Index

Proverbes : mihambo

Proverbe 1Aza manao toy ny osy ; mihambo tena, fa izy ihany. [2.165]
Aza manao toy ny vorontsiloza ; mihambo tena, fa izy ihany. [2.165]
Traduction françaiseNe faites pas comme le dindon (ou la chèvre); ils prétendent pouvoir faire toutes sortes de choses sans pour cela être autre chose que ce qu' ils sont. [2.165]

Proverbe 2Mihambohambo tsy tia karama, kanefa raha tsy ny vola, mitomany. [2.653 #1763]
Mihambo tsy tia karama, nefa raha tsy ny vola, mitomany. [2.558 #2311]

Proverbe 3Mihambo ny soa tsy ananana ka vao midify dia fosain' ny olona. [2.558 #2309]

Proverbe 4Mihambo ray, toa zazahova. [2.558 #2310, 2.653 #1761, 2.165]
Traduction françaiseSe vanter de son père, comme un enfant Hova. [2.165]

Proverbe 5Mihambo tsy tia vary mohaka, kanjo nony homana atosika fotsiny. [2.558 #2310]

Proverbe 6Mihambo tsy tia vary mohaka; kanjo nony homana, zary varatra. [2.653 #1762]

Proverbe 7Namehana no masa-boasary, ka Manjakaray no mihambo zaza. [2.415 #3863, 2.653 #2076, 2.558]
Traduction françaiseCe sont les gens de Namehana qui ont des oranges mûres, et ce sont ceux de Manjakaray qui prétendent avoir des enfants. [2.415 #3863]
Interprétation françaiseCes villages avaient cette réputation. [2.415 #3863]

Proverbe 8Ny mihambo mora, fa ny manana tsy efa foana. [2.558 #3146]

Proverbe 9Raha mpivady mikorontan-dava, aza mihambo miadana, fa lainga. [2.558 #3629]

Proverbe 10Sandry mihambo akanjo, kibay mihambo omby. [2.415 #5876, 2.558 #251, 2.653 #2860]
Traduction françaiseLe bras prétend à une manche de vêtement, le gourdin appelle un boeuf. [2.415]
Interprétation françaiseSe disait des désirs. [2.415 #5876]

Index