<-
->

Jos 24:1 And Joshua gathered all the tribes of Israel to Shechem, and called for the elders of Israel, and for their heads, and for their judges, and for their officers; and they presented themselves before God. Ary Josoa nanangona ny firenen' ny Isiraely rehetra tany Sekema ka niantso ny loholon' ny Isiraely sy ny lehibeny sy ny mpitsara azy ary ny mpifehy azy, ka dia niara-niseho teo anatrehan' Andriamanitra izy ireo. Novorin' i Josoe, tao Sikema, ny fokon' Israely rehetra; nantsoiny avokoa ny loholon' Israely, ny lehibeny, ny mpitsarany ary ny manamboninahiny; ka niseho teo anatrehan' ny Tompo izy ireo: Josué réunit toutes les tribus d' Israël à Sichem; puis il convoqua tous les anciens d' Israël, ses chefs, ses juges, ses scribes qui se rangèrent en présence de Dieu.
Jos 24:2 And Joshua said unto all the people, Thus saith the Lord God of Israel, Your fathers dwelt on the other side of the flood in old time, even Terah, the father of Abraham, and the father of Nachor: and they served other gods. Ary hoy Josoa tamin' ny vahoaka rehetra: Izao no lazain' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely: Tany an-dafin' ny Ony no nonenan' ny razanareo tany aloha. dia Tera, rain' i Abrahama sy Nahora; ary nanompo andriamani-kafa izy. dia hoy Josoe tamin' ny vahoaka rehetra. Izao no lazain' ny Tompo Andriamanitr' Israely: Taloha dia tany an-dafin' ny ony no nonenan' ny razanareo. Tare rain' i Abrahama sy rain' i Nakora, ary andriamani-kafa no notompoin' izy ireo. Josué dit alors à tout le peuple : " Ainsi parle Yahvé, le Dieu d' Israël : Au-delà du Fleuve habitaient jadis vos pères, Térah, père d' Abraham et de Nahor, et ils servaient d' autres dieux.
Jos 24:3 And I took your father Abraham from the other side of the flood, and led him throughout all the land of Canaan, and multiplied his seed, and gave him Isaac. Dia naka an' i Abrahama razanareo avy tany an-dafin' ny Ony Aho ka nitondra azy nitety ny tany Kanana rehetra, dia nahamaro ny taranany ka nanome an' Isaka ho zanany. Nalaiko tany an-dafin' ny ony Abrahama razanareo ary nentiko ho amin' ny tany Kanaana rehetra; nampitomboiko taranaka, ary nomeko an' Isaaka izy. Alors je pris votre père Abraham d' au-delà du Fleuve et je lui fis parcourir toute la terre de Canaan, je multipliai sa descendance et je lui donnai Isaac.
Jos 24:4 And I gave unto Isaac Jacob and Esau: and I gave unto Esau mount Seir, to possess it; but Jacob and his children went down into Egypt. Ary Isaka koa dia nomeko an' i Jakoba sy Esao ho zanany; ary nomeko ho lovan' i Esao ny tendrombohitra Seira; fa Jakoba sy ny taranany kosa nankany Egypta. Isaaka dia nomeko an' i Jakoba sy Esao; ary Esao nomeko ny tendrombohitra Seïra ho fananany, ary Jakoba sy ny zanany nidina nankany Ejipta. A Isaac, je donnai Jacob et Ésaü. A Ésaü, je donnai en possession la montagne de Séïr. Jacob et ses fils descendirent en Égypte.
Jos 24:5 I sent Moses also and Aaron, and I plagued Egypt, according to that which I did among them: and afterward I brought you out. Dia naniraka an' i Mosesy sy Arona Aho ka namely an' i Egypta, araka izay nataoko teo aminy; ary rehefa afaka izany, dia nitondra anareo nivoaka Aho. Taorian' izany dia nirahiko Moizy sy Aarona ary nasiko Ejipta araka izay nataoko teo afovoany; ary rahefa izany dia nentiko nivoaka hianareo. J' envoyai ensuite Moïse et Aaron et frappai l'Égypte par les prodiges que j' opérai au milieu d' elle; ensuite je vous en fis sortir.
Jos 24:6 And I brought your fathers out of Egypt: and ye came unto the sea; and the Egyptians pursued after your fathers with chariots and horsemen unto the Red sea. Ary nony nitondra ny razanareo nivoaka avy tany Egypta Aho, dia tonga teo amin' ny ranomasina ianareo; ary nanenjika ny razanareo hatreo amin' ny Ranomasina Mena ny Egyptiana, nitaingina kalesy sy soavaly. Nentiko nivoaka avy tany Ejipta ny razanareo, ka tonga teo amin' ny ranomasina hianareo. Ny Ejipsiana an-kalesy sy an-tsoavaly nanenjika ny razanareo, hatreo amin' ny ranomasina Mena. Je fis donc sortir vos pères de l'Égypte et vous arrivâtes à la mer; les Égyptiens poursuivirent vos pères avec des chars et des cavaliers, à la mer des Roseaux.
Jos 24:7 And when they cried unto the Lord, he put darkness between you and the Egyptians, and brought the sea upon them, and covered them; and your eyes have seen what I have done in Egypt: and ye dwelt in the wilderness a long season. Dia nitaraina tamin' i Jehovah izy, ka nasiany maizina teo anelanelanareo sy ny Egyptiana,sady nakatony taminy ny ranomasina ka naony azy, ary ny masonareo nahita izay nataoko tany Egypta; ary nitoetra ela tany efitra ianareo. Velon-taraina tamin' ny Tompo izy ireo, ka nasian' ny Tompo aizina teo anelanelanareo sy ny Ejipsiana, nakatony tamin' izy ireo ny ranomasina ka nanafotra azy, ary masonareo no nahita izay nataoko tany Ejipta; dia nitoetra ela tany an' efitra hianareo. Ils crièrent alors vers Yahvé qui étendit un brouillard épais entre vous et les Égyptiens, et fit revenir sur eux la mer qui les recouvrit. Vous avez vu de vos propres yeux ce que j' ai fait en Égypte, puis vous avez séjourné de longs jours dans le désert.
Jos 24:8 And I brought you into the land of the Amorites, which dwelt on the other side Jordan; and they fought with you: and I gave them into your hand, that ye might possess their land; and I destroyed them from before you. Ary nentiko ho any amin' ny tanin' ny Amorita, izay nonina tany an-dafin' i Jordana ianareo; dia niady taminareo ireo; ary nanolotra azy teo an-tananareo Aho, mba handovanareo ny taniny, ary nandringana azy teo anoloanareo Aho. Nentiko ho any amin' ny tanin' ny Amoreana izay monina any an-dafin' i Jordany hianareo, ka niadian' ireny. Natolotro teo an-tànanareo izy, nahazo ny taniny hianareo, ary naringako teo anoloanareo izy. Je vous fis entrer ensuite dans le pays des Amorites qui habitaient au-delà du Jourdain. Il vous firent la guerre et je les livrai entre vos mains, aussi avez-vous pris possession de leur pays, car je les anéantis devant vous.
Jos 24:9 Then Balak the son of Zippor, king of Moab, arose and warred against Israel, and sent and called Balaam the son of Beor to curse you: Dia nitsangana Balaka, zanak' i Zipora, mpanjakan' i Moaba, ka niady tamin' ny Isiraely; dia naniraka ka nampaka an' i Balama, zanak' i Beora, izy hanozona anareo. Nitsangana Balàka, zanak' i Sefòra, mpanjakan' i Moaba, ka niady tamin' Israely; nampiantso an' i Balaama zanak' i Beora izy hanozona anareo. Puis se leva Balaq, fils de Çippor, roi de Moab, pour faire la guerre à Israël, et il envoya chercher Balaam, fils de Béor, pour vous maudire.
Jos 24:10 But I would not hearken unto Balaam; therefore he blessed you still: so I delivered you out of his hand. Fa tsy nety nihaino an' i Balama Aho, koa nitahy anareo tokoa izy; ka dia namonjy anareo tamin' ny tànany Aho. Fa tsy nety nihaino an' i Balaama aho, ka nitso-drano anareo izy, dia voavonjiko tamin' ny tànan' i Balàka hianareo. Mais je ne voulus pas écouter Balaam : il dut même vous bénir et je vous ai sauvés de sa main.
Jos 24:11 And you went over Jordan, and came unto Jericho: and the men of Jericho fought against you, the Amorites, and the Perizzites, and the Canaanites, and the Hittites, and the Girgashites, the Hivites, and the Jebusites; and I delivered them into your hand. Ary nita an' i Jordana ianareo ka nankany Jeriko; dia niady taminareo ny mponina tao Jeriko mbamin' ny Amorita sy ny Perizita sy ny Kananita sy ny Hetita sy ny Girgasita sy ny Hivita ary ny Jebosita, ka natolotro teo an-tananareo ireny. Nita an' i Jordany hianareo, dia tonga tao Jerikao; niady taminareo ny mponina tao Jerikao, ny Amoreana, ny Ferezeana, ny Kananeana, ny Heteana, ny Gergeseana, ny Heveana ary ny Jeboseana; ka natolotro teo an-tànanareo ireny. Vous avez ensuite passé le Jourdain pour atteindre Jéricho, mais les habitants de Jéricho vous firent la guerre, les Amorites, les Perizzites, les Cananéens, les Hittites, les Girgashites, les Hivvites et les Jébuséens, et je les livrai entre vos mains.
Jos 24:12 And I sent the hornet before you, which drave them out from before you, even the two kings of the Amorites; but not with thy sword, nor with thy bow. Dia nampandehaniko teo anoloanareo ny fanenitra, Izay nandroaka azy teo anoloanareo, dia ny mpanjaka roa tamin' ny Amorita, fa tsy tamin' ny sabatrao. na tamin' ny tsipìkanao. Nalefako teo alohanareo ny fanenitra izay nandroaka an' ireny teo anoloanareo, mbamin' ny mpanjaka roa tamin' ny Amoreana: tsy tamin' ny sabatra aman-tsipìkanareo no nahatanterahan' izany. J' envoyai devant vous les frelons qui chassèrent devant vous les deux rois amorites, ce que tu ne dois ni à ton épée ni à ton arc.
Jos 24:13 And I have given you a land for which ye did not labour, and cities which ye built not, and ye dwell in them; of the vineyards and oliveyards which ye planted not do ye eat. Ary nomeko tany izay tsy nasainareo ianareo sy tanàna izay tsy naorinareo ianareo ka dia nonina tao ianareo; ary nihinana ny avy amin' ny tanim-boaloboka sy ny tanin' oliva izay tsy nataonareo ianareo. Nomeko tany tsy nasainareo hianareo sy tanàna tsy naorinareo, ary monina ao, tanim-boaloboka aman' oliva izay tsy nambolenareo, ka mihinana ny vokany hianareo. Je vous ai donné une terre qui ne vous a demandé aucune fatigue, des villes que vous n' avez pas bâties et dans lesquelles vous vous êtes installés, des vignes et des olivettes que vous n' avez pas plantées et qui sont votre nourriture.
Jos 24:14 Now therefore fear the Lord, and serve him in sincerity and in truth: and put away the gods which your fathers served on the other side of the flood, and in Egypt; and serve ye the Lord. Koa ankehitriny, matahora an' i Jehovah, ka manompoa Azy amin' ny fahitsiana sy ny fahamarinana; ary ario ny andriamanitra izay notompoin' ny razanareo tany an-dafin' ny Ony sy tany Egypta, ka manompoa an' i Jehovah. Koa matahora an' ny Tompo ary manompoa azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamantra notompoin' ny razanareo tany an-dafin' ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa an' ny Tompo. " Et maintenant, craignez Yahvé et servez-le dans la perfection en toute sincérité; éloignez les dieux que servirent vos pères au-delà du Fleuve et en Égypte, et servez Yahvé.
Jos 24:15 And if it seem evil unto you to serve the Lord, choose you this day whom ye will serve; whether the gods which your fathers served that were on the other side of the flood, or the gods of the Amorites, in whose land ye dwell: but as for me and my house, we will serve the Lord. Nefa raha tsy sitrakareo ny hanompo an' i Jehovah, dia fidionareo anio ary izay hotompoinareo. na ny andriamanitra izay notompoin' ny razanareo tany an-dafin' ny Ony,1 na ny andriamanitry ny Amorita, izay mponina teto amin' ny tany onenanareo; fa raha izaho sy ny ankohonako kosa, dia hanompo an' i Jehovah izahay. Raha tsy sitrakareo kosa ny hanompo an' ny Tompo dia fidionareo anio izay tianareo hotompoina, na ny andriamanitra notompoin' ny razanareo tany an-dafin' ny ony; na ny andriamanitry ny Amoreana izay onenanareo ny taniny. Fa raha izaho sy ny ankohonako kosa dia hanompo an' ny Tompo. S' il ne vous paraît pas bon de servir Yahvé, choisissez aujourd' hui qui vous voulez servir, soit les dieux que servaient vos pères au-delà du Fleuve, soit les dieux des Amorites dont vous habitez maintenant le pays. Quant à moi et ma famille, nous servirons Yahvé. "
Jos 24:16 And the people answered and said, God forbid that we should forsake the Lord, to serve other gods; Dia namaly ny vahoaka ka nanao hoe: Sanatria raha hahafoy an' i Jehovah izahay ka hanompo izay andriamani-kafa. Dia namaly ny vahoaka, ka nanao hoe: Lavitra anay izay handao an' ny Tompo ka hanompo andriamani-kafa. Le peuple répondit : " Loin de nous d' abandonner Yahvé pour servir d' autres dieux!
Jos 24:17 For the Lord our God, he it is that brought us up and our fathers out of the land of Egypt, from the house of bondage, and which did those great signs in our sight, and preserved us in all the way wherein we went, and among all the people through whom we passed: Fa Jehovah Andriamanitsika, Izy no nitondra antsika sy ny razantsika nivoaka avy tany amin' ny tany Egypta, tany amin' ny trano nahandevozana, ary Izy no nanao ireny famantarana lehibe ireny teo imasontsika ka niaro antsika teny amin' ny lalana rehetra nalehantsika sy teny amin' ny firenena rehetra izay notetezintsika. Fa Iaveh Andriamanitsika no nampiakatra antsika mbamin' ny razantsika avy tany amin' ny tany Ejipta, amin' ny trano fanandevozana ary nanao ireo fahagagana lehite be eto imasontsika ary niaro antsika tamin' ny làlana nalehantsika sy tamin' ny firenena rehetra nandalovantsika. Yahvé notre Dieu est celui qui nous a fait monter, nous et nos pères, du pays d'Égypte, de la maison de servitude, qui devant nos yeux a opéré ces grands signes et nous a gardés tout le long du chemin que nous avons parcouru et parmi toutes les populations à travers lesquelles nous avons passé.
Jos 24:18 And the Lord drave out from before us all the people, even the Amorites which dwelt in the land: therefore will we also serve the Lord; for he is our God. Ary Jehovah nandroaka ny firenena rehetra teo anoloantsika, dia ny Amorita izay nonina teto amin' ny tany; koa izahay koa dia mba hanompo an' i Jehovah, fa Izy no Andriamanitsika. Iaveh nandroaka ny vahoaka rehetra sy ny Amoreana nonina tamin' ity tany ity. Izahay koa hanompo an' ny Tompo fa Andriamanitsika izy. Et Yahvé a chassé devant nous toutes les populations ainsi que les Amorites qui habitaient le pays. Nous aussi, nous servirons Yahvé, car c' est lui notre Dieu. "
Jos 24:19 And Joshua said unto the people, Ye cannot serve the Lord: for he is an holy God; he is a jealous God; he will not forgive your transgressions nor your sins. Ary hoy Josoa tamin' ny vahoaka: Tsy mahay manompo an' i Jehovah ianareo; fa Andriamanitra masina Izy, Andriamanitra saro-piaro Izy ka tsy hamela ny fahadisoanareo sy ny fahotanareo. Dia hoy Josoe tamin' ny vahoaka: Tsy mahatompo an' ny Tompo hianareo, fa izy dia Andriamanitra masina, Andriamanitra saro-piaro; tsy hamela ny fahadisoana amam-pahotanareo. Alors Josué dit au peuple : " Vous ne pouvez pas servir Yahvé car il est un Dieu saint, il est un Dieu jaloux, qui ne tolérera pas vos transgressions ni vos péchés.
Jos 24:20 If ye forsake the Lord, and serve strange gods, then he will turn and do you hurt, and consume you, after that he hath done you good. Raha mahafoy an' i Jehovah ianareo ka manompo andriamani-kafa, dia hiverina Izy ka hampahory anareo sy hahafongana anareo, rehefa nasiany soa. Raha mahafoy an' ny Tompo hianareo, ka manompo andriamani-kafa dia hifototra izy sy hampahory anareo ary handringana anareo izy izay efa nanao soa anareo. Si vous abandonnez Yahvé pour servir les dieux de l'étranger, il vous maltraitera à nouveau et vous anéantira après vous avoir fait du bien. "
Jos 24:21 And the people said unto Joshua, Nay; but we will serve the Lord. Dia hoy ny vahoaka tamin' i Josoa: Tsia; fa Jehovah ihany no hotompoinay. Fa hoy ny vahoaka tamin' i Josoe: Tsia, fa hanomp an' ny Tompo izahay. Le peuple répondit à Josué : " Non! C' est Yahvé que nous servirons. "
Jos 24:22 And Joshua said unto the people, Ye are witnesses against yourselves that ye have chosen you the Lord, to serve him. And they said, We are witnesses. Dia hoy Josoa tamin' ny vahoaka: Vavolombelona ho an' ny tenanareo ianareo fa efa nifidy an' i Jehovah hotompoinareo. Ary hoy ny olona: Eny vavolombelona izahay . Ka hoy Josoe tamin' ny vahoaka: Vavolombelona amin' ny tenanareo hianareo, fa nifidy an' ny Tompo hotompoina. Hoy ny navaliny: vavolombelon' izany izahay. Alors Josué dit au peuple : " Vous êtes témoins contre vous-mêmes que vous avez fait choix de Yahvé pour le servir. " Ils répondirent : " Nous sommes témoins. " -
Jos 24:23 Now therefore put away, said he, the strange gods which are among you, and incline your heart unto the Lord God of Israel. Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an' i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. Ario àry amin' izay ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin' ny Tompo Andriamanitr' Israely ny fonareo. " Alors, écartez les dieux de l'étranger qui sont au milieu de vous et inclinez votre coeur vers Yahvé, Dieu d' Israël. "
Jos 24:24 And the people said unto Joshua, The Lord our God will we serve, and his voice will we obey. Dia hoy ny vahoaka tamin' i Josoa: Jehovah Andriamanitray no hotompoinay ary ny feony no hohenoinay Ka hoy ny vahoaka tamin' i Josoe: Iaveh Andriamanitsika no hotompoinay, ary ny feony no hohenoinay. Le peuple dit à Josué : " C' est Yahvé notre Dieu que nous servirons, c' est à sa voix que nous obéirons. "
Jos 24:25 So Joshua made a covenant with the people that day, and set them a statute and an ordinance in Shechem. Ary dia nanao fanekena tamin' ny vahoaka Josoa tamin' izany andro izany ka nanome azy lalàna sy didy tany Sekema. Nanao fanekena tamin' ny vahoaka Josoe tamin' izany andro izany ka nanome didy aman-dalàna azy ireo tao Sikema. Ce jour-là, Josué conclut une alliance pour le peuple; il lui fixa un statut et un droit à Sichem.
Jos 24:26 And Joshua wrote these words in the book of the law of God, and took a great stone, and set it up there under an oak, that was by the sanctuary of the Lord. Dia nosoratan' i Josoa tao amin' ny bokin' ny lalàn' Andriamanitra ireo teny ireo. ary naka vato lehibe izy ka nanangana azy teo ambanin' ny hazo terebinta, izay teo anilan' ny fitoera-masin' i Jehovah. Nosoratan' i Josoe tamin' ny bokin' ny lalàn' Andriamanitra ireo teny ireo. Naka vato lehibe izy, ka natsangany teo ambanin' ny aoka, teo amin' ny fitoerana voatokana ho an' ny Tompo. Josué écrivit ces paroles dans le livre de la Loi de Dieu. Il prit ensuite une grosse pierre et la dressa là, sous le chêne qui est dans le sanctuaire de Yahvé.
Jos 24:27 And Joshua said unto all the people, Behold, this stone shall be a witness unto us; for it hath heard all the words of the Lord which he spake unto us: it shall be therefore a witness unto you, lest ye deny your God. Dia hoy Josoa tamin' ny vahoaka rehetra; Indro, io vato io ho vavolombelona amintsika; fa efa nahare ny teny rehetra nolazain' i Jehovah tamintsika io, dia ho vavolombelona aminareo io, fandrao handainga amin' Andriamanitrareo ianareo. Dia hoy Josoe tamin' ny vahoaka rehetra: Indro ity vato ity no ho vavolombelona amintsika, fa efa nandre ny teny rehetra nolazain' ny Tompo tamintsika io; ho vavolombeona aminareo koa io, mba tsy handavanareo ny Andriamanitrareo. Josué dit alors à tout le peuple : " Voici, cette pierre sera un témoin contre nous parce qu' elle a entendu toutes les paroles que Yahvé nous a adressées; elle sera un témoin contre vous pour vous empêcher de renier votre Dieu. "
Jos 24:28 So Joshua let the people depart, every man unto his inheritance. Dia nampodin' i Josoa ny vahoaka samy ho any amin' ny lovany avy. Dia nampodin' i Josoe ny vahoaka samy ho any amin' ny lovany avy. Puis Josué renvoya le peuple, chacun dans son héritage.
Jos 24:29 And it came to pass after these things, that Joshua the son of Nun, the servant of the Lord, died, being an hundred and ten years old. Ary rehefa afaka izany zavatra izany, dia maty Josoa, zanak' i Nona, mpanompon' i Jehovah, rehefa folo amby zato taona ny androny. Nony afaka izany dia maty Josoe, zanak' i Nona, mpanompon' ny Tompo, tamin' ny fahafolo amby zaton' ny taonany. Après ces événements, Josué, fils de Nûn, serviteur de Yahvé, mourut, âgé de cent dix ans.
Jos 24:30 And they buried him in the border of his inheritance in Timnathserah, which is in mount Ephraim, on the north side of the hill of Gaash. Dia nalevina tao amin' ny faritanin' ny lovany izy, dia tao Timnata-sera, any amin' ny tany havoan' i Efraima, avaratry ny tendrombohitra Gasa. Nalevina tao amin' ny faritany azony ho zara taniny izy; dia tao Tamnata-Sare, amin' ny tendrombohitra Gaasa. On l' ensevelit dans le domaine qu' il avait reçu en héritage, à Timnat-Sérah, qui est situé dans la montagne d'Éphraïm au nord du mont Gaash.
Jos 24:31 And Israel served the Lord all the days of Joshua, and all the days of the elders that overlived Joshua, and which had known all the works of the Lord, that he had done for Israel. Ary nanompo an' i Jehovah ny Isiraely tamin' ny andro rehetra niainan' i Josoa sy tamin' ny andro rehetra niainan' ny loholona izay velona taorian' i Josoa ka nahalala ny asa rehetra izay nataon' i Jehovah ho an' ny Isiraely Israely nanompo an' ny Tompo, tamin' ny andro rehetra niainan' i Josoe, sy tamin' ny andro rehetra niaian' ireo loholona, velona taorian' i Josoe, izay nahalala ny asa rehetra nataon' ny Tompo nanambinany an' Israely. Israël servit Yahvé pendant toute la vie de Josué et toute la vie des anciens qui survécurent à Josué et qui avaient connu toute l' oeuvre que Yahvé avait accomplie en faveur d' Israël.
Jos 24:32 And the bones of Joseph, which the children of Israel brought up out of Egypt, buried they in Shechem, in a parcel of ground which Jacob bought of the sons of Hamor the father of Shechem for an hundred pieces of silver: and it became the inheritance of the children of Joseph. Ary ny taolan' i Josefa, izay efa nentin' ny Zanak' Isiraely avy tany Egypta, dia naleviny tao Sekema, tao amin' ny tany izay novidin' i Jakoba volafotsy zato tamin' ny zanak' i Hamora, rain' i Sekema; dia tonga lovan' ny taranak' i Josefa izany. Ary ny taolan' i Josefa, izay nentin' ny zanak' Israely avy tany Ejipta, dia nalevina tao Sikema, amin' ilay saha novidin' i Jakoba, nomeny zato kesitasy, tamin' ny taranak' i Hemora, rain' i Sikema, ary tonga fananan' ny taranak' i Josefa ny taolany. Quant aux ossements de Joseph que les Israélites avaient apportés d'Égypte, on les ensevelit à Sichem, dans la parcelle de champ que Jacob avait achetée aux fils de Hamor, père de Sichem, pour cent pièces d' argent, et qui était devenue héritage des fils de Joseph.
Jos 24:33 And Eleazar the son of Aaron died; and they buried him in a hill that pertained to Phinehas his son, which was given him in mount Ephraim. Dia maty koa Eleazara, zanak' i Arona, ka naleviny teo amin' ny havoan' i Finehasa zanany, izay nomena azy tany amin' ny tany havoan' i Efraima. Dia maty Eleazara zanak' i Aarona, ka nalevina tao Gabaà, tanànan' i Finea zanany, izay nomena azy ao amin' ny tendrombohitr' i Efraima. Puis Éléazar, le fils d' Aaron, mourut et on l' ensevelit à Gibéa, ville de son fils Pinhas, qui lui avait été donnée dans la montagne d'Éphraïm.

<-
->