|
|
|
|

Entrée1  Ilay ony
Mots élémentaires  2 ilay, 3 ony
Partie du discours  4  nom propre (titre de poème) [Liste complète]
Vocabulaire  5  Littérature: poèmes
Auteur  6 Rafanoharana
Texte complet  7 
8  Variana ny masoko, gaga ny saiko,
9  Mahita'ty ony mandalo tanàna:
10  Milamim-pisosa toa efa voabaiko,
11  Manatona ihany an'ilay fiafarana.
12  Ny onja madinika, indreny misangy,
13  Toa ondry aman'osy mifalihavanja;
14  Ny roatra tsy rototra, toa mampitamby
15  Mirona malako fa mana-mpilanja.

16  Ilaozako anefa'lay toerako teo,
17  'Ty ony malaza arahiko an-kiry:
18  Injany any erà ô! henoko feo,
19  Dia feo mahatahotra, feo makadiry!
20  Tsy ela dia hitako eo anoloako.
21  'Ty riana mianjera tsy roa aman-tany;
22  Ny rano mifafy hatreo am-pijoroako,
23  mamorona avana kanto aoka izany!

24  Miorika ihany hatrany hatrany,
25  Tsy miato ny diako manaraka ny ony
26  Satria te-hahita izay fiandohany,
27  'Zay hoe hainandro tsy tsapako intsony,
28  Dia iny'lay ony mihena, mihena,
29  Mihena miandalana sy mihakely;
30  Tanety vakiny - endre! raha jerena,
31  Fa mavana, maitso, toa " sahan'anjely " .

32  Ny omby aman'ondry darofan'ny andro,
33  Indreo fa misotro, mimà dia mitraka;
34  Ny ankizy mpiandry, mafana ka mandro
35  (Ireo tsy mba sahy mikatroka daka)
36  Mihena tsy hitan'ny masoko intsony
37  Fa lasa misitrika anatin'ny ampanga:
38  Endrey! zary tatatra manko ilay ony,
39  Dia tatatra kely toa mena-mitranga !

40  Dia hitako farany'lay loharano
41  Miboika dia miboika ambanin'ny vato;
42  Ny vato mivoaka eo manganohano;
43  Miboika dia lasa, mandeha tsy miato.
44  Indreny ny vorona, ireo voron'ala,
45  Misotro, variana, dia miara-mikalo
46  Miadam-pinaritra, tsy salasala,
47  Fa lavi-mpanenjika sy fahavalo.

48  Mandeha ny saiko mihevitra izany:
49  Nahoana aho re no kivy mazàna?
50  'Lay ony kanefa he'ty fiandohany
51  Mba kely ny bitika saro-jahana.
52  Ry foko, mionona ka aza tomany;
53  Raha toa mavomavo tsy fantatra akory,
54  lanaro ny ony, mitombo hatrany;
55  Ho resy miandalana ny andro mahory!

Mis à jour le 2025/11/17