Entrée fiantranoana (trano)
Partie du discours nom
Explications en malgache Fidirana ao an-tranon' olona
Fangataham-bady atao loabary an-dasy eo anatrehan' ny mpianakavy roa tonta, ampiana ny dinidinika ny amin' izay andro hampakarana sy ny hatao amin' izany; amin' ny fiantranoana koa no anomezan-drazazalahy fitafiana ho an-drazazavavy. Ireo zatovo mifanaiky hivady toy izany no natao taloha hoe: "vady vita fiantranoana" [1.1]
Explications en français L'action d'entrer dans la maison de quelqu’un, la cause, le lieu [1.3]
Exemples 
1vady vita fiantranoana kosa no niantsoan'ny Ntaolo an'io fahiny. [2.314]
2Misy ambaratonga roa ny fomba arahina rehefa hanambady: voalohany, ny fiantranoana, ary faharoa, ny fampakaram-bady. [2.436]
3Ny fiantranoana na fangataham-bady dia atao loa-bary an-dasy eo anatrehan' ny mpianakavy tafavory, ampiana ny dinidinika ny amin' izay andro hampakarana sy ny hatao amin' izany. [2.436]

Mis à jour le 2023/01/08