Index

Proverbes : sahirana

Proverbe 1Faly sahirana hoatry ny mpisorona afo homan-koditra. [2.415 #5538]
Faly sahirana, ohatra ny mpisoron-afo homan-koditra. [2.653]
Faly sahirana toy ny mpisorona afo homan-koditra. [2.558 #74]
Traduction françaiseContent et embarrassé tout ensemble comme celui qui, en attisant le feu, mange de la peau. [2.415 #5538]
Interprétation françaiseSe disait des honneurs ou des biens mélangés de tracas. [2.415 #5538]

Proverbe 2Faly sahirana ohatra ny akohokely tsipazam-potsimbary. [1.1 #45]
Interprétation malgacheEnti-milaza olona nahazo soa betsaka mitontohitra ka diboky ny hafaliana nefa sahirana indray fa toa tsy hita izay horaisina. [1.1 #45]

Proverbe 3Lehibe miana-poto-tsarika, koa sahirana. [1.1]
Lehibe vao miana-poto-tsarika, ka sahirana. [2.165 #1916, 2.415 #1642, 2.558 #1781]
Lehibe vao miana-poto-tsarika, koa sahirana. [2.653 #1362]
Tsy toha ny lehibe miana-poto-tsarika. [2.415 #1743]
Interprétation malgacheEntimilaza ny olona izay efa lehibe vao mianatra manenona (na manao asa iray) ka mananosarotra aoka izany. [1.1]
Traduction françaiseCelui qui apprend trop tard une chose même facile, comme le tissage des fibres de bananier, est fort embarrassé. [2.415 #1642]
Être vieille avant de commencer à apprendre à tisser les fibres de bananier, et être embarrassée. [2.165]
Apprendre trop tard à tisser les fibres du bananier, voilà qui est impossible. [2.415 #1743]
Interprétation françaiseCe proverbe signifiait qu'il fallait commencer de bonne heure ; il se disait aussi des choses difficiles à apprendre. [2.415 #1642]
C' est quand on est jeune qu' il faut apprendre. [2.165]
Il ne faut pas s' y prendre trop tard. [2.415 #1743]

Proverbe 4Raha sery ho sitran’ ny anamalaho ihany, ka aleo mitady vantotr’ akoho ho sahirana ? [2.653]
Raha sery ho vitan' ny anamalaho ihany, nahoana no mitady vantotr' akoho ho sahirana? [2.415 #2822]
Raha sery vitan' anamalaho, aza amonoana vatotr' akoho. [2.558 #3655]
Sery vitan' anamalaho ka handaniana vantotr' akoho. [1.1]
Sery vitan' ny anamalaho, ka no hamonoana vatotr' akoho! Ny hihitra anefa mampisara-mianakavy. [2.558]
Interprétation malgacheNampiasain' ny Ntaolo ho ody sery ny anamalaho noho izy mafanafana ka raha mbola misy anamalaho koa, naleony nitsitsy nanao ro misy anamalaho toy izay namono vantotr' akoho. [1.1]
Traduction françaiseSi c'est un rhume que la plante anamalaho peut guérir, pourquoi chercher un poulet et se donner tant de peine? [2.415 #2822]
Interprétation françaiseIl faut proportionner les remèdes aux maux à guérir. [2.415 #2822]

Index