|
|
|
|

Entrée (1/4)1 babay
Partie du discours  2 nom
Explications en malgache  3 Kilalaon' ankizy izay manipy zavatra eny an-tanany hisavoana dia tantazany tsy ho latsaka sady ataony hoe: "Latsaka i babay, tonga i babay". (Sarina tanisa). [1.10]
Explications en anglais  4 a children's game [1.2]
Explications en français  5 Nom d'un jeu d'enfants consistant à laisser choir quelque chose de la main et à le ressaisir dans la chute. On dit en jouant : Latsaka babay, tonga babay. lit. Babay tombe, babay remonte [1.3]
Vocabulaire  6 Jeu
Tous les mots composés  7latsaka babay, tonga babay
Proverbes  8 Proverbes contenant ce mot

Entrée (2/4)9 babay
Partie du discours  10 nom
Explications en malgache  11 Teny fanaovan' ny tambanivohitra sasany, fiovan' ny hoe "baba" (dada). [1.10]
12 renibe [Sihanaka] [1.78]
Explications en anglais  13 in the provinces it used for father. [Provincial] [1.2]
Vocabulaire  14 Rapports: famille

Entrée (3/4)15 babay
Partie du discours  16 interjection [Liste complète]
Explications en malgache  17 Tenim-piontanana, na fahataraina, ataon' ny olona izay voatendrin' ny manampahefana hisambotra na hitana ny olona ahiahina ho namosavy. [1.10]
Explications en anglais  18 an expression of lamentation uttered by the officers appointed to seize those suspected of sorcery. [1.2]
Tous les mots composés  19saro-babay

Entrée (4/4)20 Babay
Partie du discours  21 nom propre (toponyme) [Liste complète]
Explications en malgache  22 Tendrombohitra eo ankavian-dalana mankany Mojanga, andrefan' i Moriandro, sahabo 6 km. atsimon' i Lovohitra. Mievotra eo afovoan' ny tany lamaka izy ; tomandavana mianavaratra sy mianatsimo, ary Babay no anaran-tokana ilazan' ny olona azy. Misy tendrony efatra anefa izy: ny atsimo no avo indrindra, ary mihaiva hatrany. Misy kirihitr' ala betsaka eny antenantenany eny :voafotsy no be amin' ireny, sy ilay hazo mafy atao hoe famaho, karazan' ny harahara. Samy efa nonenan' olona ireo tendrony efatra amin' i Babay. Ny atsimo indrindra dia atao hoe "Antampon' i Babay" : nonenan' izany olona natao hoe "Ibabay" na "Ralaibabay" (asa na Sakalava na Vazimba izy io). Ny tendrony manarakaraka dia "Ambohimanoro", nonenan' izay natao hoe Andriamanoro. Ny fahatelo dia "Ambohimalemizaka", nitoeran' izany "Andriamalemizaka". Ny tendrony fahefatra dia "Ambohitrandriana" ; io sisa misy mponina mandr ak' ankehitriny, ka ataon' ny olona hoe Babay. Samy voahodidina hadivory avokoa izy efatra. Fasana, fahitr' omby rava, ary vavahady mikorontana sisa hita eo amin' ireo telo atsimo. Samy fonenana tsara anefa izy, satria sady manga rivotra no akaiky rano (tra-toraka avy eo am-bavahady) ary mora iarovan-tena amin' ny fahavalo. -- Misy farihy telo namboarina eo antenantenany andrefana, izay samy be kirihitr' ala mahafinaritra. Ny lehibe indrindra dia "Andranosoa", tokony ho 150 m. ny lavany mianavaratra sy mianatsimo ary 80 m. ny sakany ; be harefo sy trondro io. Ny roa kelikely avy dia eo ambony atsinanan' ity lehibe : ankevitry ny samy 80 m. avy ny lavany ary 30 m. ny sakany : "Andranomizàna" sy "Andranonamboa" no anarany. ... [1.10]
Explications en anglais  23 a mountain in Imerina [1.2]
Explications en français  24 célèbre montagne au nord-ouest de l'Imerina [1.3]
Exemples  25 Lohavohitra, lasan' ialahy ! ka dia alai' ny ialahy indray i babay ! [2.48]
26 Tonga indray ny taratasin'ny Prime Minister nanao hoe : Mankanesa ao babay hianareo; [2.59]
27 Avaradrano : renivohitra : Ambohimanga, Antananarivo " : Alasora " : Ambohidratrimo " : Fenoarivo " : Lohavohitra sy babay " : Betafo sy Antsirabe. [2.113]
Vocabulaire  28 Géographie: monts, vaux
Proverbes  29 Proverbes contenant ce mot
Citations  30 Textes citant ce mot

Anagrammes  31 ababy, 32 abiba, Abiba, 33 babay, Babay, 34 ibaba

Mis à jour le 2025/11/03