<-
->

Asa 22:1 Men, brethren, and fathers, hear ye my defence which I make now unto you. Ry rahalahy sy ianareo ray henoy ny teny halahatro aminareo ankehitriny hanala tsiny ny tenako. Ry rahalahy sy hianareo ray, henoy ny teny alahatro aminareo ankehitriny, mba hanala tsiny ny tenako. " Frères et pères, écoutez ce que j' ai maintenant à vous dire pour ma défense. "
Asa 22:2 (And when they heard that he spake in the Hebrew tongue to them, they kept the more silence: and he saith,) Ary nony ren' ny olona fa teny Hebreo no nitenenany taminy, dia mainka nangina izy; ary hoy Paoly: Vao ren' ny olona fa teny hebrio no nitenenany taminy, dia vao mainka nangina izy. Quand ils entendirent qu' il s' adressait à eux en langue hébraïque, leur silence se fit plus profond. Il poursuivit :
Asa 22:3 I am verily a man which am a Jew, born in Tarsus, a city in Cilicia, yet brought up in this city at the feet of Gamaliel, and taught according to the perfect manner of the law of the fathers, and was zealous toward God, as ye all are this day. Izaho lehilahy Jiosy, teraka tany Tarsosy any Kilikia, fa teto amin' ity tanàna ity no nahabe ahy teo anilan' ny tongotr' i Gamaliela, dia nampianarina tsara ny lalàna avy tamin' ny razana aho, ary nazoto indrindra ho an' Andriamanitra tahaka anareo rehetra ankehitriny. Ary hoy izy: Izaho dia lehilahy Jody teraka tany Tarsy any Silisia, fa teto amin' ity tanàna ity no nahabe ahy, teo ambanin' ny saokan' i Gamaliely, nampianarina tsara ny Lalàn' ny razantsika aho, ary nazoto erý ho an' Andriamanitra tahaka anareo rehetra izao. " Je suis Juif. Né à Tarse en Cilicie, j' ai cependant été élevé ici dans cette ville, et c' est aux pieds de Gamaliel que j' ai été formé à l' exacte observance de la Loi de nos pères, et j'étais rempli du zèle de Dieu, comme vous l'êtes tous aujourd' hui.
Asa 22:4 And I persecuted this way unto the death, binding and delivering into prisons both men and women. Nanenjika izay nanaiky izany fampianarana izany aho hatramin' ny mahafaty azy aza, dia namatotra azy, na lahy na vavy, ka nanolotra azy hatao an-tranomaizina; Nanenjika sy namono izay nanaraka izany fampianarana izany aza aho, ary namatotra azy na lahy na vavy, sy nampandatsaka azy an-tranomaizina. J' ai persécuté à mort cette Voie, chargeant de chaînes et jetant en prison hommes et femmes,
Asa 22:5 As also the high priest doth bear me witness, and all the estate of the elders: from whom also I received letters unto the brethren, and went to Damascus, to bring them which were there bound unto Jerusalem, for to be punished. ary ny mpisoronabe sy ny loholona rehetra no vavolombeloko, sady izy no nandraisako taratasy ho amin' ny rahalahy, dia nankany Damaskosy aho, mba ho entiko am-patorana hankany Jerosalema koa izay hita teo, mba hampijalina. Ny lehiben' ny mpisorona sy ny loholona rehetra no vavolombeloko; fa nandray taratasy tamin' izy ireo ho an' ny rahalahy aho, dia nankany Damasa hamatotra sy hitondra izay hita tao ho atý Jerosalema mba hampijalina. comme le grand prêtre m' en est témoin, ainsi que tout le collège des anciens. J' avais même reçu d' eux des lettres pour les frères de Damas, et je m' y rendais en vue d' amener ceux de là-bas enchaînés à Jérusalem pour y être châtiés.
Asa 22:6 And it came to pass, that, as I made my journey, and was come nigh unto Damascus about noon, suddenly there shone from heaven a great light round about me. Ary raha nandeha aho ka mby teo akaiky an' i Damaskosy, tamin' ilay antoandrobe iny, dia nisy mazava lehibe nanelatrelatra tampoka avy tany an-danitra manodidina ahy; Kanjo nony nandeha aho ka mby teo akaikin' i Damasa, tamin' ilay mitatao vovonana iny ny andro, dia nisy fahazavana lehibe tonga tampoka avy any an-danitra nanodidina ahy. " Je faisais route et j' approchais de Damas, quand tout à coup, vers midi, une grande lumière venue du ciel m' enveloppa de son éclat.
Asa 22:7 And I fell unto the ground, and heard a voice saying unto me, Saul, Saul, why persecutest thou me? dia lavo tamin' ny tany aho ka nandre feo nilaza tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana ianao no manenjika Ahy? Lavo tamin' ny tany terý aho, sady nandre feo nanao tamiko hoe: Saoly, Saoly, nahoana no manenjika ahy hianao? Je tombai sur le sol et j' entendis une voix qui me disait : "Saoul, Saoul, pourquoi me persécutes-tu ?"
Asa 22:8 And I answered, Who art thou, Lord? And he said unto me, I am Jesus of Nazareth, whom thou persecutest. Ary izaho namaly hoe: Iza moa Hianao, Tompoko? Dia hoy Izy tamiko: Izaho no Jesosy avy any Nazareta, Izay enjehinao. Dia namaly aho nanao hoe: Iza moa hianao, Tompoko? Ary hoy izy tamiko: izaho no Jeso avy any Nazareta izay enjehinao. Je répondis : "Qui es-tu, Seigneur ?" Il me dit alors : "Je suis Jésus le Nazaréen, que tu persécutes. "
Asa 22:9 And they that were with me saw indeed the light, and were afraid; but they heard not the voice of him that spake to me. Ary izay niaraka tamiko dia nahita ny mazava; nefa tsy mba nahare ny feon' izay niteny tamiko izy. Ry zareo niaraka tamiko izany, nahita ny fahazavana ihany, fa tsy nandre ny feon' izay niteny tamiko. Ceux qui étaient avec moi virent bien la lumière, mais ils n' entendirent pas la voix de celui qui me parlait.
Asa 22:10 And I said, What shall I do, Lord? And the Lord said unto me, Arise, and go into Damascus; and there it shall be told thee of all things which are appointed for thee to do. Ary hoy izaho: Tompoko, inona no hataoko? Dia hoy ny Tompo tamiko: Mitsangana, ka mandehana ho any Damaskosy; fa any no holazaina aminao izay rehetra voatendry hataonao. Ary hoy izaho: Inona no hataoko, Tompoko? Ka hoy ny Tompo tamiko: Mitsangàna, ary mankanesa any Damasa, fa any no holazaina aminao ny zavatra rehetra tsy maintsy hataonao. Je repris : "Que dois-je faire, Seigneur ?" Le Seigneur me dit : "Relève-toi. Va à Damas. Là on te dira tout ce qu' il t' est prescrit de faire. "
Asa 22:11 And when I could not see for the glory of that light, being led by the hand of them that were with me, I came into Damascus. Ary raha tsy nahajery aho noho ny famirapiratan' izany mazava izany, dia notantanan' ireo niaraka tamiko aho, ka dia tonga tany Damaskosy. Tsy nahita anefa aho azon' ny famirapiratan' izany fahazavana izany, ka notantanan' izay niaraka tamiko aho, vao tonga tany Damasa. Mais comme je n' y voyais plus à cause de l'éclat de cette lumière, c' est conduit par la main de mes compagnons que j' arrivai à Damas.
Asa 22:12 And one Ananias, a devout man according to the law, having a good report of all the Jews which dwelt there, Ary ny lehilahy anankiray atao hoe Ananiasy, mpivavaka manaraka ny lalàna sady tsara laza teo amin' ny Jiosy rehetra izay nonina teo, Ary nisy lehilahy anankiray atao hoe Anania izay nanaraka ny Lalàna, sy tsara laza tamin' ny Jody rehetra nonina tao. " Il y avait là un certain Ananie, homme dévot selon la Loi et jouissant du bon témoignage de tous les Juifs de la ville ;
Asa 22:13 Came unto me, and stood, and said unto me, Brother Saul, receive thy sight. And the same hour I looked up upon him. dia nanatona ahy ary nitsangana ka nanao tamiko hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Ary tamin' izany ora izany dia nahiratra aho ka nahita azy. Tonga nanatona ahy izy ary nitsangana teo anilako nanao hoe: Ry Saoly rahalahy, mahirata. Niaraka tamin' izay, dia nahita azy aho. il vint me trouver et, une fois près de moi, me dit : "Saoul, mon frère, recouvre la vue. " Et moi, au même instant, je pus le voir.
Asa 22:14 And he said, The God of our fathers hath chosen thee, that thou shouldest know his will, and see that Just One, and shouldest hear the voice of his mouth. Ary hoy izy: Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitrapony sy hahita ny Iray Marina ary hihaino ny teny aloaky ny vavany; Ary hoy izy: Ny Andriamanitry ny razantsika efa nanendry anao hahafantatra ny sitra-pony, sy hahita ilay Marina, ary hihaino ny teny aloaky ny vavany. Il dit alors : "Le Dieu de nos pères t' a prédestiné à connaître sa volonté, à voir le Juste et à entendre la voix sortie de sa bouche ;
Asa 22:15 For thou shalt be his witness unto all men of what thou hast seen and heard. fa ho vavolombelony amin' ny olona rehetra ianao ny amin' izay efa hitanao sy renao. Fa hianao no ho vavolombelony hanambara amin' ny olona rehetra izay efa hitanao sy renao. car pour lui tu dois être témoin devant tous les hommes de ce que tu as vu et entendu.
Asa 22:16 And now why tarriest thou? arise, and be baptized, and wash away thy sins, calling on the name of the Lord. Ary ankehitriny inona no mampijanona anao? Mitsangàna, miantsoa ny anarany, ary aoka hatao batisa ianao ka hosasana ho afaka amin' ny fahotanao. Ary ankehitriny, inona no andrasana? Mitsangàna, raiso ny batemy, ary mialà amin' ny fahotana, amin' ny fiantsoana ny anaran' i Jeso. Pourquoi tarder encore ? Allons ! Reçois le baptême et purifie-toi de tes péchés en invoquant son nom".
Asa 22:17 And it came to pass, that, when I was come again to Jerusalem, even while I prayed in the temple, I was in a trance; Ary rehefa tonga tany Jerosalema indray aho ka nivavaka teo an-kianjan' ny tempoly, dia azon-tsindrimandry Nony niverina tatý Jerosalema aho ka nivavaka tao an-tempoly, dia azon-tsindrimandry, " De retour à Jérusalem, il m' est arrivé, un jour que je priais dans le Temple, de tomber en extase.
Asa 22:18 And saw him saying unto me, Make haste, and get thee quickly out of Jerusalem: for they will not receive thy testimony concerning me. ka nahita Azy milaza amiko hoe: Maladia ianao, ka mivoaha faingana an' i Jerosalema; fa tsy handray ny fanambaranao Ahy izy. ary nahita an' i Jeso nilaza tamiko hoe: Haingàna hianao, mialà faingana eto Jerosalema, fa tsy handray ny fanambaranao ahy izy ireo. Je vis le Seigneur, qui me dit : "Hâte-toi, sors vite de Jérusalem, car ils n' accueilleront pas ton témoignage à mon sujet. " -
Asa 22:19 And I said, Lord, they know that I imprisoned and beat in every synagogue them that believed on thee: Dia hoy izaho: Tompoko, izy ireo mahalala fa ny mino Anao dia nataoko tao an-tranomaizina sady nokapohiko tao amin' ny synagoga rehetra; Ary hoy izaho: Tompoko, fantatr' izy ireo fa izaho no nandatsaka an-tranomaizina izay nino anao, sy nikapoka azy tao amin' ny sinagoga; "Seigneur, répondis-je, ils savent pourtant bien que, de synagogue en synagogue, je faisais jeter en prison et battre de verges ceux qui croient en toi ;
Asa 22:20 And when the blood of thy martyr Stephen was shed, I also was standing by, and consenting unto his death, and kept the raiment of them that slew him. ary raha nalatsaka ny ran' i Stefana martioranao, izaho koa dia mba nitsangana teo ka nanaiky sady nitandrina ny fitafian' izay namono azy. ary fony izy nandatsaka ny ran' i Etiena martirinao, dia tenako no nanatrika sy nankatò an' izany, ary niambina ny lamban' izay namono azy. et quand on répandait le sang d'Étienne, ton témoin, j'étais là, moi aussi, d' accord avec ceux qui le tuaient, et je gardais leurs vêtements. "
Asa 22:21 And he said unto me, Depart: for I will send thee far hence unto the Gentiles. Ary hoy Izy tamiko: Mandehana, fa Izaho haniraka anao handeha lavitra any amin' ny jentilisa. Fa hoy izy tamiko: Mandehana, fa any an-tany lavitra amin' ny jentily no anirahako anao. Il me dit alors : "Va ; c' est au loin, vers les païens, que moi, je veux t' envoyer". "
Asa 22:22 And they gave him audience unto this word, and then lifted up their voices, and said, Away with such a fellow from the earth: for it is not fit that he should live. Ary ny olona nihaino azy hatramin' izany teny izany, dia nanandratra ny feony ka nanao hoe: Esory amin' ny tany ilehio, fa tsy tokony hovelomina izy! Nihaino azy ihany izy ireo hatramin' izany teny izany, fa nony mby tamin' io, niantso izy nanao hoe: Esory amin' ny tany ilay io, fa olona tsy famelona intsony. Jusque-là on l'écoutait. Mais à ces mots, on se mit à crier : " Otez de la terre un pareil individu ! Il n' est pas digne de vivre. "
Asa 22:23 And as they cried out, and cast off their clothes, and threw dust into the air, Ary raha niantso sy niala lamba ary nanipy vovoka ho amin' ny rivotra izy, Mbola nihorakoraka sy nanipy lamba, ary nitora-bovoka eo izy ireo, On vociférait, on jetait ses vêtements, on lançait de la poussière en l' air.
Asa 22:24 The chief captain commanded him to be brought into the castle, and bade that he should be examined by scourging; that he might know wherefore they cried so against him. dia nasain' ny mpifehy arivo ho entina any anati-rova Paoly, ary nasainy hadinina amin' ny kapoka, mba hahafantarany izay fototry ny nanakoran' ny olona azy toy izany. dia nasain' ny komandy hoentina any anaty rova sy hadinina amin' ny kapoka i Paoly, mba hahalanany izay anton' ny nanakoran' ny olona azy toy izany. Le tribun le fit alors introduire dans la forteresse et ordonna de lui donner la question par le fouet, afin de savoir pour quel motif on criait ainsi contre lui.
Asa 22:25 And as they bound him with thongs, Paul said unto the centurion that stood by, Is it lawful for you to scourge a man that is a Roman, and uncondemned? Ary raha namatotra azy tamin' ny kofehy hoditra izy, dia hoy Paoly tamin' ny kapiteny izay hitsangana teo: Mety aminareo va ny mikapoka lehilahy Romana izay tsy mbola nohelohina? Ary efa voafatotra tamin' ny anja-koditra sahady i Paoly vao nilaza tamin' ny kapiteny izay nanatrika teo hoe: Moa mahazo mikapoka lehilahy Romana mbola tsy voaheloka akory va hianareo? Quand on l' eut attaché avec les courroies, Paul dit au centurion de service : " Un citoyen romain, et qui n' a même pas été jugé, vous est-il permis de lui appliquer le fouet ? "
Asa 22:26 When the centurion heard that, he went and told the chief captain, saying, Take heed what thou doest: for this man is a Roman. Ary ny kapiteny, nony nahare, dia lasa nilaza tamin' ny mpifehy arivo ka nanao hoe: Inona izao hataonao izao? fa Romana io lehilahy io. Nony nandre izany ny kapiteny, dia lasa nankany amin' ny komandy, nilaza hoe: Inona ity hataonao? fa Romana io lehilahy io. A ces mots, le centurion alla trouver le tribun pour le prévenir : " Que vas-tu faire ? Cet homme est citoyen romain. "
Asa 22:27 Then the chief captain came, and said unto him, Tell me, art thou a Roman? He said, Yea. Dia nankeo aminy ny mpifehy arivo ka nanao taminy hoe: Lazao amiko: Romana va ianao? Dia hoy izy: Eny. Dia nanatona an' i Paoly ny komandy, ka nanao taminy hoe: Etsy ange, moa Romana va hianao? Ary hoy izy: Eny. Le tribun vint donc demander à Paul : " Dis-moi, tu es citoyen romain ? " - " Oui ", répondit-il.
Asa 22:28 And the chief captain answered, With a great sum obtained I this freedom. And Paul said, But I was free born. Ary ny mpifehy arivo namaly hoe: Vola be no nahazoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly: Izaho kosa efa nanana izany hatry ny fony vao teraka. Dia hoy indray ny komandy: Vola be no nahazahoako izany voninahitra izany. Fa hoy Paoly? Ny nahaterahako kosa no nahazahoaka an' izany. Le tribun reprit : " Moi, il m' a fallu une forte somme pour acheter ce droit de cité. " - " Et moi, dit Paul, je l' ai de naissance. "
Asa 22:29 Then straightway they departed from him which should have examined him: and the chief captain also was afraid, after he knew that he was a Roman, and because he had bound him. Dia nandao azy faingana ireo olona efa hanadina azy; ary ny mpifehy arivo natahotra koa, rehefa nahalala azy fa Romana, satria efa nampamatotra azy izy. Niaraka tamin' izay, dia nihataka ry zareo nivono-kampijaly azy; ary natahotra mbamin' ny komandy aza nony nahalala fa Romana i Paoly, noho ity izy efa nampamatotra azy. Aussitôt donc, ceux qui allaient le mettre à la question s'écartèrent de lui et le tribun lui-même eut peur, sachant que c'était un citoyen romain qu' il avait chargé de chaînes.
Asa 22:30 On the morrow, because he would have known the certainty wherefore he was accused of the Jews, he loosed him from his bands, and commanded the chief priests and all their council to appear, and brought Paul down, and set him before them. Ary nony ampitso, satria ta-hahafantatra marina izay niampangan' ny Jiosy azy ny mpifehy arivo, dia namaha azy, ary nasainy niangona ny lohan' ny mpisorona sy ny Synedriona rehetra, ary Paoly nentiny nidina ka nampitoeriny teo anatrehany. Nony ampitso, te-hahalala marina izay antony niampangan' ny Jody azy izy, ka nasainy hovahana i Paoly, ary nodidiany hivory ny mpisorona sy ny Sanedrina, dia nentina i Paoly ka napetrany teo afovoan' izy ireo. Le lendemain, voulant savoir de quoi les Juifs l' accusaient au juste, il le fit détacher et ordonna aux grands prêtres ainsi qu'à tout le Sanhédrin de se réunir ; puis il amena Paul et le fit comparaître devant eux.

<-
->