<-
->

Asa 20:1 And after the uproar was ceased, Paul called unto him the disciples, and embraced them, and departed for to go into Macedonia. Ary rehefa nitsahatra ny tabataba, dia nampaka ny mpianatra Paoly ka nananatra azy sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Makedonia izy. Nony nitsahatra ny tabataba, namory ny mpianatra Paoly, ka nananatra azy, sy nanao veloma azy, dia lasa nankany Masedonia. Après que le tumulte eut pris fin, Paul convoqua les disciples, leur adressa une exhortation et, après avoir fait ses adieux, partit pour la Macédoine.
Asa 20:2 And when he had gone over those parts, and had given them much exhortation, he came into Greece, Ary rehefa nitety izany tany izany sy nananatra ny olona tamin' ny teny maro izy, dia tonga tany Grisia. Nitety izany faritany izany izy, namporisika ny olona tamin' ny teny maro, dia lasa nankany Gresa. Il traversa cette contrée, y exhorta longuement les fidèles et parvint en Grèce,
Asa 20:3 And there abode three months. And when the Jews laid wait for him, as he was about to sail into Syria, he purposed to return through Macedonia. Ary nony efa nitoetra telo volana teo izy ka efa hiondrana an-tsambo hankany Syria, ary nisy Jiosy nanotrika azy, dia niova hevitra izy ka lasa niverina namaky an' i Makedonia. Nitoetra telo volana tao izy, dia niomana hiondrana an-tsambo hankany Siria, kanjo nikendry azy ny Jody, ka nanapa-kevitra izy fa hamaky an' i Masedonia. où il resta trois mois. Un complot fomenté par les Juifs contre lui au moment où il allait s' embarquer pour la Syrie le décida à s' en retourner par la Macédoine.
Asa 20:4 And there accompanied him into Asia Sopater of Berea; and of the Thessalonians, Aristarchus and Secundus; and Gaius of Derbe, and Timotheus; and of Asia, Tychicus and Trophimus. Ary niaraka taminy hatrany Asia Sopatera, zanak' i Pyro, avy any Beria, ary Aristarko sy Sekondo avy any Tesalonika, ary Gaio avy any Derbe, ary Timoty, ary Tykiko sy Trofimo avy any Asia. Ary ireto no niaraka taminy hatrany Asia: Sopatera zanak' i Pirosa avy any Berea, Aristarka sy Sekondosa avy any Tesalonika, Gaiosa avy any Derbe, ary Timpote sy Tisika sy Tromfima avy any Asia. Il avait pour compagnons Sopatros, fils de Pyrrhus, de Bérée ; Aristarque et Secundus, de Thessalonique ; Gaïus, de Dobérès, et Timothée, ainsi que les Asiates Tychique et Trophime.
Asa 20:5 These going before tarried for us at Troas. Ireo dia efa nialoha ka niandry anay tany Troasy. Dia nialoha izy ireo, ka niandry anay tany Troasy. Ceux-ci prirent les devants et nous attendirent à Troas.
Asa 20:6 And we sailed away from Philippi after the days of unleavened bread, and came unto them to Troas in five days; where we abode seven days. Dia niondrana an-tsambo niala tany Filipy izahay, rehefa tapitra ny andro fihinanana ny mofo tsy misy masirasira, dia nankany aminy tany Troasy izahay nony afaka hadimiana; ary tany no nitoeranay hafitoana. Fa izahay kosa niondrana an-tsambo, niala tao Filipy taorian' ny andron' ny Azima, ka hadimiana vao tonga tany amin' izy ireo tany Troasy; dia nitoetra tao hafitoana izahay. Nous-mêmes, nous quittâmes Philippes par mer après les jours des Azymes et, au bout de cinq jours, les rejoignîmes à Troas, où nous passâmes sept jours.
Asa 20:7 And upon the first day of the week, when the disciples came together to break bread, Paul preached unto them, ready to depart on the morrow; and continued his speech until midnight. Ary tamin' ny andro voalohany amin' ny herinandro, rehefa niangona hamaky mofo izahay, Paoly dia nitori-teny taminy, fa nikasa handeha maraina izy; dia naharitra nitori-teny mandra-paha-mamatonalina izy. Ary tamin' ny andro voalohan' ny herinandro, raha niangona hamaky ny mofo izahay, dia nampianatra azy ireo Paoly, ka nanohy ny toriteniny hatramin' ny misasaka alina, fa nikasa handeha maraina. Le premier jour de la semaine, nous étions réunis pour rompre le pain ; Paul, qui devait partir le lendemain, s' entretenait avec eux. Il prolongea son discours jusqu' au milieu de la nuit.
Asa 20:8 And there were many lights in the upper chamber, where they were gathered together. Ary nisy jiro maro teo an-trano ambony izay niangonanay. Jiro maro no tao amin' ny efitra ambony niangonanay. Il y avait bon nombre de lampes dans la chambre haute où nous étions réunis.
Asa 20:9 And there sat in a window a certain young man named Eutychus, being fallen into a deep sleep: and as Paul was long preaching, he sunk down with sleep, and fell down from the third loft, and was taken up dead. Ary nisy zatovo anankiray atao hoe Eotyka nipetraka teo am-baravarankely ka sondrian-tory; ary raha naharitra ela ny toritenin' i Paoly, dia niraika noho ny torimaso ilay zatovo ka nianjera tamin' ny tany avy eny amin' ny rihana intelo mifanongoa, ary nony narenina izy, dia indro fa efa maty. Nisy kosa tovolahy anankiray izay atao hoe Eotika, nipetraka teo am-baravarankely; sondrian-tory mafy izy io, fa naharitra ela ny toritenin' i Paoly, ka nirona izy, dia nidaboka tany ambany avy amin' ny rihana fahatelo; nony narenina izy, dia indro fa efa maty. Un adolescent, du nom d' Eutyque, qui était assis sur le bord de la fenêtre, se laissa gagner par un profond sommeil, pendant que Paul discourait toujours. Entraîné par le sommeil, il tomba du troisième étage en bas. On le releva mort.
Asa 20:10 And Paul went down, and fell on him, and embracing him said, Trouble not yourselves; for his life is in him. Ary Paoly nidina, dia niankohoka taminy sy nanohona azy ka nanao hoe: Aza mihorikorika ianareo, fa mbola misy aina ihany izy. Nidina namonjy azy Paoly, dia niondrika teo amboniny, sy nanohona azy, ary nanao hoe: Aza manana ahiahy hianareo, fa mbola misy aina ihany izy. Paul descendit, se pencha sur lui, le prit dans ses bras et dit : " Ne vous agitez donc pas : son âme est en lui. "
Asa 20:11 When he therefore was come up again, and had broken bread, and eaten, and talked a long while, even till break of day, so he departed. Ary niakatra Paoly, dia namaky ny mofo, ary rehefa nihinana sy niresaka ela ambara-pahamarain' ny andro izy, dia lasa nandeha. Dia niakatra indray Paoly, namaky ny mofo sy nihinana, ary niresaka ambara-pahamarain' ny andro, vao lasa nandeha. Puis il remonta, rompit le pain et mangea ; longtemps encore il parla, jusqu' au point du jour. C' est alors qu' il partit.
Asa 20:12 And they brought the young man alive, and were not a little comforted. Ary nitondra ilay zatovo efa velona izy ireo ka faly dia faly. Ilay tovolahy tamin' izay dia efa velona ka nentin' izy ireo nody tamin-kafaliana lehibe. Quant au jeune garçon, on le ramena vivant, et ce ne fut pas une petite consolation.
Asa 20:13 And we went before to ship, and sailed unto Assos, there intending to take in Paul: for so had he appointed, minding himself to go afoot. Ary izahay nialoha ho any an-tsambo, dia niondrana nankany Aso, fa eo no handraisana an' i Paoly, satria eo no fotoana nataony, fa nikasa handeha an-tanety izy. Izahay kosa dia niondrana an-tsambo, nialoha nankany Asosa, fa eo no handraisanay an' i Paoly araka ny teny nomeny, satria nandeha an-tanety izy. Pour nous, prenant les devants par mer, nous fîmes voile vers Assos, où nous devions prendre Paul : ainsi en avait-il disposé. Lui-même viendrait par la route.
Asa 20:14 And when he met with us at Assos, we took him in, and came to Mitylene. Ary rehefa nihaona taminay tany Aso izy, dia noraisinay, ary dia lasa nankany Mitylena izahay. Nony tafahoana taminay tany Asosa izy, dia noraisinay, ka lasa nankany Mitilena izahay. Lorsqu' il nous eut rejoints à Assos, nous le prîmes à bord et gagnâmes Mitylène.
Asa 20:15 And we sailed thence, and came the next day over against Chios; and the next day we arrived at Samos, and tarried at Trogyllium; and the next day we came to Miletus. Ary rehefa niondrana an-tsambo niala teo izahay, dia tonga tandrifin' i Kio nony ampitso; ary nony ampitso indray dia niantsona tao Samo; ka tonga tany Mileto izahay nony ampitson' iny. Niondrana an-tsambo avy eo izahay, dia tonga tandrifin' i Kiao ny ampitso, ary nitody tao Samosy ny ampitson' izay, vao tonga tany Mileto ny ampitson' iny indray. De là, nous repartîmes le lendemain et parvînmes devant Chio. Le jour suivant, nous touchions à Samos, et, après nous être arrêtés à Trogyllion, nous arrivions le jour d' après à Milet.
Asa 20:16 For Paul had determined to sail by Ephesus, because he would not spend the time in Asia: for he hasted, if it were possible for him, to be at Jerusalem the day of Pentecost. Fa Paoly efa nikasa handeha an-tsambo handalo any Efesosy mba tsy hitoerany ela any Asia; fa maika izy, raha azony hatao, hamonjy ny andro Pentekosta any Jerosalema. Ny handalo fotsiny fa tsy hijanona ao Efezy no efa nokendren' i Paoly mba tsy hitoerany ela any Asia: satria maika hamonjy ny andron' ny Pentekoty any Jerosalema izy raha zao atao. Paul avait en effet décidé de passer au large d'Éphèse, pour ne pas avoir à s' attarder en Asie. Il se hâtait afin d'être, si possible, le jour de la Pentecôte à Jérusalem.
Asa 20:17 And from Miletus he sent to Ephesus, and called the elders of the church. Ary raha tany Mileto Paoly, dia naniraka hankany Efesosy izy ka nampaka ny loholon' ny fiangonana hankeo aminy. Raha mbola tany Mileto izy, dia naniraka hankany Efezy, nampaka an' ireo Pretran' ny Fiangonana. De Milet, il envoya chercher à Éphèse les anciens de cette Église.
Asa 20:18 And when they were come to him, he said unto them, Ye know, from the first day that I came into Asia, after what manner I have been with you at all seasons, Ary nony tonga teo aminy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin' ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo tamin' izany andro rehetra izany, Ka nony tafavory teo aminy izy ireo, dia hoy izy taminy: Fantatrareo hatramin' ny andro voalohany nahatongavako teto Asia izay toetry ny fitondran-tenako taminareo hatrany hatrany; Quand ils furent arrivés auprès de lui, il leur dit : " Vous savez vous-mêmes de quelle façon, depuis le premier jour où j' ai mis le pied en Asie, je n' ai cessé de me comporter avec vous,
Asa 20:19 Serving the Lord with all humility of mind, and with many tears, and temptations, which befell me by the lying in wait of the Jews: dia ny nanompoako ny Tompo tamin' ny fanetren-tena rehetra sy ny ranomaso ary ny fakam-panahy izay nanjo ahy tamin' ny fanotrehan' ny Jiosy, fa nanompo ny Tompo tamim-panetren-tena lehibe sy tamin-dranomaso aho, ary tamim-piaretana ny fahoriana noho ny nikendren' ny Jody ahy. servant le Seigneur en toute humilité, dans les larmes et au milieu des épreuves que m' ont occasionnées les machinations des Juifs.
Asa 20:20 And how I kept back nothing that was profitable unto you, but have shewed you, and have taught you publickly, and from house to house, ka tsy mba nafeniko izay mahasoa, fa nambarako sy nampianariko anareo teo imason' ny olona ary tao amin' ny isan-trano; Tsy nisy nafeniko izay nahasoa anareo, fa notoriko taminareo sy nampianariko anareo am-pahibemaso sy isan-trano. Vous savez comment, en rien de ce qui vous était avantageux, je ne me suis dérobé quand il fallait vous prêcher et vous instruire, en public et en privé,
Asa 20:21 Testifying both to the Jews, and also to the Greeks, repentance toward God, and faith toward our Lord Jesus Christ. ary nambarako tamin' ny Jiosy sy ny jentilisa koa ny fibebahana amin' Andriamanitra sy ny finoana an' i Jesosy Kristy Tompontsika. Nambarako tamin' ny Jody sy tamin' ny jentily ny fanatonana an' Andriamanitra amin' ny fibebahana sy ny finoana an' i Jeso Tompontsika. adjurant Juifs et Grecs de se repentir envers Dieu et de croire en Jésus, notre Seigneur.
Asa 20:22 And now, behold, I go bound in the spirit unto Jerusalem, not knowing the things that shall befall me there: Ary ankehitriny, indro, tery am-panahy hankany Jerosalema aho, nefa tsy fantatro izay hanjo ahy any, Ary ankehitriny indro teren' ny Fanahy hankany Jerosalema aho; nefa tsy fantatra izay hanjo ahy any. " Et maintenant voici qu' enchaîné par l' Esprit je me rends à Jérusalem, sans savoir ce qui m' y adviendra,
Asa 20:23 Save that the Holy Ghost witnesseth in every city, saying that bonds and afflictions abide me. afa-tsy izay ambaran' ny Fanahy Masina amiko amin' ny isan-tanàna, fa hisy famatorana sy fahoriana hanjo ahy. Izao ihany no ambaran' ny Fanahy Masina amiko isan-tanàna isan-tanàna alehako, dia misy famatorana sy fanenjehana miandry ahy. sinon que, de ville en ville, l' Esprit Saint m' avertit que chaînes et tribulations m' attendent.
Asa 20:24 But none of these things move me, neither count I my life dear unto myself, so that I might finish my course with joy, and the ministry, which I have received of the Lord Jesus, to testify the gospel of the grace of God. Nefa tsy ataoko ho zavatra akory ny aiko, mba hahavita ny alehako, dia ny fanompoana izay noraisiko tamin' i Jesosy Tompo hanambara ny filazantsaran' ny fahasoavan' Andriamanitra. Tsy misy atahorako anefa izany zavatra izany; ary tsy ataoko ho zavatra ny aiko rahefa tanteraka ny diako, ka vitako ny raharaha noraisiko tamin' i Jeso Tompo, dia ny mitory ny Evanjelin' ny fahasoavan' Andriamanitra. Mais je n' attache aucun prix à ma propre vie, pourvu que je mène à bonne fin ma course et le ministère que j' ai reçu du Seigneur Jésus : rendre témoignage à l'Évangile de la grâce de Dieu.
Asa 20:25 And now, behold, I know that ye all, among whom I have gone preaching the kingdom of God, shall see my face no more. Ary, indro, ankehitriny fantatro fa tsy hahita ny tavako intsony ianareo rehetra izay nalehako nitoriako ny fanjakana. Eny iký, ry olona nalehako nitoriako ny fanjakan' Andriamanitra! fantatro fa tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo rehetra. " Et maintenant voici que, je le sais, vous ne reverrez plus mon visage, vous tous au milieu de qui j' ai passé en proclamant le Royaume.
Asa 20:26 Wherefore I take you to record this day, that I am pure from the blood of all men. Koa manambara aminareo aho anio fa afaka amin' ny ranareo rehetra aho. Koa izany no ilazako aminareo anio fa afa-tsiny amin' ny ranareo rehetra aho, C' est pourquoi je l' atteste aujourd' hui devant vous : je suis pur du sang de tous.
Asa 20:27 For I have not shunned to declare unto you all the counsel of God. Fa tsy nafeniko anareo, fa notoriko taminareo avokoa ny saina rehetra natolotr' Andriamanitra. satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitra-pon' Andriamanitra rehetra. Car je ne me suis pas dérobé quand il fallait vous annoncer toute la volonté de Dieu.
Asa 20:28 Take heed therefore unto yourselves, and to all the flock, over the which the Holy Ghost hath made you overseers, to feed the church of God, which he hath purchased with his own blood. Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra izay nanaovan' ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina, hiandrasanareo ny fiangonan' Andriamanitra, izay novidiny tamin' ny ràny. Tandremo ny tenanareo sy ny ondry rehetra, nanendren' ny Fanahy Masina anareo ho mpitandrina mba hifehezanareo Eglizin' ny Tompo izay novidiny tamin' ny rany. " Soyez attentifs à vous-mêmes, et à tout le troupeau dont l' Esprit Saint vous a établis gardiens pour paître l'Église de Dieu, qu' il s' est acquise par le sang de son propre fils.
Asa 20:29 For I know this, that after my departing shall grievous wolves enter in among you, not sparing the flock. Fantatro fa rehefa lasa aho dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo izay tsy hiantra ny ondry. Fantatro fa rahefa lasa aho, dia hisy amboadia masiaka hiditra eo aminareo, izay tsy hitsitsy ny ondry. " Je sais, moi, qu' après mon départ il s' introduira parmi vous des loups redoutables qui ne ménageront pas le troupeau,
Asa 20:30 Also of your own selves shall men arise, speaking perverse things, to draw away disciples after them. Ary avy aminareo no hiposahan' ny olona sasany mitory teny tsy marina hitaona ny mpianatra hanaraka azy. Ary ny sasany avy aminareo aza dia hitsangana hampianatra hevi-diso, ka hitaona ny mpianatra hanaraka azy. et que du milieu même de vous se lèveront des hommes tenant des discours pervers dans le but d' entraîner les disciples à leur suite.
Asa 20:31 Therefore watch, and remember, that by the space of three years I ceased not to warn every one night and day with tears. Koa miambena, ary tsarovy fa telo taona mipaka aho tsy nitsahatra nananatra anareo rehetra andro aman' alina tamin' ny ranomaso. Koa miambena re, ary tsarovy lahy fa telo taona maninjitra anie aho no tsy nitsahatra andro aman' alina nananatra anareo tsirairay avy tamin-dranomaso! C' est pourquoi soyez vigilants, vous souvenant que, trois années durant, nuit et jour, je n' ai cessé de reprendre avec larmes chacun d' entre vous.
Asa 20:32 And now, brethren, I commend you to God, and to the word of his grace, which is able to build you up, and to give you an inheritance among all them which are sanctified. Ary ankehitriny izaho manolotra anareo ho amin' Andriamanitra sy ho amin' ny tenin' ny fahasoavany, izay mahay mampandroso sy manome lova anareo eo amin' izay rehetra nohamasinina. Ary ankehitriny, ankiniko amin' Andriamanitra sy amin' ny tenim-pahasoavany hianareo, dia amin' ilay mahay mandavorary sy manome lova anareo miaraka amin' izay efa masina rehetra. " Et à présent je vous confie à Dieu et à la parole de sa grâce, qui a le pouvoir de bâtir l'édifice et de procurer l' héritage parmi tous les sanctifiés.
Asa 20:33 I have coveted no man' s silver, or gold, or apparel. Tsy mba naniry volafotsy na volamena na lamban' olona aho. Tsy mba naniry izay volafotsy, na volamena, na fitafian' olona aho. " Argent, or, vêtements, je n' en ai convoité de personne :
Asa 20:34 Yea, ye yourselves know, that these hands have ministered unto my necessities, and to them that were with me. Fa fantatrareo ihany fa ireto tanako ireto no niasa mba hahazoako sy ny niaraka tamiko izay nilainay. Fantatrareo fa ireto tànana ireto no nahazoako izay rehetra nilaiko sy nilain' izay rehetra niaraka tamiko. vous savez vous-mêmes qu'à mes besoins et à ceux de mes compagnons ont pourvu les mains que voilà.
Asa 20:35 I have shewed you all things, how that so labouring ye ought to support the weak, and to remember the words of the Lord Jesus, how he said, It is more blessed to give than to receive. Efa nasehoko anareo tamin' ny zavatra rehetra fa tokony hiasa toy izany koa ianareo, mba hiantra ny mahantra ka hahatsiaro ny tenin' i Jesosy Tompo, izay manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. Nasehoko anareo tamin' ny zavatra rehetra fa tsy maintsy hiasa toy izany koa hianareo mba hanampiana ny mahantra, ka hahatsiaro ny tenin' i Jeso Tompo manao hoe: Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray. De toutes manières je vous l' ai montré : c' est en peinant ainsi qu' il faut venir en aide aux faibles et se souvenir des paroles du Seigneur Jésus, qui a dit lui-même : Il y a plus de bonheur à donner qu'à recevoir. "
Asa 20:36 And when he had thus spoken, he kneeled down, and prayed with them all. Ary rehefa niteny izany izy, dia nandohalika teo ka niara-nivavaka tamin' izy rehetra. Nony avy nilaza izany izy, dia nandohalika ka niara-nivavaka tamin' izy rehetra. A ces mots, se mettant à genoux, avec eux tous il pria.
Asa 20:37 And they all wept sore, and fell on Paul' s neck, and kissed him, Ary nitomany mafy izy rehetra, dia namihina ny vozon' i Paoly ka nanoroka azy, Ary nitomany mafy izy rehetra, sy namihina ny vozon' i Paoly ary nanoroka azy, Tous alors éclatèrent en sanglots, et, se jetant au cou de Paul, ils l' embrassaient,
Asa 20:38 Sorrowing most of all for the words which he spake, that they should see his face no more. And they accompanied him unto the ship. sady nalahelo loatra noho ny nilazany fa tsy hahita ny tavany intsony izy. Dia nanatitra azy teny an-tsambo izy. fa nalahelo loatra izy, indrindra ange fa tamin' ny nilazany hoe: Tsy hahita ny tarehiko intsony hianareo. Dia nanatitra azy hatreny antsambo izy ireo. affligés surtout de la parole qu' il avait dite : qu' ils ne devaient plus revoir son visage. Puis ils l' accompagnèrent jusqu' au bateau.

<-
->