|
|
|
|

Entrée1  evanjelistra
Partie du discours  2  nom
Explications en malgache  3 anarana ampiasain' ny Testamenta Vaovao Asa 21:8, Efes 4:11, 2, Tim. 4:5,
4 ilazany ny olona izay nandehandeha nitory ny Filazantsara ka namboa-dalana
5 hiorenan' ny fiangonana kristiana ao amin' izay toerana misy olona maromaro mety
6 nandray azy. Tsy nitoetra ho mpitandrina fiangonana iray izy, fa nifindrafindra
7 nitaona ny olona hino an' Jesosy Kristy ho Mpamonjy. Toy izany Filipo, anankiray
8 amin' ny diakona fito lahy nofidina voalohany, dia ilay Filipo avy tany Kaisaria.
9 Toy izany koa ilay Timoty avy tany Efesosy izay taizan' i Paoly ara-panahy.
10 Taorian' ny andron' ny Apostoly, ny hoe evanjelistra dia nilazana
11 koa ny olona izay namaky ny Soratra Masina sy nanazava azy tao am-piangonan'
12 ny kristiana.
13 Natao hoe evanjelistra koa izy efa-dahy nanoratra ny Filazantsara
14 efatra: Matio, Marka, Lioka, Jaona.
15 Ankehitriny dia izany asany mandehandeha mitory ny Filazantsara izany
16 ihany koa no anaovana ny olona hoa evanjelistra. Anefa raha mitandrina fiangonana
17 maromaro koa izay ivezivezeny izy dia atao hoe evanjelistra. Toy izany ny
18 "Evanjelistra Iraky ny Isanenimbolan' Imerina", izay alefa sy iantohan' ny
19 fitambaran' ny fiangonana protestantra rehetra eto Imerina, miray amin' ny
20 Misiona telo tonta dia ny LMS, ny FFMA ary ny MPF. Efa manana ny faritany
21 manokana iasany ny evanjelistry ny Isanenimbolana any anindrana. [1.10#E64]
Explications en français  22 espèce d'intendant, d'inspecteur de temples chez les Protestants [1.3#133]
Exemples  23  Eny, marina tsy misy isalasalana izany, hoy ilay evanjelistra. [2.357#]
24  Ny ray aman-dreniny mpivavaka sady evanjelistra nanampy izany; [2.324#]
25  Rarivo evanjelistra tao no voatendry no Goverinora sy Komandy. [2.508#]
26  Ravokatra, evanjelistra, any Vato-mandry, no nitoriteny [2.649#]
Vocabulaire  27  Religion et Liturgie
Analogues  28  evanjelisitra, 29  evanjelista

Mis à jour le 2025/11/17