| Entrée | 1 Ianareo ... izahay |
| Partie du discours | 2 nom propre (titre de poème) [Liste complète] |
| Vocabulaire | 3 Littérature: poèmes |
| Auteur |
4 Rakotomalala Henri |
| Texte complet |
5 6 Ianareo rorampison' Angavokely, 7 Izahay erikerik'Ankaratra, 8 Ka na tsy tondraka aza, 9 Mahavonto tany! 10 Ianareo mafikely lava taho, 11 Izahay vonin'avoko malefolefo; 12 Raha jejo loha ny any, 13 Izahay kely ihany fa mamerovero. 14 Tsy mitambitamby amin'ny tsimperifery izahay 15 Fa manana sakay tsara fefy; 16 Ary tsy mitomany volo oly 17 Fa manana mpandrandrana mahay. 18 Koa aza fady, Raondriana, 19 Fa raha safomorona ny fampitambazana, 20 Ny anay efa nitobaka ela; 21 Raha ritra ny rano tan-dobo, 22 Ny anay efa tsisy tavela. 23 Ny farihy tankina, hono, 24 Ny fotoka no manjaka; 25 Fa ny loharano an-dohasaha kosa, 26 Raha lasa ny iray, roa no avy mantsaka! 27 Koa kopa-damba malefaka no ataoko, 28 Fa raha hitsikitsika mahay mandihy ianareo, 29 Izahay voromanga mahay mihira, 30 Ka zato sy arivo manao " midira " 31 Na ny eto akaiky na an-dakira! 32 ..................... 33 Ianareo haba ihaingoan'ny jefy, 34 Izahay volamena tsy mety lefy! 35 ..................... 36 Koa samia masina an-taniny, 37 Fa ianareo vatosoa manja fanjelatra, 38 Izahay diamondra soa hazavana. 39 Koa veloma mahalankalana, Rasena, 40 Fa raha fintana tsy azo idirana ianareo, 41 Izahay tandroho tsara Jadina tsy azo resena ! |
| Mis à jour le 2025/11/17 |
|