Chapitres et versets citant Rota

  Ruth Rota Rota Livre de Ruth
...............
Rot Rt 1.4 And they took them wives of the women of Moab; the name of the one was Orpah, and the name of the other Ruth: and they dwelled there about ten years. Ary naka vady tamin' ny vehivavy Moabita izy roa lahy: Orpa no anaran' ny anankiray, ary Rota no anaran' ny anankiray; dia nitoetra tany Moaba tokony ho folo taona izy. Naka vady tamin' ny vehivavy Moabita izy ireo, ny iray natao hoe Orfà, ary ny iray natao hoe Rota, dia nipetraka teo sahabo ho folo taona izy ireo. Ils prirent pour femmes des Moabites, l' une se nommait Orpa et l' autre Ruth. Ils demeurèrent là une dizaine d' années.
...............
Rot Rt 1.14 And they lifted up their voice, and wept again: and Orpah kissed her mother in law; but Ruth clave unto her. Dia samy nanandratra ny feony indray izy roa vavy ka nitomany; ary Orpa dia nanoroka ny rafozani-vavy, fa Rota kosa nifikitra taminy ihany. Dia nanandratra ny feony izy ireo, ka nitomany indray. Ary Orpà nanoroka ny rafozany, fa Rota kosa tsy nahasaraka taminy mihitsy. Elles recommencèrent à crier et à pleurer, puis Orpa embrassa sa belle-mère et retourna vers son peuple, mais Ruth lui resta attachée.
...............
Rot Rt 1.16 And Ruth said, Intreat me not to leave thee, or to return from following after thee: for whither thou goest, I will go; and where thou lodgest, I will lodge: thy people shall be my people, and thy God my God: Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao sy hiala amin' ny fanarahana anao; fa izay alehanao no halehako ary izay itoeranao no hitoerako, ny firenenao no ho fireneko, ary ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; Fa hoy Rota: Aza manery ahy handao anao ka hody any lavitra anao, fa izay halehanao no halehako, izay honenanao no honenako, ny firenenao no ho fireneko, ny Andriamanitrao no ho Andriamanitro; Ruth répondit : " Ne me presse pas de t' abandonner et de m'éloigner de toi, car où tu iras, j' irai, où tu demeureras, je demeurerai; ton peuple sera mon peuple et ton Dieu sera mon Dieu.
...............
Rot Rt 1.18 When she saw that she was stedfastly minded to go with her, then she left speaking unto her. Ary rehefa hitany fa mbola mikikitra homba azy ihany Rota, dia nitsahatra tsy niteny taminy intsony izy. Nony hitan' i Noemì fa tapa-kevitra ny hanaraka azy Rota, dia najanony ny teny nandodonany azy. Voyant que Ruth s' obstinait à l' accompagner Noémi cessa d' insister auprès d' elle.
...............
Rot Rt 1.22 So Naomi returned, and Ruth the Moabitess, her daughter in law, with her, which returned out of the country of Moab: and they came to Bethlehem in the beginning of barley harvest. Dia niverina Naomy, ary Rota, vehivavy Moabita, vinantoni-vavy. nomba azy tamin' izy niverina avy tany amin' ny tany Moaba; dia tonga tao Betlehema izy tamin' ny niandohan' ny taom-pijinjana ny vary hordea. Toy izany no nodian' i Noemì, ary niaraka taminy Rota, Moabita, vinantovaviny izay avy any amin' ny tanin' i Moaba. Tonga tao Betleema izy ireo tamin' ny niandohan' ny fijinjana ny orja. C' est ainsi que Noémi revint, ayant avec elle sa belle-fille Ruth, la Moabite, celle qui était revenue des Champs de Moab. Elles arrivèrent à Bethléem au début de la moisson des orges.
...............
Rot Rt 2.2 And Ruth the Moabitess said unto Naomi, Let me now go to the field, and glean ears of corn after him in whose sight I shall find grace. And she said unto her, Go, my daughter. Ary hoy Rota, vehivavy Moabita, tamin' i Naomy: Aoka aho hankany an-tsaha mba hitsimpona salohim-bary eo aorian' izay hahitako fitia eo imasony. Dia hoy izy taminy: Andeha ary, anaka. Ary hoy Rota ilay Moabita tamin' i Noemì: Mba te-handeha ho any an-tsaha aho hitsimpona salohim-bary eo aorian' izay hahitako fitia eo imasony. Ka hoy izy namaly azy: Andeha, anaka. Ruth la Moabite dit à Noémi : " Permets-moi d' aller dans les champs glaner des épis derrière celui aux yeux duquel je trouverai grâce. " Elle lui répondit : " Va, ma fille. "
...............
Rot Rt 2.8 Then said Boaz unto Ruth, Hearest thou not, my daughter? Go not to glean in another field, neither go from hence, but abide here fast by my maidens: Dia hoy Boaza tamin' i Rota: Tsy mandre va ianao, anaka? Aza mandeha hitsimpona any an-tanimbary hafa na miala eto ianao, fa mitoera eto anilan' ny zatovovavy. Dia hoy Booza tamin' i Rota: Izao no izy, anaka: Aza mandeha hitsimpona any amin' ny tanimbary hafa, aza miala eto, fa mijanòna toy izao miaraka amin' ny ankizivaviko. Booz dit à Ruth : " Tu entends, n' est-ce pas ma fille ? Ne va pas glaner dans un autre champ, ne t'éloigne pas d' ici mais attache-toi à mes servantes.
...............
Rot Rt 2.10 Then she fell on her face, and bowed herself to the ground, and said unto him, Why have I found grace in thine eyes, that thou shouldest take knowledge of me, seeing I am a stranger? Dia niondrika sy niankohoka tamin' ny tany Rota ka nanao taminy hoe: Ahoana no mba ahitako fitia eto imasonao sy itsinjovanao ahy, nefa vahiny ihany aho? Tamin' izay dia nidaboka razazavavy ka niankohoka tamin' ny tany, ka nanao taminy hoe: Inona no mba nahitako fitia teo imasonao, ka hiheveranao ahy izay vahiny fotsiny iny? Alors Ruth, tombant la face contre terre, se prosterna et lui dit : " Comment ai-je trouvé grâce à tes yeux pour que tu t' intéresses à moi qui ne suis qu' une étrangère ? " -
...............
Rot Rt 2.14 And Boaz said unto her, At mealtime come thou hither, and eat of the bread, and dip thy morsel in the vinegar. And she sat beside the reapers: and he reached her parched corn, and she did eat, and was sufficed, and left. Ary rehefa tonga ny fotoam-pisakafoana, dia hoy Boaza taminy: Mankanesa atý, ka mihinàna mofo, ary atsobohy amin' ny vinaingitra ny sombi-mofonao. Dia nipetraka teo anilan' ny mpijinja izy; ary nangalan-dralehilahy lango izy, dia nihinana ka voky, ary nisy sisa tsy laniny aza. Nony tonga ny fotoana fisakafoana, dia hoy Booza tamin' i Rota: Mandrosoa hihinana mofo ary atsobohy amin' ny vinaingitra ny tapa-mofonao. Dia nipetraka teo anilan' ny mpijinja izy, ary nomen' i Booza lango. Dia nihinana izy, ka voky, ary ny sisa notehiriziny. Au moment du repas, Booz dit à Ruth : " Approche-toi, mange de ce pain et trempe ton morceau dans le vinaigre. " Elle s' assit donc à côté des moissonneurs et Booz lui fit aussi un tas de grains rôtis. Après qu' elle eut mangé à satiété, elle en eut de reste.
...............
Rot Rt 2.17 So she gleaned in the field until even, and beat out that she had gleaned: and it was about an ephah of barley. Ary nitsimpona tany an-tsaha mandra-paharivan' ny andro Rota, dia nively izay efa voatsimpony, ka nisy vary hordea tokony ho iray efaha. Nitsimpona teo an-tanimbary mandra-paharivan' ny andro izy, dia noveleziny izay voatsimpony, ka orja sahabo ho iray efah. Ruth glana dans le champ jusqu' au soir, et lorsqu' elle eut battu ce qu' elle avait ramassé, il y avait environ une mesure d' orge.
...............
Rot Rt 2.19 And her mother in law said unto her, Where hast thou gleaned to day? and where wroughtest thou? blessed be he that did take knowledge of thee. And she shewed her mother in law with whom she had wrought, and said, The man' s name with whom I wrought to day is Boaz. Dia hoy ny rafozanivavy taminy: Taiza no nitsimponanao androany, ary taiza no nanaovanao? Hotahina anie izay nitsinjo anao. Dia nambarany tamin' ny rafozani-vavy izay efa nitsimponany ka hoy izy: Boaza no anaran' ny lehilahy, izay tompon' ny tanimbary nitsimponako androany Dia hoy ny rafozany taminy: Taiza no nitsimpona hianao androany ary taiza no niasa? Hambinina anie izay nangoraka anao! Nambaran' i Rota tamin' ny rafozany izay olona niasany nataony hoe: Tany amin' ny lehilahy atao hoe Booza aho no niasa androany. " Où as-tu glané aujourd' hui, lui dit sa belle-mère, où as-tu travaillé ? Béni soit celui qui s' est intéressé à toi! " Ruth fit connaître à sa belle-mère chez qui elle avait travaillé; elle dit : " L' homme chez qui j' ai travaillé aujourd' hui s' appelle Booz. "
...............
Rot Rt 2.21 And Ruth the Moabitess said, He said unto me also, Thou shalt keep fast by my young men, until they have ended all my harvest. Ary hoy Rota, vehivavy Moabita: Izao koa no nataony tamiko: Mitoera tsara eo anilan' ny zatovoko ianao mandra-pahatapitry ny fijinjana. Dia hoy Rota, ilay Moabita: Izao koa no nolazainy tamiko: Miaraha amin' ny mpanompoko hianao, mandra-pahataperan' ny fijinjana. Ruth la Moabite dit à sa belle-mère : " Il m' a dit aussi : Reste avec mes serviteurs jusqu'à ce qu' ils aient achevé toute la moisson. "
Rot Rt 2.22 And Naomi said unto Ruth her daughter in law, It is good, my daughter, that thou go out with his maidens, that they meet thee not in any other field. Ary hoy Naomy tamin' i Rota vinantoni-vavy: Tsara izany, anaka, raha miara-mivoaka amin' ny ankizivavy ianao, fandrao hisy haninona anao raha any an-tsaha hafa. Ka hoy Noemì tamin' i Rota vinantony: Tsara, anaka, raha miaraka amin' ny mpanompovaviny hianao, fandrao dia asian' ny olona ratsy, raha any an-tsaha hafa. Noémi dit à Ruth, sa bru : " Il est bon, ma fille, que tu ailles avec ses servantes, ainsi on ne te maltraitera pas dans un autre champ. "
...............
Rot Rt 3.7 And when Boaz had eaten and drunk, and his heart was merry, he went to lie down at the end of the heap of corn: and she came softly, and uncovered his feet, and laid her down. Ary rehefa avy nihinana sy nisotro Boaza, ka faly ny fony, dia nandeha handry teo amin' ny faran' ny antontam-bary izy; fa nandeha nitsaitsaika kosa Rota, dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. Nihinana sy nisotro Booza dia mirana ny fony ka lasa nandry tarý amin' ny faran' ny antontan' amboaram-bary; nitsaitsaika nanatona Rota dia nanonga ny lamba teo an-tongony ka nandry teo. Booz mangea et but, puis, le coeur joyeux, s' en alla dormir auprès du tas d' orge. Alors Ruth s' en alla tout doucement, dégagea une place à ses pieds et se coucha.
...............
Rot Rt 3.9 And he said, Who art thou? And she answered, I am Ruth thine handmaid: spread therefore thy skirt over thine handmaid; for thou art a near kinsman. Dia hoy izy: Iza moa izato? Ary hoy kosa ravehivavy: Rota zatovovavinao aho; mba rakofy ny lambanao ny zatovovavinao, fa havana mahavotra ianao. Dia hoy izy: Iza izato? Ary hoy ny navaliny azy: Izaho no Rota ankizivavinao; mba rakofy ny ila lambanao ny ankizivavinao, fa havana mahazo manavotra hianao. " Qui es-tu ? " dit-il. - " Je suis Ruth, ta servante, lui dit-elle. Étends sur ta servante le pan de ton manteau, car tu as droit de rachat. " -
...............
Rot Rt 3.14 And she lay at his feet until the morning: and she rose up before one could know another. And he said, Let it not be known that a woman came into the floor. Dia nandry teo an-tongony mandra-pahamarain' ny andro Rota, ary nifoha, raha mbola maizimaizina, ilay mbola tsy ahitana tarehy iny. Fa hoy ralehilahy: Aza avela ho fantatr' olona fa tatý am-pamoloana ravehivavy. Dia nijanona nandry teo an-tongony teo izy mandra-pahamarain' ny andro, ary nifoha mbola maizimaizina tsy ahafataran-dahy, fa hoy Booza: Aoka tsy ho fantatr' olona akory fa taty am-pamoloana ity vehivavy ity. Elle resta donc couchée à ses pieds jusqu' au matin, puis elle se leva avant l' heure où un homme peut en reconnaître un autre; il se disait : " Il ne faut pas qu' on sache que cette femme est venue à l' aire. "
...............
Rot Rt 3.16 And when she came to her mother in law, she said, Who art thou, my daughter? And she told her all that the man had done to her. Ary rehefa tonga tany amin' ny rafozani-vavy Rota, dia hoy Naomy: Nanao ahoana izay tany, anaka? Dia nambarany azy izay rehetra nataon-dralehilahy taminy. Nony tonga tany amin-drafozany Rota, dia hoy Noemì: Inona no nataonao, anaka? Dia notantarainy taminy avokoa ny nataon-dralehilahy taminy. Lorsque Ruth rentra chez sa belle-mère, celle-ci lui dit : " Qu' en est-il de toi, ma fille ? " Ruth lui raconta tout ce que cet homme avait fait pour elle.
...............
Rot Rt 4.5 Then said Boaz, What day thou buyest the field of the hand of Naomi, thou must buy it also of Ruth the Moabitess, the wife of the dead, to raise up the name of the dead upon his inheritance. Dia hoy Boaza: Amin' izay andro ividiananao ny tany amin' ny tànan' i Naomy, dia amin' i Rota koa, vehivavy Moabita, vadin' ny maty, no hividiananao azy, mba hamelo-maso ny anaran' ny maty ao amin' ny lovany ianao. Ka hoy Booza: Amin' ny andro hahazoanao ny tany amin' ny tànan' i Noemì dia ho azonao koa izany amin' ny tànan' i Rota, ilay Moabita, vadin' ny maty, mba hamelomanao maso ny anaran' ny maty eo amin' ny lovany. Mais Booz dit : " Le jour où, de la main de Noémi, tu acquerras ce champ, tu acquiers aussi Ruth la Moabite, la femme de celui qui est mort, pour perpétuer le nom du mort sur son patrimoine. "
...............
Rot Rt 4.10 Moreover Ruth the Moabitess, the wife of Mahlon, have I purchased to be my wife, to raise up the name of the dead upon his inheritance, that the name of the dead be not cut off from among his brethren, and from the gate of his place: ye are witnesses this day. Ary Rota koa, vehivavy Moabita, vadin' i Malona, dia lasako ho vadiko hamelo-maso ny anaran' ny maty ao amin' ny lovany, mba tsy ho faty maso ny anaran' ny maty eo amin' ny rahalahiny sy eo amin' ny vavahadin' ny fonenany; ianareo no vavolombelona androany. lasako miaraka amin' izany koa ho vadiko Rota Moabita, vadin' i Mahalòna, mba hamelo-maso ny anaran' ny maty eo amin' ny lovany, ary mba tsy ho faty eo amin' ny rahalahiny sy eo am-bavahadin' ny fonenany ny anaran' ny maty. Hianareo no vavolombelon' izany androany. et que j' acquiers en même temps pour femme Ruth la Moabite, veuve de Mahlôn, pour perpétuer le nom du mort sur son héritage et pour que le nom du mort ne soit pas retranché d' entre ses frères ni de la porte de sa ville. Vous en êtes aujourd' hui les témoins. "
...............
Rot Rt 4.13 So Boaz took Ruth, and she was his wife: and when he went in unto her, the Lord gave her conception, and she bare a son. Ary Boaza dia nampakatra an' i Rota ka nanambady azy; ary Jehovah nampanan' anaka azy, ka niteraka zazalahy izy. Dia nampakarin' i Booza Rota ka tonga vadiny ary nandeha taminy Booza. Ary nampanan' anaka an' i Rota Iaveh ka niteraka zazalahy izy. Booz prit Ruth et elle devint sa femme. Il alla vers elle, Yahvé donna à Ruth de concevoir et elle enfanta un fils.

  The Gospel according to Matthew Matio Matio L'Évangile selon Saint Matthieu
...............
Mat / Mt 1.5 And Salmon begat Booz of Rachab; and Booz begat Obed of Ruth; and Obed begat Jesse; ary Salmona niteraka an' i Boaza tamin-dRahaba; ary Boaza niteraka an' i Obeda tamin-dRota; ary Obeda niteraka an' i Jese; Salmona niteraka an' i Booza tamin' i Rahaba; Booza niteraka an' i Obeda tamin' i Rota; Obeda niteraka an' i Jese; Jese niteraka an' i Davida mpanjaka. Salmon engendra Booz, de Rahab, Booz engendra Jobed, de Ruth, Jobed engendra Jessé,