:2 And when he was come out of the ship, immediately there met him out of the tombs a man with an unclean spirit, Ary nony niala teo an-tsambokely Izy, niaraka tamin' izay dia nisy lehilahy azom-panahy maloto nivoaka avy teny amin' ny fasana ka nifanena taminy, ka vao niala tao an-tsambo kely izy, dia inty nisy lehilahy anankiray azon' ny fanahy maloto avy tany am-pasana nanatona azy. Et aussitôt que Jésus eut débarqué, vint à sa rencontre, des tombeaux, un homme possédé d' un esprit impur :
Mar / Mk 5:3 Who had his dwelling among the tombs; and no man could bind him, no, not with chains: fa nitoetra tao amin' ny fasana izy; ary tsy nisy olona nahafatotra azy intsony na dia tamin' ny gadra aza. Tany am-pasana izy io no nitoetra, ary tsy nisy olona nahatana azy am-patorana intsony na dia tamin' ny gadra aza, il avait sa demeure dans les tombes et personne ne pouvait plus le lier, même avec une chaîne,
Mar / Mk 5:4 Because that he had been often bound with fetters and chains, and the chains had been plucked asunder by him, and the fetters broken in pieces: neither could any man tame him. Fa efa nafatony matetika tanin' ny gadra, na ny tànany, na ny tongony; nefa ny gadra tamin' ny tànany notapahiny, ary ny gadra tamin' ny tongony notorotoroiny, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. fa matetika no nafatotra tamin' ny gadra sy tamin' ny rojo vy ny tongony aman-tànany, nefa nopotehiny ny rojo vy ary notapahiny ny gadrany, ka tsy nisy olona nahafolaka azy. car souvent on l' avait lié avec des entraves et avec des chaînes, mais il avait rompu les chaînes et brisé les entraves, et personne ne parvenait à le dompter.
Mar / Mk 5:5 And always, night and day, he was in the mountains, and in the tombs, crying, and cutting himself with stones. Ary mandrakariva, na andro na alina, dia nitoetra teny amin' ny fasana sy teny an-tendrombohitra izy ka ninananana sady niteti-tena tamin' ny vato. Ary mandrakariva dia any am-pasana sy any an-tendrombohitra any foana izy no mirenireny na andro na alina, sady minananana no mandrà-tena amin' ny vato. Et sans cesse, nuit et jour, il était dans les tombes et dans les montagnes, poussant des cris et se tailladant avec des pierres.
Mar / Mk 5:6 But when he saw Jesus afar off, he ran and worshipped him, Fa nony nahita an' i Jesosy teny lavitra eny izy, dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany Fa nony nahatazan-davitra an' i Jeso izy dia nihazakazaka ka niankohoka teo anatrehany, Voyant Jésus de loin, il accourut, se prosterna devant lui
Mar / Mk 5:7 And cried with a loud voice, and said, What have I to do with thee, Jesus, thou Son of the most high God? I adjure thee by God, that thou torment me not. sady niantso tamin' ny feo mahery hoe: Moa mifaninona akory izaho sy Hianao, ry Jesosy, Zanak' Andriamanitra Avo Indrindra? Ampianianiko amin' Andriamanitra Hianao, aza mampijaly ahy, ary niantso tamin' ny feo mahery hoe: Moa mifaninona izaho sy hianao, ry Jeso Zanak' Andriamanitra Avo indrindra? Mifona aminao amin' ny anaran' Andriamanitra re aho, aza dia mampijaly ahy, et cria d' une voix forte : " Que me veux-tu, Jésus, fils du Dieu Très Haut ? Je t' adjure par Dieu, ne me tourmente pas ! "
Mar / Mk 5:8 For he said unto him, Come out of the man, thou unclean spirit. satria Jesosy efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin' ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. satria Jeso efa nanao taminy hoe: Mivoaha amin' ity lehilahy ity, ry fanahy maloto. Il lui disait en effet : " Sors de cet homme, esprit impur ! "
Mar / Mk 5:9 And he asked him, What is thy name? And he answered, saying, My name is Legion: for we are many. Dia nanontany azy Jesosy hoe: Iza moa no anaranao? Ary izy namaly hoe: Legiona no anarako, satria maro izahay. Ary nanontany azy izy nanao hoe: Iza no anaranao? Dia novaliany hoe: Lejiona no anarako, fa betsaka izahay. Et il l' interrogeait : " Quel est ton nom ? " Il dit : " Légion est mon nom, car nous sommes beaucoup. "
Mar / Mk 5:10 And he besought him much that he would not send them away out of the country. Ary nifona mafy taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin' izany tany izany. Ary nifona dia nifona taminy izy mba tsy horoahiny hiala amin' izany tany izany. Et il le suppliait instamment de ne pas les expulser hors du pays.
Mar / Mk 5:11 Now there was there nigh unto the mountains a great herd of swine feeding. Ary nisy kisoa maro andiany izay nandrasana teny akaikin' ny tendrombohitra. Ary teo akaikin' ny tendrombohitra dia nisy kisoa betsaka, andiany iray, nihinana, Or il y avait là, sur la montagne, un grand troupeau de porcs en train de paître.
Mar / Mk 5:12 And all the devils besought him, saying, Send us into the swine, that we may enter into them. Ary nifona taminy ireo ka nanao hoe: Alefaso izahay ho any anatin' ny kisoa mba hiditra any aminy. ka nangataka taminy ireo demony nanao hoe: Alefaso izahay ho any amin' ny kisoa mba hiditra ao aminy. Et les esprits impurs supplièrent Jésus en disant : " Envoie-nous vers les porcs, que nous y entrions. "
Mar / Mk 5:13 And forthwith Jesus gave them leave. And the unclean spirits went out, and entered into the swine: and the herd ran violently down a steep place into the sea, (they were about two thousand;) and were choked in the sea. Dia neken' i Jesosy. Ary ny fanahy maloto, rehefa nivoaka, dia niditra tao anatin' ny kisoa; ary ireo kisoa andiany ireo nitratrevatreva teny amin' ny hantsana ho any amin' ny ranomasina (tokony ho roa arivo no isany), ka dia maty tany amin' ny ranomasina izy. Dia nekeny. Ka nivoaka ny fanahy maloto, dia niditra tao anatin' ny kisoa, ary rifatra nivarina teny amin' ny hantsana ho any amin' ny ranomasina ny kisoa andiany iray, tokony ho roa arivo, ka maty tao tamin' ny ranomasina. Et il le leur permit. Sortant alors, les esprits impurs entrèrent dans les porcs et le troupeau se précipita du haut de l' escarpement dans la mer, au nombre d' environ deux mille, et ils se noyaient dans la mer.
Mar / Mk 5:14 And they that fed the swine fled, and told it in the city, and in the country. And they went out to see what it was that was done. Ary ny mpiandry azy dia nandositra ka nilaza tao an-tanàna sy tany an-tsaha. Dia nandeha ny olona mba hizaha izany zavatra izany; Dia nandositra ny mpiandry azy ka nilaza izany tany an-tanàna sy teny an-tsaha; ary nivoaka ny olona hizaha izany zavatra izany. Leurs gardiens prirent la fuite et rapportèrent la nouvelle à la ville et dans les fermes ; et les gens vinrent pour voir qu' est-ce qui s'était passé.
Mar / Mk 5:15 And they come to Jesus, and see him that was possessed with the devil, and had the legion, sitting, and clothed, and in his right mind: and they were afraid. ary tonga tany amin' i Jesosy izy ka nahita ilay demoniaka, izay nisy ny legiona, fa indro izy nipetraka nitafy lamba sady ary saina; ka raiki-tahotra ny olona. Nankany amin' i Jeso izy ireo, ary nahita an' ilay azon' ny demony (izay nisy lejiona) nipetraka sy nitafy lamba ary nanan-tsaina, ka raiki-tahotra terý. Ils arrivent auprès de Jésus et ils voient le démoniaque assis, vêtu et dans son bon sens, lui qui avait eu la Légion, et ils furent pris de peur.
Mar / Mk 5:16 And they that saw it told them how it befell to him that was possessed with the devil, and also concerning the swine. Ary izay efa nahita dia nilazalaza tamin' ny olona izay natao tamin' ilay demoniaka sy ny amin' ny kisoa. Nony nolazain' izay nahita tamin' izy ireo izay nahazo ilay azon' ny demony sy ny kisoa, Les témoins leur racontèrent comment cela s'était passé pour le possédé et ce qui était arrivé aux porcs.
Mar / Mk 5:17 And they began to pray him to depart out of their coasts. Ary nifona tamin' i Jesosy izy mba hiala amin' ny taniny. dia nihanta tamin' i Jeso izy ireo, mba hiala amin' ny taniny. Alors ils se mirent à prier Jésus de s'éloigner de leur territoire.
Mar / Mk 5:18 And when he was come into the ship, he that had been possessed with the devil prayed him that he might be with him. Ary rehefa hiondrana teo an-tsambokely Jesosy, dia nangataka taminy ilay demoniaka mba hanaraka Azy. nony niakatra teo an-tsambo kely izy, dia niangavy taminy ilay azon' ny demony mba hanaraka azy; Comme il montait dans la barque, l' homme qui avait été possédé le priait pour rester en sa compagnie.
Mar / Mk 5:19 Howbeit Jesus suffered him not, but saith unto him, Go home to thy friends, and tell them how great things the Lord hath done for thee, and hath had compassion on thee. Nefa tsy navelan' i Jesosy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin' ny havanao, ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon' ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. fa tsy navelany izy, fa hoy izy taminy: Andeha ihany mody any an-tranonao any amin' ny havanao ka lazao aminy izay zava-dehibe nataon' ny Tompo taminao sy ny namindràny fo taminao. Il ne le lui accorda pas, mais il lui dit : " Va chez toi, auprès des tiens, et rapporte-leur tout ce que le Seigneur a fait pour toi dans sa miséricorde. "
Mar / Mk 5:20 And he departed, and began to publish in Decapolis how great things Jesus had done for him: and all men did marvel. Dia nandeha izy ka nitory tany Dekapolisy izay zavatra lehibe efa nataon' i Jesosy taminy; ka dia gaga ny olona rehetra. Dia lasa izy ka nampiely tany Dekapaoly ny zavatra rehetra nataon' i Jeso taminy, ary gaga ny olona rehetra. Il s' en alla donc et se mit à proclamer dans la Décapole tout ce que Jésus avait fait pour lui, et tout le monde était dans l'étonnement.
Mar / Mk 5:21 And when Jesus was passed over again by ship unto the other side, much people gathered unto him: and he was nigh unto the sea. Ary rehefa nita an-tsambokely indray Jesosy ka tonga teny am-pita, dia nisy vahoaka betsaka tafangona teo aminy; ary teo amoron-dranomasina Izy. Ary rahefa niondrana tamin' ny sambo kely Jeso ka tafita indray, dia nitangoronan' ny vahoaka teo amoron-dranomasina izy. Lorsque Jésus eut traversé à nouveau en barque vers l' autre rive, une foule nombreuse se rassembla autour de lui, et il se tenait au bord de la mer.
Mar / Mk 5:22 And, behold, there cometh one of the rulers of the synagogue, Jairus by name; and when he saw him, he fell at his feet, Dia avy ny anankiray tamin' ny mpanapaka ny synagoga, Jairo no anarany; ary rehefa nahita an' i Jesosy izy, dia niankohoka teo amin' ny tongony Dia avy ny anankiray amin' ny lehiben' ny sinagoga atao hoe Jaïra, ka nony nahita azy dia niankohoka tamin' ny tongony izy, Arrive alors un des chefs de synagogue, nommé Jaïre, qui, le voyant, tombe à ses pieds
Mar / Mk 5:23 And besought him greatly, saying, My little daughter lieth at the point of death: I pray thee, come and lay thy hands on her, that she may be healed; and she shall live. ka niangavy fatratra taminy hoe: Marary efa ho faty ny zanako-vavy kely; andeha re, mametraha ny tananao aminy, mba ho sitrana izy ka ho velona. sady nihanta mafy taminy nanao hoe: Marary efa ho faty ny zanako vavy, ka andeha re mba hametra-tànana aminy hianao, mba ho sitrana sy ho velona izy. et le prie avec instance : " Ma petite fille est à toute extrémité, viens lui imposer les mains pour qu' elle soit sauvée et qu' elle vive. "
Mar / Mk 5:24 And Jesus went with him; and much people followed him, and thronged him. Dia nandeha niaraka taminy Izy; ary nisy vahoaka betsaka nanaraka Azy ka nifanety taminy. Dia nandeha niaraka taminy izy, ary be ny vahoaka nanaraka azy sy nifanety taminy. Il partit avec lui, et une foule nombreuse le suivait, qui le pressait de tous côtés.
Mar / Mk 5:25 And a certain woman, which had an issue of blood twelve years, Ary nisy vehivavy anankiray izay efa narary roa ambin' ny folo taona Ary nisy vehivavy anankiray nitsi-drà roa ambin' ny folo taona, Or, une femme atteinte d' un flux de sang depuis douze années,
Mar / Mk 5:26 And had suffered many things of many physicians, and had spent all that she had, and was nothing bettered, but rather grew worse, sady efa niaritra zavatra be tamin' ny mpanao fanafody maro ka nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nety sitrana, fa vao mainka nihanarary kokoa aza; izay efa niaritra zavatra mafy betsaka tamin' ny mpanao fanafody maro sy nandany ny fananany rehetra, nefa tsy nihatsara velively, fa vao mainka niharatsiratsy kokoa aza. qui avait beaucoup souffert du fait de nombreux médecins et avait dépensé tout son avoir sans aucun profit, mais allait plutôt de mal en pis,
Mar / Mk 5:27 When she had heard of Jesus, came in the press behind, and touched his garment. koa rehefa nahare ny amin' i Jesosy izy, dia nankeo ivohony namaky ny vahoaka ary nanendry ny lambany. Nony nahare ny amin' i Jeso izy, dia nisisika tamin' ny vahoaka ka nanendry ny akanjony avy ao ivohony, avait entendu parler de Jésus ; venant par derrière dans la foule, elle toucha son manteau.
Mar / Mk 5:28 For she said, If I may touch but his clothes, I shall be whole. Fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voatendriko, dia ho sitrana aho. fa hoy izy: Na dia ny fitafiany ihany aza no voakasiko, dia ho sitrana aho. Car elle se disait : " Si je touche au moins ses vêtements, je serai sauvée. "
Mar / Mk 5:29 And straightway the fountain of her blood was dried up; and she felt in her body that she was healed of that plague. Ary niaraka tamin' izay dia ritra ny loharanon' aretiny, ka tsaroany tao amin' ny tenany fa sitrana izy. Dia ritra niaraka tamin' izay ny loharanon' aretiny, ka tsaroany tao amin' ny tenany fa sitrana izy. Et aussitôt la source d' où elle perdait le sang fut tarie, et elle sentit dans son corps qu' elle était guérie de son infirmité.
Mar / Mk 5:30 And Jesus, immediately knowing in himself that virtue had gone out of him, turned him about in the press, and said, Who touched my clothes? Ary niaraka tamin' izay dia fantatr' i Jesosy fa nisy hery niala taminy, dia nihodina teo afovoan' ny vahoaka Izy ka nanao hoe: Iza izany nanendry ny lambako izany? Teo no ho eo ihany dia fantatr' i Jeso fa nisy hery nivoaka tamin' ny tenany, ka nitodika ny vahoaka izy nanao hoe: Iza no nanendry ny fitafiako? Et aussitôt Jésus eut conscience de la force qui était sortie de lui, et s'étant retourné dans la foule, il disait " Qui a touché mes vêtements ? "
Mar / Mk 5:31 And his disciples said unto him, Thou seest the multitude thronging thee, and sayest thou, Who touched me? Fa hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao, ka hoy Hianao va: Iza no nanendry Ahy? Ary hoy ny mpianany taminy: Hitanao izao vahoaka mifanety aminao izao ka hianao manontany hoe: Iza no nanendry ahy? Ses disciples lui disaient : " Tu vois la foule qui te presse de tous côtés, et tu dis : Qui m' a touché ? "
Mar / Mk 5:32 And he looked round about to see her that had done this thing. Ary nijery manodidina Izy hizaha ny vehivavy izay efa nanao izany. Dia nijerijery manodidina azy izy hizaha ilay vehivavy izay nanao izany. Et il regardait autour de lui pour voir celle qui avait fait cela.
Mar / Mk 5:33 But the woman fearing and trembling, knowing what was done in her, came and fell down before him, and told him all the truth. Fa raiki-tahotra sady tora-kovitra ravehivavy, satria fantany izay natao taminy, ka dia nankeo aminy izy ka niankohoka teo anatrehany ary nanambara taminy ny marina rehetra. Natahotra ravehivavy sy tera-kovitra satria fantany izay tonga taminy, ka nanatona azy sy niankohoka teo anatrehany izy, dia nilaza ny marina rehetra. Alors la femme, craintive et tremblante, sachant bien ce qui lui était arrivé, vint se jeter à ses pieds et lui dit toute la vérité.
Mar / Mk 5:34 And he said unto her, Daughter, thy faith hath made thee whole; go in peace, and be whole of thy plague. Ary hoy Izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahasitrana anao: mandehana soa aman-tsara, ary sitràna amin' ny aretinao. Ary hoy izy taminy: Anaka, ny finoanao no nahavonjy anao; mandehana amim-piadanana, ary sitràna amin' ny aretinao. Et il lui dit : " Ma fille, ta foi t' a sauvée ; va en paix et sois guérie de ton infirmité. "
Mar / Mk 5:35 While he yet spake, there came from the ruler of the synagogue' s house certain which said, Thy daughter is dead: why troublest thou the Master any further? Raha mbola niteny Jesosy, dia nisy tonga avy tany amin' ilay mpanapaka ny synagoga ka nanao hoe: Efa maty ny zanakao-vavy; nahoana ianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? Raha mbola niteny Jeso, dia tonga ny avy any an-tranon' ilay lehiben' ny sinagoga ka nanao taminy hoe: Maty ny zanakao vavy, ka nahoana hianao no mbola manahirana ny Mpampianatra ihany? Tandis qu' il parlait encore, arrivent de chez le chef de synagogue des gens qui disent : " Ta fille est morte ; pourquoi déranges-tu encore le Maître ? "
Mar / Mk 5:36 As soon as Jesus heard the word that was spoken, he saith unto the ruler of the synagogue, Be not afraid, only believe. Fa tsy nahoan' i Jesosy izany teny nataony izany, fa hoy Izy tamin' ilay mpanapaka ny synagoga: Aza matahotra, minoa fotsiny ihany. Fa nony nandre izany teny izany Jeso dia nilaza tamin' ilay lehiben' ny sinagoga hoe: Aza matahotra, fa minoa fotsiny ihany. Mais Jésus, qui avait surpris la parole qu' on venait de prononcer, dit au chef de synagogue : " Sois sans crainte, aie seulement la foi. "
Mar / Mk 5:37 And he suffered no man to follow him, save Peter, and James, and John the brother of James. Ary tsy nisy olona navelany hanaraka Azy afa-tsy Petera sy Jakoba ary Jaona, rahalahin' i Jakoba. Ary tsy nisy navelany hanaraka azy afa-tsy Piera sy Jakoba ary Joany rahalahin' i Jakoba. Et il ne laissa personne l' accompagner, si ce n' est Pierre, Jacques et Jean, le frère de Jacques.
Mar / Mk 5:38 And he cometh to the house of the ruler of the synagogue, and seeth the tumult, and them that wept and wailed greatly. Ary dia tonga tao an-tranon' ilay mpanapaka ny synagoga izy ireo, ka hitan' i Jesosy ny tabataba, dia ny olona izay nitomany sy ninaonaona be ihany. Ary nony tonga tany an-tranon' ilay lehiben' ny sinagoga izy ireo, dia olona nikorontana sy nitomany ary ninaonaona be ihany no hitan' i Jeso. Ils arrivent à la maison du chef de synagogue et il aperçoit du tumulte, des gens qui pleuraient et poussaient de grandes clameurs.
Mar / Mk 5:39 And when he was come in, he saith unto them, Why make ye this ado, and weep? the damsel is not dead, but sleepeth. Ary rehefa niditra Izy, dia niteny taminy hoe: Nahoana ianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. Ary niditra izy ka niteny tamin' ireo hoe: Nahoana hianareo no mitabataba sy mitomany? Tsy maty razazavavy, fa matory. Étant entré, il leur dit : " Pourquoi ce tumulte et ces pleurs ? L' enfant n' est pas morte, mais elle dort. "
Mar / Mk 5:40 And they laughed him to scorn. But when he had put them all out, he taketh the father and the mother of the damsel, and them that were with him, and entereth in where the damsel was lying. Dia nihomehy Azy fatratra ny olona. Fa nandroaka azy rehetra Izy, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin' izay olona teo aminy ka niditra tao amin' izay nisy an-drazazavavy. Dia nihomehy azy fatratra ny olona; fa izy kosa nandroaka azy rehetra, dia nitondra ny ray aman-drenin-drazazavavy mbamin' ireo nanaraka azy niditra tao amin' izay niamparan-drazazavavy, Et ils se moquaient de lui. Mais les ayant tous mis dehors, il prend avec lui le père et la mère de l' enfant, ainsi que ceux qui l' accompagnaient, et il pénètre là où était l' enfant.
Mar / Mk 5:41 And he took the damsel by the hand, and said unto her, Talitha cumi; which is, being interpreted, Damsel, I say unto thee, arise. Dia nandray ny tànan-drazazavavy Izy ka niteny taminy hoe: Talita komy, izany hoe, raha adika: Ry zazavavy, hoy Izaho aminao: Mitsangàna. ary nandray ny tànany sy nilaza taminy hoe: Talita, komy, izany hoe: Ry zazavavy, hoy aho aminao, mitsangàna. Et prenant la main de l' enfant, il lui dit : " Talitha koum ", ce qui se traduit : " Fillette, je te le dis, lève-toi ! "
Mar / Mk 5:42 And straightway the damsel arose, and walked; for she was of the age of twelve years. And they were astonished with a great astonishment. Dia nitsangana niaraka tamin' izay razazavavy ka afa-nandeha; fa efa roa ambin' ny folo taona izy. Ary niaraka tamin' izay dia talanjona indrindra ny olona. Niaraka tamin' izay dia nitsangana razazavavy ka namindra fa efa roa ambin' ny folo taona izy, dia talanjona indrindra ny olona. Aussitôt la fillette se leva et elle marchait, car elle avait douze ans. Et ils furent saisis aussitôt d' une grande stupeur.
Mar / Mk 5:43 And he charged them straitly that no man should know it; and commanded that something should be given her to eat. Ary Jesosy nandrara azy mafy mba tsy ho fantatr' olona izany; ary nasainy nomena hanina razazavavy. Fa norarany mafy izy ireo mba tsy hatao fantatr' olona izany, ary nasainy nomen-kanina razazavavy. Et il leur recommanda vivement que personne ne le sût et il dit de lui donner à manger.

<-
->