Entrée Apokalypsy
Partie du discours nom propre (livre biblique)
Explications en malgache Ity no boky farany indrindra araka ny filaharana ao amin' ny Testamenta Vaovao, ary noho ny hasarotan' ny fanoharana maro ao aminy dia efa nisehoan' ny adi-hevitra betsaka izy. Ny hevitry ny teny hoe «Apokalypsy» dia fanesorana ny fisalobonana izay manafina zavatra tsy ho hita miharihary. Nisy boky maromaro nitondra izany anarana izany fahizay, ka ny manazava ny zava-miafina no nokendreny ; koa dia natao araka izany ny toetran' ny teny sy ny hevitra ao anatiny. Isan' ireo boky ireo ity. Fanaon' ny Fiangonana Kristiana tamin' ny voalohany ny manangona ny soratra avy tamin'ny Apostoly: indraindray tantara izany; indraindray hevi-pinoana ; indraindray fanambarana sy faminaniana. Nohajainy fatratra ireny ka nomeny anarana hoe Apokalypsy noho ny toetrany. Toy izany, ny « Filazantsara nosoratan' i Petera,» ny « Toritenin' i Petera,» ny « Apokalypsin' i Petera,» ary ny «Apokalypsin' i Paoly.» Ity farany ity dia mihambo ho milaza ny zavatra hita sy ren' i Paoly fony izy nakarina tany amin' ny lanitra fahatelo (2 Kor. 12). Tsy misy azo itokiana ho marina anefa ireny, afa-tsy ity Fanambarana hitan' i Jaona ity ihany. Ary na dia ity boky ity aza dia tsy neken' ny fiangonana rehetra tamin' ny voalohany ho isan' ny Kanonan' ny Soratra Masina.

Papias isan'ny Ray apostolika, izay teraka tamin' ny taona 70 A.D., dia nahalala ity boky ity ; ary tamin' ny siekla faharoa dia boky fantatra tsara izy. Jostina Martiora dia milaza azy ho nosoratan' i Jaona Apostoly ; ary nisy maro hafa koa nandray sy nampiasa ity boky ity, dia ry Melito tao Sardisy, Polykrato tao Efesosy, Teofilo tao Antioka, Klementa tao Aleksandria, ary Origena. Ireo ny tany Atsinanana ; ary ny tany Andrefana kosa dia ry Tertoliana, Kypriana, ets., ary indrindra ilay sombin-taratasy malaza rovidrovitra atao hoe « Ny Sombin-taratasin' i Morotoriana ; » ireo rehetra ireo dia samy manambara sy manamarina azy ho isan' ny Kanonan' ny Soratra Masina. [1.38]

Vocabulaire 
Synonymes Fanambarana

Mis à jour le 2020/07/31