| Entrée | 1 Fasana faharoa |
| Mots élémentaires | 2 fasana, 3 faharoa |
| Partie du discours | 4 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 5 Littérature: poèmes |
| Auteur |
6 Rabearivelo Jean-Joseph |
| Texte complet |
7 8 Ilay fasako, fasako ihany, 9 fa ny foko dia fasana koa! 10 Io no fasako ivelan'ny tany, 11 io no fasako iray, faharoa! 12 Tsy mba vero na mba rangolahy 13 no manafina an'io fasana io - 14 fa ny nofoko zary manahy 15 no mandrakotra omaly sy anio. 16 Sentosentoko mamelovelo, 17 ranomaso, toloko tsy tana - 18 izy ireny no sarin'avelo, 19 mitampody ka sarotra ialana! 20 Ao ny nofy novolavolaina, 21 izay nisinda nalaky, tsy hita! 22 Ao no rendrika ilay nantenaina, 23 ilay sambo nataoko ho tafita! 24 Ao ny tsantan' ny andro taloha 25 sy ny hiran'ny fahazazako 26 no milevina ka tsy mifoha, 27 na miverina mba hitondra ako! 28 Ao ny zava-drehetra voakasa, 29 saingy simba, ka very tadidy! 30 Ao ny taolan'ny androko lasa, 31 sy ny ora tsy masi-mandidy! 32 Ao ny nofo nikipaka mora 33 ao ny maty daholo daholo! 34 Ao malazo na mbola tanora, 35 ka mianjera tsy mana-mpisolo! 36 Ilay fasako, fasana ihany, 37 fa ny foko dia fasana koa! 38 Io no fasako ivelan'ny tany. 39 io no fasako iray faharoa. |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|