Index

Proverbes : voalohany

Proverbe 1Andrianjafy nanao ny lalàna no nihinana ny fotsimbary aloha. [2.165, 2.415]
Andrianjafy nanao ny lalàna no nihinana ny fotsimbary nialoha. [2.653]
Andrianjafy nanao ny lalàna no nihinana ny fotsimbary voalohany. [2.558 #232]
Traduction françaiseC' est Andrianjafy, le législateur, qui a mangé du riz blanc le premier. [2.415 #277]
C' est Andrianjafy, le législateur qui a mangé le riz blanc le premier. [2.165]
Interprétation françaiseHommage rendu au législateur. [2.415 #277]

Proverbe 2Malemy amy ny voalohany, fa sarotra amy ny farany. [2.653 #1462]
Malemy amin' ny voalohany fa sarotra amin' ny farany. [2.415 #6231, 2.558 #1936]
Traduction françaiseFacile dans les débuts, mais difficile à la fin. [2.415 #6231]

Proverbe 3Ny fanambadiana tahaka ny kotrokorana : ny voalohany ihany no mahamanina, fa ny aoriana tselatra sy varatra be ihany. [2.653]
Ny fanambadiana toy ny kotrok' orana, ny voalohany no mahamanina fa aoriana mampanahy. [2.558 #2955]

Index