Index

Proverbes : paohina

Proverbe 1Ny saina toy ny farango, raha tsotra loatra tsy mahazo, raha melo-doatra mipaoka ny tokony tsy hopaohina. [2.558 #3234]
Ny saina toy ny havitra: koa raha tsotra loatra, tsy mitondra; ary raha melo-doatra, mipaoka izay tsy hopaohina. [2.165 #2176]
Traduction françaiseL' esprit (ou l' intelligence) est comme une broche: s' il est trop simple (litt. droit), il n' attrape rien; et s' il est trop recourbé, il emporte (Litt. rafle) ce qui ne devrait pas être emporté. [2.165]

Proverbe 2Papango fotsy elatra : tsy mipaoka ny an' olona ary tsy paohin' ny an' olona. [2.558 #3476]
Papango fotsy elatra: tsy mipaoka olona, tsy paohin’ olona. [2.653 #2591]

Proverbe 3Tsy hita izay hiainana, fa hoatry ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano ; mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.415 #5833]
Tsy hita izay hiainana, fa ohatra ny tsindretra anaty tambiazina: mankamy ny marivo, tsindrohin’ ny vano; mankamy ny lalina, paohin’ ny mamba. [2.653]
Tsy hita izay hiainana, fa toy ny tsindretra anaty tambiazina : mankamin' ny marivo, tsindrohin' ny vano, mankamin' ny lalina, paohin' ny mamba. [2.558 #4496]
Traduction françaiseOn ne sait comment vivre, car on est comme les larves de libellules dans une eau ferrugineuse : si elles sont dans les endroits peu profonds, le héron les prend une à une avec le bec ; si elles sont dans les endroits profonds, le caïman les rafle. [2.415 #5833]

Index