<-
->

2Te / 2Tes 1:1 Paul, and Silvanus, and Timotheus, unto the church of the Thessalonians in God our Father and the Lord Jesus Christ: Paoly sy Silasy ary Timoty mamangy ny fiangonan' ny Tesaloniana, izay ao amin' Andriamanitra Raintsika sy Jesosy Kristy Tompo: Paoly sy Silvano ary Timote mamangy ny Eglizy any Tesalonì ka izay tafaray ao amin' Andriamanitra Raintsika sy Jeso-Kristy Tompo: Paul, Silvain et Timothée, à l'Église des Thessaloniciens qui est en Dieu le Père et dans le Seigneur Jésus Christ.
2Te / 2Tes 1:2 Grace unto you, and peace, from God our Father and the Lord Jesus Christ. ho aminareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin' Andriamanitra Ray sy Jesosy Kristy Tompo. ho aminareo anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin' Andriamanitra Raintsika sy Jeso-Kristy Tompo. Que Dieu le Père et le Seigneur Jésus Christ vous accordent grâce et paix.
2Te / 2Tes 1:3 We are bound to thank God always for you, brethren, as it is meet, because that your faith groweth exceedingly, and the charity of every one of you all toward each other aboundeth; Tsy maintsy misaotra an' Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo. ry rahalahy, fa mahamendrika isany, satria mitombo fatratra ny finoanareo, ary be ny fifankatiavanareo rehetra, Tsy maintsy misaotra an' Andriamanitra mandrakariva izahay noho ny aminareo, ry rahalahy, fa rariny izany, satria ny finoanareo, mandroso fatratra; ny fifankatiavanareo, mitombo hatrany hatrany. Nous devons rendre grâces à Dieu à tout moment à votre sujet, frères, et ce n' est que juste, parce que votre foi est en grand progrès et que l' amour de chacun pour les autres s' accroît parmi vous tous,
2Te / 2Tes 1:4 So that we ourselves glory in you in the churches of God for your patience and faith in all your persecutions and tribulations that ye endure: ka reharehan' ny tenanay ianareo eny amin' ny fiangonan' Andriamanitra noho ny faharetanareo sy ny finoanareo amin' ny fanenjehana rehetra izay manjo anareo sy ny fahoriana izay iaretanareo- Tonga reharehanay any amin' ny Eglizin' Andriamanitra hianareo, noho ny faharetanareo sy tsy fivadihanareo, na dia ao anatin' ny fanenjehana amam-pahoriana rehetra manjò anareo aza. au point que nous-mêmes sommes fiers de vous parmi les Églises de Dieu, de votre constance et de votre foi dans toutes les persécutions et tribulations que vous supportez.
2Te / 2Tes 1:5 Which is a manifest token of the righteous judgment of God, that ye may be counted worthy of the kingdom of God, for which ye also suffer: famantarana ny fitsarana marin' Andriamanitra izany - mba hatao ho miendrika ny fanjakan' Andriamanitra ianareo, sady izany koa no iaretanareo Famantarana ny hamarinan' ny fitsaran' Andriamanitra izany, dia mba hatao mendrika ny fanjakan' Andriamanitra izay antony iaretanareo hianareo. Par là se manifeste le juste jugement de Dieu, où vous serez trouvés dignes du Royaume de Dieu pour lequel vous souffrez vous aussi.
2Te / 2Tes 1:6 Seeing it is a righteous thing with God to recompense tribulation to them that trouble you; fa zavatra marina amin' Andriamanitra ny hamaly fahoriana izay mampahory anareo, Satria, moa tsy izao va no rariny amin' Andriamanitra: ny hamaly fahoriana an' izay mampahory anareo, Car ce sera bien l' effet de la justice de Dieu de rendre la tribulation à ceux qui vous l' infligent,
2Te / 2Tes 1:7 And to you who are troubled rest with us, when the Lord Jesus shall be revealed from heaven with his mighty angels, ary ny hanome fitsaharana anareo izay ampahorina kosa mbamin' ny tenanay, raha hiseho Jesosy Tompo, avy any an-danitra mbamin' ny anjelin' ny heriny, sy ny hanome fialan-tsasatra anareo nampahoriana, miaraka aminay kosa, rahatrizay hiseho avy any an-danitra, ao afovoan' ny afo miredareda, Jeso Tompo mbamin' ny anjelin' ny heriny, et à vous, qui la subissez, le repos avec nous, quand le Seigneur Jésus se révélera du haut du ciel, avec les anges de sa puissance,
2Te / 2Tes 1:8 In flaming fire taking vengeance on them that know not God, and that obey not the gospel of our Lord Jesus Christ: amin' ny afo midedadeda, hamaly izay tsy mahalala an' Andriamanitra sy izay tsy manaiky ny filazantsaran' i Jesosy Tompontsika, hamaly izay tsy mahalala an' Andriamanitra, sy tsy mankatò ny Evanjelin' i Jeso Tompontsika? au milieu d' une flamme brûlante, et qu' il tirera vengeance de ceux qui ne connaissent pas Dieu et de ceux qui n' obéissent pas à l'Évangile de notre Seigneur Jésus.
2Te / 2Tes 1:9 Who shall be punished with everlasting destruction from the presence of the Lord, and from the glory of his power; dia olona izay hiharan' ny famaliana marina dia fahaverezana mandrakizay avy amin' ny fanatrehan' ny Tompo sy ny voninahitry ny heriny, Fahaverezana mandrakizay, lavitra ny tavan' ny Tompo, sy ny voninahitry ny heriny, no havaliny an' ireny, Ceux-là seront châtiés d' une perte éternelle, éloignés de la face du Seigneur et de la gloire de sa force,
2Te / 2Tes 1:10 When he shall come to be glorified in his saints, and to be admired in all them that believe (because our testimony among you was believed) in that day. raha tonga Izy mba hankalazaina eo amin' ny olony masina sy higagana eo amin' izay rehetra mino amin izany andro izany, satria ninoana ny fanambaranay taminareo. amin' ny andro hahatongavany, mba hanomezam-boninahitra azy eo amin' ny olo-masiny, sy higagana azy eo amin' izay rehetra nino; ary hianareo dia nino ny fanambaranay ny Evanjely teo aminareo. quand il viendra pour être glorifié dans ses saints et admiré en tous ceux qui auront cru - et vous, vous avez cru notre témoignage. Ainsi en sera-t-il en ce jour-là.
2Te / 2Tes 1:11 Wherefore also we pray always for you, that our God would count you worthy of this calling, and fulfil all the good pleasure of his goodness, and the work of faith with power: Ary izany no angatahinay mandrakariva ny aminareo, mba hataon' Andriamanitsika ho miendrika ny fiantsoana ianareo, ary hotanterahiny amin' ny hery ny fankasitrahana tsara rehetra sy ny asan' ny finoana, Mandra-pihavin' izany dia tsy tapaka ny mivavaka ho anareo izahay, mba hataon' ny Andriamanitsika mendrika ny niantsoany anareo hianareo, ary mba hotanterahiny amin-kery avokoa ny faniriana tsara rehetra sy ny asan' ny finoanareo, Dans cette pensée, nous prions nous aussi à tout moment pour vous, afin que notre Dieu vous rende dignes de son appel, qu' il mène à bonne fin par sa puissance toute intention de faire le bien et toute activité de votre foi ;
2Te / 2Tes 1:12 That the name of our Lord Jesus Christ may be glorified in you, and ye in him, according to the grace of our God and the Lord Jesus Christ. mba hankalazaina ao aminareo ny anaran' i Jesosy Tompontsika, ary ianareo ao aminy kosa, araka ny fahasoavan' Andriamanitsika sy Jesosy Kristy Tompo. ka hankalazaina ao aminareo ny anaran' i Jeso Tompo, sy hianareo koa ao aminy, araka ny fahasoavan' ny Andriamanitsika sy Jeso-Kristy Tompo. de la sorte, le nom de notre Seigneur Jésus sera glorifié en vous, et vous en lui, conformément à la grâce de notre Dieu et du Seigneur Jésus Christ.

<-
->