| Entrée | 1 Hiran-jaza kamboty |
| Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
| Auteur |
4 Andrianaly Alfred |
| Texte complet |
5 [CR] 6 Misy maro izao mikalo, 7 Tsy mba manam-pahavalo; 8 'Zaho kosa toa mimalo, 9 Toa latsain'izay mandalo. 10 Ao ny revo mikorisa 11 Eny an-dalam-paradisa, 12 'Zaho kosa mitanisa 13 Fahorian-tsy hita isa! 14 Ao ny voky safosafo, 15 Hafalia-mitafotafo; 16 'Zaho kosa misakafo 17 Sady mandry tsy amin'afo! 18 Ao ny mbola velon-dreny, 19 Manan-dray hiteniteny ; 20 'Zaho kosa… voa dia eny: 21 Singan'olona manjeny . 22 'Zay tazaniko rehetra 23 Samy lavitry ny tsetra; 24 'Zaho kosa manjoretra 25 Sy mijaly an-tery setra ! 26 'Ndreo ny vorona misiaka, 27 Miramirana sariaka; 28 'Zaho kosa toa mifiaka 29 Ranomaso be mandriaka! 30 'Rony kintana misosa, 31 Tsy mba manana mpifosa; 32 'Zaho kosa! 'zaho kosa 33 Mitanondrika fa osa! 34 Volana manatri-tava, 35 Taratry ny fo mazava; 36 'Zaho kosa maizin-dava, 37 Tojo ny oran-tsy misava! 38 Ô! ry lanitra ô, avoty 39 Fa mahantra ity kamboty! 40 Zazabodo diso angoty , 41 Vao nitsiry dia voaoty! 42 Satriko aza anio ihany 43 Dia hilaozana ny tany, 44 Ka hisidina hankany 45 'Lay Fanahy nosimbany. |
| Mis à jour le 2025/11/13 |
|