| Entrée (1/2) | 1 B ~ b
![]() |
| Partie du discours | 2 nom (symbole) |
| Explications en malgache |
3 tarehintsoratra faharoa amin'ny Abidia, ary renitsoratra voalohany.
4 Isan'ireo tsy mba azo tononina mazava manokana raha 5 tsy miaraka amin'ny anankiray amin'ny zanatsoratra a, e, i, o, y. 6 (Jereo koa A). Ny tsi-itovian'ny zanatsoratra sy ny renitsoratra: 7 ny zanasoratra dia feo alefan'ny havokavoka, mivoaka tsotra 8 amin'ny vava; ny renitsoratra kosa: feo alefan'ny havokavoka, 9 izay tsy afa-mivoaka amin'ny vava raha tsy mamaky, na manohitra 10 fisakanana samy hafa: tenda na traotraoka, lanilany, lela, nify, 11 molotra. 12 (Ny teny hoe Abidia dia noforonin'ny taty amintsika hatao anaran'ny 13 fitambaran'ny tarehintsoratra rehetra, 21, anoratana ny fiteny malagasy 14 araka ny feo hita aminy; ny anaran'ny tarehintsoratra telo voalohany 15 no natohy: a, b, d, araka ny fanononana azy amin'ny tenin'ny Angley 16 Vazaha nanolotra azy tamin-dRadama Rainy. Amin'ny firenena maro any an-dafy 17 dia: Alphabeth, no iantsoana ny fitambaran'ny tarehintsoratra rehetra, 18 25 na 26, ets.: teny foronina kosa amin'ny anaran'ny tarehintsoratra 19 roa voalohany: Alpha, beth (na beta), amin'ny fiteny grika, ets., 20 avy amin'ny Fenesianana, na Foinikana. -- 21 Ny Frantsay manao hoe koa: "l'Abécédaire"). 22 23 Tarehintsoratra faharoa hatrany ny B ao amin'ny Abidian'ny firenena maro, 24 hatramin'ny fahagola. Hita amin'ny fiteny hebreo (sy Semitika) izany 25 (Salamo 119; Fitomaniana 3). Amin'ny antokon'ny tarehintsoratra 26 tononina ami-molotra ny B, naman'ny F, P, V. 27 Raha hanonona azy dia akambana ny molotra ambony sy ambany, 28 dia ezahina sokafana, mandefa feo toy ny mipoaka avy eo afovoany, 29 fipoaka malefadefaka kokoa noho ny amin'ny F sy ny V. 30 Ivahan'ny fanononana ny B amin'ny P koa: tsy ny molotra fotsiny no 31 manonona ny B fa somary ny tenda koa. -- 32 Izao tarehin'ny B ankehitriny izao dia azony avy amin'ny sary 33 solontsoratra ejiptiana (hieroglifa) fahagola, ary nifandovana 34 tamin'ny an'ny firenena samy hafa, nisy fiovaovana be ihany 35 na tamin'ny fijorony, na tamin'ny fandehan'ny tangoliny, 36 ny kibony, ets.; anefa dia raikitra be izao izy nony mby teo amin'ny 37 Latina -- dia B kapitaly sy b kely: ny kapitaly dia misy andry na ranjo 38 iray mijoro, mitondra avy eto anoloana kibo roa mifanongoa; 39 ny b kely, kibo iray eo ambany ihany. 40 Isan'izay tarehintsoratra fandravaka indrindra amin'ny sorakalina, 41 ny gotika, ets. ny B. 42 43 Amin'ny Frantsay, ny B dia atao famantarana samy hafa: ilazana ny 44 laharana faharoa, ohatra: ny tohatra B. Ny vola frantsay 45 natonta tany Rouen dia voamarika B, ary ny tany Strasbourg, BB. 46 Amin'ny barometra, famantarana ny toetry ny andro, ny B dia 47 milaza "tsara". -- Ny olona kilemaina dia atao hoe 48 "olona vita B", noho ny anaran-takaitram-batana be miantomboka 49 amin'io tarehintsoratra io: bancal (bingo), bête 50 (mitarehim-biby), bigle (njola), boîteux (mandringa), 51 borgne (poa-maso), bossu (vokoka). -- 52 Ampiasaina koa izy amin'ny fomban-kiry sy ny zava-maneno: 53 ny B dia atao anaran'ny fanalahidim-peo (clef, key), hifanandrify 54 amin'ny solfa TI, raha amin'ny DO dia DO na C ilay hira. 55 Ny Bh kosa dia mifanandrify amin'ny TA. -- 56 Amin'ny fivahana katolika, ny B dia ilazana ny sambatra, ny 57 fahasambarana (Bonheur, Bienheureux). 58 59 Amin'ny teny malagasy, ny B dia tarehintsoratra naman'ny V -- 60 ny V miova ho B araka ny lalàn'ny fikambanan-teny: 61 homana vary, homam-bary (toy ny fiovan'ny F ho P). 62 Toy ny tarehintsoratra rehetra amin'ny Abidia malagasy ihany: 63 ny B malagasy dia tokam-peo fa tsy mba miovaova, na mety tsy 64 hotonina akory aza (amin'ny fiteny frantsay sy angley, ets.). 65 Isan'ny tarehintsoratra manana feo mafy, midoboka na miriatra izy, 66 ka tsaroan'ny mpandahateny izany amin'ny fanononana, 67 hampiasaina hanitra ny mpihaino (na dia tsy mahatoraka ny fikotroky 68 ny D, T, G aza). -- Entina mifanao vazivazy kely, mba hihomehezana 69 ny B: raha tafahaona tampotampoka ny mpisakaiza dia mamely ny 70 voalohany: A...a..! -- ka valian'ny namany B...i..! -- 71 Fitenin'ny olona, ho toy ny hirahiran'ny mpianatra mamakiteny: 72 "Manao b a ba (biaba) ny b sy ny a, manao biabà!" [1.10] 73 Tarehintsoratra faharoa ary renisoratra voalohany amin'ny abidy malagasy, 74 mitonona hoe bi na be. [1.1] |
| Explications en anglais |
75 the second letter of the Malagasy Alphabet. It is sounded as b in English. After the elision of one of the weak syllables, -NA, -KA, and -TRA, in a word which is joined to a second beginning with v, b always takes the place of v; thus -NA or -NY and b coming together, the -NA becomes m, and the b becomes v, as TANIM-BARY [TANY and VARY]; OLOMBERY [OLONA and VERY]; when a word ending in -KA or -TRA is united to another beginning with v, the -KA or -TRA is rejected and the v becomes b, as TONGO-BARIKA [TONGOTRA and VARIKA], SATRO-BEHI-VAVY [SATROKA and VEHIVAVY].When the verbal prefix MAN- is joined to a word beginning with b, the b is sometimes elided, and the n become m as MAMABO [MAN- and BABO]; or the n is changed to m, while the b is retained, as MAMBETA [MAN- and BETA]
[1.2] |
| Explications en français |
76 Deuxième lettre et première consonne de
77 l'alphabet malgache; ; il se prononce 78 comme le b en français ; il remplace le 79 v après ka, na, tra, any, ny, d'après 80 les règles de la combinaison des lettres. 81 Quelquefois il s'élide ou se combine 82 avec l'n du préfixe man et forme m [1.3] |
| Analogues | 83 abidy |
| Tableaux et planches |
84 Les alphabets |
| Article | 85 Andriamihaja Solonavalona: Ny fivoaran'ny abidia malagasy |
| Illustrations |
|
| Entrée (2/2) | 86 B
![]() |
| Partie du discours | 87 nom (symbole) |
| Explications en malgache |
88 Singa mivaingana, fahadimy amin'ny
89 fisokajiana miherina. [3.1] |
| Explications en anglais |
90 Boron.
[3.1] |
| Explications en français |
91 Bore.
[3.1] |
| Vocabulaire | 92 Chimie |
| Tableaux et planches |
93 Table périodique |
| Mis à jour le 2025/11/20 |
|