<-
->

Tit / Tt 2:1 But speak thou the things which become sound doctrine: Fa ianao kosa dia milazà izay miendrika ny fampianarana tsy misy kilema; Fa hianao kosa, milazà izay mety araka ny fampianarana marina; Pour toi, enseigne ce qui est conforme à la saine doctrine.
Tit / Tt 2:2 That the aged men be sober, grave, temperate, sound in faith, in charity, in patience. ny lehilahy anti-panahy anaro hahonon-tena, ho maotona, ho hendry, hatanjaka amin' ny finoana, amin' ny fitiavana, amin' ny faharetana. amin' ny lehilahy lehibe, mba hahalala onony, mendrika, malina, mijoro tsara amin' ny finoana sy amin' ny fitiavana ary amin' ny fandeferana; Que les vieillards soient sobres, dignes, pondérés, robustes dans la foi, la charité, la constance.
Tit / Tt 2:3 The aged women likewise, that they be in behaviour as becometh holiness, not false accusers, not given to much wine, teachers of good things; Ny vehivavy anti-panahy koa anaro hitondra tena toy izay miendrika ny olona masina, tsy ho mpanendrikendrika, tsy ho andevozin' ny divay be, ho mpampianatra ny zavatra tsara, amin' ny vehivavy lehibe kosa, mba hiseho maotona sy masina, tsy mpanendrikendrika, tsy andevozin' ny divay be, fa mpampianatra ny zavatra tsara, Que pareillement les fem-mes âgées aient le comportement qui sied à des saintes : ni médisantes, ni adonnées au vin, mais de bon conseil ;
Tit / Tt 2:4 That they may teach the young women to be sober, to love their husbands, to love their children, mba hampianarany ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny, ho tia ny zanany, mba ho afa-manoro ny vehivavy tanora fanahy ho tia ny vadiny aman-janany, ainsi elles apprendront aux jeunes femmes à aimer leur mari et leurs enfants,
Tit / Tt 2:5 To be discreet, chaste, keepers at home, good, obedient to their own husbands, that the word of God be not blasphemed. hahonon-tena, ho madio toe-panahy, hiasa ao an-tranony, ho tsara fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenana ratsy ny tenin' Andriamanitra. hahonon-tena, ho madio fitondran-tena, hikarakara ny tokan-tranony, halemy fanahy, hanaiky ny vadiny, mba tsy hitenenan-dratsy ny tenin' Andriamanitra. à être réservées, chastes, femmes d' intérieur, bonnes, soumises à leur mari, en sorte que la parole de Dieu ne soit pas blasphémée.
Tit / Tt 2:6 Young men likewise exhort to be sober minded. Ny lehilahy tanora fanahy koa anaro hahonon-tena; Amporisiho toy izany koa ny tovolahy mba ho hendry, Exhorte également les jeunes gens à garder en tout la pondération,
Tit / Tt 2:7 In all things shewing thyself a pattern of good works: in doctrine shewing uncorruptness, gravity, sincerity, ka amin' ny zavatra rehetra dia asehoy ny tenanao ho fianarana ny asa tsara, amin' ny fampianaranao maneho ny tsi-faharatsiana, ny fahamaotinana, ka ny tenanao no misehoa ho fakan-tahaka ny asa tsara rehetra amin' ny zavatra rehetra; aoka ny fampianaranao ho madio, maotona, offrant en ta personne un exemple de bonne conduite : pureté de doctrine, dignité,
Tit / Tt 2:8 Sound speech, that cannot be condemned; that he that is of the contrary part may be ashamed, having no evil thing to say of you. ny teny tsy misy kilema, izay tsy azo tsinina, mba ho menatra izay manohitra; satria tsy hisy ratsy hitenenany anareo. marina, ary tsy manan-tsiny, mba ho menatra ny mpanohitra antsika, fa tsy hahita kilema hanesoana antsika. enseignement sain, irréprochable, afin que l' adversaire, ne pouvant dire aucun mal de nous, soit rempli de confusion.
Tit / Tt 2:9 Exhort servants to be obedient unto their own masters, and to please them well in all things; not answering again; Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony ka hanao izay sitrapony amin' ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly, Ny mpanompo koa dia anaro hanaiky ny tompony, hanao izay mahafaly azy amin' ny zavatra rehetra, fa tsy hamalivaly foana, Que les esclaves soient soumis en tout à leurs maîtres, cherchant à leur donner satisfaction, évitant de les contredire,
Tit / Tt 2:10 Not purloining, but shewing all good fidelity; that they may adorn the doctrine of God our Saviour in all things. tsy hangala-tetý, fa haneho izay toe-panahy mahatoky indrindra, mba hampahamendrika ny fampianaran' Andriamanitra, Mpamonjy antsika, amin' ny zavatra rehetra. tsy hangala-tety, fa hiseho ho olo-mahatoky tokoa, mba hahazo voninahitra amin' ny zavatra rehetra ny fampianaran' Andriamanitra, Mpamonjy antsika. ne commettant aucune indélicatesse, se montrant au contraire d' une parfaite fidélité : ainsi feront-ils honneur en tout à la doctrine de Dieu notre Sauveur.
Tit / Tt 2:11 For the grace of God that bringeth salvation hath appeared to all men, Fa efa miseho ny fahasoavan' Andriamanitra, izay famonjena ny olona rehetra, Fa efa niseho ny fahasoavan' Andriamanitra, loharanom-pamonjena ho an' ny olona rehetra, Car la grâce de Dieu, source de salut pour tous les hommes, s' est manifestée,
Tit / Tt 2:12 Teaching us that, denying ungodliness and worldly lusts, we should live soberly, righteously, and godly, in this present world; mampianatra antsika handà izay toe-panahy tsy araka an' Andriamanitra sy ny filan' izao tontolo izao ary ho velona amin' ny onony sy ny marina ary ny toe-panahy araka an' Andriamanitra amin' izao fiainana ankehitriny izao, mampianatra antsika hamela ny toe-panahy tsy araka an' Andriamanitra sy ny filan' izao tontolo izao, fa ho velona amin' ity fiainana ity manana ny toetr' olona mahalala onony, marina, tia vavaka, nous enseignant à renoncer à l' impiété et aux convoitises de ce monde, pour vivre en ce siècle présent dans la réserve, la justice et la piété,
Tit / Tt 2:13 Looking for that blessed hope, and the glorious appearing of the great God and our Saviour Jesus Christ; miandry ny fanantenana mahafinaritra sy ny fisehoan' ny voninahitr' Andriamanitra lehibe sady Mpamonjy antsika, dia Jesosy Kristy, miandry ny fahasambarana antenaintsika sy ny voninahitr' Andriamanitra lehibe sy Mpamonjy antsika, dia Jeso-Kristy, attendant la bien-heureuse espérance et l' Apparition de la gloire de notre grand Dieu et Sauveur, le Christ Jésus
Tit / Tt 2:14 Who gave himself for us, that he might redeem us from all iniquity, and purify unto himself a peculiar people, zealous of good works. Izay nanolotra ny tenany hamonjy antsika, mba hanavotany antsika ho afaka amin' ny ota rehetra, sy hanadiovany izay olona ho an' ny tenany, sady ho mazoto indrindra amin' ny asa tsara izany. izay nanolo-tena ho antsika mba hanavotra antsika ho afaka amin' ny ota rehetra, sy hanadiovany ho an' ny tenany ny vahoaka izay ho azy tokoa sady fatra-pitia ny asa soa rehetra. qui s' est livré pour nous afin de nous racheter de toute iniquité et de purifier un peuple qui lui appartienne en propre, zélé pour le bien.
Tit / Tt 2:15 These things speak, and exhort, and rebuke with all authority. Let no man despise thee. Izany no lazao sy ananaro ary andrarao amin' ny fahefana rehetra. Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao. Izany no tsy maintsy hotorinao sy hamporisihanao ary hananaranao amim-pahefana lehibe. Aza avela hisy olona maneso anao. C' est ainsi que tu dois parler, exhorter, reprendre avec une autorité entière. Que personne ne te méprise.

<-
->