|
|
|
|

Entrée1  daholo
Partie du discours  2  adjectif
Dérivés 
3  Adjectifs :
Tous les mots composés 
Explications en malgache  6  [1.1] Rehetra tsy misy avahana: Nihoraka daholo ny mpianatra. (Marihina fa sady mamaritra ny matoanteny ny daholo no mifandray amin' ny teny lazaina: Nihinana paiso daholo ny mpianatra; Nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso. Araka izany dia mitovy hevitra amin' ny rehetra ihany izy saingy ny rehetra mpamaritra anarana ka atao manaraka ny anarana mandrakariva, ary izany koa matetika no mahatonga ny olona hampiasa azy roa miaraka: Nihinana paiso daholo ny mpianatra rehetra; nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso rehetra)
Explications en anglais  7  [1.2] the whole, all, altogether
8  [1.7] all together
Explications en français  9  [1.3] Tous
10  [1.8] tous ensemble
Exemples  11  [2.528] Ao daholo ve ry zalahy?
12  [2.895] Lasany daholo ny ombiko.
13  [2.324] Ento daholo ny babo rehetra!
14  [2.4] Manao ahoana daholo ianareo?
15  [1.1] Nihinana paiso daholo ny mpianatra rehetra; nohanin' ny mpianatra daholo ny paiso rehetra

Mis à jour le 2025/08/10