Dox : Amina Batsola

Tsy ela akory ny nitaovany sy ny famoriany ho maro.
May ny ain' i Batsola amin' izay ho enti-miaro
Ny ain-dRasata amin' izao fanafihana azy izao.
Niresahany mangina ny amin' ny tetika hatao.
(Lasa ireo Sakalava, tonga Lefahitra)

Batsola :
Mitadiava hianao olona azontsika hokaramaina
Hitondra lefona voapoizina nefa tsy hahalatsaka aina
Hamelezana an-dRasata toy ny tamin' ny teo taloha
Ary hotsahivina azy rehefa ity izy voa.
Ny efa nitsaboako azy, ka tena nahavonjy ny ainy
Ary ny hiaviako indray raha toa ka ilainy
(miteny irery) Manina azy mantsy aho, ka ny manina v[?]
Nefa ho aiza ny efa resy amin' ny voatsangan-kiady.

Lefahitra :
(sady manoio-tanàna mandray ny vola)
Matokia ny mpanjaka, izao ankehitriny izao
Lasa aho ka hitady sy hihevitra ny hatao.
Hidi-droa anio ny vola, tena mety raha ny tetika
Enga anie ny toy itony mba hiseho matetitetika
(mafy tanteraka ny jiro)
(Vohimarina ny décor)

Lefahitra :
Tena tezitra aok' izany amin' izao fotoana izao
Ireo andriana sakalava nilaza fa hanao
Fanafihana makotroka. Izy rehetra nisafoaka !

Rasata :
Noho izany dia azo ambara fa ny ady dia hipoaka !
Misaotra anao ry Lefahitra mahatatitra izany !
Ndeha indray mijerijery izay miseho any ho any.

Lefahitra :
Avy hatrany dia homanina tafika hoentina hanoherana.
Hotiliana tsy an-kijanona ny manodidina ny toerana.
Ary koa hisy tily halefa amin' ny vava-tany..
Hisy maro izy ireny hiparitadritaka any.
Ka ny andraikítra ho tanany dia hanao fifampitohizana.
(maty iray segondra ny jiro)

Mpitantara :
Dia niseho ny Sakalava ka nandiso fanampoizana
Fa misa an' arivony, namely amin' ny toera-maro
Mafy ady, nisaritaka ny miaramila hova niaro
Ireo toera-famaharana, indrindra fa ny vavahady
Matetika no mifanolotra ka lasa tolona ny ady !
Mivezika etsy sy eroa Rasata mampitohy ny hery
Sy ny teti-pamelezana... Nisy fahavalo niery
Tafatsofoka tanatiny nahatazana azy indrindra,
Ka tamin' ny fotoana iray nandehanany indrindra,
Dia nahatora-defona azy eo amin' ny ilasorony.
Avy tamin' i Lefahitra no nidirany ; natorony
Ny lala-miafina iray izay tsy nisy nahafantatra.
Potraka ary izao Rasata nefa akory tsy hiatatra

Takila 1-2
Takila 3-4
Takila 5-6
Takila 7-8
Takila 9-10
Takila 11-12
Takila 13-14
Takila 15-16
Takila 17-18
Takila 19-20
Takila 21-22
Takila 23-24
Takila 25-26
Takila 27-28
Takila 29-30
Takila 33-34
Takila 35-36
Takila 37-38
Takila 39-40
Takila 41-42
Takila 43-44