[ny anona (tono] nina ireo zava-pady ireo) afaka aho izay ka tsy maninona na mihinana sy manao izany aza ».

Izany no fanafahana na fanavotana azo atao ny amin'ireo fadin-drazana ireo. « Mandrara faly » no anaran’ireo zavatra ireo, izany hoe : Mandrara sy manafaka ny fady, izay tsy azo atao ho azo atao satria avotan’io zavatra io.

Mahafinaritra lahy ny fanavotana itokisan’ny Kristianina fa tsy mba ny ran’ny akoho na ny ran’ny omby araky ny finoan’ny Bara, na ny ran’ny osy lahy sy ny ondry toy ny an’ny Jiosy, fa ny ra soan’i Kristy zanak’ondrin’Andriamanitra izay tsy misy kilema na pentipentina. 

Toko V : Ny finoan’ny Bara ny amin’ny fisoronana

1- Ny fifidianana izay hatao mpisorona

Raharaha lehibe ny fisoronana fa mihatra amin'Andriamanitra sy ny raza [na ka izay hanao]