Index

Proverbes : amonoana

Proverbe 1Fosa lava ohy tsy amonoana akoho mamàna. [1.147 #F41]

Proverbe 2Moa dia fitia te-hihinan-kena ve no hamonoana ny ombin' Andriana marani-tsofina. [2.558 #2535]
Moa dia ny fitia te-hihinan-kena va no hamonoana ny ombin’ Andriana marani-tsofina ? [2.653]

Proverbe 3Namono akoho tsara ihany, ka namonoam-borombe vao torana! [2.558 #2736]
Namonoana akoho tsara ihany ; ka namonoam-borombe vao torana. [2.653]

Proverbe 4Raha ny tokan-tsy tia tsy hamonoako tena, fa raha ny be sy ny maro, hisotro tsingala aho ho faty. [2.558]
Raha olona iray no tsy tia ahy, mitoto koba aho hatavy; fa raha ny be sy ny maro no tsy tia ahy, hisotro tsingala aho ho faty. [2.165]
Traduction françaiseSi je ne suis haï que d' un seul, je préparerai de la farine pour m' engraisser; mais si tous me haïssent, j' avalerai une "tsingala" pour mourir. [2.165]
Interprétation françaiseLa "tsingala" est un insecte aquatique que l' on prétend être fatal à qui l'avale. Je n' ai plus qu' à disparaître. [2.165]

Proverbe 5Raha sery ho sitran’ ny anamalaho ihany, ka aleo mitady vantotr’ akoho ho sahirana ? [2.653]
Raha sery ho vitan' ny anamalaho ihany, nahoana no mitady vantotr' akoho ho sahirana? [2.415 #2822]
Raha sery vitan' anamalaho, aza amonoana vatotr' akoho. [2.558 #3655]
Sery vitan' anamalaho ka handaniana vantotr' akoho. [1.1]
Sery vitan' ny anamalaho, ka no hamonoana vatotr' akoho! Ny hihitra anefa mampisara-mianakavy. [2.558]
Interprétation malgacheNampiasain' ny Ntaolo ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr' akoho. [1.1]
Traduction françaiseSi c'est un rhume que la plante anamalaho peut guérir, pourquoi chercher un poulet et se donner tant de peine? [2.415 #2822]
Interprétation françaiseIl faut proportionner les remèdes aux maux à guérir. [2.415 #2822]

Index