|
|
|
|

Entrée1  Angolangolan' ny Tanora
Mots élémentaires  2 angolangola, 3 tanora
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6 Rajaonarivelo Auguste
Texte  7  [CR]Eny iky, ry rano manamika ery an-tsefatsefa-bato, ry lomotra maka toerana ery an-doharano!
8  [CR]Mba nikasa higoka, hono, aho, ka nangaina; nanantena handraoka ka nanjahatra.
9  [CR]Hay, iny no rivotra an-kadilanana, andraofan-tsy ahazoana, avela mitambolina ihany!
10  [CR]Hanky iny no embok' akondron' Isoamanidoka, andrasan-tsy latsaka, afoy toa hena.
11  [CR]Ka raha hikopa-damba dia ho roso moa iny ka haninona, fa ity izy misarisary zoro toa himpody, toa hiverina, no tsy zakako.
12  [CR]Mbola tia ka iavonana.[CR][CR]

13  Saikiny

14  [CR][CR]Hay ianareo ombimanga noana tojon' ny antsoron' Andraopasika, mody mianjona kanjo liana!
15  [CR]Tsiriry reraka sendra kamory, mody tofoka kanjo tia!
16  [CR]Aza malahelo, hono, rahavako, fa raha mibarera elatra toa hipetraka, hono, izy, tsy fitia fa avona;[CR]na misary zoro toa hijanona, hono, izy, tsy angola fa latsa![CR]


Mis à jour le 2025/11/13