Entrée Ilay fasan-tsakaiza tiana
Partie du discours   nom propre (titre de poème)
Auteur   Ramanantoanina
  
Hodidinin'alam-bero,
tsy an-tanin-tena akory;
ry mpandalo ! itsero
'ty zatovo mampahory!

Solon-dray mba manoloana,
solon-dreny mahazatra:
rafi-bato mikitoana ,
tany mena ambony tratra,
ranon'ando mangatsiaka,
danik'andro mahamay,
rivodrivo-mitsoriaka,
ary lolo miolomay !

Nefa kosa italanjony,
ry mpandalo, igagao:
ny anjely any ambony
tonga koa mitsidika ao!
Vocabulaire  
Tableaux et planches   Tous les titres

Mis à jour le 2016/08/22