Entrée misodika (sodika)
Partie du discours verbe actif
Explications en malgache Manala ny tsiratsiraka na ny hoza-dravin' ny rofia: Misodika rofia
Manala ny fako kely madinika alohan' ny hitotoana vary: Misodika vary i Bozy
Manesotra ny menaka na ny hero-dronono mitsinkafona: Nisy nisodika ny herotra tamin' ity ronono ity
Mijerijery taratra alohan' ny hangalarana
Misonenika izaitsizy eo am-pandihizana: Loza raha hisodika io tovovavy io rehefa mandihy [1.1]
Explications en français Séparer les fibres du rofia, écumer, écrémer, trier [1.3]
 Séparer les fibres, défibrer [1.196]
Exemples Ny herotra misodika amin' ny ronono, angonina ary kapohina, dia manome ny dibera. [2.332]
Morphologie 
Présent : misodika
Passé : nisodika
Futur : hisodika
Impératif : misodiha
Proverbes 

Entrée misodika (sodika)
Partie du discours verbe actif
Explications en malgache Mikendry zavatra eny am-panidinana manodidina ny tena (vorona) [1.1]
Explications en français Rôder, voltiger tout autour [1.3]
Exemples 
1ny papango misodika ambony eny akaikin' ny rahona; [2.587]
2Hitsikitsika sy papango no hita misodika eny indraindray, manao ny akaniny eny antsefatsefaky ny harambato. [2.499]
Morphologie 
Présent : misodika
Passé : nisodika
Futur : hisodika
Impératif : misodiha

Anagrammes 

Mis à jour le 2021/09/30