Chapitres et versets citant Hazaela

  1st Book of Kings 1 Mpanjaka Mpanjaka I 1er Livre des Rois
...............
1Mp 19.15 And the Lord said unto him, Go, return on thy way to the wilderness of Damascus: and when thou comest, anoint Hazael to be king over Syria: Fa hoy Jehovah taminy: Mandehana, miverena amin' ny nalehanao ho any amin' ny efitr' i Damaskosy; ary raha mby any ianao, dia hosory Hazaela ho mpanjakan' i Syria; Fa hoy Iaveh taminy: Mandehana amin' ny dianao indray ho any amin' ny efitr' i Damas; ka rahefa mby any hianao, hosory ho mpanjakan' i Siria Hazaela, Yahvé lui dit : " Va, retourne par le même chemin, vers le désert de Damas. Tu iras oindre Hazaèl comme roi d' Aram.
...............
1Mp 19.17 And it shall come to pass, that him that escapeth the sword of Hazael shall Jehu slay: and him that escapeth from the sword of Jehu shall Elisha slay. Ary izay afa-mandositra ny sabatr' i Hazaela dia hovonoin' i Jeho; ary izay afa-mandositra ny sabatr' i Jeho kosa dia hovonoin' i Elisa. Ka izay ho afa-mandositra ny sabatr' i Hazaela dia hovonoin' i Jehoa, ary izay ho afa-mandositra ny sabatr' i Jehoa dia hovonoin' i Elisea. Celui qui échappera à l'épée de Hazaèl, Jéhu le fera mourir, et celui qui échappera à l'épée de Jéhu, Élisée le fera mourir.

  2nd Book of Kings 2 Mpanjaka Mpanjaka II 2ème Livre des Rois
...............
2Mp 8.8 And the king said unto Hazael, Take a present in thine hand, and go, meet the man of God, and enquire of the Lord by him, saying, Shall I recover of this disease? Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Hazaela: Mitondrà fanomezana eny an-tananao, ka mandehana, mitsenà ilay lehilahin' Andriamanitra, ary manontania izay tenin' i Jehovah aminy ka ataovy hoe: Ho sitrana ihany va aho amin' izao aretiko izao? Dia hoy ny mpanjaka tamin' i Hazaela: Mitondrà fanomezana hianao, mandehana mitsena ilay olon' Andriamanitra, ary izy no anontanio izay tenin' ny Tompo, ataovy hoe: Mbola ho velona amin' ity aretina ity ihany va aho? Alors le roi dit à Hazaèl : "Prends avec toi un présent, va au-devant de l' homme de Dieu et consulte par lui Yahvé pour savoir si je guérirai de ce mal que j' ai."
2Mp 8.9 So Hazael went to meet him, and took a present with him, even of every good thing of Damascus, forty camels' burden, and came and stood before him, and said, Thy son Benhadad king of Syria hath sent me to thee, saying, Shall I recover of this disease? Dia lasa Hazaela nitsena azy sady nitondra fanomezana tamin' izay zava-tsoa rehetra any Damaskosy, dia entana entin-drameva efa-polo; ary tonga izy ka nitsangana teo anatrehany ary nanao hoe: Beni-hadada zanakao, mpanjakan' i Syria, no naniraka ahy ho atý aminao hanontany hoe: Ho sitrana ihany va aho amin' izao aretiko izao? Nandeha nitsena azy Hazaela ary nentiny niaraka taminy hatao fanatitra ho azy izay zava-tsoa indrindra tao Damasa, dia entan-drameva efapolo. Nony tonga izy, dia niseho teo anatrehany, nanao hoe: Irahin' i Benhadada mpanjakan' i Siria zanakao aho, hiteny hoe: Ho velona aorian' ity aretina ity ihany va aho? Hazaèl alla au-devant d' Elisée et emporta en présent tout ce qu' il y avait de meilleur à Damas, la charge de 40 chameaux. Il vint et, se tenant devant lui : "Ton fils Ben-Hadad roi d' Aram, dit-il, m' a envoyé te demander : Guérirai-je de mon mal présent?"
...............
2Mp 8.11 And he settled his countenance stedfastly, until he was ashamed: and the man of God wept. Ary nibanjina azy mandra-pikaodikaodiny izy; ary dia nitomany ny lehilahin' Andriamanitra. Dia nibanjina an' i Hazaela ity olon' Andriamanitra, ka nohandrininy teo io, any ka nahamenatra azy; dia nitomany ny olon' Andriamanitra. Puis ses traits se figèrent, son regard devint fixe à l' extrême, et l' homme de Dieu pleura.
2Mp 8.12 And Hazael said, Why weepeth my lord? And he answered, Because I know the evil that thou wilt do unto the children of Israel: their strong holds wilt thou set on fire, and their young men wilt thou slay with the sword, and wilt dash their children, and rip up their women with child. Ary hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ianao, tompoko? Ary izy namaly hoe: Satria fantatro izay ratsy hataonao amin' ny Zanak' Isiraely: ny fiarovany mafy hodoranao, ny zatovony hovonoinao amin' ny sabatra, ny zanany madinika hotorotoroinao, ary izay bevohoka eo aminy hotatahanao. Ka hoy Hazaela: Nahoana no mitomany ny tompoko? Dia hoy ny navalin' i Elisea: Satria tsinjoko ny ratsy hataonao amin' ny zanak' Israely. Hodoranao amin' ny afo ny tanànany mimanda; hovonoinao amin' ny sabatra ny tovolahy ao aminy, hotorotoroinao ny ankizy madinika, ary hotatahanao ny kibon' ny vehivavy bevohoka. Hazaèl dit : "Pourquoi Monseigneur pleure-t-il?" Elisée répondit : "C' est que je sais le mal que tu feras aux Israélites : tu mettras le feu à leurs places fortes, tu tueras par l'épée l'élite de leurs guerriers, tu écraseras leurs petits enfants, tu éventreras leurs femmes enceintes."
2Mp 8.13 And Hazael said, But what, is thy servant a dog, that he should do this great thing? And Elisha answered, The Lord hath shewed me that thou shalt be king over Syria. Fa hoy Hazaela: Fa zinona moa ny mpanomponao, dia ity alika ity, no dia hahavita izany zavatra lehibe izany? Fa Elisa namaly hoe: Efa nasehon' i Jehovah tamiko fa, indro, ianao ho mpanjakan' i Syria. Fa hoy Hazaela: Zinona moa ny mpanomponao, izay alika foana ity, no dia hahavita zava-dehibe toy izany? Ary namaly Elisea: Efa nasehon' ny Tompo tamiko fa ho mpanjakan' i Siria hianao. Hazaèl dit : "Mais qu' est ton serviteur? Comment ce chien pourrait-il accomplir cette grande chose?" Elisée répondit "Dans une vision de Yahvé, je t' ai vu roi d' Aram."
2Mp 8.14 So he departed from Elisha, and came to his master; who said to him, What said Elisha to thee? And he answered, He told me that thou shouldest surely recover. Dia niala tamin' i Elisa izy ka nankany amin' ny tompony; ary izy nanontany azy hoe: Ahoana no nolazain' i Elisa taminao? Dia namaly hoe izy: Nolazainy tamiko fa ho velona tokoa ianao. Nony niala teo amin' i Elisea Hazaela dia niverina nankao amin' ny tompony, ka nanontaniany hoe: Ahoana no nolazain' i Elisea taminao? Ary namaly izy hoe: Izao no nolazainy: Ho velona marina tokoa hianao. Hazaèl quitta Elisée et alla chez son maître, qui lui demanda "Que t' a dit Elisée?" Il répondit : "Il m' a dit que tu pourrais guérir."
2Mp 8.15 And it came to pass on the morrow, that he took a thick cloth, and dipped it in water, and spread it on his face, so that he died: and Hazael reigned in his stead. Ary nony ampitso, dia nalain' i Hazaela ny lamba firakotra ka natsobony tamin' ny rano ary nasarony ny tavan' i Beni-hadada, ka dia maty izy; ary Hazaela no nanjaka nandimby azy. Ny ampitson' izay naka firakofana anankiray Hazaela natsobony tamin' ny rano, dia nasarony ny tavan' ny mpanjaka, ka maty io. Ary Hazaela no nanjaka nandimby azy. Le lendemain, il prit une couverture, qu' il trempa dans l' eau et étendit sur sa figure. Ben-Hadad mourut et Hazaèl régna à sa place.
...............
2Mp 8.28 And he went with Joram the son of Ahab to the war against Hazael king of Syria in Ramothgilead; and the Syrians wounded Joram. Ary niaraka tamin' i Jorama, zanak' i Ahaba, izy mba hiady amin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria, tany Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an' i Jorama. Niara-nandeha tamin' i Jorama, zanak' i Akaba izy, hiady amin' i Hazaela mpanjakan' i Siria, tany Ramota, any Galaada. Voaratran' ny Siriana Jorama, Il alla avec Joram fils d' Achab pour combattre Hazaèl, roi d' Aram, à Ramot de Galaad. Mais les Araméens blessèrent Joram.
2Mp 8.29 And king Joram went back to be healed in Jezreel of the wounds which the Syrians had given him at Ramah, when he fought against Hazael king of Syria. And Ahaziah the son of Jehoram king of Judah went down to see Joram the son of Ahab in Jezreel, because he was sick. Dia niverina Jorama mpanjaka mba hotsaboina tao Jezirela amin' ny feriny tamin' ny nahavoazan' ny Syriana azy tao Rama, fony izy niady tamin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria. Ary Ahazia, zanak' i Jehorama, mpanjakan' ny Joda, nidina hamangy an' i Jorama, zanak' i Ahaba, teo Jezirela, satria narary izy. ka niverina ho any Jezrahela hampitsabo tena amin' ny ratra namelezan' ny Siriana azy tany Ramota, fony izy niady tamin' i Hazaela mpanjakan' i Siria. Nidina Okoziasa zanak' i Jorama mpanjakan' i Jodà, hamangy an' i Jorama zanak' i Akaba ao Jezrahela fa narary izy. Le roi Joram revint à Yizréel pour faire soigner les blessures reçues à Ramot lorsqu' il combattait Hazaèl roi d' Aram, et Ochozias fils de Joram, roi de Juda, descendit à Yizréel pour visiter Joram fils d' Achab parce qu' il était souffrant.
...............
2Mp 9.14 So Jehu the son of Jehoshaphat the son of Nimshi conspired against Joram. (Now Joram had kept Ramothgilead, he and all Israel, because of Hazael king of Syria. Ary Jeho, zanak' i Josafata, zanak' i Nimsy, nikomy tamin' i Jorama (fa Jorama mbamin' ny Isiraely rehetra niaro an' i Ramota-gileada noho ny fananihan' i Hazaela, mpanjakan' i Syria, azy; Nanao teti-dratsy Jeho zanak' i Josafata, zanak' i Namsì, hamely an' i Jorama. Jorama sy Israely rehetra tamin' izany, dia niaro an' i Ramota any Galaada, tsy ho azon' i Hazaela mpanjakan' i Siria, Jéhu fils de Yehoshaphat fils de Nimshi forma une conspiration contre Joram. Joram, avec tout Israël, gardait alors Ramot de Galaad contre une attaque de Hazaèl, roi d' Aram.
2Mp 9.15 But king Joram was returned to be healed in Jezreel of the wounds which the Syrians had given him, when he fought with Hazael king of Syria.) And Jehu said, If it be your minds, then let none go forth nor escape out of the city to go to tell it in Jezreel. Nefa Jorama mpanjaka efa niverina hotsaboina tao Jezirela amin' ny feriny tamin' ny nahavoazan' ny Syriana azy, fony izy niady tamin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria), ka dia hoy Jeho; Raha izany ary no sitrakareo, aza avela hisy hiala eto an-tanàna handeha hilaza izany any Jezirela. saingy niverina nankany Jezrahela Jorama mpanjaka hampitsabo tena amin' ny ratra nahavoazan' ny Siriana azy, tamin' izy niady tamin' i Hazaela mpanjakan' i Siria. Ka hoy Jeho: Raha maniry izany ary hianareo, aza misy mitsoaka eto an-tanàna ny olona, ka andeha hilaza izany any Jezrahela. Mais le roi Joram était revenu à Yizréel pour faire soigner les blessures que les Araméens lui avaient infligées dans les combats qu' il soutenait contre Hazaèl, roi d' Aram. Jéhu dit : "Si c' est votre sentiment, que personne ne s'échappe de la ville et n' aille porter la nouvelle à Yizréel!"
...............
2Mp 10.32 In those days the Lord began to cut Israel short: and Hazael smote them in all the coasts of Israel; Tamin' izany andro izany no niantombohan' ny nanakelezan' i Jehovah ny Isiraely; fa Hazaela namely azy tamin' ny sisin-tanin' ny Isiraely rehetra Tamin' izany andro izany no niantombohan' ny nanabangan' ny Tompo ny tanin' Israely. Noresen' i Hazaela hatraiza hatraiza ny Israelita tamin' ny sisin-tanin' Israely; En ce temps-là, Yahvé commença à tailler dans Israël et Hazaèl battit les Israélites dans tout le territoire
...............
2Mp 12.18 And Jehoash king of Judah took all the hallowed things that Jehoshaphat, and Jehoram, and Ahaziah, his fathers, kings of Judah, had dedicated, and his own hallowed things, and all the gold that was found in the treasures of the house of the Lord, and in the king' s house, and sent it to Hazael king of Syria: and he went away from Jerusalem. Ary tamin' izany dia niakatra Hazaela, mpanjakan' i Syria, ary namely an' i Gata ka nahafaka azy; ary nizotra niakatra hamely an' i Jerosalema koa izy. Tamin' izany, niakatra namely an' i Geta, Hazaela, mpanjakan' i Siria, ka nahafaka azy. Dia nikasa hiakatra hamely an' i Jerosalema izy. Alors Hazaèl, roi d' Aram, partit en guerre contre Gat et la prit, puis il se disposa à monter contre Jérusalem.
2Mp 12.19 And the rest of the acts of Joash, and all that he did, are they not written in the book of the chronicles of the kings of Judah? Ary Joasy, mpanjakan' ny Joda, naka ny zavatra rehetra izay nohamasinin' ny mpanjakan' ny Joda razany, dia Josafata sy Jehorama sy Ahazia, mbamin' ny zavatra nohamasinin' ny tenany koa sy ny volamena rehetra hita tamin' ny rakitra, na ny tao an-tranon' i Jehovah, na ny tao an-tranon' ny mpanjaka, ary nampitondrainy ho any amin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria, izany; ka dia niverina tsy nankany Jerosalema Hazaela. Fa nalain' i Joasa mpanjakan' i Jodà kosa ny zava-boahasina rehetra izay nohamasinin' ny razany, Josafata, Jorama, Okoziasa mpanjakan' i Jodà, sy izay nohamasin' ny tenany, mbamin' ny volamena rehetra izay tao amin' ny rakitry ny tranon' ny Tompo sy ny tranon' ny mpanjaka; ka nampanateriny ho an' i Hazaela mpanjakan' i Siria avokoa izany, dia lasa lavitra an' i Jerosalema izy io. Joas, roi de Juda, prit tout ce qu' avaient consacré les rois de Juda, ses pères, Josaphat, Joram et Ochozias, ce qu' il avait consacré lui-même et tout l' or qu' on trouva dans les trésors du Temple de Yahvé et du palais royal; il envoya le tout à Hazaèl, roi d' Aram, et celui-ci s'éloigna de Jérusalem.
...............
2Mp 13.3 And the anger of the Lord was kindled against Israel, and he delivered them into the hand of Hazael king of Syria, and into the hand of Benhadad the son of Hazael, all their days. Ary ny fahatezeran' i Jehovah nirehitra tamin' ny Isiraely, ka dia natolony teo an-tanan' i Hazaela, mpanjakan' i Syria, sy teo an-tanan' i Beni-hadada, zanak' i Hazaela, mandrakariva izy. Ka nirehitra tamin' Israely ny fahatezeran' ny Tompo dia natolony teo an-tànan' i Hazaela mpanjakan' i Siria sy teo an-tanan' i Benhadada zanak' i Hazaela mandrakariva izy. Alors la colère de Yahvé s' enflamma contre les Israélites et il les livra à Hazaèl, roi d' Aram, et à Ben-Hadad, fils de Hazaèl, tout le temps.
...............
2Mp 13.22 But Hazael king of Syria oppressed Israel all the days of Jehoahaz. Ary Hazaela, mpanjakan' i Syria, nampahory ny Isiraely tamin' ny andro rehetra nanjakan' i Joahaza. Tamin' ny andro rehetra nanjakan' i Joakaza dia nampahory an' Israely Hazaela mpanjakan' i Siria. Hazaèl, roi d' Aram, avait opprimé les Israélites pendant toute la vie de Joachaz.
...............
2Mp 13.24 So Hazael king of Syria died; and Benhadad his son reigned in his stead. Ary maty Hazaela, mpanjakan' i Syria; ary Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy. Ary maty Hazaela mpanjakan' i Siria, ka Benhadada zanany no nanjaka nandimby azy. Hazaèl, roi d' Aram, mourut et son fils Ben-Hadad régna à sa place.
2Mp 13.25 And Jehoash the son of Jehoahaz took again out of the hand of Benhadad the son of Hazael the cities, which he had taken out of the hand of Jehoahaz his father by war. Three times did Joash beat him, and recovered the cities of Israel. Ary Joasy, zanak' i Joahaza, naka indray teo an-tànan' i Beni-hadada, zanak' i Hazaela, ny tanàna izay efa nalain' i Hazaela teo an-tànan' i Joahaza, rain' i Joasy, tamin' ny ady. Intelo no nandresen' i Joasy azy, ka dia azony indray ny tanànan' ny Isiraely. Nalain' i Joasa zanak' i Joakaza teo an-tanan' i Benhadada zanak' i Hazaela ireo tanàna nalain' i Hazaela tamin' ny adin' izy sy Joakaza rainy. Namely azy intelo Joasa dia azony indray ny tanànan' Israely. Alors Joas, fils de Joachaz, reprit des mains de Ben-Hadad, fils de Hazaèl, les villes que Hazaèl avait enlevées par les armes à son père Joachaz. Joas le battit trois fois et recouvra les villes d' Israël.

  2nd Book of Chronicles 2 Tantara Tantara II 2ème Livre des Chroniques
...............
2Tt / 2Tan 22.5 He walked also after their counsel, and went with Jehoram the son of Ahab king of Israel to war against Hazael king of Syria at Ramothgilead: and the Syrians smote Joram. Ary ny saina nomen' ireo azy no narahiny, ka niara-nandeha tamin' i Jorama, zanak' i Ahaba, mpanjakan' ny Isiraely, izy hiady tamin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria, teo Ramota-gileada; ary ny Syriana nahavoa an' i Jorama. Noho ny torohevitra nomeny azy koa no nandehanany niaraka tamin' i Jorama zanak' i Akaba mpanjakan' Israely, hiady amin' i Hazaela mpanjakan' i Siria, tany Ramota-Galaada. Nandratra an' i Jorama ny Siriana. Il suivit en outre leur politique et alla avec Joram, fils d' Achab, roi d' Israël, pour combattre Hazaèl, roi d' Aram, à Ramot de Galaad. Mais les Araméens blessèrent Joram;
2Tt / 2Tan 22.6 And he returned to be healed in Jezreel because of the wounds which were given him at Ramah, when he fought with Hazael king of Syria. And Azariah the son of Jehoram king of Judah went down to see Jehoram the son of Ahab at Jezreel, because he was sick. Dia niverina mba hotsaboina tao Jezirela izy amin' ny feriny tamin' ny nahavoazana azy tao Rama, fony izy niady tamin' i Hazaela, mpanjakan' i Syria. Ary Azaria, zanak' i Jehorama, mpanjakan' ny Joda, nidina mba hamangy an' i Jorama, zanak' i Ahaba, tao Jezirela, satria marary izy. Dia niverina tao Jezrahela Jorama hotsaboina amin' ny ratra nahavoazan' ny Siriana azy tao Ramà, fony izy niady tamin' i Hazaela mpanjakan' i Siria. Ary Azariasa zanak' i Jorama mpanjakan' i Jodà, nidina tany Jezrahela hamangy an' i Jorama zanak' i Akaba fa narary izy. il revint à Yizréel pour faire soigner les blessures reçues à Ramot en combattant Hazaèl, roi d' Aram. Ochozias, fils de Joram, roi de Juda, descendit à Yizréel, pour visiter Joram, fils d' Achab, parce qu' il était souffrant.

  Book of Amos Amosa Amosy Livre d'Amos
...............
Amo / Am 1.4 But I will send a fire into the house of Hazael, which shall devour the palaces of Benhadad. Fa haterako afo ny tranon' i Hazaela, ka handevona ny tranoben' i Beni-hadada izany. dia handefasako afo ny tranon' i Hazaely ka handevona ny lapan' i Ben-Hadada izany. j' enverrai le feu dans la maison d' Hazaèl et il dévorera les palais de Ben-Hadad;